< 2 Mpanjaka 23 >
1 Ary nanirahan’ ny mpanjaka, ka dia vory tany aminy ny loholon’ ny Joda Jerosalema rehetra.
Et renuntiaverunt regi quod dixerat. Qui misit: et congregati sunt ad eum omnes senes Juda et Jerusalem.
2 Dia niakatra ho ao an-tranon’ i Jehovah ny mpanjaka, ary nanaraka azy ny lehilahy rehetra amin’ ny Joda sy ny mponina rehetra tany Jerosalema mbamin’ ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe; ary novakiny teo anatrehany ny teny rehetra tamin’ ny bokin’ ny fanekena izay hita tao an-tranon’ i Jehovah.
Ascenditque rex templum Domini, et omnes viri Juda, universique qui habitabant in Jerusalem cum eo sacerdotes et prophetæ, et omnis populus a parvo usque ad magnum: legitque, cunctis audientibus, omnia verba libri fœderis, qui inventus est in domo Domini.
3 Ary ny mpanjaka nitsangana teo amin’ ny fitoeran’ andriana, dia nanao fanekena teo anatrehan’ i Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lalàny sy ny teni-vavolombelony ary ny didiny amin’ ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankatò ny tenin’ ny fanekena sy izay voasoratra ao amin’ izany boky izany. Ary ny vahoaka rehetra koa dia mba nanaiky ny fanekena.
Stetitque rex super gradum: et fœdus percussit coram Domino, ut ambularent post Dominum, et custodirent præcepta ejus, et testimonia, et cæremonias in omni corde, et in tota anima, et suscitarent verba fœderis hujus, quæ scripta erant in libro illo: acquievitque populus pacto.
4 Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Hilkia mpisoronabe sy ireo mpisorona manarakaraka ary ny mpiandry varavarana hamoaka ny fanaka rehetra izay natao ho an’ i Bala sy Astarta ary ho an’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra hiala amin’ ny tempolin’ i Jehovah; ka nodorany tany ivelan’ i Jerosalema teny amin’ ny saha amoron’ i Kidrona ireny, ary nentiny ho any Betela ny vovony.
Et præcepit rex Helciæ pontifici, et sacerdotibus secundi ordinis, et janitoribus, ut projicerent de templo Domini omnia vasa quæ facta fuerant Baal, et in luco, et universæ militiæ cæli: et combussit ea foris Jerusalem in convalle Cedron, et tulit pulverem eorum in Bethel.
5 Ary natsahany koa ny mpisorona amin’ ny andriamani-tsi-izy, izay notendren’ ny mpanjakan’ ny Joda handoro ditin-kazo manitra eny amin’ ny fitoerana avo tany amin’ ny tanànan’ ny Joda sy tamin’ ny manodidina an’ i Jerosalema, sy izay nandoro ditin-kazo manitra koa ho an’ i Bala, dia ny masoandro, ary ho an’ ny volana sy ny kintana amin’ ny Zodiaka ary ho an’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra.
Et delevit aruspices quos posuerant reges Juda ad sacrificandum in excelsis per civitates Juda, et in circuitu Jerusalem: et eos qui adolebant incensum Baal, et soli, et lunæ, et duodecim signis, et omni militiæ cæli.
6 Ary ny Aseraha navoakany hiala amin’ ny tranon’ i Jehovah ho any ivelan’ i Jerosalema, ao amin’ ny lohasahan-driaka Kidrona; ary nodorany tao io ka notorotoroiny ho vovoka, ary ny vovony nafafiny teny ambonin’ ny fasam-bahoaka.
Et efferri fecit lucum de domo Domini foras Jerusalem in convalle Cedron, et combussit eum ibi, et redegit in pulverem, et projecit super sepulchra vulgi.
7 Ary noravany ny tranon’ ny olona nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy izay teo amin’ ny tranon’ i Jehovah, dia ireo nanenoman’ ny vehivavy lay ho an’ i Astarta.
Destruxit quoque ædiculas effeminatorum quæ erant in domo Domini, pro quibus mulieres texebant quasi domunculas luci.
8 Ary nampaka ny mpisorona rehetra avy tamin’ ny tanànan’ ny Joda izy, dia nolotoiny ny fitoerana avo, izay nandoroan’ ny mpisorona ditin-kazo manitra, hatrany Geba ka hatrany Beri-sheba ary noravany ny fitoerana avo tao akaikin’ ny vavahady, dia ilay teo anoloan’ ny vavahadin’ i Josoa, komandin’ ny tanàna, sy ilay teo an-kavia raha miditra amin’ ny vavahadin’ ny tanana.
Congregavitque omnes sacerdotes de civitatibus Juda, et contaminavit excelsa ubi sacrificabant sacerdotes de Gabaa usque Bersabee, et destruxit aras portarum in introitu ostii Josue principis civitatis, quod erat ad sinistram portæ civitatis.
9 Fa ny mpisorona tamin’ ny fitoerana avo tsy navela hanatitra teo ambonin’ ny alitaran’ i Jehovah any Jerosalema; nefa nahazo niara-nihinana mofo tsy misy masirasira tamin’ ny rahalahiny ihany izy.
Verumtamen non ascendebant sacerdotes excelsorum ad altare Domini in Jerusalem: sed tantum comedebant azyma in medio fratrum suorum.
10 Ary nolotoiny koa Tofeta, izay eo amin’ ny lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma, mba tsy hisy hampandeha ny zananilahy na ny zananivavy hamaky ny afo ho an’ i Moloka intsony.
Contaminavit quoque Topheth, quod est in convalle filii Ennom, ut nemo consecraret filium suum aut filiam per ignem, Moloch.
11 Ary ny soavaly izay nohamasinin’ ireo mpanjakan’ ny Joda ho an’ ny masoandro ka nataony teo amin’ ny fidirana ho ao an-tranon’ i Jehovah, teo akaikin’ ny efi-tranon’ i Natana-meleka tandapa, izay tao Parvara, dia nesoriny; ary ny kalesin’ ny masoandro nodorany tamin’ ny afo.
Abstulit quoque equos quos dederant reges Juda soli in introitu templi Domini juxta exedram Nathanmelech eunuchi, qui erat in Pharurim: currus autem solis combussit igni.
12 Ary ireo alitara teo an-tampon-trano ambony amin’ ny tranon’ i Ahaza, izay nataon’ ireo mpanjakan’ ny Joda, sy ny alitara izay nataon’ i Manase tao anatin’ ny kianja roa tamin’ ny tranon’ i Jehovah, dia noravan’ ny mpanjaka ka notorotoroiny, dia nafafiny tany amin’ ny lohasahan-driaka Kidrona ny vovony.
Altaria quoque quæ erant super tecta cœnaculi Achaz, quæ fecerant reges Juda, et altaria quæ fecerat Manasses in duobus atriis templi Domini, destruxit rex, et cucurrit inde, et dispersit cinerem eorum in torrentem Cedron.
13 Ary nolotoin’ ny mpanjaka ireo fitoerana avo izay teo anoloan’ i Jerosalema, teo amin’ ny ankavanan’ ny tendrombohitra nahitan-doza, dia ireo nataon’ i Solomona, mpanjakan’ ny Isiraely, ho an’ i Astarta, fa havetavetan’ ny Sidoniana, sy ho an’ i Kemosy, fahavetavetan’ i Moaba, ary ho an’ i Milkoma, fahavetavetan’ ny taranak’ i Amona.
Excelsa quoque, quæ erant in Jerusalem ad dexteram partem montis offensionis, quæ ædificaverat Salomon rex Israël Astaroth idolo Sidoniorum, et Chamos offensioni Moab, et Melchom abominationi filiorum Ammon, polluit rex.
14 Dia notorotoroiny ny tsangam-baton-tsampy sady nokapainy koa ny Aseraha, ka nofenoiny taolan’ olona ny nitoerany.
Et contrivit statuas, et succidit lucos: replevitque loca eorum ossibus mortuorum.
15 Ary ny alitara izay tao Betela sy ny fitoerana avo izay nataon’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, ilay nampanota ny Isiraely, dia noravany koa; ary nodorany ny fitoerana avo ka notorotoroiny ho vovoka, ary nodorany koa ny Aseraha.
Insuper et altare quod erat in Bethel, et excelsum quod fecerat Jeroboam filius Nabat, qui peccare fecit Israël: et altare illud, et excelsum destruxit, atque combussit, et comminuit in pulverem, succenditque etiam lucum.
16 Ary nitodika Josia ka nahita ny fasana teny an-tendrombohitra, dia naniraka naka ny taolana tao am-pasana, ary nodorany teo ambonin’ ny alitara ireny nandotoany azy, araka ny tenin’ i Jehovah, izay notorin’ ilay lehilahin’ Andriamanitra.
Et conversus Josias, vidit ibi sepulchra quæ erant in monte: misitque et tulit ossa de sepulchris, et combussit ea super altare, et polluit illud juxta verbum Domini quod locutus est vir Dei, qui prædixerat verba hæc.
17 Dia hoy izy: Tsangam-baton’ iza itsy hitako itsy? Ary hoy ny mponina tao an-tanana taminy: Fasan’ ilay lehilahin’ Andriamanitra izay avy tany Joda io, dia ilay nitory izao zavatra nataonao tamin’ ny alitara eto Betela izao.
Et ait: Quis est titulus ille, quem video? Responderuntque ei cives urbis illius: Sepulchrum est hominis Dei, qui venit de Juda, et prædixit verba hæc, quæ fecisti super altare Bethel.
18 Ary hoy izy: Aoka itsy; aza misy manetsika ny taolany akory. Dia tsy nokasihiny ny taolany sy ny taolan’ ilay mpaminany avy tany Samaria.
Et ait: Dimitte eum: nemo commoveat ossa ejus. Et intacta manserunt ossa illius cum ossibus prophetæ qui venerat de Samaria.
19 Ary ny trano rehetra tamin’ ny fitoerana avo, izay teny amin’ ny tanànan’ i Samaria, izay nataon’ ireo mpanjakan’ ny Isiraely ka nahatonga fahatezerana, dia noravan’ i Josia koa ka nataony araka izay rehetra efa navony tany Betela.
Insuper et omnia fana excelsorum quæ erant in civitatibus Samariæ, quæ fecerant reges Israël ad irritandum Dominum, abstulit Josias: et fecit eis secundum omnia opera quæ fecerat in Bethel.
20 Ary ny mpisorona rehetra izay teo, dia ny mpisorona amin’ ny fitoerana avo, novonoiny teo ambonin’ ny alitara, sady nandoro taolan’ olona teo koa izy, dia niverina nankany Jerosalema.
Et occidit universos sacerdotes excelsorum qui erant ibi super altaria, et combussit ossa humana super ea: reversusque est Jerusalem.
21 Ary ny mpanjaka nandidy ny vahoaka rehetra hoe: Tandremo ny Paskan’ i Jehovah Andriamanitrareo, araka ny voasoratra ao amin’ ny bokin’ ity fanekena ity.
Et præcepit omni populo, dicens: Facite Phase Domino Deo vestro, secundum quod scriptum est in libro fœderis hujus.
22 Fa tsy nisy Paska notandremana toy izany hatramin’ ny andron’ ny mpitsara izay nitsara ny Isiraely, na tamin’ ny andro rehetra nanjakan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely sy ny mpanjakan’ ny Joda;
Nec enim factum est Phase tale a diebus judicum qui judicaverunt Israël, et omnium dierum regum Israël et regum Juda,
23 fa tamin’ ny taona fahavalo ambin’ ny folo nanjakan’ i Josia mpanjaka no nitandremany izany Paska izany ho an’ i Jehovah tany Jerosalema.
sicut in octavodecimo anno regis Josiæ factum est Phase istud Domino in Jerusalem.
24 Ary ny nanao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana sy ny terafima sy ny sampy ary ny fahavetavetana rehetra izay hita tany amin’ ny tany Joda sy tany Jerosalema dia nesorin’ i Josia koa, mba hanatanterahana ny tenin’ ny lalàna voasoratra ao amin’ ilay boky hitan’ i Hilkia mpisorona tao an-tranon’ i Jehovah.
Sed et pythones, et ariolos, et figuras idolorum, et immunditias, et abominationes, quæ fuerant in terra Juda et Jerusalem, abstulit Josias: ut statueret verba legis quæ scripta sunt in libro quem invenit Helcias sacerdos in templo Domini.
25 Ary tsy nisy mpanjaka tahaka azy teo alohany, izay niverina ho amin’ i Jehovah tamin’ ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra sy ny heriny rehetra araka ny lalàn’ i Mosesy rehetra; sady tsy nisy tahaka azy intsony niseho tao aoriany.
Similis illi non fuit ante eum rex, qui reverteretur ad Dominum in omni corde suo, et in tota anima sua, et in universa virtute sua juxta omnem legem Moysi: neque post eum surrexit similis illi.
26 Nefa Jehovah tsy nitsahatra tamin’ ny firehetan’ ny fahatezerany mafy, dia ilay fahatezerana nirehitra tamin’ ny Joda noho ny fampahatezerana rehetra izay nampahatezeran’ i Manase Azy.
Verumtamen non est aversus Dominus ab ira furoris sui magni quo iratus est furor ejus contra Judam propter irritationes quibus provocaverat eum Manasses.
27 Dia hoy Jehovah: Hesoriko koa ny Joda hiala eo imasoko, tahaka ny nanesorako ny Isiraely, ary holaviko ity tanàna Jerosalema nofidiko ity sy ny trano izay nolazaiko hoe: Ho ao ny anarako.
Dixit itaque Dominus: Etiam Judam auferam a facie mea, sicut abstuli Israël: et projiciam civitatem hanc quam elegi Jerusalem, et domum de qua dixi: Erit nomen meum ibi.
28 Ary ny tantaran’ i Josia sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?
Reliqua autem sermonum Josiæ, et universa quæ fecit, nonne hæc scripta sunt in libro verborum dierum regum Juda?
29 Tamin’ ny andro nanjakan’ i Josia no niakaran’ i Farao-neko, mpanjakan’ i Egypta, hankany amoron’ ny ony Eofrata hiady amin’ ny mpanjakan’ i Asyria; ary Josia mpanjaka dia nandeha hiady amin’ i Farao. Kanjo nony hitany, dia matiny tao Megido izy.
In diebus ejus ascendit Pharao Nechao rex Ægypti contra regem Assyriorum ad flumen Euphraten, et abiit Josias rex in occursum ejus: et occisus est in Mageddo cum vidisset eum.
30 Ary ny fatiny dia napetraky ny mpanompony tao anaty kalesy ka nentiny niala tao Megido ho any Jerosalema, dia naleviny tao amin’ ny fasany. Ary nalain’ ny vahoaka Joahaza, zanak’ i Josia, dia nohosorany ka nampanjakainy handimby an-drainy.
Et portaverunt eum servi sui mortuum de Mageddo: et pertulerunt in Jerusalem, et sepelierunt eum in sepulchro suo. Tulitque populus terræ Joachaz filium Josiæ: et unxerunt eum, et constituerunt eum regem pro patre suo.
31 Telo amby roa-polo taona Joahaza fony izy vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Hamotala, zanakavavin’ i Jeremia, avy any Libna.
Viginti trium annorum erat Joachaz cum regnare cœpisset, et tribus mensibus regnavit in Jerusalem: nomen matris ejus Amital filia Jeremiæ de Lobna.
32 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon’ ny razany.
Et fecit malum coram Domino, juxta omnia quæ fecerant patres ejus.
33 Ary nafatotr’ i Farao-neko tao Ribla any amin’ ny tany Hamata izy, mba tsy hanjakany any Jerosalema, sady nampandoaviny sazy talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray ny fanjakana.
Vinxitque eum Pharao Nechao in Rebla, quæ est in terra Emath, ne regnaret in Jerusalem: et imposuit mulctam terræ centum talentis argenti, et talento auri.
34 Ary Farao-neko nanendry an’ i Eliakima, zanak’ i Josia, ho mpanjaka hisolo an’ i Josia rainy; ary ny anarany novany ho Joiakima, fa Joahaza kosa dia nentiny ho any Egypta ka maty tany.
Regemque constituit Pharao Nechao Eliacim filium Josiæ pro Josia patre ejus: vertitque nomen ejus Joakim. Porro Joachaz tulit, et duxit in Ægyptum, et mortuus est ibi.
35 Ary ny volafotsy sy ny volamena dia nomen’ i Joiakima an’ i Farao; kanefa notombanany avokoa ny olona rehetra araka ny didin’ i Farao, ary ny vahoaka rehetra dia samy nampandoaviny vola araka ny tombany avy, mba homeny an’ i Farao-neko.
Argentum autem et aurum dedit Joakim Pharaoni, cum indixisset terræ per singulos, ut conferretur juxta præceptum Pharaonis: et unumquemque juxta vires suas exegit, tam argentum quam aurum, de populo terræ, ut daret Pharaoni Nechao.
36 Dimy amby roa-polo taona Joiakima, fony izy vao nanjaka, ary nanjaka iraika ambin’ ny folo taona tany Jerosalema izy. Ary ny anaran-dreniny dia Zebida, zanakavavin’ i Pedaia, avy any Romaha.
Viginti quinque annorum erat Joakim cum regnare cœpisset, et undecim annis regnavit in Jerusalem: nomen matris ejus Zebida filia Phadaia de Ruma.
37 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy tahaka izay nataon’ ny razany.
Et fecit malum coram Domino juxta omnia quæ fecerant patres ejus.