< 2 Mpanjaka 22 >

1 Valo taona Josia, fony vao nanjaka, ary iraika amby telo-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jedida, zanakavavin’ i Adaia, avy any Bozkata.
Yosia alikuwa na umri wa miaka minane wakati alipoanza kutawala; alitawala kwa mda wa miaka thelathini na moja katika Yerusalemu. Mama yake alikuwa anaitwa Yedida (Alikuwa binti wa Adaye wa Bozkathi).
2 Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah kosa izy ka nandeha tamin’ izay rehetra nalehan’ i Davida rainy, fa tsy mba nivily, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia.
Alifanya yale yaliyo mema usoni mwa Yahwe. Alitembea kwenye njia zote za Daudi babu yake, na hakugeuka wala upande wa kulia au kushoto.
3 Ary tamin’ ny taona fahavalo ambin’ ny folo nanjakan’ i Josia mpanjaka, dia naniraka an’ i Safana mpanoratra, zanak’ i Azalia, zanak’ i Mesolama, izy ho any an-tranon’ i Jehovah ka nanao hoe:
Ikawa kwamba katika mwaka wa kumi na nane mfalme Yosia, akamtuma Shafani mwana wa Azalia mwana wa Meshulamu, mwandishi, kwenye nyumba ya Yahwe, akisema,
4 Miakara any amin’ i Hilkia mpisoronabe, hanisany ny vola izay nampidirina ho ao an-tranon’ i Jehovah, dia izay nangonin’ ny mpiandry varavarana tamin’ ny olona;
“Panda juu kwa Hilkia yule kuhani mkuu na mwambie ahesabu pesa ambazo zilizokuwa zimeletwa kwenye nyumba ya Yahwe, ambazo walinzi wa hekalu wamezikusanya kutoka kwa watu.
5 ary aoka hatolony ho eo an-tànan’ ny mpanao raharaha izay voatendry ny amin’ ny tranon’ i Jehovah izany; ary aoka homen’ ireo ho an’ ny mpiasa izay ao an-tranon’ i Jehovah hanamboarany ny simba amin’ ny trano,
Zigawanywe kwenye mikono ya wafanyakazi ambao ni wasimamizi wa nyumba ya Yahwe, na waache wawapatie wafanya kazi ambao wako kwenye nyumba ya Yahwe, ili waweze kutengeneza pale palipoharibika.
6 dia ho an’ ny mpandrafitra sy ny mpandatsa-bato ary ny mpipaika, dia hividianana hazo sy vato voapaika hanamboarana ny trano.
Wapewe pesa maseremala, wajenzi, na waashi, na pia kununua mbao na kukata jiwe kukarabati nyumba ya Yahwe.”
7 Kanefa tsy nampamoahina ny amin’ ny vola natolotra teo an-tànany ireo, fa nahatoky izy.
Lakini zile pesa hazikutakiwa kuhesabiwa wakati walipokuwa wanapewa, kwa sababu waliimudu ile kazi kwa uaminifu.
8 Dia hoy Hilkia mpisoronabe tamin’ i Safana mpanoratra: Ny bokin’ ny lalàna dia hitako tao an-tranon’ i Jehovah. Dia natolotr’ i Hilkia an’ i Safana ny boky ka novakiny.
Hilkia kuhani mkuu akamwambia Shafani yule mwandishi, “Nimekipata kitabu cha sheria katika nyumba ya Yahwe.” Basi Hilkia akampatia kile kitabu Shafani, na kukisoma.
9 Ary Safana mpanoratra niverina ho any amin’ ny mpanjaka nitondra valiny nanao hoe: Ny mpanomponao dia efa nandrotsaka ny vola izay azo tao an-trano ka nanolotra azy teo an-tànan’ ny mpanao raharaha izay voatendry ny amin’ ny tranon’ i Jehovah.
Shafani akaenda na kuchukua kile kitabu kwa mfalme, na pia kumjulisha, akisema, “Watumishi wako wamezitumia zile pesa ambazo zilizokuwa zimepatikana kwenye hekalu na zimegawiwa kwenye mikono ya wafanya kazi ambao husimamia kuangalia nyumba ya Yahwe.”
10 Ary Safana mpanoratra nilaza koa tamin’ ny mpanjaka hoe: Misy boky nomen’ i Hilkia mpisorona ahy. Dia novakin’ i Safana teo anatrehan’ ny mpanjaka ny boky.
Kisha Shafani yule mwandishi akamwambia mfalme, “Hilkia yule kuhani amenipatia kitabu.” Kisha Shafani akakisoma mbele ya mfalme.
11 Ary rehefa ren’ ny mpanjaka ny teny tao amin’ ilay bokin’ ny lalàna, dia nandriatra ny fitafiany izy.
Ikawa kwamba wakati mfalme aliposikia maneno ya sheria, alichana nguo zake.
12 Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Hilkia mpisorona sy Ahikama, zanak’ i Safana, sy Akbora, zanak’ i Mikaia, sy Safana mpanoratra ary Asaia, mpanompon’ andriana, hoe:
Kisha mfalme akamwamuru Hilkia yule kuhani, Ahikamu mwana wa Shafani, Akbori mwana wa Mikaya, Shafani mwandishi, na Asaya, mtumishi wake mwenyewe, akisema,
13 Mandehana ianareo, ka manontania amin’ i Jehovah ho ahy sy ny vahoaka mbamin’ ny Joda rehetra ny amin’ ny tenin’ ity boky vao hita ity, fa mafy ny fahatezeran’ i Jehovah izay mirehitra amintsika noho ny tsy nihainoan’ ny razantsika ny tenin’ ity boky ity hanao araka izay rehetra voasoratra ho antsika.
Nenda na ukaongee pamoja na Yahwe kwa ajili yangu, na kwa ajili ya watu na kwa Yuda yote, kwa sababu ya maneno ya hiki kitabu ambacho kilichopatikana. Kwa hasira kubwa ya Yahwe ambayo ametukasirikia dhidi yetu kwa sababu babu zetu hawakusikiliza maneno ya hiki kitabu hivyo kama kutii yote ambayo yalikuwa yameandikwa kuhusiana na sisi.
14 Dia nandeha Hilkia mpisorona sy Ahikama sy Akbora sy Safana ary Asaia ka nankany amin’ i Holda mpaminanivavy, vadin’ i Saloma, zanak’ i Tikva, zanak’ i Harasa, mpitahiry ny fitafiana (fa nitoetra tao amin’ ny tanàna ambany tany Jerosalema ravehivavy); dia niresaka taminy izy ireo.
Basi Hilkia yule kuhani, Ahikamu, Akbori, Shafani, na Asaya wakaenda kwa Hulda nabii wa kike, mke wa Shalumu mwana wa Tikva mwana wa Harhasi, mtunza kabati la nguo (aliishi katika Yerusalemu katika mtaa wa pili), na wakaongea pamoja naye.
15 Ary hoy ravehivavy taminy Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Lazao amin’ ny lehilahy izay naniraka anareo ho atỳ amiko hoe:
Akawaambia, “Hivi ndivyo Yahwe, Mungu wa Israeli, asemavyo: 'Mwambie huyu mtu aliyekutuma kwangu,
16 Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza amin’ ity tanàna ity sy amin’ ny mponina eto, dia araka izay rehetra lazain’ ny boky novakin’ ny mpanjakan’ ny Joda.
“Hivi ndivyo Yahwe asemavyo: 'Tazama, nitaleta janga kwenye hii sehemu na juu ya wakaao hapa, kulingana na kila kitu kilichoandikwa kwenye kitabu ambacho mfalme wa Yuda alichokisoma.
17 Satria nahafoy Ahy izy ary nandoro ditin-kazo manitra tamin’ izay andriamani-kafa ka nampahatezitra Ahy amin’ izay rehetra nataon’ ny tànany, dia mirehitra amin’ ity tanàna ity ny fahatezerako ka tsy hosakanana.
Kwa sababu wamenitelekeza na kufukiza ubani kwa miungu mingine, hivyo basi wanaweza kunichochea hasira pamoja na matendo yote waliyoyafanya-kwa hiyo hasira yangu ilikuwa inawaka dhidi ya hii sehemu, na haitazimika.”'
18 Fa ny amin’ ny mpanjakan’ ny Joda izay naniraka anareo hanontany amin’ i Jehovah kosa anefa, dia ambarao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny amin’ ny teny izay novakinao,
Lakini kwa mfalme wa Yuda, aliye watuma kuuliza mapenzi ya Yahwe, hivi ndivyo mtakavyo mwambia: “Yahwe, Mungu wa Israeli asema hivi: Kuhusu yale maneno uliyoyasikia,
19 satria nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehan’ i Jehovah, raha nandre izay nolazaiko ny amin’ izay hanjo ity tanàna ity sy ny mponina eto dia ny handravana azy sy ny hahatongavany ho fanozonana ka nandriatra ny fitafianao sady nitomany teo anatrehako ianao, dia Izaho kosa efa nihaino, hoy Jehovah.
kwa sababu moyo wako ulikuwa mlaini, na kwa sababu umejinyenyekesha mwenyewe mbele za Yahwe, wakati uliposikia nilichokisema dhidi ya hii sehemu na wenyeji wake, kwamba wanaweza kuwa wakiwa na laana, na kwasaabu ulizozirarua nguo zako na kulia mbele yangu, Nami pia nimekusikia-hivi ndivyo Yahwe asemavyo.
20 Koa, indro, hangoniko any amin’ ny razanao ianao ary hangonina any amin’ ny fasanao amin’ ny fiadanana; ary ny masonao tsy mba hahita izay loza rehetra ho entiko mamaly ity tanàna ity. Dia nitondra valiny ho any amin’ ny mpanjaka izy ireo.
Tazama, nitakukusanya na babu zako, nawe utawekwa kaburini kwako kwa amani. Macho yako hayataona maafa yote ambayo nitayaleta kwenye hii sehemu. “"” Hivyo watu wakachukua ujumbe huu kuurudisha kwa mfalme.

< 2 Mpanjaka 22 >