< 2 Mpanjaka 21 >

1 Roa ambin’ ny folo taona Manase, fony izy vao nanjaka, ary dimy amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Hefziba.
默納舍登極時才十二歲,在耶咯撒冷做王五十五年,他的母親名叫赫斐漆巴。
2 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy tahaka ny fahavetavetan’ ny firenena izay noroahin’ i Jehovah tsy ho eo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely.
他行了上主視為惡的事,仿效上主從以色列子民前所驅逐的異民所行的可恥之事,
3 Fa namboariny indray ny fitoerana avo, izay noravan’ i Hezekia rainy, ka nanangana alitara ho an’ i Bala izy sady nanao Aseraha, tahaka izay nataon’ i Ahaba, mpanjakan’ ny Isiraely; ary niankohoka teo anatrehan’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra izy ka nanompo ireny,
重建了他父親希則克雅所拆毀的高丘,為巴耳建立了祭壇,製造了木偶,像以色列王阿哈布所作的一樣,且崇拜敬奉天上的萬象,
4 sady nanao alitara tao an-tranon’ i Jehovah koa izy, dia tao amin’ izay nolazain’ i Jehovah hoe: Ao Jerosalema no hasiako ny anarako.
雖然上主曾指著聖殿說過:「我要將我的名建立在耶路撒冷。」但他仍在上主的殿內建立了一些祭壇,
5 Fa nanao alitara teo anatin’ ny kianja roa tamin’ ny tranon’ i Jehovah ho an’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra izy.
又在上主殿宇的兩庭院內,為天上萬像建立了祭壇;
6 Ary ny zanany nampamakiny ny afo, sady nanandro sy nanao sikidy izy ary naka ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana, ary nahery nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy ka nampahatezitra Azy.
使自己的兒子經火獻神,行占卜邪術,立招魂師和術士,不斷行上主視為惡的事,惹上主發怒。
7 Ary ny sarin’ i Astarta izay nataony dia napetrany tao amin’ ny trano nolazain’ i Jehovah tamin’ i Davida sy Solomona zanany hoe: Ato amin’ ity trano ity sy eto Jerosalema, izay nofidiko tamin’ ny firenen’ Isiraely rehetra, no hasiako ny anarako mandrakizay.
他又將自己製造的阿舍辣雕像,安放在上主的殿內,雖然上主論及這殿曾對達味的兒子撒羅滿說:「我要在這殿內,和我在以色列各支派所選出的耶路撒冷立我的名,直到永遠;
8 Ary tsy hampandeha ny tongotry ny Isiraely intsony hiala amin’ ny tany izay nomeko ny razany Aho, raha mba hitandrina ka hanao araka izay rehetra nandidiako azy sy araka ny lalàna rehetra izay nandidian’ i Mosesy mpanompoko azy ihany izy.
只要以色列謹守遵行我所吩咐他們的一切,及我僕人梅瑟所吩咐他們的一切法律,我決不再使以色列人的腳,離開我賜與他們祖先的土地。」
9 Nefa tsy nihaino izy; fa Manase nitaona azy hanao ratsy mihoatra noho ny nataon’ ny jentilisa, izay naringan’ i Jehovah tsy ho eo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely.
但是,他們卻不聽從,甚至默納舍誘惑他們行惡,甚於上主由以色列子民前所消滅的那些民族。
10 Ary Jehovah nampilaza ny mpaminany mpanompony hoe:
為此,上主藉他的僕人先知警告說:「
11 Satria Manase, mpanjakan’ ny Joda, nanao izao fahavetavetana izao ka nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra nataon’ ny Amorita izay teo alohany sady nampanota ny Joda tamin’ ny sampiny,
因為猶太王默納舍行了這些可恥的事,甚於他以前的阿摩黎人所行的,以自己的神像引猶太犯罪。
12 dia izao kosa no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hahatonga loza amin’ i Jerosalema sy ny Joda Aho, ka izay rehetra mandre izany dia hangintsingintsina ny sofiny roa.
所以上主以色列的天主這樣說:看,我要使這樣的災禍降在耶路撒冷和猶太,使聽見的人兩耳都要齊鳴。
13 Ary hohenjaniko ato Jerosalema ny famolainan’ i Samaria sy ny pilaon’ ny taranak’ i Ahaba; ary hamaoka an’ i Jerosalema Aho, toy ny olona mamaoka lovia ka sady mamaoka no manohoka azy koa.
我要用測量撒瑪黎雅的繩索,和測量阿哈布家的鉛錘,來測量耶路撒冷,要擦淨耶路撒冷如同人擦淨盤子一樣,擦淨之後,就翻過來;
14 Ary hafoiko ny lovako sisa ka hatolotro ho eo an-tànan’ ny fahavalony; dia ho sambotra sy ho babon’ ny fahavalony rehetra izy,
我要拋棄作我產業的遺民,將他們交於敵人手中,使他們成為一切敵人的掠物與勝利品。
15 satria efa nanao izay ratsy eo imasoko izy ka nampahatezitra Ahy hatramin’ ny andro nivoahan’ ny razany avy any Egypta ka mandraka androany.
因為他們自從他們的祖先出離埃及那一天,直到今日,行了我視為惡的事,使我發怒。」
16 Ary na dia ny rà marina aza dia nalatsak’ i Manase be dia be mandra-pamenony an’ i Jerosalema rehetra, ho fanampin’ ny ota izay nampanotany ny Joda tamin’ ny nanaovany izay ratsy eo imason’ i Jehovah.
默納舍除了使猶大陷於罪惡,行了上主視為惡的事以外,還流了許多無辜者的血,使耶路撒冷流成河,從這邊流到那邊。
17 Ary ny tantaran’ i Manase sisa mbamin’ izay rehetra nataony sy ny fahotana izay nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?
默納舍其餘的事蹟,他行的一切,所犯的罪惡,都記載在猶大列王實錄上。
18 Ary Manase lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina teo an-tanimboly eo ala-tranony amin’ ny sahan’ i Oza; ary Amona zanany no nanjaka nandimby azy.
默納舍與他的列祖同眠,埋葬在王宮花園,即烏匝花園裏;他的兒子阿孟繼位為王。
19 Roa amby roa-polo taona Amona, fony izy vao nanjaka, ary roa taona no nanjakany tany Jerosalema, Ary ny anaran-dreniny dia Mesolemeta, zanakavavin’ i Haroza, avy any Jotba.
阿孟登極時,年二十二歲,在耶路撒冷作王兩年;他的母親名叫默叔肋默,是約特巴人哈魯茲的女兒。
20 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah koa izy tahaka ny nataon’ i Manase rainy.
他行了上主認為視為惡的事。全像他父親所行的一樣;
21 Fa nandeha tamin’ ny lalana rehetra izay efa nalehan-drainy izy ka nanompo ny sampy izay notompoin-drainy sady niankohoka teo anatrehany.
走了他父親所走的的路,事奉敬拜了他父親所事奉的偶像,
22 Ary nahafoy an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy, fa tsy nandeha tamin’ ny lalan’ i Jehovah.
離棄了上主他祖先的天主,未隨上主的道路。
23 Ary ny mpanompon’ i Amona mpanjaka nikomy taminy ka namono azy tao an-tranony.
阿孟臣僕共謀造反,在宮內將君王殺了;
24 Ary ny vahoaka namono izay rehetra nikomy tamin’ i Amona mpanjaka, dia nampanjaka an’ i Josia zanany hisolo azy.
但地方的人民起來,殺了所有反叛阿孟王的人,立了他的兒子約史雅繼位為王。
25 Ary ny tantaran’ i Amona sisa, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?
阿孟所作的其它事蹟,都記載在猶大列王實錄上。
26 Ary nalevina tao amin’ ny fasany tao amin’ ny sahan’ i Oza izy; ary Josia zanany no nanjaka nandimby azy.
他也葬在烏匝花園內自己的墳墓裏;他的兒子約史雅繼位為王。

< 2 Mpanjaka 21 >