< 2 Mpanjaka 20 >
1 Ary tamin’ izany andro izany dia narary saiky maty Hezekia. Ary Isaia mpaminany, zanak’ i Amoza, nankao aminy ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona.
Ngalezonsuku uHezekhiya wagula, eselengela ekufeni. Umphrofethi u-Isaya indodana ka-Amozi waya kuye wathi: “Nanku okutshiwo nguThixo: Lungisa indlu yakho, ngoba uzakufa; awuyikusila.”
2 Dia nitodika nankany amin’ ny rindrina izy ka nivavaka tamin’ i Jehovah hoe:
UHezekhiya waphendula ubuso bakhe wakhangela emdulini wakhuleka kuThixo esithi,
3 Jehovah ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin’ ny fahamarinana sy tamin’ ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao. Dia nitomany mafy dia mafy izy.
“Khumbula, Thixo, ukuthi ngihambe phambi kwakho ngokuthembeka langokuzinikela ngenhliziyo yami yonke, njalo ngenze okuhle emehlweni akho.” UHezekhiya wakhala kabuhlungu.
4 Ary raha tsy mbola tafavoaka ny tanàna afovoany Isaia, dia tonga taminy ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
U-Isaya engakasuki egumeni elingaphakathi, kwafika ilizwi likaThixo kuye lisithi:
5 Miverena, ka lazao amin’ i Hezekia, mpanapaka ny oloko, hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitr’ i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hahasitrana anao Aho, ka raha afaka ampitso dia hiakatra ho ao an-tranon’ i Jehovah ianao.
“Buyela uyetshela uHezekhiya, umkhokheli wabantu bami uthi, ‘Nanku okutshiwo nguThixo, uNkulunkulu kayihlo uDavida. Uthi: Ngiwuzwile umkhuleko wakho njalo ngizibonile lezinyembezi zakho; ngizakusilisa. Ngosuku lwesithathu kusukela khathesi uzakhwela uye ethempelini likaThixo.
6 Ary hampiako dimy ambin’ ny folo taona ny andronao; sady hamonjy anao sy ity tanàna ity amin’ ny tanan’ ny mpanjakan’ i Asyria Aho; ary hiaro ity tanàna ity Aho noho ny amin’ ny tenako sy Davida mpanompoko.
Ngizakwengezelela iminyaka elitshumi lanhlanu empilweni yakho. Ngizakukhulula wena kanye ledolobho leli ezandleni zenkosi yase-Asiriya. Ngizavikela idolobho leli ngizenzela mina njalo ngisenzela inceku yami uDavida.’”
7 Ary hoy Isaia: Makà ampempan’ aviavy. Ary dia nalainy ka napetany tamin’ ny vay, dia sitrana izy.
U-Isaya wathi: “Lungisani isigaqa semikhiwa.” Bakwenza lokho basebethoba ngaso ithumba, wasesila.
8 Ary hoy Hezekia tamin’ i Isaia: Inona no famantarana fa hositranin’ i Jehovah aho ka hiakatra any an-tranon’ i Jehovah raha afaka ampitso?
UHezekhiya wayebuze u-Isaya wathi, “Kuyini okuzakuba yisibonakaliso sokuthi uThixo uzangisilisa kanye lokuthi ngizakhwela ngiye phezulu ethempelini leNkosi ngosuku lwesithathu kusukela khathesi na?”
9 Dia hoy Isaia: Izao no famantarana ho anao avy amin’ i Jehovah hahalalanao fa Jehovah hanao izay zavatra nolazainy: handroso hàdiny folo va ny aloka, sa hiverina hàdiny folo?
U-Isaya waphendula wathi, “Nansi isibonakaliso sikaThixo kuwe, esokuthi uThixo uzakwenza akuthembisayo. Kambe isithunzi sizakuya phambili amanyathelo alitshumi kumbe sizabuyela emuva amanyathelo alitshumi na?”
10 Ary Hezekia namaly hoe: Mora foana ny handrosoan’ ny aloka hàdiny folo; tsy izany, fa aoka ny aloka hiverina hàdiny folo.
“UHezekhiya wathi kulula ukuba isithunzi siye phambili amanyathelo alitshumi, kodwa kasiyi emuva amanyathelo alitshumi.”
11 Ary Isaia mpaminany nitaraina tamin’ i Jehovah, ka nampiverina ny aloka hàdiny folo Jehovah, dia ilay nidinany teo amin’ ny dialin’ i Ahaza.
Ngakho umphrofethi u-Isaya wacela kuThixo, uThixo wenza ukuthi isithunzi sibuyele emuva okwezinyathelo ezilitshumi esasehle ngawo ezikhwelelweni zika-Ahazi.
12 Tamin’ izany andro izany no nampitondran’ i Berodaka baladana, zanak’ i Baladana, mpanjakan’ i Babylona, taratasy sy fanomezana ho an’ i Hezekia; fa efa reny fa narary izy.
Ngalesosikhathi uMerodakhi-Bhaladani indodana kaBhaladani inkosi yaseBhabhiloni wabhalela uHezekhiya izincwadi wamthumela lesipho ngoba wayezwile ngokugula kukaHezekhiya.
13 Ary Hezekia nandray azy ka naneho azy ny trano rehetra fitehirizany zava-tsoa, dia volafotsy sy volamena sy zava-manitra ary menaka tsara, sy ny trano fitehirizana ny fiadiany rehetra mbamin’ izay rehetra tao amin’ ny firaketany: tsy nisy zavatra tsy nasehon’ i Hezekia azy, na ny tao an-tranony, na ny tao amin’ ny fanjakany rehetra.
UHezekhiya wazamukela izithunywa wazitshengisa konke okwakusendlini yakhe yokugcinela impahla, isiliva, igolide, iziyoliso kanye lamafutha acengekileyo, izikhali zakhe lakho konke okwakukhona enothweni yakhe. Akulalutho esigodlweni sakhe loba embusweni wakhe wonke uHezekhiya angazitshengisanga lona.
14 Dia nankany amin’ i Hezekia mpanjaka Isaia mpaminany ka nanao taminy hoe: Ahoana no nolazain’ ireo olona nankaty aminao ireo, ary avy taiza moa izy? Ary hoy Hezekia: Avy tany an-tany lavitra izy, dia avy tany Babylona.
Ngakho u-Isaya umphrofethi waya kuHezekhiya inkosi wambuza wathi, “Atheni amadoda lawana njalo avela ngaphi?” UHezekhiya waphendula wathi: “Avela elizweni elikhatshana. Avele eBhabhiloni.”
15 Dia hoy izy: Ka inona avy anefa no hitany tato an-tranonao? Ary hoy Hezekia: Izay rehetra ato an-tranoko dia efa hitany avokoa: tsy misy zavatra tsy nasehoko azy ny ato amin’ ny firaketako rehetra.
Umphrofethi wabuza wathi: “Aboneni esigodlweni sakho?” UHezekhiya wathi, “Abone konke okusesigodlweni sami. Akulalutho phakathi kwempahla zami eziligugu engingawatshengisanga khona.”
16 Ary hoy Isaia tamin’ i Hezekia: Henoy ary ny tenin’ i Jehovah:
Ngakho u-Isaya wasesithi kuHezekhiya, “Zwana ilizwi likaThixo lithi:
17 Indro, avy ny andro, ka ho entina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin’ ny razanao ka voarakitra mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona na inona na inona, hoy Jehovah.
Isikhathi sizafika sibili lapho konke okusesigodlweni sakho lakho konke oyihlo abakugcinayo kusiyafika lolosuku, kuzathwalelwa eBhabhiloni. Akuyikusala lutho, kutsho uThixo.
18 Ary na dia ny terakao aza dia hisy ho entiny koa; ka ho tandonaka any amin’ ny lapan’ ny mpanjakan’ i Babylona ireo.
Njalo abanye besizukulwane sakho, abenyama legazi lakho, abazazalwa nguwe, bazathathwa bayekuba ngabathenwa esigodlweni senkosi yaseBhabhiloni.”
19 Dia hoy Hezekia tamin’ Isaia: Tsara ny tenin’ i Jehovah izay nolazainao. Ary hoy koa izy: Eny, tsy izany va, raha misy fiadanana amin’ ny androko ka handry fahizay?
UHezekhiya waphendula wathi: “Ilizwi likaThixo olikhulumileyo lilungile.” Ngoba wayenakana esithi: “Kambe kakuyikuba lokuthula lokuvikeleka ekuphileni kwami na?”
20 Ary ny tantaran’ i Hezekia sisa sy ny heriny rehetra mbamin’ ny nanaovany ny kamory sy ny lakan-drano nitarihany rano ho ao an-tanàna, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?
Ezinye izehlakalo zombuso kaHezekhiya, konke ukuphumelela kwakhe lokwakha kwakhe ichibi kanye lomgelo owaletha amanzi phakathi komuzi, akulotshwanga yini egwalweni lwembali yamakhosi akoJuda na?
21 Ary Hezekia lasa nodimandry any amin’ ny razany; ary Manase zanany no nanjaka nandimby azy
UHezekhiya waya ekuphumuleni kubokhokho bakhe. Indodana yakhe uManase yathatha ubukhosi.