< 2 Mpanjaka 2 >

1 Ary nony efa hampakarin’ i Jehovah ho any an-danitra amin’ ny tafio-drivotra Elia, dia niara-nandeha avy tany Gilgala izy sy Elisa.
And it came to pass, when Yahweh was about to take up Elijah in a storm into the heavens, that Elijah departed, with Elisha, from Gilgal.
2 Ary hoy Elia tamin’ i Elisa: Masìna ianao, mijanòna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy hatrany Betela. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao mihitsy aho. Ka dia nidina nankany Betela izy roa lahy.
Then said Elijah unto Elisha—Tarry here, I pray thee, for, Yahweh, hath sent me as far as Bethel. And Elisha said, By the life of Yahweh and by the life of thine own soul, I will not leave thee. So they went down to Bethel.
3 Ary nivoaka nankany amin’ i Elisa ireo zanaky ny mpaminany izay tao Betela ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa anio no hangalan’ i Jehovah ny tomponao hiala ho any ambonin’ ny lohanao? Dia hoy izy: Eny, fantatro ihany koa izany, fa mangìna ianareo.
And the sons of the prophets who were in Bethel came forth unto Elisha, and said unto him, Knowest thou that, to-day, Yahweh is taking away thy lord, from thy head? And he said—I also, know, be silent.
4 Ary hoy Elia taminy: Masìna ianao, ry Elisa, mijanòna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy ho any Jeriko. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao mihitsy aho. Ka dia tonga tany Jeriko izy roa lahy.
Then Elijah said to him—Elisha, I pray thee, tarry here, for, Yahweh, hath sent me to Jericho. And he said—By the life of Yahweh and by the life of thine own soul, I will not leave thee. So they came to Jericho.
5 Ary ireo zanaky ny mpaminany izay tao Jeriko nanatona an’ i Elisa ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa anio no hangalan’ i Jehovah ny tomponao hiala ho any ambonin’ ny lohanao? Ary izy namaly hoe: Eny, fantatro ihany koa izany, fa mangìna ianareo.
Then drew near the sons of the prophets who were in Jericho, unto Elisha, and said unto him, Knowest thou that, to-day, Yahweh is taking away thy lord from thy head? And he said—I also, know; be silent.
6 Ary hoy Elia taminy: Masìna ianao, mijanòna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy ho any Jordana. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao mihitsy aho. Ary dia lasa nandeha izy roa lahy.
And Elijah said to him—Tarry here, I pray thee, for, Yahweh, hath sent me to the Jordan. And he said—By the life of Yahweh and by the life of thine own soul, I will not leave thee. So they two, went on.
7 Ary nisy dimam-polo lahy, zanaky ny mpaminany, nandeha, dia nijanona tandrifiny teny lavitra eny; fa izy roa lahy kosa nitsangana teo amoron’ i Jordana.
But, fifty men of the sons of the prophets, came, and stood over against them, afar off, —and, they two, stood by the Jordan.
8 Ary Elia nandray ny kapôtiny ka namalona azy, dia nikapoka ny rano, ary nisaraka roa ny rano, ka dia nita tamin’ ny tany maina izy roa lahy.
Then Elijah took his mantle, and wrapped it together, and smote the waters, and they were divided, hither and thither, —so that they two, passed over, on dry ground.
9 Ary nony efa tafita izy roa lahy, dia hoy Elia tamin’ i Elisa: Angataho izay hataoko ho anao, dieny tsy mbola misaraka aminao aho. Ary hoy Elisa: Masìna ianao, aoka ny anjaran-droa amin’ ny fanahinao mba ho ahy.
And it came to pass, as they went over, that, Elijah, said unto Elisha—Ask, what I shall do for thee, ere yet I be taken from thee. And Elisha said, Let there be, I pray thee, a double portion of thy spirit upon me.
10 Fa hoy izy: Sarotra ny nangatahinao; kanefa raha mahita ahy misaraka aminao ianao, dia ho anao ihany izany; fa raha tsy izany kosa, dia tsy ho anao izany.
And he said—Thou hast asked a hard thing, —if thou see me when taken from thee, thou shall have it, so, but, if not, thou shalt not have it.
11 Ary raha mbola nandeha sy niresaka izy roa lahy, dia, indro, nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy roa lahy; ary Elia niakatra tamin’ ny tafio-drivotra ho any an-danitra.
And it came to pass, as they were going on and on and talking, that lo! there was a chariot of fire, with horses of fire, which parted, those two, asunder, —and Elijah went up in a storm, into the heavens.
12 Ary raha nahita izany Elisa, dia niantso hoe: Ry ikaky ô, ry ikaky ô, eny kalesin’ ny Isiraely sy ny mpitaingin-tsoavaliny! Dia tsy nahita azy intsony izy. Ary noraisiny ny fitafiany ka notriariny roa.
And, as soon as Elisha saw it, he, began crying out—My father! my father! The chariots of Israel, and the horsemen thereof! But, when he could see him no longer, he took hold of his clothes, and rent them in two pieces.
13 Ary nalainy ny kapôtin’ i Elia izay latsaka avy teny aminy, dia niverina izy ka nitsangana teo amoron’ i Jordana.
Then took he up the mantle of Elijah, which had fallen from him, —and returned and stood, on the brink of the Jordan;
14 Dia noraisin’ i Elisa ny kapôtin’ i Elia, ilay latsaka avy teny aminy, ka nakapony ny rano, dia hoy izy: Aiza Jehovah, Andriamanitr’ i Elia? Eny, Elisa koa nikapoka ny rano, dia nisaraka roa izany, ka dia nita izy.
and took the mantle of Elijah which had fallen from him, and smote the waters, and said, Where is Yahweh, the God of Elijah? And, when, he also, smote the waters, they were divided, hither and thither, and Elisha, passed over.
15 Ary raha nahita azy ireo ny zanaky ny mpaminany izay nanandrify azy teo Jeriko, dia nanao hoe: Ny fanahin’ i Elia efa mipetraka amin’ i Elisa. Ary nandeha nitsena azy ireo ka niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehany.
And, when the sons of the prophets who were in Jericho, over against him, saw him, they said, The spirit of Elijah, resteth, on Elisha. So they came to meet him, and bowed themselves down to him, to the ground.
16 Dia hoy ireo taminy: Indro, misy dimam-polo lahy matanjaka ato amin’ ny mpanomponao; masìna ianao, aoka handeha hitady ny tomponao ireo, fandrao naingain’ ny Fanahin’ i Jehovah izy ka nazerany any an-tendrombohitra anankiray, na any an-dohasaha anankiray. Fa hoy izy: Aza maniraka ianareo.
Then said they unto him—Lo! we pray thee, there are with thy servants fifty men, sons of valour—let them go, we pray thee, and seek thy lord, lest the Spirit of Yahweh have borne him away, and cast him on one of the mountains, or into one of the valleys. And he said—Ye shall not send.
17 Ary raha nanery azy ireo mandra-pikaodikaodiny, dia hoy izy: Maniraha ary. Dia naniraka dimam-polo lahy izy; ary nitady azy hateloana ireny, fa tsy nahita.
But, when they urged him until he was ashamed, he said—Send. So they sent fifty men, and made search three days, but found him not.
18 Ary tonga tao aminy indray ireny, raha mbola tao Jeriko ihany izy, dia hoy izy taminy: Tsy nilaza taminareo va aho nanao hoe: Aza mandeha?
And, when they came back unto him, he, having tarried at Jericho, he said unto them, Did I not say unto you, Do not go?
19 Ary hoy ny mponina tao amin’ izany tanàna izany tamin’ i Elisa: Masìna ianao, indro, tsara toerana ity tanàna ity, tompoko, araka izao hitanao izao, saingy ratsy rano, ary ny tany tsy mampahavanon’ anaka.
And the men of the city said unto Elisha, Lo! we pray thee, the situation of the city, is good, as, my lord, seeth, —but, the waters, are bad, and, the land, apt to miscarry.
20 Dia hoy izy: Itondray lovia vaovao aho, ka asio sira ao anatiny. Dia nentiny tany aminy izany.
And he said—Bring me a new bowl, and put therein, salt. So they brought it unto him;
21 Ary nivoaka nankany amin’ ilay niandohan’ ny rano izy, dia nanipy sira tao ka nanao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Efa nahatsara ity rano ity Aho; tsy hisy fahafatesana na tsi-fahavanonan’ anaka intsony hiseho eto.
and he went forth unto the spring of the waters, and cast therein, saith, —and said—Thus, saith Yahweh, I have healed these waters; there shall come from thence, no longer, death or aptness to miscarry.
22 Ka dia tsara ny rano mandraka androany araka ny teny nataon’ i Elisa.
So the waters were healed, [as they remain] unto this day, —according to the word of Elisha which he spake.
23 Ary dia niakatra avy tao izy ka nankany Betela; ary nony niakatra teny an-dalana izy, dia, indreo, nisy ankizilahy madinika nivoaka avy tao an-tanàna ka nanakora azy hoe: Miakara, ry ilay sola; miakara, ry ilay sola!
And he went up from thence, to Bethel, —and, as he was going up on the way, some lads, came forth, out of the city, and made mockery of him, and said to him, Go up, bald head! Go up, bald head!
24 Ary nitodika izy ka nahita azy, dia nanozona azy tamin’ ny anaran’ i Jehovah. Ary dia nisy beravavy roa avy tany an’ ala namiravira roa amby efa-polo tamin’ ireo ankizilahy madinika ireo.
And, when he turned round and saw them, he cursed them, in the name of Yahweh, —and there came forth two she-bears out of the wood, and tare, of them, forty-two youths.
25 Dia niala teo Elisa ka nankany an-tendrombohitra Karmela, ary avy tao no niverenany any Samaria.
And he went from thence, unto Mount Carmel, —and, from thence, he returned, to Samaria.

< 2 Mpanjaka 2 >