< 2 Mpanjaka 2 >

1 Ary nony efa hampakarin’ i Jehovah ho any an-danitra amin’ ny tafio-drivotra Elia, dia niara-nandeha avy tany Gilgala izy sy Elisa.
Hina Gode da Ilaidia foga ononosu amoga Hebenega oule heda: mu eso da doaga: lalu, Ilaidia amola Ilaisia da Giliga: le moilai fisili asi.
2 Ary hoy Elia tamin’ i Elisa: Masìna ianao, mijanòna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy hatrany Betela. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao mihitsy aho. Ka dia nidina nankany Betela izy roa lahy.
Logoa ahoana, Ilaidia da Ilaisiama amane sia: i, “Waha gui leloma! Hina Gode da nama Bedele moilaiga masa: ne sia: i.” Be Ilaisia da bu adole i, “Na da Hina Gode da esala amola di da esala, amo dafawaneyale dawa: beba: le, na da dafawane ilegele sia: sa. Na da di hamedafa yolesimu.” Amaiba: le, ela da ahoana, Bedele moilaiga doaga: i.
3 Ary nivoaka nankany amin’ i Elisa ireo zanaky ny mpaminany izay tao Betela ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa anio no hangalan’ i Jehovah ny tomponao hiala ho any ambonin’ ny lohanao? Dia hoy izy: Eny, fantatro ihany koa izany, fa mangìna ianareo.
Bedelega esalebe balofede dunu gilisi, ilia da Ilaisiama misini, ema amane adole ba: i, “Hina Gode da dia hina wali eso dima fadegamu, amo di da hame dawa: bela: ?” Ilaisia da bu adole i, “Ma! Na dawa: ! Be amoga ninia da hame sia: mu.”
4 Ary hoy Elia taminy: Masìna ianao, ry Elisa, mijanòna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy ho any Jeriko. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao mihitsy aho. Ka dia tonga tany Jeriko izy roa lahy.
Amalalu, Ilaidia da Ilaisiama amane sia: i, “Waha gui leloma! Hina Gode da nama Yeligou moilai bai bagadega masa: ne sia: i.” Be Ilaisia da bu adole i, “Na da Hina Gode da esala amola di da esala, amo dafawaneya: le dawa: beba: le, na da dafawane ilegele sia: sa. Na da di hamedafa yolesimu.” Amaiba: le, ela da ahoana, Yeligou moilai bai bagadega doaga: i.
5 Ary ireo zanaky ny mpaminany izay tao Jeriko nanatona an’ i Elisa ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa anio no hangalan’ i Jehovah ny tomponao hiala ho any ambonin’ ny lohanao? Ary izy namaly hoe: Eny, fantatro ihany koa izany, fa mangìna ianareo.
Yeligou moilai bai bagadega esalebe balofede dunu gilisi, ilia da Ilaisiama misini, ema amane adole ba: i, “Hina Gode da dia hina wali eso dima fadegamu, amo di da hame dawa: bela: ?” Ilaisia da bu adole i, “Ma! Na dawa: ! Be amoga ninia da hame sia: mu.”
6 Ary hoy Elia taminy: Masìna ianao, mijanòna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy ho any Jordana. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao mihitsy aho. Ary dia lasa nandeha izy roa lahy.
Amalalu, Ilaidia da Ilaisiama amane sia: i, “Waha gui leloma! Hina Gode da nama Yodane Hanoga masa: ne sia: i.” Be Ilaisia da bu adole i, “Na da Hina Gode da esala amola di da esala, amo dafawaneya: le dawa: beba: le, na da dafawane ilegele sia: sa. Na da di hamedafa yolesimu.” Amaiba: le, ela da bu ahoanu.
7 Ary nisy dimam-polo lahy, zanaky ny mpaminany, nandeha, dia nijanona tandrifiny teny lavitra eny; fa izy roa lahy kosa nitsangana teo amoron’ i Jordana.
Balofede dunu 50 agoane da elama Yodane Hanoga boboge asi. Ilaidia amola Ilaisia da hano bega: doaga: le lelu, amola balofede dunu 50 agoane da ela gasigale lelefulu.
8 Ary Elia nandray ny kapôtiny ka namalona azy, dia nikapoka ny rano, ary nisaraka roa ny rano, ka dia nita tamin’ ny tany maina izy roa lahy.
Amalalu, Ilaidia da hina: abula gisa: le, biobione, amoga hano da: iya fai. Hano da dogoa mogili ahoabeba: le, ela da amo hafoga: i osobo da: iba: le la: idi ganodini asi.
9 Ary nony efa tafita izy roa lahy, dia hoy Elia tamin’ i Elisa: Angataho izay hataoko ho anao, dieny tsy mbola misaraka aminao aho. Ary hoy Elisa: Masìna ianao, aoka ny anjaran-droa amin’ ny fanahinao mba ho ahy.
Amoga, Ilaidia da Ilaisiama amane sia: i, “Na da masunusa: gala. Be hidadea, dia hanai amo na da dima hamoma: ne dawa: i, amo nama adoma!” Ilaisia da bu adole i, “Na da di bagia balofededafa esaloma: ne, dia a: silibu gasa bagade hou baligiliwane nama ima.”
10 Fa hoy izy: Sarotra ny nangatahinao; kanefa raha mahita ahy misaraka aminao ianao, dia ho anao ihany izany; fa raha tsy izany kosa, dia tsy ho anao izany.
Ilaidia da bu adole i, “Dia adole ba: i amo imunu da gasa bagade gala. Be na da dima lale fasimu hou amo ba: sea, di da dia adole ba: i amo lamu. Be amo di da hame ba: sea, hame lamu.”
11 Ary raha mbola nandeha sy niresaka izy roa lahy, dia, indro, nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy roa lahy; ary Elia niakatra tamin’ ny tafio-drivotra ho any an-danitra.
Ela da ahoana amo sia: dada asi. Amalalu, hedololewane, lalu agoane ‘sa: liode’, laluga hamoi hosiga hiougi, ela dibiga misini, ela afafalalu, amola Ilaidia da foga ononosu ganodini, Hebene sogega oule heda: lebe ba: i.
12 Ary raha nahita izany Elisa, dia niantso hoe: Ry ikaky ô, ry ikaky ô, eny kalesin’ ny Isiraely sy ny mpitaingin-tsoavaliny! Dia tsy nahita azy intsony izy. Ary noraisiny ny fitafiany ka notriariny roa.
Ilaisia da amo hou ba: beba: le, Ilaidiama amane wele sia: i, “Na ada! Na ada! Isala: ili fi dunu ilia gasa bagade gaga: su dunu! Di da asi dagoi!” Amola e da Ilaidia bu hame ba: i. Ilaisia da fofagiba: le, ea abula gisa: le, dogoa gadelai.
13 Ary nalainy ny kapôtin’ i Elia izay latsaka avy teny aminy, dia niverina izy ka nitsangana teo amoron’ i Jordana.
Amalalu, e da Ilaidia abula (amo da Ilaidia da gisa: le sanasi) amo lale, bu gaguli asili, Yodane Hano bega: aligi.
14 Dia noraisin’ i Elisa ny kapôtin’ i Elia, ilay latsaka avy teny aminy, ka nakapony ny rano, dia hoy izy: Aiza Jehovah, Andriamanitr’ i Elia? Eny, Elisa koa nikapoka ny rano, dia nisaraka roa izany, ka dia nita izy.
E da Ilaidia ea abula amoga hano da: iya fane, amane sia: i, “Ilaidia ea Hina Gode da habila: ?” Amalu, e da hano da: iya eno fabeba: le, hano da dogoa mogilasi. Amaiba: le, e da amo hafoga: i osobo da: iba: le, la: idi ganodini asi.
15 Ary raha nahita azy ireo ny zanaky ny mpaminany izay nanandrify azy teo Jeriko, dia nanao hoe: Ny fanahin’ i Elia efa mipetraka amin’ i Elisa. Ary nandeha nitsena azy ireo ka niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehany.
Balofede gilisi 50 agoane esalu da ea hou ba: beba: le, amane sia: i, “Ilaidia ea gasa da Ilaisiama madelai dagoi!” Ilia da e yosia: musa: asili, ea midadi beguduli,
16 Dia hoy ireo taminy: Indro, misy dimam-polo lahy matanjaka ato amin’ ny mpanomponao; masìna ianao, aoka handeha hitady ny tomponao ireo, fandrao naingain’ ny Fanahin’ i Jehovah izy ka nazerany any an-tendrombohitra anankiray, na any an-dohasaha anankiray. Fa hoy izy: Aza maniraka ianareo.
amane sia: i, “Ninia da gasa bagade dunu 50 agoane gui lela. Ninia da dia hina hogola ahoa: di! Amabela: ? Hina Gode Ea A: silibu da e gaguli asili, goumi afae da: iya o fago ganodini ligisibala: ?” Ilaisia da ilima amane sia: i, “Hame mabu! Dilia mae masa!”
17 Ary raha nanery azy ireo mandra-pikaodikaodiny, dia hoy izy: Maniraha ary. Dia naniraka dimam-polo lahy izy; ary nitady azy hateloana ireny, fa tsy nahita.
Be ilia da gebewane ema adoleboba: lobawane, fa: no e da ili masa: ne sia: i. Amo balofede dunu da asili, soge huluane hohogola lafia: lobawane, eso udiana baligi. Be Ilaidia hame ba: i.
18 Ary tonga tao aminy indray ireny, raha mbola tao Jeriko ihany izy, dia hoy izy taminy: Tsy nilaza taminareo va aho nanao hoe: Aza mandeha?
Amalalu, ilia da Ilaisia, Yeligou moilai bai bagadega ouesala, ema buhagini misi. E da ilima amane sia: i, “Na da dilima mae masa: ne hame adoi galula: ?”
19 Ary hoy ny mponina tao amin’ izany tanàna izany tamin’ i Elisa: Masìna ianao, indro, tsara toerana ity tanàna ity, tompoko, araka izao hitanao izao, saingy ratsy rano, ary ny tany tsy mampahavanon’ anaka.
Yeligou moilai bai bagade fi dunu oda ilia da Ilaisiama asili, ema amane sia: i, “Hina! Di dawa: ! Ninia moilai da noga: idafa. Be hano da wadela: iba: le, dunu da olole bogosa amola uda da mano baladigisa.
20 Dia hoy izy: Itondray lovia vaovao aho, ka asio sira ao anatiny. Dia nentiny tany aminy izany.
Ilaisia da amane hamoma: ne sia: i, “Osoboga hamoi ofodo gaheabolo amo ganodini, deme salima. Amalalu, amo nama gaguli misa.” Ilia da ea sia: i defele hamoi.
21 Ary nivoaka nankany amin’ ilay niandohan’ ny rano izy, dia nanipy sira tao ka nanao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Efa nahatsara ity rano ity Aho; tsy hisy fahafatesana na tsi-fahavanonan’ anaka intsony hiseho eto.
Ilaisia da ofodo lale, hano bubuga: su amoga asili, deme amo hanoga sanasili, amane sia: i, “Hina Gode da amane sia: sa, ‘Na da waha amo hano noga: sa! Fa: no amoga bogosu o baladigisu bu hame ba: mu.’”
22 Ka dia tsara ny rano mandraka androany araka ny teny nataon’ i Elisa.
Amalu, Ilaisia ea sia: i defele, amo hano da amo esoha fa: no, noga: idafa ba: i.
23 Ary dia niakatra avy tao izy ka nankany Betela; ary nony niakatra teny an-dalana izy, dia, indreo, nisy ankizilahy madinika nivoaka avy tao an-tanàna ka nanakora azy hoe: Miakara, ry ilay sola; miakara, ry ilay sola!
Ilaisia da Bedele moilaiga masa: ne Yeligou moilai bai bagade fisili, logoa ahoanoba, goi oda ilia da moilai afae amoga misini, ema oufesega: le amane wele sia: i, “Di! Busagi gianai dunu! Gado heda: ma! Gado heda: ma!”
24 Ary nitodika izy ka nahita azy, dia nanozona azy tamin’ ny anaran’ i Jehovah. Ary dia nisy beravavy roa avy tany an’ ala namiravira roa amby efa-polo tamin’ ireo ankizilahy madinika ireo.
Ilaisia da sinidigili, ilima beba: le ougili sosodole, amola ilima Hina Gode Ea Dioba: le gagabusu aligima: ne, ilegele sia: i. Amalalu, gasa bagade bea aseme aduna da iwilaganini misini, amo goi42agoane mini amola ifiga adodogone a: le dodosa: ne fasi.
25 Dia niala teo Elisa ka nankany an-tendrombohitra Karmela, ary avy tao no niverenany any Samaria.
Ilaisia da bu asili, Gamele Goumiga doaga: i. Amalu, fa: no e da Samelia sogega buhagi.

< 2 Mpanjaka 2 >