< 2 Mpanjaka 19 >

1 Ary raha nandre izany Hezekia mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany izy sady nitafy lamba fisaonana ka lasa niditra tao an-tranon’ i Jehovah,
And it came to pass, when king Hezekiah heard it, that he rent his clothes, and covered himself with sackcloth, and went into the house of the Lord.
2 Ary izy naniraka an’ i Eliatima, lehiben’ ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary ny lohan’ ny mpisorona samy nitafy lamba fisaonana hankany amin’ Isaia mpaminany, zanak’ i Amoza.
And he sent Elyakim, who was superintendent over the house, and Shebnah the scribe, and the elders of the priests, covered with sackcloth, to Isaiah the prophet the son of Amoz.
3 Ary hoy ireo taminy: Izao no lazain’ i Hezekia: Andro fahoriana sy famaizana ary fanalam-baraka ity andro ity; fa mby ao am-piterahana ny zaza, nefa tsy misy hery hiterahana azy.
And they said unto him, Thus hath said Hezekiah, A day of trouble, and of rebuke, and derision is this day; for the children are come to the birth, and there is not strength to bring forth.
4 Angamba ho ren’ i Jehovah Andriamanitrao ny teny rehetra nataon-dRabsake, izay nirahin’ ny mpanjakan’ i Asyria tompony hihaika an’ Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teniny izay efa ren’ i Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny vavakao hamonjy izay mbola sisa.
Perhaps the Lord thy God will hear all the words of Rabshakeh, whom the king of Assyria his master hath sent to blaspheme the living God; and who hath reproached with the words which the Lord thy God hath heard: wherefore lift up a prayer in behalf of the remnant that is still found here.
5 Dia nankany amin’ Isaia ny mpanompon’ i Hezekia mpanjaka.
And the servants of king Hezekiah came to Isaiah.
6 Ary hoy Isaia taminy: Ambarao amin’ ny tomponareo hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Aza matahotra ny teny efa renao, dia izay nanompan’ iretsy ankizilahin’ ny mpanjakan’ i Asyria iretsy Ahy.
And Isaiah said unto them, Thus shall ye say to your master, Thus hath said the Lord, Be not afraid because of the words which thou hast heard, with which the boys of the king of Assyria have blasphemed me.
7 Fa, indro, Izaho efa hanisy fanahy ao anatiny, ary hahare siosio izy ka hiverina ho any amin’ ny taniny, dia hataoko lavon-tsabatra any an-taniny izy.
Behold, I will put an [other] spirit in him, that when he will hear a rumor, he shall return to his own land; and I will cause him to fall by the sword in his own land.
8 Dia niverina Rabsake ka nankany Libna, izay nataon’ ny mpanjakan’ i Asyria fahirano tamin’ izay, satria efa reny fa efa niala tany Lakisy ny mpanjaka.
And Rabshakeh returned, and found the king of Assyria warring against Libnah; for he had heard that he was departed from Lachish.
9 Ary nony ren’ i Sankeriba ny amin’ i Tiraka, mpanjakan’ i Etiopia, nanao hoe: Indro, avy hiady aminao izy, dia naniraka olona indray ho any amin’ i Hezekia izy nanao hoe:
And he heard it said of Thirhakah the king of Ethiopia, Behold, he is come out to fight with thee; and he again sent messengers unto Hezekiah, saying,
10 Izao no holazainareo amin’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda: Aza mety hofitahin’ ny Andriamanitrao Izay itokianao ianao hoe: Jerosalema tsy hatolotra eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Asyria.
Thus shall ye say to Hezekiah the king of Judah, as followeth, Let not thy God in whom thou trustest deceive thee, saying, Jerusalem shall not be given up into the hand of the king of Assyria.
11 Indro, ianao efa nandre izay nataon’ ireo mpanjakan’ i Asyria tamin’ ny tany rehetra, dia ny nandravany azy; ka ianao kosa va no ho voavonjy?
Behold, thou thyself hast heard what the kings of Assyria have done to all the lands, by destroying them utterly: and thou alone shouldst be delivered?
12 Moa nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny firenena noravan’ ny razako, dia Gozana sy Harana sy Razefa ary ny taranak’ i Edena, izay tao Telasara?
Have the gods of the nations which my fathers destroyed delivered them; as Gozan, and Charan, and Rezeph, and the children of 'Eden, who were in Thelassar?
13 Aiza ny mpanjakan’ i Hamata sy ny mpanjakan’ i Arpada ary ny mpanjakan’ ny tanàna Sefarvaima sy Hena ary Iva?
Where is the king of Chamath, and the king of Arpad, and the king of the city of Sepharvayim, of Hena', and 'Ivvah?
14 Dia noraisin’ i Hezekia tamin’ ny tanan’ ny iraka ny taratasy ka novakiny, dia niakatra nankao an-tranon’ i Jehovah izy ka namelatra iny teo anatrehan’ i Jehovah.
And Hezekiah took the letters out of the hand of the messengers, and read them: and Hezekiah went up into the house of the Lord, and spread them out before the Lord.
15 Ary Hezekia nivavaka teo anatrehan’ i Jehovah nanao hoe: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, Izay mipetraka amin’ ny kerobima, Hianao dia Hianao irery ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany, fa Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany.
And Hezekiah prayed before the Lord, and said, O Lord God of Israel, who dwellest between the cherubims, thou art the [true] God, thou alone, for all the kingdoms of the earth; for it is thou who hast made the heavens and the earth.
16 Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka mihainoa; ahirato ny masonao, Jehovah ô, ka mijere, ary mandrenesa ny tenin’ i Sankeriba, izay nampitondrainy hihaika an’ Andriamanitra velona.
Bend down, O Lord, thy ear, and hear! open, O Lord, thy eyes, and see! and hear the words of Sennacherib, that which he hath sent to blaspheme the living God.
17 Jehovah ô, marina ihany tokoa fa ireo mpanjakan’ i Asyria dia efa nandrava ny jentilisa sy ny taniny
Truly, Lord, the kings of Assyria have devastated the nations and their land,
18 ary efa nanary ny andriamaniny tao anaty afo, satria tsy Andriamanitra ireny, fa asan’ ny tànan’ olona ihany, dia hazo sy vato; ka dia azony nosimbana.
And they have placed their gods into the fire; for they are no gods, but the work of man's hands, wood and stone: and these have they destroyed.
19 Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô, mitaraina aminao aho, vonjeo izahay amin’ ny tànany, mba hahafantaran’ ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany fa Hianao dia Hianao irery ihany, Jehovah ô, no Andriamanitra.
And now, O Lord our God, save us, I beseech thee, out of his hand, that all the kingdoms of the earth may know that thou art the Lord God, thou alone.
20 Ary Isaia, zanak’ i Amoza, dia naniraka hankany amin’ i Hezekia, nanao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ilay fitarainana nataonao tamiko ny amin’ i Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria, dia efa nohenoiko.
Then sent Isaiah the son of Amoz to Hezekiah, saying, Thus hath said the Lord the God of Israel, What thou hast prayed to me concerning Sennacherib the king of Assyria have I heard.
21 Koa izao no teny nolazain’ i Jehovah ny amin’ i Sankeriba: Manao tsinontsinona sy mandatsalatsa anao Ziona, zanakavavy virijina: Mihifikifi-doha mahita anao mandositra Jerosalema zanakavavy.
This is the word that the Lord hath spoken over him: She despiseth thee, she laugheth thee to scorn, the virgin daughter of Zion; behind thee shaketh her head the daughter of Jerusalem.
22 Fa iza no nohaikainao sy nompanao? Ary hanohitra an’ iza no nanandratanao ny feonao sy nampiandrandranao ny masonao any ambony hanohitra ny Iray Masin’ ny Isiraely.
Whom hast thou blasphemed, and [whom] hast thou scorned? and against whom hast thou raised thy voice, and lifted up thy eyes on high? against the Holy One of Israel.
23 Ny irakao no nihaikanao ny Tompo hoe: Tamin’ ny kalesiko maro no niakarako tany an-tampon’ ny tendrombohitra, tao afovoan’ i Libanona, ary hokapaiko ny sedera avo sy ny kypreso voafantina; dia hiditra any amin’ ny faran’ ny azo iakarana ao aho sy any amin’ ny alany midokadoka.
By thy messengers thou hast blasphemed the Lord and hast said, With the multitude of my chariots am I indeed come up to the height of the mountains, to the sides of Lebanon, and I will cut down its tall cedars, the choice of its fir-trees: and I will enter into the lodgings on its summit, the forest of its fruitful soil.
24 Izaho no nihady ka nisotro rano vao niseho, ary ny faladiako no handritako ny ony mbamin’ ny lahin-drano rehetra any Egypta.
I have dug and drunk strange waters, and I will dry up with the sole of my feet all the streams of besieged places.
25 Tsy mbola renao va, hoy Jehovah, fa hatry ny fony ela no nanomanako izany, ary hatramin’ ny andro taloha no nikasako izany? ankehitriny dia efa nahatanteraka izany Aho, ka dia nandrava tanàna mimanda ho tonga korontam-bato ianao.
Hadst thou not heard that in distant ages I had prepared this? in the times of antiquity when I formed it? now have I brought it along, and it came to pass, to desolate into ruinous heaps fortified cities.
26 Ary efa tsy nahatohitra ny mponina any, sady raiki-tahotra no mangaihay izy; efa tahaka ny ahitra any an-tsaha izy ary tahaka ny ahi-maitso sy ny ahitra eo amin’ ny tampon-trano, ary tahaka ny vary maty raha vao mitsiry.
And thus their inhabitants were short of power, they were dismayed and confounded; they were as the herbs of the field, and as the green grass; as the moss on the housetops, and as corn blasted before the ear appeareth.
27 Fa samy fantatro avokoa ny ipetrahanao sy ny ivoahanao sy ny idiranao ary ny fahatezeranao amiko.
But thy abiding and thy going out and thy coming in do I know, and thy raging against me.
28 Satria efa tezitra amiko ianao, ary efa tonga ato an-tsofiko ny fireharehanao, dia hasiako ny masom-biko ny oronao, ary hasiako ny lamboridiko ny vavanao, ary hampivereniko amin’ ny lalana izay nihavianao ianao.
Because of thy raging against me and thy tumult that is come up into my ears, will I put my hook in thy nose, and my bridle between thy lips; and I will cause thee to turn back on the way by which thou camest.
29 Ary izao no ho famantarana ho anao kosa: Hihinana ny maniry ho azy avy tamin’ ny voa mihintsana ianareo iray taona, ary amin’ ny taona manaraka dia ny kolokolon’ izany, fa amin’ ny taona fahatelo kosa dia mamafaza ianareo, ka mijinjà, ary manaova tanim-boaloboka, ka mihinàna izay vokatra eo.
And this shall be unto thee the sign, Ye shall eat this year what groweth of itself, and in the second year what springeth up after the same; and in the third year sow and reap, and plant vineyards, and eat their fruit.
30 Ary izay sisa amin’ ny taranak’ i Joda dia mbola hamaka lalindalina kokoa sady hisondrotra hamoa.
And the remnant of the house of Judah that is escaped shall yet again strike root downward, and bear fruit upward.
31 Fa hisy sisa hiseho avy any Jerosalema sy sisa afaka avy any an-tendrombohitra Ziona; ny fahasaro-piaron’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, no hanao izany.
For out of Jerusalem shall go forth a remnant, and that which escapeth out of mount Zion: the zeal of the Lord of hosts will do this.
32 Koa izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ ny mpanjakan’ i Asyria: Tsy ho tafiditra amin’ ity tanàna ity izy, na handefa zana-tsipìka ho ato, na hitondra ampinga eo anoloany, na hanandratra tovon-tany hamelezany ity.
Therefore thus hath said the Lord concerning the king of Assyria, He shall not come into this city, and he shall not shoot an arrow thereon, nor come before it with shield, nor cast up against it an embankment.
33 Ny lalana izay nihaviany ihany no hiverenany, fa tsy ho tafiditra amin’ ity tanàna ity izy, hoy Jehovah.
On the way by which he came, by the same shall he return, and into this city shall he not come, saith the Lord.
34 Fa hiaro ity tanàna ity Aho ka hamonjy azy noho ny amin’ ny tenako sy Davida mpanompoko.
And I will shield this city, to save it, for my own sake, and for the sake of David my servant.
35 Ary tamin’ ny alin’ io dia avy ilay Anjelin’ i Jehovah ka namely olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy tao an-tobin’ ny Asyriana; ary nony maraina koa vao nifoha olona, dia hita fa, indreo, efa maty avokoa ireo.
And it came to pass, on the same night, that an angel of the Lord went out and smote in the camp of the Assyrians one hundred eighty and five thousand men: and when people arose early in the morning, behold, they were all dead corpses.
36 Dia niainga Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria, ka lasa nody ary nitoetra tany Ninive.
And Sennacherib the king of Assyria then departed, and went and returned, and dwelt at Nineveh.
37 Ary raha niankohoka tao an-tranon’ i Nisroka andriamaniny izy, dia nasian’ i Adrameleka sy Sarezera zananilahy ny sabatra izy; ary dia afaka nandositra nankany amin’ ny tany Ararata izy mirahalahy. Ary Esara-hadona zananilahy no nanjaka nandimby azy.
And it came to pass, as he was prostrating himself in the house of Nisroch his god, that Adrammelech and Sharezer his sons smote him with the sword: and they escaped into the land of Ararat. And Essar-chaddon his son became king in his stead.

< 2 Mpanjaka 19 >