< 2 Mpanjaka 18 >

1 Ary tamin’ ny taona fahatelo nanjakan’ i Hosea, zanak’ i Elaha, mpanjakan’ ny Isiraely, no vao nanjakan’ i Hezekia, zanak’ i Ahaza, mpanjakan’ ny Joda.
A shekara ta uku ta mulkin Hosheya ɗan Ela sarkin Isra’ila, Hezekiya ɗan Ahaz sarkin Yahuda ya fara mulki.
2 Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary nanjaka sivy amby roa-polo taona tany Jerosalema izy. Ary ny anaran-dreniny dia Aby, zanakavavin’ i Zakaria.
Yana da shekara ashirin da biyar da ya zama sarki, ya kuma yi mulki shekara ashirin da tara a Urushalima. Sunan mahaifiyarsa Abiya’yar Zakariya.
3 Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon’ i Davida rainy.
Ya aikata abin da yake daidai a gaban Ubangiji yadda kakansa Dawuda ya yi.
4 Izy no nandrava ny fitoerana avo sy namakivaky ny tsangam-baton-tsampy sy nikapa ny Aserahany ary nanorotoro ny menarana varahina izay nataon’ i Mosesy; fa ny Zanak’ Isiraely efa nandoro ditin-kazo manitra tamin’ iny hatramin’ izany andro izany aza; ary ny anarany nataony hoe Nehostana.
Ya kawar da masujadan kan tudu, ya farfasa keɓaɓɓun duwatsu, ya sassare ginshiƙan Ashera. Ya fashe macijin tagullan da Musa ya yi, gama har zuwa lokacin nan Isra’ilawa suna ƙona turare gare shi. (An ba shi suna Nehushtan.)
5 Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no nitokiany, ka dia tsy nisy tahaka azy tamin’ izay rehetra mpanjakan’ ny Joda, na ny teo aoriany, na ny teo alohany
Hezekiya ya dogara ga Ubangiji, Allah na Isra’ila. Ba a yi wani kamar sa ba cikin dukan sarakunan Yahuda; ko kafin shi, ko kuma bayansa.
6 Fa nifikitra tamin’ i Jehovah izy ka tsy niala tamin’ ny fanarahana Azy, fa nitandrina ny didy izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Ya manne wa Ubangiji, bai fasa binsa ba; ya yi biyayya da dokokin da Ubangiji ya ba wa Musa.
7 Ary Jehovah nomba azy, ka dia nambinina tamin’ izay nalehany rehetra izy; ary niodina tamin’ ny mpanjakan’ i Asyria izy ka tsy nanompo azy.
Ubangiji kuma ya kasance tare da shi, ya yi nasara a duk abin da ya sa hannu. Ya yi tawaye ga sarkin Assuriya, ya ƙi yă bauta masa.
8 Izy no namely ny Filistina hatrany Gaza sy ny fari-taniny, ka noravany avokoa hatramin’ ny tilikambon’ ny mpiambina ka hatramin’ ny tanàna mimànda.
Daga hasumiya zuwa birni mai katanga, ya ci Filistiyawa da yaƙi, har zuwa Gaza da kewaye.
9 Ary tamin’ ny taona fahefatra nanjakan’ i Hezekia mpanjaka (dia ny taona fahafito nanjakan’ i Hosea, zanak’ i Elaha, mpanjakan’ ny Isiraely, izany) no niakaran’ i Salmanesera mpanjakan’ i Asyria, hamely an’ i Samaria sy nanaovany fahirano azy.
A shekara ta huɗu ta Hezekiya, wato, shekara ta bakwai ke nan ta mulkin Hosheya ɗan Ela sarkin Isra’ila; Shalmaneser Sarkin Assuriya ya tasam ma Samariya da yaƙi; ya kewaye ta.
10 Ary nony tapitra ny telo taona, dia afak’ ireo ny tanàna; dia tamin’ ny taona fahenina nanjakan’ i Hezekia, izay taona fahasivy nanjakan’ i Hosea, mpanjakan’ ny Isiraely, no nahafahana an’ i Samaria.
A ƙarshen shekara ta uku, Assuriyawa suka ci Samariya da yaƙi. An ci Samariya da yaƙi a shekara ta shida ta mulki Hezekiya, wanda ya zo daidai da shekara ta tara ta mulkin Hosheya sarkin Isra’ila.
11 Ary ny mpanjakan’ i Asyria nitondra ny Isiraely ho babo tany Asyria ka nametraka azy tao Hala sy teo amoron’ i Habora, onin’ i Gozana, ary teny amin’ ny tanànan’ ny Mediana,
Sarkin Assuriya ya kwashe Isra’ila zuwa Assuriya ya zaunar da su a Hala, da Gozan a kogin Habor da kuma garuruwan Medes.
12 Satria tsy nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamaniny izy, fa nivadika ny fanekeny, dia izay rehetra nandidian’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, ka tsy nihaino na nankato izany izy.
Wannan ya faru ne domin ba su yi biyayya ga Ubangiji Allahnsu ba, amma suka karya alkawarinsu; da dukan abin da Musa bawan Ubangiji ya umarta. Ba su saurari umarnin ba, balle su kiyaye su.
13 Ary tamin’ ny taona fahefatra ambin’ ny folo nanjakan’ i Hezekia mpanjaka dia niakatra Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria, hamely ny tanàna mimànda rehetra any Joda ka nahafaka azy.
A shekara ta goma sha huɗu ta mulkin sarkin Hezekiya, sai sarki Sennakerib sarkin Assuriya ya kai farmaki wa biranen Yahuda masu katanga ya kuma kama su.
14 Ary Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, naniraka tany amin’ ny mpanjakan’ i Asyria tany Lakisy nanao hoe: Efa diso aho, ialao aho, fa izay hampitondrainao ahy dia ho entiko. Ary ny mpanjakan’ i Asyria nampandoa an’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, talenta volafotsy telon-jato sy talenta volamena telo-polo.
Sai Hezekiya sarkin Yahuda ya aika saƙo ga sarkin Assuriya a Lakish cewa, “Na yi laifi, ka janye daga gare ni, zan kuma biya ka duk abin da ake bukata daga gare ni.” Sarkin Assuriya ya karɓi talenti ɗari uku na azurfa, da talenti talatin na zinariya daga hannun Hezekiya sarkin Yahuda.
15 Ary Hezekia nanome azy ny volafotsy rehetra izay hita tao an-tranon’ i Jehovah sy tao amin’ ny rakitry ny tranon’ ny mpanjaka.
Ya zama kuwa cewa, Hezekiya ya bayar da dukan azurfan da suke a haikalin Ubangiji da kuma a ma’ajin fadan sarki.
16 Tamin’ izany andro izany no nanendahan’ i Hezekia ny volamena tamin’ ny varavaran’ ny tempolin’ i Jehovah sy tamin’ ny tolana, dia ilay efa napetak’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda; ary dia nomeny ho an’ ny mpanjakan’ i Asyria izany.
A wannan lokaci ne Hezekiya sarkin Yahuda ya ɓaɓɓalle zinariyan da aka dalaye ƙofofi da madogaran ƙofofin haikalin Ubangiji, ya ba sarkin Assuriya.
17 Ary ny mpanjakan’ i Asyria naniraka an’ i Tartana sy Raba-sarisa ary Rabsake mbamin’ ny miaramila betsaka avy teo Lakisy hankany Jerosalema ho any amin’ i Hezekia mpanjaka. Dia niakatra ireny ka tonga tany Jerosalema; ary nony tonga teo izy, dia nitsangana teo anilan’ ny lakan-drano amin’ ny kamory ambony, teo an-dalambe mankamin’ ny sahan’ ny mpamotsy lamba.
Sai sarkin Assuriya ya aika da babban shugaban sojojinsa, da shugaban dattawansa, da wakilinsa daga birnin Lakish tare da ƙungiyar sojoji masu yawa zuwa Urushalima domin su yaƙi Sarki Hezekiya. Da suka haura sai suka tsaya a wurin lambatun da yake kawo ruwa daga Tafkin Tudu, kusa da hanyar Filin Mai Wanki.
18 Ary nony efa niantso ny mpanjaka izy, dia nivoaka ho eo aminy Eliakima, zanak’ i Hilkia, izay lehiben’ ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak’ i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana.
Suka kira sarki, sai Eliyakim ɗan Hilkiya sarkin fada, da Shebna magatakarda, da Yowa ɗan Asaf marubuci suka je wurinsu.
19 Dia hoy Rabsake tamin’ ireo: Andeha, lazao amin’ i Hezekia hoe: Izao no lazain’ ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan’ i Asyria: Inona izato itokianao?
Jagoran dogarawan sarkin Assuriya ya ce musu, “Ku ce wa Hezekiya, “‘Ga abin da babban sarkin Assuriya ya ce, da wa kake taƙama?
20 Hoy ianao (nefa teny foana izany): Manana saina sy hery hiady aho. Koa iza no itokianao, no miodina amiko ianao?
Ka ce kana da dabara da ƙarfin soji, amma bagu kawai kake yi. Da wa ka dogara har da za ka yi mini tawaye?
21 Fa, indro, ianao matoky io tehina volotara torotoro io, dia Egypta, nefa raha itehenan’ olona iny, dia manindrona ny tànany miboroaka; tahaka izany Farao, mpanjakan’ i Egypta, amin’ izay rehetra matoky azy.
Na sani kana dogara da Masar, wadda take kamar karar masara, wadda in ka jingina a kai, za tă karye tă soki hannunka. Haka Fir’auna sarkin Masar yake ga dukan wanda ya dogara da shi.
22 Ary raha hoy ianareo amiko: Jehovah Andriamanitray no itokianay, moa tsy Azy va ny fitoerana avo aman’ alitara izay noravan’ i Hezekia, izay nilaza tamin’ ny Joda sy Jerosalema hoe: Eto anoloan’ ity alitara eto Jerosalema ity no hiankohofanareo?
Sai ya ci gaba da cewa, in kuma ka ce mini “Muna dogara ga Ubangiji Allahnmu ne,” ba masujadansa da bagadansa ne Hezekiya ya ciccire, yana ce wa Urushalima da Yahuda, “Dole ku yi sujada a gaban wannan bagade a Urushalima”?
23 Koa aoka hifaninana ianao sy ny tompoko, mpanjakan’ i Asyria, fa homeko soavaly roa arivo ianao, raha tàhiny manana olona hitaingina azy.
“‘Yanzu, ka zo ku shirya da shugabana, sarkin Assuriya. Zan ba ka dawakai dubu biyu, in za ka sami mahayansu!
24 Hataonao ahoana no fampiamboho ny komandy iray amin’ ny mpanompon’ ny tompoko, na dia izay kely indrindra aminy aza? Nefa matoky an’ i Egypta ianao hahazoanao kalesy sy mpitaingin-tsoavaly.
Yaya za ka yi tsayayya da mafi ƙanƙantan hafsan shugabana, ko da kana dogara da Masar don kekunan yaƙi da mahaya dawakai?
25 Koa moa haitraitro va izao niakarako izao? Tsia, fa Jehovah no naniraka ahy handrava ity tany ity ka nanao hoe: Miakara hamely ity tany ity, ka ravao izy.
Ban da haka ma, kana gani cewa na zo in hallaka wannan wuri ne ba tare da na ji daga Ubangiji ba? Ubangiji da kansa ne ya ce da ni in kawo wa wannan ƙasa hari in hallaka ta.’”
26 Dia hoy Eliakima, zanak’ i Hilkia, sy Sebna ary Joa tamin-dRabsake: Masìna ianao, teny Syriana no ataovy aminay mpanomponao, fa fantatray ihany izany; fa aza manao teny Jiosy ho ren’ ny olona eny ambonin’ ny mànda.
Sai Eliyakim ɗan Hilkiya, da Shebna, da Yowa suka ce wa jagoran dakarun, “Muna roƙonka ka yi wa bayinka magana da harshen Arameyik da yake muna ji. Kada ka yi mana magana da Yahudanci domin kada mutanen da suke bisa katanga su ji!”
27 Fa hoy Rabsake taminy: Moa ho amin’ ny tomponao sy ianao akory va no nanirahan’ ny tompoko ahy hilaza izao teny izao, fa tsy ho amin’ ny olona izay mipetraka eny ambonin’ ny manda, hihinanany izay tsy fihinany sy hisotroany izay tsy fisotrony miaraka aminareo?
Amma shugaban sojojin ya ce, “Ai, ba gare ku da sarkinku kaɗai ne shugabana ya aike ni ba. Amma har ga mutanen da suke zaune a kan katangar birnin, waɗanda za su ci kashinsu, su sha fitsarinsu!”
28 Dia nijoro teo Rabsake ka niantso tamin’ ny feo mahery tamin’ ny teny Jiosy hoe: Henoy ny tenin’ ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan’ i Asyria:
Sai shugaban sojojin ya yi kira da Yahudanci ya ce, “Ku ji muryar babban sarki, sarkin Assuriya!
29 Izao no lazain’ ny mpanjaka: Aza mety ho fitahin’ i Hezekia ianareo, fa tsy hahavonjy anareo amin’ ny tanako izy tsy akory.
Ga abin da sarki ya faɗa; kada ku bar Hezekiya yă ruɗe ku. Ba zai iya cetonku daga hannuna ba.
30 Ary aza mety hampahatokin’ i Hezetia an’ i Jehovah ianareo amin’ ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika tokoa; ary tsy hatolotra eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Asyria tsy akory ity tanàna ity.
Kada ku yarda Hezekiya yă rinjaye ku cewa ku dogara ga Allah, sa’ad da ya ce da ku, ‘Ba shakka Ubangiji zai cece mu; yana ce da ku birnin nan ba zai faɗa a hannun sarkin Assuriya ba.’
31 Aza mihaino an’ i Hezekia; fa izao no lazain’ ny mpanjakan’ i Asyria: Manaova fanekena amiko hiadanana, ka mankanesa atỳ amiko, ary samia homana ny voalobony sy ny aviaviny, ary samia misotro ny rano avy amin’ ny lavaka famorian-dranony avy ianareo,
“Kada ku saurari Hezekiya. Ga abin da sarkin Assuriya ya ce, ku shirya zaman lafiya da ni, ku fito zuwa wurina. Kowane ɗayanku kuwa zai ci’ya’yan inabinsa da’ya’yan ɓaurensa, yă kuma sha ruwa daga randarsa,
32 mandra-pihaviko hitondra anareo ho any amin’ izay tany tahaka ny taninareo, dia tany misy vary sy ranom-boaloboka, tany misy mofo sy tanim-boaloboka, tany misy oliva tsara diloilo sy tantely, mba ho velona ianareo, fa tsy ho faty, ary aza mihaino an’ i Hezekia, raha izy manome vohony anareo amin’ ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika.
har lokacin da zan zo in kwashe ku, in kai ku wata ƙasa mai kama da taku, ƙasa mai yalwar hatsi, da ruwan inabi, da abinci, da gonakin inabi, da itatuwan zaitun, da zuma, don ku rayu, kada ku mutu! “Kada ku saurari Hezekiya, don karya yake muku, sa’ad da ya ce, ‘Ubangiji zai cece mu.’
33 Moa nisy nahavonjy ny taniny tamin’ ny mpanjakan’ i Asyria va ireo andriamanitry ny firenena?
Akwai allahn wata al’ummar da ya taɓa ceton ƙasarsa daga hannun sarkin Assuriya?
34 Aiza moa ireo andriamanitr’ i Hamata sy Arpada? Ary aiza koa ireo andriamanitr’ i Sefarvaima sy Hena ary Iva? Nahavonjy an’ i Samaria tamin’ ny tanako va ireo andriamaniny?
Ina allolin Hamat da na Arfad? Ina allolin Sefarfayim, da na Hena, da na Iffa? Sun cece Samariya daga hannuna?
35 Iza moa amin’ ny andriamanitra rehetra amin’ ny tany no efa nahavonjy ny taniny tamin’ ny tanako, koa aiza no hahavonjen’ i Jehovah an’ i Jerosalema amin’ ny tanako?
Wanne a cikin dukan allolin ƙasashen nan ya iya ceton ƙasarsa da gare ni? Shugaban sojojin ya kuma ci gaba da cewa, ta yaya Ubangiji zai ceci Urushalima daga hannuna?”
36 Nefa nangina ny olona, ka tsy nisy namaly azy na dia teny indraim-bava akory aza, satria ny mpanjaka efa nandidy hoe: Aza misy mamaly azy.
Amma mutane suka yi shiru ba su amsa masa ba, domin sarki ya umarta cewa, “Kada ku amsa masa.”
37 Ary Eliakima, zanak’ i Hilkia izay lehiben’ ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak’ i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia niditra nankao amin’ i Hezekia, sady voatriatra ny fitafiany, ary nilaza taminy ny tenin-dRabsake izy.
Sai Eliyakim ɗan Hilkiya, sarkin fada, da Shebna magatakarda, da Yowa ɗan Asaf, marubuci, suka je wurin Hezekiya da tufafinsu a kece, suka faɗa masa abin da shugaban sojojin ya faɗa.

< 2 Mpanjaka 18 >