< 2 Mpanjaka 18 >

1 Ary tamin’ ny taona fahatelo nanjakan’ i Hosea, zanak’ i Elaha, mpanjakan’ ny Isiraely, no vao nanjakan’ i Hezekia, zanak’ i Ahaza, mpanjakan’ ny Joda.
Now it happened in the third year of Hoshea son of Elah king of Israel, that Hezekiah the son of Ahaz king of Judah began to reign.
2 Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary nanjaka sivy amby roa-polo taona tany Jerosalema izy. Ary ny anaran-dreniny dia Aby, zanakavavin’ i Zakaria.
He was twenty-five years old when he began to reign; and he reigned twenty-nine years in Jerusalem: and his mother's name was Abi the daughter of Zechariah.
3 Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon’ i Davida rainy.
He did that which was right in the eyes of the LORD, according to all that David his father had done.
4 Izy no nandrava ny fitoerana avo sy namakivaky ny tsangam-baton-tsampy sy nikapa ny Aserahany ary nanorotoro ny menarana varahina izay nataon’ i Mosesy; fa ny Zanak’ Isiraely efa nandoro ditin-kazo manitra tamin’ iny hatramin’ izany andro izany aza; ary ny anarany nataony hoe Nehostana.
He removed the high places, and broke the pillars, and cut down the Asherah: and he broke in pieces the bronze serpent that Moses had made; for in those days the children of Israel burned incense to it; and he called it Nehushtan.
5 Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no nitokiany, ka dia tsy nisy tahaka azy tamin’ izay rehetra mpanjakan’ ny Joda, na ny teo aoriany, na ny teo alohany
He trusted in the LORD, the God of Israel; so that after him was none like him among all the kings of Judah, nor among them that were before him.
6 Fa nifikitra tamin’ i Jehovah izy ka tsy niala tamin’ ny fanarahana Azy, fa nitandrina ny didy izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
For he joined with the LORD; he did not depart from following him, but kept his commandments, which the LORD commanded Moses.
7 Ary Jehovah nomba azy, ka dia nambinina tamin’ izay nalehany rehetra izy; ary niodina tamin’ ny mpanjakan’ i Asyria izy ka tsy nanompo azy.
The LORD was with him; wherever he went forth he prospered: and he rebelled against the king of Assyria, and did not serve him.
8 Izy no namely ny Filistina hatrany Gaza sy ny fari-taniny, ka noravany avokoa hatramin’ ny tilikambon’ ny mpiambina ka hatramin’ ny tanàna mimànda.
He struck the Philistines to Gaza and its borders, from the tower of the watchmen to the fortified city.
9 Ary tamin’ ny taona fahefatra nanjakan’ i Hezekia mpanjaka (dia ny taona fahafito nanjakan’ i Hosea, zanak’ i Elaha, mpanjakan’ ny Isiraely, izany) no niakaran’ i Salmanesera mpanjakan’ i Asyria, hamely an’ i Samaria sy nanaovany fahirano azy.
It happened in the fourth year of king Hezekiah, which was the seventh year of Hoshea son of Elah king of Israel, that Shalmaneser king of Assyria came up against Samaria, and besieged it.
10 Ary nony tapitra ny telo taona, dia afak’ ireo ny tanàna; dia tamin’ ny taona fahenina nanjakan’ i Hezekia, izay taona fahasivy nanjakan’ i Hosea, mpanjakan’ ny Isiraely, no nahafahana an’ i Samaria.
At the end of three years they took it: in the sixth year of Hezekiah, which was the ninth year of Hoshea king of Israel, Samaria was taken.
11 Ary ny mpanjakan’ i Asyria nitondra ny Isiraely ho babo tany Asyria ka nametraka azy tao Hala sy teo amoron’ i Habora, onin’ i Gozana, ary teny amin’ ny tanànan’ ny Mediana,
The king of Assyria carried Israel away to Assyria, and put them in Halah, and on the Habor, the river of Gozan, and in the cities of the Medes,
12 Satria tsy nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamaniny izy, fa nivadika ny fanekeny, dia izay rehetra nandidian’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, ka tsy nihaino na nankato izany izy.
because they did not obey the voice of the LORD their God, but transgressed his covenant, even all that Moses the servant of the LORD commanded, and would not hear it, nor do it.
13 Ary tamin’ ny taona fahefatra ambin’ ny folo nanjakan’ i Hezekia mpanjaka dia niakatra Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria, hamely ny tanàna mimànda rehetra any Joda ka nahafaka azy.
Now in the fourteenth year of king Hezekiah, Sennacherib king of Assyria came up against all the fortified cities of Judah, and took them.
14 Ary Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, naniraka tany amin’ ny mpanjakan’ i Asyria tany Lakisy nanao hoe: Efa diso aho, ialao aho, fa izay hampitondrainao ahy dia ho entiko. Ary ny mpanjakan’ i Asyria nampandoa an’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, talenta volafotsy telon-jato sy talenta volamena telo-polo.
Hezekiah king of Judah sent to the king of Assyria to Lachish, saying, "I have offended; return from me. That which you put on me, I will bear." The king of Assyria appointed to Hezekiah king of Judah three hundred talents of silver and thirty talents of gold.
15 Ary Hezekia nanome azy ny volafotsy rehetra izay hita tao an-tranon’ i Jehovah sy tao amin’ ny rakitry ny tranon’ ny mpanjaka.
Hezekiah gave him all the silver that was found in the house of the LORD, and in the treasures of the king's house.
16 Tamin’ izany andro izany no nanendahan’ i Hezekia ny volamena tamin’ ny varavaran’ ny tempolin’ i Jehovah sy tamin’ ny tolana, dia ilay efa napetak’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda; ary dia nomeny ho an’ ny mpanjakan’ i Asyria izany.
At that time, Hezekiah cut off the gold from the doors of the LORD's temple, and from the pillars which Hezekiah king of Judah had overlaid, and gave it to the king of Assyria.
17 Ary ny mpanjakan’ i Asyria naniraka an’ i Tartana sy Raba-sarisa ary Rabsake mbamin’ ny miaramila betsaka avy teo Lakisy hankany Jerosalema ho any amin’ i Hezekia mpanjaka. Dia niakatra ireny ka tonga tany Jerosalema; ary nony tonga teo izy, dia nitsangana teo anilan’ ny lakan-drano amin’ ny kamory ambony, teo an-dalambe mankamin’ ny sahan’ ny mpamotsy lamba.
The king of Assyria sent Tartan and Rabsaris and Rabshakeh from Lachish to king Hezekiah with a great army to Jerusalem. They went up and came to Jerusalem and stood by the conduit of the upper pool, which is on the highway of the Launderers' Field.
18 Ary nony efa niantso ny mpanjaka izy, dia nivoaka ho eo aminy Eliakima, zanak’ i Hilkia, izay lehiben’ ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak’ i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana.
When they had called to the king, there came out to them Eliakim the son of Hilkiah, who was over the household, and Shebnah the scribe, and Joah the son of Asaph the recorder.
19 Dia hoy Rabsake tamin’ ireo: Andeha, lazao amin’ i Hezekia hoe: Izao no lazain’ ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan’ i Asyria: Inona izato itokianao?
Rabshakeh said to them, "Say now to Hezekiah, 'Thus says the great king, the king of Assyria, "What confidence is this in which you trust?
20 Hoy ianao (nefa teny foana izany): Manana saina sy hery hiady aho. Koa iza no itokianao, no miodina amiko ianao?
Do you think that empty words are strategy and power for war? Now on whom do you trust, that you have rebelled against me?
21 Fa, indro, ianao matoky io tehina volotara torotoro io, dia Egypta, nefa raha itehenan’ olona iny, dia manindrona ny tànany miboroaka; tahaka izany Farao, mpanjakan’ i Egypta, amin’ izay rehetra matoky azy.
Now, look, you trust in the staff of this bruised reed, even in Egypt. If a man leans on it, it will go into his hand, and pierce it. So is Pharaoh king of Egypt to all who trust on him.
22 Ary raha hoy ianareo amiko: Jehovah Andriamanitray no itokianay, moa tsy Azy va ny fitoerana avo aman’ alitara izay noravan’ i Hezekia, izay nilaza tamin’ ny Joda sy Jerosalema hoe: Eto anoloan’ ity alitara eto Jerosalema ity no hiankohofanareo?
But if you tell me, 'We trust in the LORD our God;' isn't that he whose high places and whose altars Hezekiah has taken away, and has said to Judah and to Jerusalem, 'You shall worship before this altar in Jerusalem?'
23 Koa aoka hifaninana ianao sy ny tompoko, mpanjakan’ i Asyria, fa homeko soavaly roa arivo ianao, raha tàhiny manana olona hitaingina azy.
Now therefore, please give pledges to my master the king of Assyria, and I will give you two thousand horses, if you are able on your part to set riders on them.
24 Hataonao ahoana no fampiamboho ny komandy iray amin’ ny mpanompon’ ny tompoko, na dia izay kely indrindra aminy aza? Nefa matoky an’ i Egypta ianao hahazoanao kalesy sy mpitaingin-tsoavaly.
How then can you turn away the face of one captain of the least of my master's servants, and put your trust on Egypt for chariots and for horsemen?
25 Koa moa haitraitro va izao niakarako izao? Tsia, fa Jehovah no naniraka ahy handrava ity tany ity ka nanao hoe: Miakara hamely ity tany ity, ka ravao izy.
Have I now come up without the LORD against this place to destroy it? The LORD said to me, 'Go up against this land, and destroy it.'"'"
26 Dia hoy Eliakima, zanak’ i Hilkia, sy Sebna ary Joa tamin-dRabsake: Masìna ianao, teny Syriana no ataovy aminay mpanomponao, fa fantatray ihany izany; fa aza manao teny Jiosy ho ren’ ny olona eny ambonin’ ny mànda.
Then Eliakim the son of Hilkiah, and Shebnah, and Joah, said to Rabshakeh, "Please speak to your servants in the Aramaic language; for we understand it. Do not speak with us in the Jews' language, in the hearing of the people who are on the wall."
27 Fa hoy Rabsake taminy: Moa ho amin’ ny tomponao sy ianao akory va no nanirahan’ ny tompoko ahy hilaza izao teny izao, fa tsy ho amin’ ny olona izay mipetraka eny ambonin’ ny manda, hihinanany izay tsy fihinany sy hisotroany izay tsy fisotrony miaraka aminareo?
But Rabshakeh said to them, "Has my master sent me to your master, and to you, to speak these words? Hasn't he sent me to the men who sit on the wall, to eat their own dung, and to drink their own water with you?"
28 Dia nijoro teo Rabsake ka niantso tamin’ ny feo mahery tamin’ ny teny Jiosy hoe: Henoy ny tenin’ ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan’ i Asyria:
Then Rabshakeh stood, and cried with a loud voice in the Jews' language, and spoke, saying, "Hear the word of the great king, the king of Assyria.
29 Izao no lazain’ ny mpanjaka: Aza mety ho fitahin’ i Hezekia ianareo, fa tsy hahavonjy anareo amin’ ny tanako izy tsy akory.
Thus says the king, 'Do not let Hezekiah deceive you; for he will not be able to deliver you out of my hand.
30 Ary aza mety hampahatokin’ i Hezetia an’ i Jehovah ianareo amin’ ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika tokoa; ary tsy hatolotra eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Asyria tsy akory ity tanàna ity.
Neither let Hezekiah make you trust in the LORD, saying, "The LORD will surely deliver us, and this city shall not be given into the hand of the king of Assyria."
31 Aza mihaino an’ i Hezekia; fa izao no lazain’ ny mpanjakan’ i Asyria: Manaova fanekena amiko hiadanana, ka mankanesa atỳ amiko, ary samia homana ny voalobony sy ny aviaviny, ary samia misotro ny rano avy amin’ ny lavaka famorian-dranony avy ianareo,
Do not listen to Hezekiah.' For thus says the king of Assyria, 'Make your peace with me, and come out to me; and everyone of you eat of his vine, and everyone of his fig tree, and everyone drink the waters of his own cistern;
32 mandra-pihaviko hitondra anareo ho any amin’ izay tany tahaka ny taninareo, dia tany misy vary sy ranom-boaloboka, tany misy mofo sy tanim-boaloboka, tany misy oliva tsara diloilo sy tantely, mba ho velona ianareo, fa tsy ho faty, ary aza mihaino an’ i Hezekia, raha izy manome vohony anareo amin’ ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika.
until I come and take you away to a land like your own land, a land of grain and new wine, a land of bread and vineyards, a land of olive trees and of honey, that you may live, and not die. Do not listen to Hezekiah, when he persuades you, saying, "The LORD will deliver us."
33 Moa nisy nahavonjy ny taniny tamin’ ny mpanjakan’ i Asyria va ireo andriamanitry ny firenena?
Has any of the gods of the nations ever delivered his land out of the hand of the king of Assyria?
34 Aiza moa ireo andriamanitr’ i Hamata sy Arpada? Ary aiza koa ireo andriamanitr’ i Sefarvaima sy Hena ary Iva? Nahavonjy an’ i Samaria tamin’ ny tanako va ireo andriamaniny?
Where are the gods of Hamath, and of Arpad? Where are the gods of Sepharvaim, of Hena, and Ivvah? Have they delivered Samaria out of my hand?
35 Iza moa amin’ ny andriamanitra rehetra amin’ ny tany no efa nahavonjy ny taniny tamin’ ny tanako, koa aiza no hahavonjen’ i Jehovah an’ i Jerosalema amin’ ny tanako?
Who are they among all the gods of the countries, that have delivered their country out of my hand, that the LORD should deliver Jerusalem out of my hand?'"
36 Nefa nangina ny olona, ka tsy nisy namaly azy na dia teny indraim-bava akory aza, satria ny mpanjaka efa nandidy hoe: Aza misy mamaly azy.
But the people held their peace, and answered him not a word; for the king's commandment was, "Do not answer him."
37 Ary Eliakima, zanak’ i Hilkia izay lehiben’ ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak’ i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia niditra nankao amin’ i Hezekia, sady voatriatra ny fitafiany, ary nilaza taminy ny tenin-dRabsake izy.
Then Eliakim the son of Hilkiah, who was over the household, came with Shebna the scribe, and Joah the son of Asaph the recorder, to Hezekiah with their clothes torn, and told him the words of Rabshakeh.

< 2 Mpanjaka 18 >