< 2 Mpanjaka 17 >

1 Tamin’ ny taona faharoa ambin’ ny folo nanjakan’ i Ahaza, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Hosea, zanak’ i Elaha, tamin’ ny Isiraely tao Samaria; ary nanjaka Sivy taona izy.
猶大王亞哈斯十二年,以拉的兒子何細亞在撒馬利亞登基作以色列王九年。
2 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, nefa tsy dia tahaka ny nataon’ ny mpanjakan’ ny Isiraely teo alohany.
他行耶和華眼中看為惡的事,只是不像在他以前的以色列諸王。
3 Niakatra hanafika azy Salmanesera, mpanjakan’ i Asyria, ka dia tonga mpanompony nandoa hetra ho azy Hosea.
亞述王撒縵以色上來攻擊何細亞,何細亞就服事他,給他進貢。
4 Ary ny mpanjakan’ i Asyria nahita fa niodina Hosea; fa efa naniraka olona tany amin’ i So, mpanjakan’ i Egypta, izy sady tsy nanatitra hetra ho an’ ny mpanjakan’ i Asyria intsony tahaka ny fanaony isan-taona; koa dia nanidy azy ny mpanjakan’ i Asyria sy namatotra azy tao an-trano-maizina.
何細亞背叛,差人去見埃及王梭,不照往年所行的與亞述王進貢。亞述王知道了,就把他鎖禁,囚在監裏。
5 Dia niakatra ny mpanjakan’ i Asyria ka nanenika ny tany; ary niakatra tany Samaria izy ka nanao fahirano azy telo taona.
亞述王上來攻擊以色列遍地,上到撒馬利亞,圍困三年。
6 Ary tamin’ ny taona fahasivy nanjakan’ i Hosea no nahafahan’ ny mpanjakan’ i Asyria an’ i Samaria, dia nentiny ho babo tany Asyria ny Isiraely ka namponeniny tao Hala sy teo amoron’ i Habora (dia ny onin’ i Gozana izany) ary teny amin’ ny tanànan’ ny Mediana.
何細亞第九年亞述王攻取了撒馬利亞,將以色列人擄到亞述,把他們安置在哈臘與歌散的哈博河邊,並米底亞人的城邑。
7 Ary ny nahatongavan’ izany dia noho ny nanotan’ ny Zanak’ Isiraely tamin’ i Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta ho afaka tamin’ ny tànan’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, fa natahotra izay andriamani-kafa izy
這是因以色列人得罪那領他們出埃及地、脫離埃及王法老手的耶和華-他們的上帝,去敬畏別神,
8 ka nandeha araka ny fanaon’ ny jentilisa izay noroahin’ i Jehovah tsy ho eo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely sy araka ny didy izay nataon’ ny mpanjakan’ ny Isiraely.
隨從耶和華在他們面前所趕出外邦人的風俗和以色列諸王所立的條規。
9 Ary ny Zanak’ Isiraely dia nanao teny tsy marina ho enti-manakona an’ i Jehovah Andriamaniny ka nanao fitoerana avo teny amin’ ny tanànany rehetra, dia hatramin’ ny tilikambon’ ny mpiambina ka hatramin’ ny tanàna mimànda.
以色列人暗中行不正的事,違背耶和華-他們的上帝,在他們所有的城邑,從瞭望樓直到堅固城,建築邱壇;
10 Ary nanangana tsangam-bato-tsampy sy Aseraha ho azy teny amin’ ny tendrombohitra avo rehetra sy teny ambanin’ ny hazo maitso rehetra izy;
在各高岡上、各青翠樹下立柱像和木偶;
11 ary nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ ny fitoerana avo rehetra izy, tahaka ny nataon’ ny jentilisa izay noroahin’ i Jehovah tsy ho eo anoloany, sady nanao zavatra ratsy ka nampahatezitra an’ i Jehovah.
在邱壇上燒香,效法耶和華在他們面前趕出的外邦人所行的,又行惡事惹動耶和華的怒氣;
12 Fa nanompo sampy, izay nandraran’ i Jehovah azy hoe: Aza manao izany zavatra izany ianareo.
且事奉偶像,就是耶和華警戒他們不可行的。
13 Nefa ny mpaminany rehetra sy ny mpahita rehetra dia nasain’ i Jehovah nananatra ny Isiraely sy ny Joda hoe: Mialà amin’ ny lalanareo ratsy, ary tandremo ny lalàko sy ny didiko, araka ny lalàna rehetra izay nandidiako ny razanareo sy izay nanirahako ny mpaminany mpanompoko ho aminareo.
但耶和華藉眾先知、先見勸戒以色列人和猶大人說:「當離開你們的惡行,謹守我的誡命律例,遵行我吩咐你們列祖,並藉我僕人眾先知所傳給你們的律法。」
14 Kanefa tsy nihaino izy, fa nanamafy ny hatony, tahaka ny razany, izay tsy nino an’ i Jehovah Andriamaniny.
他們卻不聽從,竟硬着頸項,效法他們列祖,不信服耶和華-他們的上帝,
15 Ary nolaviny ny didiny sy ny fanekeny izay nataony tamin’ ny razany mbamin’ ny teni-vavolombelony izay nananarany azy; ary nandeha nanaraka ny zava-poana izy, ka dia tonga zava-poana koa ary nanaraka ny jentilisa manodidina azy, izay efa nandraran’ i Jehovah azy mba tsy halainy tahaka.
厭棄他的律例和他與他們列祖所立的約,並勸戒他們的話,隨從虛無的神,自己成為虛妄,效法周圍的外邦人,就是耶和華囑咐他們不可效法的;
16 Ary nahafoy ny didin’ i Jehovah Andriamaniny rehetra izy ka nanao sarin-javatra an-idina ho an’ ny tenany, dia ombilahy kely roa, ary nanao Aseraha koa izy sady niankohoka teo anatrehan’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra ary nanompo an’ i Bala.
離棄耶和華-他們上帝的一切誡命,為自己鑄了兩個牛犢的像,立了亞舍拉,敬拜天上的萬象,事奉巴力,
17 Ary nampandeha ny zananilahy sy ny zananivavy hamaky ny afo izy, sady nanao fankatovana sy sikidy ary nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah ka nampahatezitra Azy.
又使他們的兒女經火,用占卜,行法術賣了自己,行耶和華眼中看為惡的事,惹動他的怒氣。
18 Koa dia tezitra indrindra tamin’ ny Isiraely Jehovah, dia nesoriny tsy ho eo imasony izy, ka tsy nisy sisa afa-tsy ny firenen’ i Joda ihany.
所以耶和華向以色列人大大發怒,從自己面前趕出他們,只剩下猶大一個支派。
19 Ary ny Joda koa aza tsy mba nitandrina ny didin’ i Jehovah Andriamaniny, fa nandeha araka izay rehetra nataon’ ny Isiraely koa.
猶大人也不遵守耶和華-他們上帝的誡命,隨從以色列人所立的條規。
20 Dia narian’ i Jehovah ny taranak’ Isiraely rehetra ka nampahoriny sy natolony ho eo an-tànan’ ny mpamabo azy mandra-panaisony azy tsy ho eo imasony.
耶和華就厭棄以色列全族,使他們受苦,把他們交在搶奪他們的人手中,以致趕出他們離開自己面前,
21 Fa nendahany niala tamin’ ny taranak’ i Davida ny Isiraely; ary ny olona nampanjaka an’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata; ary Jeroboama dia nampiala ny Isiraely tsy hanaraka an’ i Jehovah ka nampanota azy indrindra.
將以色列國從大衛家奪回;他們就立尼八的兒子耶羅波安作王。耶羅波安引誘以色列人不隨從耶和華,陷在大罪裏。
22 Ary ny Zanak’ Isiraely nandeha tamin’ ny fahotana rehetra nataon’ i Jeroboama, fa tsy niala tamin’ izany izy
以色列人犯耶羅波安所犯的一切罪,總不離開,
23 Mandra-panaisotr’ i Jehovah ny Isiraely tsy ho eo anatrehany, araka izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony rehetra. Ka dia lasan-ko babo niala tamin’ ny taniny ho any Asyria ny Isiraely ka mbola any mandraka androany.
以致耶和華從自己面前趕出他們,正如藉他僕人眾先知所說的。這樣,以色列人從本地被擄到亞述,直到今日。
24 Ary ny mpanjakan’ i Asyria nitondra olona avy tany Babylona sy Kota sy Ava sy Hamata sy Sefarvaima ka namponina azy teny amin’ ny tanànan’ i Samaria nisolo ny Zanak’ Isiraely; dia nahazo an’ i Samaria ireny ka nitoetra teny amin’ ny tanànany.
亞述王從巴比倫、古他、亞瓦、哈馬,和西法瓦音遷移人來,安置在撒馬利亞的城邑,代替以色列人;他們就得了撒馬利亞,住在其中。
25 Ary raha vao nonina tao ireny, dia tsy natahotra an’ i Jehovah; ary Jehovah kosa nampandeha ny liona hamely azy, ka nahafatesan’ ireny izy.
他們才住那裏的時候,不敬畏耶和華,所以耶和華叫獅子進入他們中間,咬死了些人。
26 Dia hoy ny olona tamin’ ny mpanjakan’ i Asyria: Ny firenena izay nafindranao sy namponeninao eny amin’ ny tanànan’ i Samaria tsy mahalala izay tokony hatao amin’ ny Andriamanitry ny tany any, ka dia nampandeha ny liona hamely azy Izy; ary, indro, nahafatesan’ ireny izy noho ny tsi-fahalalany ny fanaon’ ny Andriamanitry ny tany.
有人告訴亞述王說:「你所遷移安置在撒馬利亞各城的那些民,不知道那地之神的規矩,所以那神叫獅子進入他們中間,咬死他們。」
27 Ary ny mpanjakan’ i Asyria nandidy hoe: Iraho ho any ny anankiray amin’ ny mpisorona izay nentinareo ho babo avy tany, ary aoka handeha izy ka hitoetra any, dia aoka hampianatra azy izay tokony hatao amin’ ny Andriamanitry ny tany any izy.
亞述王就吩咐說:「叫所擄來的祭司回去一個,使他住在那裏,將那地之神的規矩指教那些民。」
28 Dia tonga ny mpisorona anankiray avy tamin’ izay efa nentiny ho babo avy tany Samaria ka nonina tao Betela, dia nampianatra azy izay fahatahorana an’ i Jehovah.
於是有一個從撒馬利亞擄去的祭司回來,住在伯特利,指教他們怎樣敬畏耶和華。
29 Kanefa ny isam-pirenena mbola samy nanao ny andriamaniny avy ka nametraka azy tao amin’ ny trano eny amin’ ny fitoerana avo, izay nataon’ ny mponina tao Samaria, eny, ny isam-pirenena dia samy nanao tao amin’ ny tanàna nitoerany avy.
然而,各族之人在所住的城裏各為自己製造神像,安置在撒馬利亞人所造有邱壇的殿中。
30 Koa ny olona avy any Babylona dia nanao an’ i Sokota-benota; ary ny olona avy any Kota nanao an’ i Nergala; ary ny olona avy any Hamata nanao an’ i Asima;
巴比倫人造疏割‧比訥像;古他人造匿甲像;哈馬人造亞示瑪像;
31 ary ny Avita nanao an’ i Nibaza sy Tartaka; ary ny Sefarvita nandoro ny zanany tamin’ ny afo ho an’ i Adrameleka Anameleka, andriamanitr’ i Sefarvaima.
亞瓦人造匿哈和他珥他像;西法瓦音人用火焚燒兒女,獻給西法瓦音的神亞得米勒和亞拿米勒。
32 Dia natahotra an’ i Jehovah ny olona, ary izay avy tamin’ ny ankabiazam-bahoaka no notendreny ho mpisorona amin’ ny fitoerana avo, ary ireny no nanatitra fanatitra tao amin’ ny trano eny amin’ ny fitoerana avo nisolo ny vahoaka.
他們懼怕耶和華,也從他們中間立邱壇的祭司,為他們在有邱壇的殿中獻祭。
33 Jehovah dia natahorany ihany, kanefa mbola nanompo ny andriamaniny avy koa izy araka ny fanaon’ ny firenena izay efa nangalana azy avy.
他們又懼怕耶和華,又事奉自己的神,從何邦遷移,就隨何邦的風俗。
34 Mandraka androany dia mbola manao araka ny fanaony teo ihany izy: tsy dia matahotra an’ i Jehovah, ary tsy dia manao araka ny fomban-drazany, na araka ny lalàna sy ny didy izay nandidian’ i Jehovah ny taranak’ i Jakoba, izay nataony hoe Isiraely
他們直到如今仍照先前的風俗去行,不專心敬畏耶和華,不全守自己的規矩、典章,也不遵守耶和華吩咐雅各後裔的律法、誡命。(雅各,就是從前耶和華起名叫以色列的。)
35 Sady nanaovany fanekena sy nodidiany hoe: Aza matahotra izay andriamani-kafa, na miankohoka eo anatrehany, na manompo azy, na namono zavatra hatao fanaritra ho azy;
耶和華曾與他們立約,囑咐他們說:「不可敬畏別神,不可跪拜事奉他,也不可向他獻祭。
36 Fa Jehovah, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta tamin’ ny hery lehibe sy ny sandry nahinjitra, dia aoka Izy ihany no hatahoranareo, ary ho eo anatrehany no hiankohofanareo, ary ho Azy no hamonoanareo zavatra hatao fanatitra;
但那用大能和伸出來的膀臂領你們出埃及地的耶和華,你們當敬畏,跪拜,向他獻祭。
37 Ary ny didy sy ny fitsipika sy ny lalàna ary ny teny izay nosoratany ho anareo no aoka hotandremanareo hatao mandrakariva; ary aza matahotra izay andriamani-kafa;
他給你們寫的律例、典章、律法、誡命,你們應當永遠謹守遵行,不可敬畏別神。
38 Ary ny fanekena izay nataoko taminareo dia aza hadinoinareo; ary aza matahotra izay andriamani-kafa ianareo;
我-耶和華與你們所立的約你們不可忘記,也不可敬畏別神。
39 Fa Jehovah Andriamanitrareo no aoka hatahoranareo; dia Izy no hamonjy anareo amin’ ny tanan’ ny fahavalonareo rehetra.
但要敬畏耶和華-你們的上帝,他必救你們脫離一切仇敵的手。」
40 Nefa tsy nety nihaino izy, fa nanao tahaka ny fanaony taloha ihany.
他們卻不聽從,仍照先前的風俗去行。
41 Ka dia natahotra an’ i Jehovah ihany ireo firenena ireo, kanefa nanompo ny sarin-javatra voasokitra izy hatramin’ ny zanany sy ny zafiny koa aza; tahaka ny fanaon’ ny razany ihany no nataon’ ireny mandraka androany.
如此這些民又懼怕耶和華,又事奉他們的偶像。他們子子孫孫也都照樣行,效法他們的祖宗,直到今日。

< 2 Mpanjaka 17 >