< 2 Mpanjaka 16 >
1 Tamin’ ny taona fahafito ambin’ ny folo nanjakan’ i Peka, zanak’ i Remalia, no vao nanjakan’ i Ahaza, zanak’ i Jotama, mpanjakan’ ny Joda.
A shekara ta goma sha bakwai ta mulkin Feka ɗan Remaliya, Ahaz ɗan Yotam sarkin Yahuda ya fara mulki.
2 Roa-polo taona Ahaza, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary tsy nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah Andriamaniny tahaka ny nataon’ i Davida rainy izy;
Ahaz ya zama sarki yana da shekara ashirin, ya kuma yi mulki shekara goma sha shida a Urushalima ba kamar Dawuda mahaifinsa ba. Ahaz bai yi abin da yake daidai a gaban Ubangiji Allahnsa ba.
3 fa nandeha tamin’ ny lalan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy; eny, ny zananilahy aza dia nampamakiny ny afo, araka ny fahavetavetan’ ny jentilisa izay noroahin’ i Jehovah tsy ho eo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely.
Ya yi tafiya a hanyoyin sarakunan Isra’ila har ya miƙa ɗansa hadaya a wuta, yana bin hanyoyin banƙyama na al’ummai da Ubangiji ya kora a gaban Isra’ilawa.
4 Ary namono zavatra hatao fanatitra izy sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ ny fitoerana avo sy teny amin’ ny havoana ary teny ambanin’ ny hazo maitso rehetra.
Ya miƙa hadaya, ya kuma ƙona turare a masujadan tudu, da kan tuddai, da kuma a ƙarƙashin kowane babban itace.
5 Ary tamin’ izany dia niakatra hanafika an’ i Jerosalema Rezina, mpanjakan’ i Syria, sy Peka, zanak’ i Remalia, mpanjakan’ ny Isiraely; ary nanao fahirano an’ i Ahaza izy, nefa tsy naharesy azy.
Sai Rezin sarkin Aram, da Feka ɗan Remaliya sarkin Isra’ila suka haura don su kai wa Urushalima hari, suka kuma kewaye Ahaz, amma ba su iya shan ƙarfinsa ba.
6 Tamin’ izany andro izany Rezina, mpanjakan’ i Syria, dia nahalasa an’ i Elota ho isan’ ny fanjakan’ i Syria ka nandroaka ny Jiosy hiala tao; ary ny Syriana nankany Elota ka monina ao mandraka androany.
A wannan lokaci, Rezin sarkin Aram ya sāke ƙwato Elat wa Aram ta wurin korar Yahuda. Sa’an nan mutanen Edom suka mamaye Elat suna kuwa zaune a can har yau.
7 Ary Ahaza naniraka olona ho any amin’ i Tiglato-pilesera, mpanjakan’ i Asyria, hanao hoe: Mpanomponao sy zanakao aho; miakara, ka vonjeo aho tsy ho azon’ ny mpanjakan’ i Syria sy ny mpanjakan’ ny Isiraely, izay efa mitsangana hiady amiko.
Ahaz ya aika a faɗa wa Tiglat-Fileser sarkin Assuriya cewa, “Ni abokin tarayyarka ne kuma mai dogara da kai. Ka haura ka cece ni daga hannun sarkin Aram da hannun sarkin Isra’ila waɗanda suke kawo mini hari.”
8 Ary nalain’ i Ahaza ny volafotsy sy ny volamena izay hita tao an-tranon’ i Jehovah sy tao amin’ ny rakitry ny tranon’ ny mpanjaka, dia nampanateriny ho fanomezana ho an’ ny mpanjakan’ i Asyria.
Ahaz ya ɗauki azurfa da zinariyar da suke a haikalin Ubangiji da suke kuma a ma’ajin fada ya aika wa sarkin Assuriya kyauta.
9 Dia nanaiky ny teniny ny mpanjakan’ i Asyria ka niakatra hamely an’ i Damaskosy ary nahafaka azy; dia nentiny ho any Kira ny olona nobaboiny, fa Rezina kosa novonoiny.
Sai sarkin Assuriya ya ji roƙonsa. Ya tashi ya fāɗa wa Damaskus da hari ya kuma kame ta. Ya kwashi mazaunanta zuwa Kir, ya kuma kashe Rezin.
10 Ary nandeha Ahaza mpanjaka hitsena an’ i Tiglato-pilesera, mpanjakan’ i Asyria, any Damaskosy; ary nony nahita ny alitara tao Damaskosy izy, dia nampitondra ny mariky ny alitara sy ny sariny araka ny fombany rehetra ho any amin’ i Oria mpisorona.
Sa’an nan sarki Ahaz ya tafi Damaskus don yă sadu da Tiglat-Fileser sarkin Assuriya. Da ya kai can sai ya ga wani bagade a Damaskus, sai ya aika wa Uriya firist, da siffar bagaden, da fasalinsa, da cikakken bayanin bagaden.
11 Ary Oria mpisorona dia nanao alitara: araka ny marika rehetra nampitondrain’ i Ahaza mpanjaka avy tany Damaskosy no nanaovan’ i Oria mpisorona azy mandra-pihavin’ i Ahaza mpanjaka avy tany Damaskosy.
Saboda haka Uriya firist ya gina bagaden bisa ga tsarin da Sarki Ahaz ya aika masa daga Damaskus, ya kuma gama shi kafin Sarki Ahaz yă dawo.
12 Ary nony tonga avy tany Damaskosy ny mpanjaka, dia nandeha nizaha azy izy ary nanatona ka nanatitra fanatitra teo amboniny.
Da sarki ya dawo daga Damaskus ya ga bagaden, sai ya tafi kusa da shi ya kuma miƙa hadaya a bisansa.
13 Ary nandoro ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hohaniny teo izy ary nanidina ny fanatitra aidiny sady nanopy ny ran’ ny fanati-pihavanany tamin’ ny alitara.
Ya miƙa hadayarsa ta ƙonawa da ta hatsi, ya zuba hadayarsa ta sha, ya kuma yayyafa jinin hadayunsa ta zumunci a bisa bagaden.
14 Ary ny alitara varahina kosa, izay teo anatrehan’ i Jehovah, dia nafindrany hiala eo anoloan’ ny trano dia eo anelanelan’ ny alitara vaovao sy ny tranon’ i Jehovah ka nataony teo avaratry ny alitarany.
Sai ya cire bagaden tagulla wanda aka keɓe ga Ubangiji, ya sa shi a gaban haikalin wato, tsakanin ƙofar shiga haikalin Ubangiji da sabon bagaden. Ya ajiye shi a gefen arewa na sabon bagaden.
15 Ary Ahaza mpanjaka nandidy an’ i Oria mpisorona hoe: Eo ambonin’ ny alitara lehibe no andoroy ny fanatitra dorana maraina sy ny fanatitra hohanina hariva sy ny fanatitra dorana mbamin’ ny fanatitra hohanina izay ho an’ ny mpanjaka, ary ny fanatitra dorana mbamin’ ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina izay ho an’ ny vahoaka rehetra ary ny rà rehetra avy amin’ ny fanatitra dorana sy ny fanatitra alatsa-drà hafa dia hatopinao aminy; ary ny amin’ ny alitara varahina dia mbola hataoko fanontanian-javatra
Sarkin Ahaz ya umarci Uriya cewa, “A kan babban sabon bagade, ka miƙa hadayar ƙonawa ta safe, da hadayar hatsi ta yamma, da hadayar sarki ta ƙonawa da hadayarsa ta hatsi, da hadaya ta dukan jama’ar ƙasar, tare da hadayan hatsinsu da kuma ta sha. Ka yayyafa jinin hadayun ƙonawa a kan bagade. Amma zan yi amfani da bagaden tagulla don neman bishewa.”
16 Ary Oria mpisorona dia nanao araka izay rehetra nandidian’ i Ahaza mpanjaka.
Uriya firist kuwa ya yi duk abin da Sarki Ahaz ya umarta.
17 Ary nesorin’ i Ahaza mpanjaka ny kibon ny fitoeran-tavin-drano; ary nesoriny ny tavin-drano, ary ilay tavin-drano lehibe dia nampidininy niala tamin’ ireo omby varahina: izay teo ambaniny ka nataony teo ambony lampivato.
Sarkin Ahaz ya kawar da katakon ya kuma ɗauke tasoshin daga mazauninsu da ake iya matsarwa. Ya ɗauke ƙaton kwano mai suna Teku daga kan bijiman tagullar da ya tallafe su ya ajiye a kan mazaunin dutse.
18 Ary ny Fialofana tamin’ ny Sabata, izay natao teo akaikin’ ny trano, sy ny fidirana ivelany izay an’ ny mpanjaka, dia nafindrany ho ao an-tranon’ i Jehovah noho ny tahony ny mpanjakan’ i Asyria.
Ya kawar da rumfa Asabbacin da aka gina a haikalin, ya kuma kawar da mashigin sarki na waje da haikalin Ubangiji, duk dai don yă gamshi sarkin Assuriya.
19 Ary ny tantaran’ i Ahaza sisa, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?
Game da sauran ayyukan mulkin Ahaz, abubuwan da ya yi, duk a rubuce suke a cikin littafin tarihin sarakunan Yahuda.
20 Ary Ahaza lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-Tanànan’ i Davida izy; ary Hezekia zanany nanjaka nandimby azy.
Ahaz ya huta tare da kakanninsa, aka kuma binne shi da su a Birnin Dawuda. Hezekiya ɗansa kuma ya gāje shi.