< 2 Mpanjaka 15 >
1 Tamin’ ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan’ i Jeroboama, mpanjakan’ ny Isiraely, no vao nanjakan’ i Azaria, zanak’ i Amazia, mpanjakan’ ny Joda.
Mugore ramakumi maviri namanomwe raJerobhoamu mambo weIsraeri, Azaria mwanakomana waAmazia mambo weJudha akatanga kutonga.
2 Enina ambin’ ny folo taona izy, fony vao nanjaka, ary roa amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jekolia, avy any Jerosalema.
Akanga ava namakore gumi namatanhatu paakava mambo, uye akatonga muJerusarema kwamakore makumi mashanu namaviri. Zita ramai vake rainzi Jekoria; vaibva muJerusarema.
3 Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon’ i Amazia rainy;
Akaita zvakarurama pamberi paJehovha, sezvakanga zvaitwa nababa vake Amazia.
4 kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ ny fitoerana avo ihany ny olona.
Kunyange zvakadaro, matunhu akakwirira haana kubviswa; vanhu vakaramba vachibayira zvibayiro nokupisa zvinonhuhwira ikoko.
5 Ary Jehovah namely ny mpanjaka, ka dia boka mandra-pahafatiny izy ka nitoetra tao an-trano nitokana. Ary Jotama, zanakalahin’ ny mpanjaka, no nanapaka tao an-dapa sy nitsara ny vahoaka.
Jehovha akarova mambo namaperembudzi kusvikira pazuva raakafa, uye aigara mumba yake oga. Jotamu mwanakomana wamambo ndiye akanga ari mutariri womuzinda uye aitonga vanhu venyika iyoyo.
6 Ary ny tantaran’ i Azaria sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?
Zvino zvimwe zvakaitika pakutonga kwaAzaria, nezvose zvaakaita, hazvina kunyorwa here mubhuku renhoroondo dzamadzimambo eJudha.
7 Ary Azaria dia lasa nodimandry any amin’ ny razany, ka nalevina tao amin’ ny razany tao an-tanànan’ i Davida izy; ary Jotama zanany no nanjaka nandimby azy.
Azaria akazorora namadzibaba ake akavigwa pedyo navo muGuta raDhavhidhi. Uye Jotamu mwanakomana wake akamutevera paumambo.
8 Tamin’ ny taona fahavalo amby telo-polo nanjakan’ i Azaria, mpanjakan’ ny Joda, no nanjakan’ i Zakaria, zanak’ i Jeroboama, tamin’ ny Isiraely, ary nanjaka enim-bolana tao Samaria izy.
Mugore ramakumi matatu namasere raAzaria mambo weJudha, Zekaria mwanakomana waJerobhoamu akava mambo weIsraeri muSamaria, uye akatonga kwemwedzi mitanhatu.
9 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah tahaka ny nataon’ ny razany izy, fa tsy niala tamin’ ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, Izay nampanotany ny Isiraely.
Akaita zvakaipa pamberi paJehovha, sezvakaitwa nababa vake. Haana kutendeuka kubva pazvivi zvaJerobhoamu mwanakomana waNebhati zvakaita kuti Israeri iite.
10 Ary Saloma, zanak’ i Jabesy, nikomy taminy, dia namely azy teo anatrehan’ ny olona ka nahafaty azy ary nanjaka nandimby azy.
Sharumi mwanakomana waJabheshi akamukira Zekaria. Akamurwisa pamberi pavanhu, akamuuraya uye akamutevera paumambo.
11 Ary ny tantaran’ i Zakaria sisa, indro fa efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izany.
Zvino zvimwe zvakaitika zvokutonga kwaZekaria zvakanyorwa mubhuku renhoroondo dzamadzimambo eIsraeri.
12 Izany no ilay tenin’ i Jehovah nolazainy tamin’ i Jeho hoe: Ny taranakao hatramin’ ny zafindohalika dia hipetraka amin’ ny seza fiandrianan’ ny Isiraely. Ka dia tanteraka izany.
Saka shoko raJehovha rakataurwa kuna Jehu richiti, “Vana vako vachagara pachigaro choushe chaIsraeri kusvikira kurudzi rwechina,” rakazadziswa.
13 Ary Saloma, zanak’ i Jabesy, dia vao nanjaka tamin’ ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan’ i Ozia, mpanjakan’ ny Joda; ary nanjaka andro iray volana tany Samaria izy.
Sharumi mwanakomana waJabheshi akava mambo mugore ramakumi matatu namapfumbamwe raUzia mambo weJudha, uye akatonga muSamaria kwomwedzi mumwe chete.
14 Fa Menahema, zanak’ i Gady, niakatra avy tany Tirza ka nankany Samaria, dia namely an’ i Saloma, zanak’ i Jabesy, tany Samaria ka nahafaty azy ary nanjaka nandimby azy.
Ipapo Menahemi mwanakomana waGadhi akaenda kuSamaria achibva kuTiriza. Akarwisa Sharumi mwanakomana waJabheshi muSamaria, akamuuraya iye akamutevera paumambo.
15 Ary ny tantaran’ i Saloma sisa mbamin’ ny nikomiany, indro fa efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izany.
Zvino zvimwe zvakaitika pakutonga kwaSharumi, nokumukira kwaakatungamirira, zvakanyorwa mubhuku renhoroondo dzamadzimambo eIsraeri.
16 Tamin’ izany Menahema dia niala tany Tirza ka namely an’ i Tifsa mbamin’ izay rehetra tao hatramin’ ny sisin-taniny; fa tsy namoha vavahady azy Tifsa, ka dia nasiany, ary izay bevohoka rehetra tao notatahany.
Panguva iyoyo Menahemi, akarwisa Tifisa navose vaiva muguta nenzvimbo dzaiva pedyo, achitanga kubva paTiriza, nokuti vakanga varamba kuzarura masuo avo. Akaparadza Tifisa uye akatumbura vakadzi vaiva nemimba.
17 Tamin’ ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan’ i Azaria, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Menahema, zanak’ i Gady, tamin’ ny Isiraely, ary nanjaka folo taona tao Samaria izy.
Mugore ramakumi matatu namapfumbamwe raAzaria mambo weJudha, Menahemi mwanakomana waGadhi akava mambo weIsraeri, uye akatonga muSamaria kwamakore gumi.
18 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, fa tamin’ ny androny rehetra dia tsy niala tamin’ ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely.
Akaita zvakaipa pamberi paJehovha. Mumazuva ake ose okutonga haana kutendeuka kubva pazvivi zvaJerobhoamu mwanakomana waNebhati, zvaakaita kuti Israeri iite.
19 Ary Pola, mpanjakan’ i Asyria, dia avy hananika ny tany; ary Menahema nanome an’ i Pola talenta volafotsy arivo mba hampitoetra ny fanjakana eo an-tànan’ i Menahema.
Ipapo Puri mambo weAsiria akarwisa nyika, uye Menahemi akamupa chiuru chamatarenda esirivha, kuti awane rutsigiro agosimbisa umambo hwake.
20 Ary nampandoavin’ i Menahema io vola io ny mpanankarena rehetra tamin’ ny Isiraely, dia sekely volafotsy dimam-polo avy isan-olona, homeny ny mpanjakan’ i Asyria. Ka dia niverina ny mpanjakan’ i Asyria, fa tsy nitoetra tao amin’ ny tany.
Menahemi akatora mari iyi somutero kubva kuIsraeri. Murume wose aiva mupfumi aibvisa makumi mashanu amashekeri esirivha kuti apiwe kuna mambo weAsiria. Saka mambo weAsiria akadzokera uye akasagarazve munyika.
21 Ary ny tantaran’ i Menahema sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
Zvino zvimwe zvakaitika pakutonga kwaMenahemi, nezvose zvaakaita, hazvina kunyorwa here mubhuku renhoroondo dzamadzimambo eIsraeri?
22 Ary Menahema lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, ary Pekahia zanany no nanjaka nandimby azy.
Menahemi akazorora namadzibaba ake. Uye Pekahia mwanakomana wake akamutevera paumambo.
23 Tamin’ ny taona fahadimam-polo nanjakan’ i Azaria, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Pekahia, zanak’ i Menahema, tamin’ ny Isiraely tao Samaria, ary nanjaka roa taona izy.
Mugore ramakumi mashanu raAhazia mambo weJudha, Pekahia mwanakomana waMenahemi akava mambo weIsraeri muSamaria, akatonga kwamakore maviri.
24 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, fa tsy niala tamin’ ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely.
Pekahia akaita zvakaipa pamberi paJehovha. Haana kutendeuka kubva pazvivi zvaJerobhoamu mwanakomana waNebhati, zvaakaita kuti Israeri iite.
25 Ary Peka, zanak’ i Remalia, lefiny, dia nikomy taminy ka namely an’ i Pekahia mbamin’ i Argoba sy Aria teo Samaria, tao amin’ ny trano-avo amin’ ny lapa, ary teo amin’ Peka nisy olona dimam-polo lahy tamin’ ny taranak’ i Gileada; koa namono azy izy, dia nanjaka nandimby azy.
Mumwe wamakurukota ake, ainzi Peka mwanakomana waRemaria, akamumukira. Akatora varume makumi mashanu veGireadhi, akauraya Pekahia pamwe chete naArigobhi naArie, munhare yomuzinda wamambo weSamaria. Saka Peka akauraya Pekahia uye akamutevera paumambo.
26 Ary ny tantaran’ i Pekahia sisa mbamin’ izay rehetra nataony, indro fa efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izany.
Zvimwe zvakaitika pakutonga kwaPekahia, nezvose zvaakaita zvakanyorwa mubhuku renhoroondo dzamadzimambo eIsraeri.
27 Tamin’ ny taona faharoa amby dimam-polo nanjakan’ i Azaria, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Peka, zanak’ i Remalia, tamin’ ny Isiraely tao Samaria, ary nanjaka roa-polo taona izy.
Mugore ramakumi mashanu namaviri raAzaria mambo weJudha, Peka, mwanakomana waRemaria, akava mambo weIsraeri muSamaria, uye akatonga kwamakore makumi maviri.
28 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, fa tsy niala tamin’ ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely.
Akaita zvakaipa pamberi paJehovha. Haana kutendeuka kubva pazvivi zvaJerobhoamu mwanakomana waNebhati zvaakaita kuti Israeri iite.
29 Tamin’ ny andron’ i Peka, mpanjakan’ ny Isiraely, dia tonga Tiglato-pilesera, mpanjakan’ i Asyria, ka nahafaka an’ Iona sy Abela-beti-maka sy Janoa sy Kadesy sy Hazora sy Gileada ary Galilia, dia ny tanin’ ny Naftaly rehetra, ary nitondra ny olona ho babo tany Asyria izy.
Munguva yaPeka mambo weIsraeri, Tigirati-Pireseri mambo weAsiria akauya akatora Ijoni, Abheri Bheti Maaka, Janoa, Kedheshi neHazori. Akatora Gireadhi neGarirea pamwe chete nenyika dzose dzeNafutari uye akatakura vanhu akaenda navo kuAsiria senhapwa.
30 Ary Hosea, zanak’ i Elaha, nikomy tamin’ i Peta, Zanak’ i Remalia, dia namely azy ho faty ka nanjaka nandimby azy tamin’ ny taona faharoa-polo nanjakan’ i Jotama, zanak’ i Ozia.
Ipapo Hoshea mwanakomana waEra akamukira Peka, mwanakomana waRemario. Akamurwisa akamuuraya ndokubva amutorera umambo mugore ramakumi maviri raJotamu mwanakomana waUzia.
31 Ary ny tantaran’ i Peka sisa mbamin’ izay rehetra nataony, indro fa efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izany.
Zvimwe zvakaitika pakutonga kwaPeka, nezvaakaita iye, hazvina kunyorwa here mubhuku renhoroondo dzamadzimambo eIsraeri?
32 Tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Peka, zanak’ i Remalia, mpanjakan’ ny Isiraely, no vao nanjakan’ i Jotama, zanak’ i Ozia, mpanjakan’ ny Joda.
Mugore rechipiri raPeka mwanakomana waRemaria mambo weIsraeri, Jotamu mwanakomana waUzia mambo weJudha akatanga kutonga.
33 Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary enina ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jerosa, zanakavavin’ i Zadoka.
Akanga ava namakore makumi maviri namashanu paakava mambo, uye akatonga muJerusarema kwamakore gumi namatanhatu. Zita ramai vake rainzi Jerusha, mwanasikana waZadhoki.
34 Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy; tahaka izay rehetra nataon’ i Ozia rainy no nataony.
Akaita zvakarurama pamberi paJehovha, sezvakanga zvaitwa nababa vake Uzia.
35 Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ ny fitoerana avo ihany ny olona. Izy no nanao ny vavahady ambony amin’ ny tranon’ i Jehovah.
Kunyange zvakadaro, matunhu akakwirira haana kubviswa, vanhu vakaramba vachibayira zvibayiro uye vachipisa zvinonhuhwira ikoko. Jotamu akavakazve Suo Rokumusoro retemberi yaJehovha.
36 Ary ny tantaran’ i Jotama sisa mbamin’ Izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?
Zvino zvimwe zvakaitika pakutonga kwaJotamu, nezvaakaita, hazvina kunyorwa here mubhuku renhoroondo dzamadzimambo eJudha?
37 Tamin’ izany andro Izany no vao nampandehanan’ i Jehovah an’ i Rezina, mpanjakan’ i Syria, sy Peka, zanak’ i Remalia, hanafika an’ i Joda.
(Mumazuva iwayo Jehovha akatanga kutuma Rezini mambo weAramu naPeka mwanakomana waRemaria kundorwisa Judha.)
38 Ary Jotama lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-Tanànan’ i Davida rainy izy; ary Ahaza zanany no nanjaka nandimby azy.
Jotamu akazorora namadzibaba ake uye akavigwa pamwe chete navo muGuta raDhavhidhi, guta rababa vake. Ahazia mwanakomana wake akamutevera paumambo.