< 2 Mpanjaka 14 >

1 Tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Joasy, zanak’ i Joahaza, mpanjakan’ ny Isiraely, no vao nanjakan’ i Amazia, zanak’ i Joasy, mpanjakan’ ny Joda.
Katika mwaka wa pili wa utawala wa Yehoashi mwana wa Yehoahazi mfalme wa Israeli, Amazia mwana wa Yoashi mfalme wa Yuda alianza kutawala.
2 Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Joadana, avy any Jerosalema.
Alikuwa na umri wa miaka ishirini na mitano alipoanza kutawala, naye akatawala huko Yerusalemu kwa miaka ishirini na tisa. Mama yake aliitwa Yehoadani, kutoka Yerusalemu.
3 Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy, nefa tsy dia tahaka an’ i Davida rainy; fa tahaka izay rehetra nataon’ i Joasy rainy ihany no nataony.
Akatenda yaliyo mema machoni pa Bwana, lakini sio kama Daudi baba yake alivyokuwa amefanya. Katika kila kitu alifuata mfano wa Yoashi baba yake.
4 Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ ny fitoerana avo ihany ny olona.
Hata hivyo mahali pa juu pa kuabudia hapakuondolewa. Watu waliendelea kutoa kafara na kufukiza uvumba huko.
5 Ary nony tafapetraka tsara teo an-tànany ny fanjakany, dia novonoiny ireo mpanompony izay namono ny mpanjaka rainy.
Baada ya ufalme kuimarika mikononi mwake, aliwaua maafisa waliomuua mfalme baba yake.
6 Fa ny zanak’ ireo namono kosa dia tsy mba novonoiny, fa nataony araka izay voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny lalàn’ i Mosesy, izay nandidian’ i Jehovah hoe: Ny ray tsy hatao maty amin’ ny ataon’ ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin’ ny ataon’ ny rainy; fa samy hatao maty amin’ ny fahotany avy ny olona.
Hata hivyo, hakuwaua wana wa wale wauaji, sawasawa na ilivyoandikwa katika Kitabu cha Sheria ya Mose ambako Bwana aliamuru, “Baba hawatauawa kwa ajili ya watoto wao, wala watoto kwa ajili ya baba zao. Kila mmoja atakufa kwa ajili ya dhambi zake mwenyewe.”
7 Izy no nahafaty ny Edomita iray alina tao amin’ ny Lohasahan-tsira sady nahafaka an’ i Sela tamin’ ny ady ary nanao azy hoe Joktela, izay mbola anarany mandraka androany.
Ndiye aliwashinda Waedomu elfu kumi katika Bonde la Chumvi, na akauteka Sela katika vita, naye akauita Yoktheeli, jina ambalo mji huo unalo hadi leo.
8 Tamin’ izany Amazia dia naniraka olona tany amin’ i Joasy, zanak’ i Joahaza, zanak’ i Jeho, mpanjakan’ ny Isiraely, nanao hoe: Avia, aoka isika hihaona.
Kisha Amazia akatuma wajumbe kwa Yehoashi mwana wa Yehoahazi, mwana wa Yehu, mfalme wa Israeli, akisema, “Njoo, tuonane uso kwa uso.”
9 Fa Joasy mpanjakan’ ny Isiraely, naniraka tany amin’ i Amazia, mpanjakan’ ny Joda, nanao hoe: Ny tsilo izay tany Libanona naniraka tamin’ ny hazo sedera izay tany Libanona nanao hoe: Omeo ny zanako-lahy ny zanakao-vavy ho vadiny; ary dia namaky teo ny bibi-dia tany Libanona ka nanosihosy ny tsilo.
Lakini Yehoashi mfalme wa Israeli akamjibu Amazia mfalme wa Yuda: “Mbaruti uliokuwa Lebanoni ulituma ujumbe kwa mwerezi uliokuwa Lebanoni, ‘Mtoe binti yako aolewe na mwanangu.’ Kisha mnyama wa mwituni aliyekuwa Lebanoni akaja na kuukanyaga ule mbaruti.
10 Efa namely an’ i Edoma tokoa ianao, ka dia nirehareha ny fonao; aoka hahafa-po anao ary izany voninahitra izany, ka mitoera ao an-tranonao ihany; fa nahoana no hihaika ny loza hahalavo ny tenanao mbamin’ ny Joda koa ianao?
Hakika umeishinda Edomu, na sasa unajivuna. Jisifu katika ushindi wako, lakini kaa nyumbani kwako! Kwa nini unachokoza na kujiletea anguko lako mwenyewe na la Yuda pia?”
11 Fa tsy nanaiky Amazia. Koa dia niakatra Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely; ary izy sy Amazia, mpanjakan’ ny Joda, nihaona tany Beti-semesy izay any Joda.
Hata hivyo, Amazia hakusikia, hivyo Yehoashi mfalme wa Israeli akashambulia. Yeye na Amazia mfalme wa Yuda wakakutana uso kwa uso huko Beth-Shemeshi katika Yuda.
12 Dia resy teo anoloan’ ny Isiraely ny Joda, ka samy nandositra ho any amin’ ny lainy avy izy.
Yuda ikashindwa na Israeli, na kila mtu akakimbilia nyumbani kwake.
13 Ary Amazia, mpanjakan’ ny Joda, zanak’ i Joasy, zanak’ i Ahazia, nosamborin’ i Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely tany Beti-semesy; ary dia nankany Jerosalema Joasy, ka nandravany efa-jato hakiho ny màndany hatramin’ ny vavahadin’ i Efraima ka hatramin’ ny vavahady an-jorony.
Yehoashi mfalme wa Israeli akamteka Amazia mfalme wa Yuda, mwana wa Yoashi, mwana wa Ahazia, huko Beth-Shemeshi. Kisha Yehoashi akaenda Yerusalemu na kuubomoa ukuta wa Yerusalemu kuanzia Lango la Efraimu hadi Lango la Pembeni, sehemu yenye urefu wa kama dhiraa 400.
14 Ary nalainy avokoa ny volamena sy ny volafotsy rehetra ary ny fanaka rehetra izay hita tao an-tranon’ i Jehovah sy tamin’ ny rakitry ny tranon’ ny mpanjaka mbamin’ ny olona natao antoka, ka dia niverina ho any Samaria izy.
Akachukua dhahabu yote na fedha na vyombo vyote vilivyopatikana ndani ya Hekalu la Bwana na katika hazina zote za jumba la mfalme. Akachukua pia mateka na akarudi Samaria.
15 Ary ny tantaran’ i Joasy sisa mbamin’ ny heriny sy ny niadiany tamin’ i Amazia, mpanjakan’ ny Joda, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
Matukio mengine ya utawala wa Yehoashi, aliyoyafanya na mafanikio yake, pamoja na vita vyake dhidi ya Amazia mfalme wa Yuda, je, hayakuandikwa katika kitabu cha kumbukumbu za wafalme wa Israeli?
16 Ary Joasy lasa nodimandry any amin’ ny razany, dia nalevina tany Samaria tao amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy; ary Jeroboama zanany no nanjaka nandimby azy.
Yehoashi akalala pamoja na baba zake, akazikwa Samaria pamoja na wafalme wa Israeli, naye Yeroboamu mwanawe akawa mfalme baada yake.
17 Ary ny andro niainan’ i Amazia, zanak’ i Joasy, mpanjakan’ ny Joda, taorian’ ny nahafatesan’ i Joasy, zanak’ i Joahada, mpanjakan’ ny Isiraely, dia dimy ambin’ ny folo taona.
Amazia mwana wa Yoashi mfalme wa Yuda aliishi miaka kumi na mitano baada ya kifo cha Yehoashi mwana wa Yehoahazi mfalme wa Israeli.
18 Ary ny tantaran’ i Amazia sisa, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?
Matukio mengine ya utawala wa Amazia, je, hayakuandikwa katika kitabu cha kumbukumbu za wafalme wa Yuda?
19 Ary ny olona niodina taminy tany Jerosalema, dia nandositra nankany Lakisy izy; fa ny olona nampanaraka namono azy tany.
Wakafanya shauri baya dhidi ya Amazia huko Yerusalemu, naye akakimbilia Lakishi, lakini wakawatuma watu wamfuatilie huko Lakishi, nao wakamuulia huko.
20 Ary nasampiny tamin’ ny soavaly ny fatiny, dia nalevina tany Jerosalema tao amin’ ny razany tao an-Tanànan’ i Davida izy.
Akarudishwa kwa farasi na akazikwa huko Yerusalemu pamoja na baba zake katika Mji wa Daudi.
21 Ary ny vahoaka rehetra tamin’ ny Joda naka an’ i Azaria, izay vao enina ambin’ ny folo taona tamin’ izay, ka nampanjaka azy handimby an’ i Amazia rainy.
Kisha watu wote wa Yuda wakamchukua Azaria aliyekuwa na umri wa miaka kumi na sita, na kumfanya mfalme mahali pa baba yake Amazia.
22 Izy no hanamboatra an’ i Elota ka nampody azy ho an’ ny Joda, rehefa lasa nodi-mandry any amin’ ny razany ny mpanjaka.
Ndiye aliijenga tena Elathi na kuirudisha kwa Yuda baada ya Amazia kulala pamoja na baba zake.
23 Tamin’ ny taona fahadimy ambin’ ny folo nanjakan’ i Amazia, zanak’ i Joasy, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Jeroboama, zanak’ i Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely, tany Samaria, ary nanjaka iraika amby efa-polo taona izy.
Katika mwaka wa kumi na tano wa utawala wa Amazia mwana wa Yoashi mfalme wa Yuda, Yeroboamu mwana wa Yehoashi mfalme wa Israeli alianza kutawala huko Samaria, naye akatawala kwa miaka arobaini na mmoja.
24 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, fa tsy niala tamin’ ny fahotana rehetra izay nataon’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, sady nampanotany ny Isiraely.
Akafanya maovu machoni pa Bwana, na hakuacha dhambi hata moja ya Yeroboamu mwana wa Nebati, ambazo alikuwa amesababisha Israeli kuzitenda.
25 Izy no nampody ny sisin-tanin’ ny Isiraely ka azony hatrany akaikin’ i Hamata ka hatramin’ ny ranomasin’ ny tani-hay, araka ny tenin’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izay nampilazainy ny mpanompony, dia Jona, zanak’ i Amitahy, mpaminany tany Gata-hefera.
Ndiye alirudishia mipaka ya Israeli kuanzia Lebo-Hamathi hadi Bahari ya Araba, sawasawa na neno la Bwana, Mungu wa Israeli, lililosemwa kupitia mtumishi wake Yona mwana wa Amitai, nabii kutoka Gath-Heferi.
26 Fa efa hitan’ i Jehovah fa nangidy indrindra ny fahorian’ ny Isiraely; ary tsy nisy sisa, na ny voahazona na ny afaka, sady tsy nisy namonjy ny Isiraely akory.
Bwana alikuwa ameona jinsi kila mmoja katika Israeli, awe mtumwa au aliye huru, alivyoteseka kwa uchungu; hapakuwepo na yeyote wa kuwasaidia.
27 Fa tsy mba nolazain’ i Jehovah fa hovonoiny tsy ho eo ambanin’ ny lanitra ny anaran’ ny Isiraely; fa ny tànan’ i Jeroboama, zanak’ i Joasy, no nentiny namonjy azy.
Kwa kuwa Bwana alikuwa hajasema kuwa atafuta jina la Israeli chini ya mbingu, akawaokoa kwa mkono wa Yeroboamu mwana wa Yehoashi.
28 Ary ny tantaran’ i Jeroboama sisa mbamin’ izay nataony sy ny hery izay niadiany ary ny nampodiany an’ i Damaskosy sy Hamata, izay an’ ny Joda fahiny, ho an’ ny Isiraely, tsy efa voasoratra ao amin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
Kwa matukio mengine ya utawala wa Yeroboamu, yote aliyoyafanya na mafanikio yake ya kijeshi, ikiwa ni pamoja na jinsi alivyorudisha Dameski na Hamathi kwa Israeli, ambayo ilikuwa mali ya Yuda, je, hayakuandikwa katika kitabu cha kumbukumbu za wafalme wa Israeli?
29 Ary Jeroboama lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia tao amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely; ary Zakaria zanany no nanjaka nandimby azy.
Yeroboamu akalala pamoja na baba zake, wafalme wa Israeli. Naye Zekaria mwanawe akawa mfalme baada yake.

< 2 Mpanjaka 14 >