< 2 Mpanjaka 13 >

1 Tamin’ ny taona fahatelo amby roa-polo nanjakan’ i Joasy, zanak’ i Ahazia, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Joahaza, zanak’ i Jeho, tamin’ ny Isiraely tany Samaria, ary nanjaka fito ambin’ ny folo taona izy.
Katika mwaka wa ishirini na tatu wa utawala wa Yoashi mwana wa Ahazia mfalme wa Yuda, Yehoahazi mwana wa Yehu alianza kutawala Israeli katika Samaria, naye akatawala miaka kumi na saba.
2 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, fa nanaraka ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely; tsy niala tamin’ izany izy.
Akafanya maovu machoni pa Bwana kwa kufuata dhambi za Yeroboamu mwana wa Nebati, ambazo alikuwa amesababisha Israeli kuzitenda, na wala hakuziacha.
3 Ary ny fahatezeran’ i Jehovah nirehitra tamin’ ny Isiraely, ka dia natolony teo an-tanan’ i Hazaela, mpanjakan’ i Syria, sy teo an-tanan’ i Beni-hadada, zanak’ i Hazaela, mandrakariva izy.
Kwa hiyo hasira ya Bwana ikawaka dhidi ya Israeli na kwa muda mrefu akawaweka chini ya utawala wa Hazaeli mfalme wa Aramu, na Ben-Hadadi mwanawe.
4 Ary Joahaza nifona tamin’ i Jehovah, dia nohenoin’ i Jehovah izy, satria hitany ny fahorian’ ny Isiraely, fa nampahory azy ny mpanjakan’ i Syria.
Ndipo Yehoahazi akamsihi Bwana rehema, naye Bwana akamsikiliza, kwa maana aliona jinsi mfalme wa Aramu alivyokuwa akiwatesa Israeli vikali.
5 Ary Jehovah nanome mpamonjy ho amin’ ny Isiraely, ka dia afaka tamin’ ny tanan’ ny Syriana izy; ary nandry fahizay toy ny teo aloha ny Zanak’ Isiraely.
Bwana akamtoa mwokozi kwa ajili ya Israeli, nao wakaokoka kutoka kwenye mamlaka ya Aramu. Hivyo Waisraeli wakaishi katika nyumba zao wenyewe kama ilivyokuwa hapo awali.
6 Kanefa tsy niala tamin’ ny fahotan’ ny taranak’ i Jeroboama, izay nampanotany ny Isiraely, izy, fa nandeha tamin’ izany ihany, ary na dia ilay Aseraha aza dia mbola tao Samaria ihany.
Lakini hawakuziacha dhambi za nyumba ya Yeroboamu, ambazo alisababisha Israeli kuzitenda, bali wakaendelea kuzitenda. Nguzo ya Ashera pia iliendelea kusimama katika Samaria.
7 Fa tsy nisy sisa navelan’ i Jehovah ho an’ i Joahaza, afa-tsy mpitaingin-tsoavaly dimam-polo sy kalesy folo ary miaramila an-tongotra iray alina; fa ny mpanjakan’ i Syria efa nandringana azy ka nanao azy ho toy ny vovoka hitsakitsahina.
Hapakubaki kitu chochote katika jeshi la Yehoahazi isipokuwa wapanda farasi hamsini, magari kumi ya vita na askari wa miguu elfu kumi, kwa kuwa mfalme wa Aramu alikuwa amewaangamiza hao wengine na kuwafanya kama mavumbi wakati wa kupura nafaka.
8 Ary ny tantaran’ i Joahaza sisa mbamin’ izay rehetra nataony ary ny heriny, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
Matukio mengine ya utawala wa Yehoahazi yote aliyoyafanya na mafanikio yake, je, hayakuandikwa katika kitabu cha kumbukumbu za wafalme wa Israeli?
9 Ary Joahaza lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao Samaria izy; ary Joasy zanany no nanjaka nandimby azy.
Yehoahazi akalala pamoja na baba zake, akazikwa huko Samaria. Naye Yehoashi mwanawe akawa mfalme baada yake.
10 Tamin’ ny taona fahafito amby telo-polo nanjakan’ i Joasy, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Joasy, zanak’ i Joahaza, tamin’ ny Isiraely tany Samaria, ary nanjaka enina ambin’ ny folo taona izy.
Katika mwaka wa thelathini na saba wa utawala wa Yoashi mfalme wa Yuda, Yehoashi mwana wa Yehoahazi alianza kutawala Israeli huko Samaria, naye akatawala miaka kumi na sita.
11 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy; fa tsy niala tamin’ ny fahotana rehetra izay nataon’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, sady nampanotany ny Isiraely; fa nandeha tamin’ izany ihany izy.
Alifanya maovu machoni pa Bwana, na hakuacha dhambi yoyote kati ya zile za Yeroboamu mwana wa Nebati ambazo alikuwa amesababisha Israeli kuzitenda, bali aliendelea kuzitenda.
12 Ary ny tantaran’ i Joasy sisa mbamin’ izay rehetra nataony sy ny heriny niadiany tamin’ i Amazia, mpanjakan’ ny Joda, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
Na kwa matukio mengine ya utawala wa Yehoashi, yote aliyoyafanya na mafanikio yake, pamoja na vita yake dhidi ya Amazia mfalme wa Yuda, je, hayakuandikwa katika kitabu cha kumbukumbu za wafalme wa Israeli?
13 Ary Joasy lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, ary Jeroboama nipetraka tamin’ ny seza fiandrianany; ary Joasy dia nalevina tany Samaria tao amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely.
Yehoashi akalala pamoja na baba zake, akazikwa Samaria pamoja na wafalme wa Israeli. Yeroboamu akawa mfalme baada yake.
14 Ary Elisa dia nararin’ ny aretina izay hahafaty azy. Ary Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely, nidina nankany aminy ka niondrika nitomany teo ambonin’ ny tavan’ i Elisa ka nanao hoe: Ry ikaky ô, ry ikaky ô, ny kalesin’ ny Isiraely sy ny mpitaingin-tsoavaliny!
Wakati huu, Elisha alikuwa anaumwa na ugonjwa ambao baadaye ulimuua. Yehoashi mfalme wa Israeli akashuka kwenda kumwona na kumlilia. Akalia, “Baba yangu! Baba yangu! Magari ya vita ya Israeli na wapanda farasi wake!”
15 Ary hoy Elisa taminy: Makà tsipìka sy zana-tsipìka. Ary dia naka tsipìka sy zana-tsipìka izy.
Elisha akasema, “Leta upinde na baadhi ya mishale,” naye mfalme akafanya hivyo.
16 Ary hoy izy tamin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely: Henjano ny tsipìka. Dia nohenjaniny; ary Elisa nametraka ny tànany teo amin’ ny tanan’ ny mpanjaka.
Elisha akamwambia mfalme wa Israeli, “Shika upinde mikononi mwako.” Alipokwisha kuichukua, Elisha akaweka mikono yake juu ya mikono ya mfalme.
17 Ary hoy izy: Vohay ny varavarankely atsinanana. Ary dia novohany. Dia hoy Elisa: Alefao. Ka dia nalefany. Ary hoy izy: Zana-tsipìkan’ ny famonjen’ i Jehovah, dia zana-tsipìkan’ ny famonjena hahavoa ny Syriana! fa hamely ny Syriana ao Afeka ianao mandra-pandringanao azy.
Elisha akasema, “Fungua dirisha la mashariki,” naye akalifungua. Elisha akasema, “Piga mshale!” Naye akapiga mshale. Elisha akasema, “Mshale wa ushindi wa Bwana, mshale wa ushindi juu ya Aramu! Utawaangamiza Waaramu kabisa huko Afeki.”
18 Ary hoy koa izy: Raiso ny zana-tsipìka. Dia noraisiny. Ary hoy izy tamin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely: Kapohy ny tany. Ary nokapohiny intelo, dia nitsahatra izy.
Kisha akasema, “Chukua mishale,” naye mfalme akaichukua. Elisha akamwambia, “Piga ardhi kwa hiyo mishale.” Akaipiga mara tatu, halafu akaacha.
19 Ary ilay lehilahin’ Andriamanitra dia tezitra taminy ka nanao hoe: Tokony ho nikapoka indimy na inenina ianao, dia ho nasianao ny Syriana mandra-pandringanao azy; fa izao dia intelo ihany no hamelezanao ny Syriana.
Mtu wa Mungu akamkasirikia na akasema, “Ungepiga chini mara tano au sita, ndipo ungeishinda Aramu na kuiangamiza kabisa. Lakini sasa utaishinda mara tatu tu.”
20 Ary dia maty Elisa ka nalevina. Ary ny mpitoha adin’ ny Moabita nananika ny tany amin’ ny fitsingerenan’ ny taona.
Elisha akafa, nao wakamzika. Vikosi vya Wamoabu vilikuwa vinashambulia nchi kwa vita kila mwaka wakati wa vuli.
21 Ary nisy nandevina olona, dia, indro, nahita ireo mpitoha ady izy, ka dia natsipiny tao am-pasan’ i Elisa ny faty; ary raha vao nitehika tamin’ ny taolan’ i Elisa ny fatin-dralehilahy, dia velona izy ka nijoro tamin’ ny tongony.
Ikawa Waisraeli fulani walipokuwa wanamzika mtu, ghafula wakaona kikosi cha washambuliaji, basi wakaitupa ile maiti ya yule mtu ndani ya kaburi la Elisha. Wakati ile maiti ilipogusa mifupa ya Elisha, yule mtu akafufuka na kusimama kwa miguu yake.
22 Ary Hazaela, mpanjakan’ i Syria, nampahory ny Isiraely tamin’ ny andro rehetra nanjakan’ i Joahaza.
Hazaeli mfalme wa Aramu aliwatesa Israeli wakati wote wa utawala wa Yehoahazi.
23 Fa Jehovah namindra fo taminy sy niantra azy ary nitsinjo azy noho ny fanekeny tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka tsy ta-handringana azy na hanaisotra azy tsy ho eo anatrehany mandraka ankehitriny.
Lakini Bwana akawarehemu na akawahurumia, akaonyesha kujishughulisha nao kwa sababu ya Agano lake na Abrahamu, Isaki na Yakobo. Hadi leo, hajawaangamiza wala kuwafukuza mbele zake.
24 Ary maty Hazaela, mpanjakan’ i Syria; ary Beni-hadada zanany no nanjaka nandimby azy.
Hazaeli mfalme wa Shamu akafa, naye Ben-Hadadi mwanawe akawa mfalme baada yake.
25 Ary Joasy, zanak’ i Joahaza, naka indray teo an-tànan’ i Beni-hadada, zanak’ i Hazaela, ny tanàna izay efa nalain’ i Hazaela teo an-tànan’ i Joahaza, rain’ i Joasy, tamin’ ny ady. Intelo no nandresen’ i Joasy azy, ka dia azony indray ny tanànan’ ny Isiraely.
Kisha Yehoashi mwana wa Yehoahazi akateka tena kutoka kwa Ben-Hadadi mwana wa Hazaeli ile miji aliyokuwa ameitwaa kwa vita kutoka kwa baba yake Yehoahazi. Yehoashi alimshinda mara tatu, hivyo akaweza kuiteka tena ile miji ya Waisraeli.

< 2 Mpanjaka 13 >