< 2 Mpanjaka 10 >
1 Ary nisy zanak’ i Ahaba fito-polo lahy tany Samaria. Ary Jeho nanoratra taratasy ka nampitondra iny ho any Samaria any amin’ ny mpanapaka any Jezirela dia ho any amin’ ny loholona sy ny mpitaiza ny zanak’ i Ahaba nanao hoe:
Wakati huu katika Samaria walikuwepo wana sabini wa nyumba ya Ahabu. Kwa hiyo Yehu akaandika barua na kuzituma Samaria: kwa maafisa wa Yezreeli, kwa wazee, na kwa walezi wa watoto wa Ahabu. Akasema,
2 Ary raha tonga atỳ aminareo ity taratasy ity (fa ao aminareo ny zanakalahin’ ny tomponareo, ary ao aminareo ny kalesy sy ny soavaly sy ny tanàna mimanda ary ny fiadiana),
“Mara tu barua hii itakapokufikia, kwa kuwa wana wa bwana wako wapo pamoja nawe, nawe una magari ya vita na farasi, mji wenye ngome na silaha,
3 dia izahao izay tsara sy mendrika indrindra amin’ ny zanakalahin’ ny tomponareo, ary apetraho amin’ ny seza fiandrianan-drainy izy, ka miadia ary ho an’ ny mpianakavin’ ny tomponareo.
mchague mwenye uwezo zaidi kati ya wana wa bwana wako, na umweke juu ya kiti cha enzi cha baba yake. Kisha upigane kwa ajili ya nyumba ya bwana wako.”
4 Dia raikitahotra indrindra ireo ka nifampilaza hoe: Indro ny mpanjaka roa aza tsy nahajanona teo anatrehany, ka hataontsika ahoana no fahajanona?
Lakini wakaogopa sana na kusema, “Ikiwa wafalme wawili hawakuweza kupambana na Yehu, sisi tutawezaje?”
5 Ary ny lehiben’ ny tandapa sy ny mpanapaka ny tanana ary ny loholona koa sy ireo mpitaiza naniraka tany amin’ i Jeho nanao hoe: Mpanomponao izahay, koa izay rehetra andidianao anay dia hataonay; tsy hanangana andriana izahay, fa izay sitraky ny fonao ihany no ataovy.
Basi msimamizi wa jumba la mfalme, mtawala wa mji, na wazee na walezi wakatuma ujumbe huu kwa Yehu: “Sisi tu watumishi wako, na tutafanya kila kitu utakachosema. Hatutamteuwa mtu yeyote kuwa mfalme. Wewe fanya uonalo kuwa ni bora.”
6 Dia nanoratra taratasy taminy indray Jeho nanao hoe: Raha ahy ary ianareo ka hankatò ny teniko, dia tapaho ny lohan’ ireo zanakalahin’ ny tomponareo, ary mankanesa atỳ amiko atỳ Jezirela rahampitso toy izao. Ary izy fito-polo lahy zanaky ny mpanjaka dia tao amin’ ireo lehiben’ ny tanàna, mpitaiza azy.
Kisha Yehu akawaandikia barua ya pili, akisema, “Ikiwa ninyi mko upande wangu na mtanitii mimi, twaeni vichwa vya wana wa bwana wenu, na mnijie huku Yezreeli kesho wakati kama huu.” Wakati huo wana sabini wa mfalme walikuwa wakiishi pamoja na viongozi wa mji wa Samaria, waliokuwa wakiwalea.
7 Ary nony efa tonga tany amin’ ireo ny taratasy, dia naka ny zanakalahin’ ny mpanjaka izy ka namono azy fito-polo lahy, ary nataony tao an-tsobiky ny lohany ka nateriny tany amin’ i Jeho tany Jezirela.
Hiyo barua ilipowafikia, watu hawa wakawachukua wale wana sabini wa mfalme na kuwachinja wote. Wakaweka vichwa vyao ndani ya makapu na kumpelekea Yehu huko Yezreeli.
8 Ary tonga ny iraka ka nanambara taminy hoe: Indro, efa nitondra ny lohan’ ny zanakalahin’ ny mpanjaka izy. Ary hoy Jeho: Ampifanongoavy ho roa toko eo anoloan’ ny vavahady mandra-pahamarain’ ny andro.
Mjumbe alipofika, akamwambia Yehu, “Wameleta vichwa vya wana wa mfalme.” Ndipo Yehu akaagiza, “Viwekeni malundo mawili katika ingilio la lango la mji mpaka asubuhi.”
9 Ary nony maraina, dia nivoaka Jeho ary nitsangana ka nanao tamin’ ny vahoaka rehetra hoe: Marina ianareo, indro, izaho nikomy tamin’ ny tompoko ka nahafaty azy; fa iza kosa no nahafaty ireto rehetra ireto?
Asubuhi yake, Yehu akatoka nje. Akasimama mbele ya watu wote na akasema, “Hamna hatia. Ni mimi niliyefanya shauri baya dhidi ya bwana wangu na kumuua, lakini ni nani aliyewaua wote hawa?
10 Aoka ho fantatrareo ary fa tsy hisy raraka an-tany ny tenin’ i Jehovah izay nolazainy ny amin’ ny taranak’ i Ahaba; fa Jehovah efa nanao izay nampilazainy an’ i Elia mpanompony.
Fahamuni basi kwamba, hakuna neno ambalo Bwana amesema dhidi ya nyumba ya Ahabu ambalo halitatimia. Bwana amefanya lile aliloahidi kupitia mtumishi wake Eliya.”
11 Ka dia novonoin’ i Jeho izay sisa rehetra tamin’ ny taranak’ i Ahaba tao Jezirela sy ny olom-baventy rehetra tao aminy mbamin’ ny havany ary ny mpisorony koa, ambara-paha-tsy hisy miangana na dia iray akory aza.
Hivyo Yehu akaua kila mtu huko Yezreeli aliyekuwa amebaki wa nyumba ya Ahabu, ikiwa ni pamoja na wakuu wake, rafiki zake wa karibu, na makuhani wake. Hakuacha yeyote anusurike.
12 Dia niainga izy ka nankany Samaria. Ary nony mby tany an-trano fivorian’ ny mpiandry ondry tany an-dalana Jeho,
Kisha Yehu akaondoka kuelekea Samaria. Alipokuwa njiani karibu na nyumba ya kukatia manyoya ya kondoo, yaani, Beth-Ekedi ya wachunga kondoo,
13 dia nifanena amin’ ny rahalahin’ i Ahazia, mpanjakan’ ny Joda, izy ka nanao hoe: Iza ange ianareo? Ary izy ireo namaly hoe: Rahalahin’ i Ahazia izahay ary midìna mba hamangy ny zanakalahin’ ny mpanjaka sy ny zanakalahin’ ny andriambavy.
Yehu akakutana na watu wa jamaa ya Ahazia mfalme wa Yuda, akauliza, “Ninyi ni nani?” Wao wakasema, “Sisi ni jamaa ya Ahazia, nasi tumeshuka kuwasalimu jamaa ya mfalme na ya mama malkia.”
14 Ary hoy Jeho: Sambory velona ireo. Dia nosamboriny ka novonoiny teo akaikin’ ny lavaka famorian-drano tao an-trano fivoriana izy roa amby efa-polo lahy ireo, ary tsy nasiany miangana na dia iray akory aza.
Yehu akaagiza, “Wakamateni wakiwa hai!” Kwa hiyo wakawachukua wakiwa hai, watu arobaini na wawili, na kuwachinja kando ya kisima cha Beth-Ekedi. Hakuacha yeyote anusurike.
15 Ary rehefa niala teo Jeho, dia nahita an’ i Jonadaba, zanakalahin’ i Rekaba, avy manatona azy; dia niarahaba azy izy ary nanao taminy hoe: Marina va ny fonao tahaka ny foko amin’ ny fonao? Ary Jonadaba namaly hoe: Eny. Raha izany ary no izy, hoy Jeho, dia aoka isika hifandray tanana. Dia natolony ny tànany, ka nampiakarin’ i Jeho ho eo aminy teo anatin’ ny kalesy izy.
Baada ya kuondoka hapo, alimkuta Yehonadabu mwana wa Rekabu, aliyekuwa akienda kumlaki. Yehu akamsalimu na kusema, “Je, moyo wako ni mnyofu kwangu kama moyo wangu ulivyo kwako?” Yehonadabu akajibu, “Ndiyo.” Yehu akasema, “Kama ndivyo, nipe mkono wako.” Yeye akampa mkono, naye Yehu akampandisha kwenye gari lake la vita.
16 Ary hoy Jeho: Andeha hiaraka amiko, ka izahao ny zotom-poko ho an’ i Jehovah. Dia nentina teo amin’ ny kalesy izy.
Yehu akasema, “Twende pamoja ukaone wivu wangu kwa ajili ya Bwana.” Hivyo wakasafiri pamoja kwenye gari lake.
17 Ary rehefa tonga tany Samaria Jeho, dia namono izay sisa rehetra tamin’ ny tamingan’ i Ahaba tany Samaria mandra-paharingany, araka ny tenin’ i Jehovah izay nolazainy tamin’ i Elia.
Yehu alipofika Samaria, akawaua wale wote waliokuwa wamesalia wa jamaa ya Ahabu, akawaangamiza, sawasawa na neno la Bwana alilosema kupitia Eliya.
18 Ary Jeho namory ny vahoaka rehetra ka nanao taminy hoe: Ahaba nanompo an’ i Bala kelikely ihany, fa Jeho no hanompo azy fatratra.
Kisha Yehu akawaleta watu wote pamoja na kuwaambia, “Ahabu alimtumikia Baali kidogo. Lakini Yehu atamtumikia zaidi.
19 Koa ankehitriny vorio ho atỳ amiko ny mpaminanin’ i Bala rehetra, ny mpanompony rehetra sy ny mpisorony rehetra; aza avela hisy tsy ho tonga na dia iray akory aza; fa hamono zavatra betsaka ho fanatitra ho an’ i Bala aho; koa na iza na iza tsy ho tonga, dia tsy hovelomina izy. Kanjo Jeho nanao izany ho fihendrena handringanany ny mpanompon’ i Bala.
Sasa waiteni manabii wote wa Baali, watumishi wake wote na makuhani wake wote. Hakikisheni kwamba hakuna hata mmoja atakayekosekana, kwa sababu ninakwenda kutoa kafara kubwa sana kwa Baali. Yeyote atakayeshindwa kuja hataendelea kuishi.” Lakini Yehu alifanya hivyo kwa hila ili apate kuwaangamiza watumishi wote wa Baali.
20 Ary hoy Jeho: Manendre fivoriana masìna ho an’ i Bala. Koa dia nanendry andro izy.
Yehu akasema, “Itisheni kusanyiko kwa heshima ya Baali.” Basi wakatangaza jambo hilo.
21 Ary Jeho naniraka tany amin’ ny Isiraely rehetra, ary dia tonga ny mpanompon’ i Bala rehetra, ka tsy nisy lehilahy tsy tonga teo na dia iray akory aza. Ary dia niditra tao an-tranon’ i Bala ireo, ka feno hika ny trano.
Kisha Yehu akapeleka ujumbe katika Israeli yote, nao watumishi wote wa Baali wakaja, hakuna hata mmoja ambaye hakufika. Wakasongana ndani ya hekalu la Baali hadi likajaa tangu mlango hadi mwisho wake.
22 Dia hoy Jeho tamin’ ny mpitahiry ny fitafiana: Amoahy fitafiana ny mpanompon’ i Bala rehetra. Ary dia namoaka ny fitafiana ho azy izy.
Naye Yehu akamwambia yule aliyekuwa mtunza chumba cha mavazi, “Leta majoho kwa ajili ya watumishi wote wa Baali.” Basi akawaletea majoho.
23 Ary Jeho sy Jonadaba, zanak’ i Rekaba, nankao an-tranon’ i Bala ka niteny tamin’ ny mpanompon’ i Bala hoe: Fantaro tsara sy izahao, fandrao misy mpanompon’ i Jehovah eto aminareo, fa tsy ny mpanompon’ i Bala ihany.
Kisha Yehu na Yehonadabu mwana wa Rekabu wakaingia ndani ya hekalu la Baali. Yehu akawaambia watumishi wa Baali, “Tazameni kila mahali mhakikishe kwamba hakuna hata mtumishi mmoja wa Bwana aliye hapa pamoja nanyi, ila ni watumishi wa Baali tu.”
24 Ary nony niditra hanatitra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà izy, Jeho kosa dia nametraka valo-polo lahy teo ala-trano ka nanao hoe; Raha misy afa-mandositra ny olona izay nentiko ho eto an-tananareo, izay mamela azy handeha, dia ny ainy no hisolo ny ainy.
Kwa hiyo wakaingia ndani ili kutoa kafara na sadaka ya kuteketezwa. Wakati huu, Yehu alikuwa amewaweka watu wake themanini akiwa amewapa onyo kwamba, “Ikiwa mmoja wenu atamwachia mtu yeyote ninayemweka mikononi mwake atoroke, itakuwa uhai wako kwa uhai wake.”
25 Ary rehefa vita ny nanaterany ny fanatitra dorana, dia hoy Jeho tamin’ ny mpiambina sy ny mpanafika malaza: Midìra, ka vonoy, ary aza avela hisy ho tafavoaka. Dia namely azy tamin’ ny lelan-tsabatra izy; ary ny mpiambina sy ny mpanafika malaza dia nanary ny faty ary niditra tao amin’ ny tanàna nisy ny tranon’ i Bala.
Mara baada ya Yehu kutoa sadaka ya kuteketezwa, akawaamuru walinzi na maafisa: “Ingieni ndani, waueni; asitoroke hata mmoja.” Basi wakawakatakata kwa upanga. Walinzi na maafisa wakazitupa zile maiti nje, kisha wakaingia mahali pa ndani pa kuabudia miungu katika hekalu la Baali.
26 Ary namoaka ny orin-kazo izay tao an-tranon’ i Bala izy ka nandoro ireny.
Wakaileta ile nguzo ya kuabudiwa nje ya hekalu la Baali, na wakaichoma moto.
27 Ary nandrava ny tsangam-baton’ i Bala sy ny tranony izy, ary dia nataony trano fivoahana mandraka androany izany.
Wakabomoa ile nguzo ya kuabudiwa ya Baali pamoja na hekalu la Baali, nao watu wakapafanya kuwa choo hadi leo.
28 Toy izany no nandravan’ i Jeho an’ i Bala tsy ho amin’ ny Isiraely.
Kwa hiyo Yehu akaangamiza kuabudiwa kwa Baali katika Israeli.
29 Nefa Jeho tsy dia niala tamin’ ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely, dia tamin’ ireo ombilahy kely volamena izay tao Betela sy Dana.
Hata hivyo, Yehu hakuziacha dhambi za Yeroboamu mwana wa Nebati, ambazo alikuwa amesababisha Israeli kuzitenda, yaani kuabudu ndama za dhahabu huko Betheli ya Dani.
30 Ary hoy Jehovah tamin’ i Jeho: Satria efa nanao soa ianao tamin’ ny nanaovanao izay mahitsy eo imasoko sady efa nataonao tamin’ ny taranak’ i Ahaba araka izay rehetra tao am-poko, koa dia hitoetra amin’ ny seza fiandrianan’ ny Isiraely ny taranakao hatramin’ ny zafindohalika.
Bwana akamwambia Yehu, “Kwa kuwa umefanya vyema kwa kutimiza yaliyo sawa machoni pangu, na umetenda kwa nyumba ya Ahabu yale yote niliyokuwa nimekusudia kutenda, wazao wako wataketi juu ya kiti cha enzi cha Israeli hadi kizazi cha nne.”
31 Nefa Jeho tsy nitandrina handeha amin’ ny lalàn’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, amin’ ny fony rehetra; fa tsy niala tamin’ ny fahotan’ i Jeroboama izay nampanotany ny Isiraely izy.
Lakini Yehu hakuwa mwangalifu kushika sheria za Bwana, Mungu wa Israeli, kwa moyo wake wote. Hakuziacha dhambi za Yeroboamu, ambazo alikuwa amesababisha Israeli kuzitenda.
32 Tamin’ izany andro izany no niantombohan’ ny nanakelezan’ i Jehovah ny Isiraely; fa Hazaela namely azy tamin’ ny sisin-tanin’ ny Isiraely rehetra
Katika siku hizo, Bwana akaanza kupunguza ukubwa wa Israeli. Hazaeli akawashinda Waisraeli sehemu zote za nchi yao
33 hatrany Jordana no ho miantsinanana, dia ny tany Gileada rehetra, ny Gadita sy ny Robenita ary ny Manasita, hatrany Aroera, izay eo amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, dia Gileada sy Basana.
mashariki ya Yordani, katika nchi yote ya Gileadi (eneo la Gadi, Reubeni na Manase), kutoka Aroeri karibu na Bonde la Arnoni kupitia Gileadi hadi Bashani.
34 Ary ny tantaran’ i Jeho sisa mbamin’ izay rehetra nataony ary ny heriny rehetra, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
Kwa matukio mengine ya utawala wa Yehu, yote aliyofanya na mafanikio yake yote, je, hayakuandikwa katika kitabu cha kumbukumbu za wafalme wa Israeli?
35 Ary Jeho lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao Samaria izy. Ary Joahaza zanany no nanjaka nandimby azy.
Yehu akalala pamoja na baba zake, naye akazikwa huko Samaria. Naye Yehoahazi mwanawe akawa mfalme baada yake.
36 Ary ny andro izay nanjakan’ i Jeho tamin’ ny Isiraely tao Samaria dia valo amby roa-polo taona.
Muda Yehu aliotawala juu ya Israeli huko Samaria ilikuwa miaka ishirini na minane.