< 2 Mpanjaka 1 >

1 Ary Moaba niodina tamin’ ny Isiraely, rehefa maty Ahaba.
Atamwalira Ahabu, Mowabu anawukira Israeli.
2 Ary Ahazia nianjera avy teo amin’ ny makarakara teo amin’ ny efi-trano ambony tao Samaria ka narary; dia naniraka olona izy ka nanao taminy hoe: Mandehana, anontanio amin’ i Bala-zeboba, andriamanitr’ i Ekrona, na ho sitrana ihany aho amin’ ity aretiko ity, na tsia.
Ndipo Ahaziya anagwa kuchokera pa khonde la chipinda chake chammwamba ku Samariya, ndipo anavulala kwambiri. Choncho iye anatuma amithenga nawawuza kuti, “Pitani mukafunse kwa Baala-zebubu, mulungu wa ku Ekroni, ngati ndichire matendawa.”
3 Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah niteny tamin’ i Elia Tisbira hoe: Miaingà, miakara hihaona amin’ ny iraky ny mpanjakan’ i Samaria, ka manaova aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Moa ataonareo fa tsy misy Andriamanitra eo amin’ ny Isiraely va, no mandeha hanontany amin’ i Bala-zeboba, andriamanitr’ i Ekrona, ianareo?
Koma mngelo wa Yehova anawuza Eliya wa ku Tisibe kuti, “Nyamuka, pita ukakumane ndi amithenga a mfumu ya ku Samariya ndipo ukawafunse kuti, ‘Kodi popeza kulibe Mulungu ku Israeli, nʼchifukwa chake inu mukupita kukafunsa nzeru kwa Baala-zebubu, mulungu wa ku Ekroni?’
4 Koa noho izany dia tsy hidina hiala amin’ ny farafara izay niakaranao ianao, fa ho faty tokoa. Ary dia lasa Elia.
Tsono Yehova akuti, ‘Iweyo sudzadzuka pa bedi wagonapo. Udzafa ndithu!’” Ndipo Eliya ananyamuka.
5 Dia niverina tany amin’ ny mpanjaka ny iraka, ka hoy izy taminy: Nahoana re no niverina ianareo?
Amithenga aja atabwerera kwa mfumu, mfumuyo inawafunsa kuti, “Chifukwa chiyani mwabwerera?”
6 Ary hoy ireo taminy: Nisy lehilahy niakatra nitsena anay ka nanao taminay hoe: Mandehana miverina any amin’ ny mpanjaka izay naniraka anareo, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Moa ataonareo fa tsy misy Andriamanitra eo amin’ ny Isiraely va, no maniraka hanontany amin’ i Bala-zeboba, andriamanitr’ i Ekrona, ianareo? Koa noho izany dia tsy hidina hiala amin’ ny farafara izay niakaranao ianao, fa ho faty tokoa.
Iwo anayankha kuti, “Munthu wina anabwera kudzakumana nafe, ndipo anatiwuza kuti, bwererani kwa mfumu imene inakutumani ndipo mukayiwuze kuti, ‘Yehova akuti, kodi popeza kulibe Mulungu ku Israeli, nʼchifukwa chake mukupita kukafunsa nzeru kwa Baala-zebubu, mulungu wa ku Ekroni? Tsono sudzadzuka pa bedi wagonapo. Udzafa ndithu!’”
7 Ary hoy izy taminy: Lehilahy toy inona izay niakatra nitsena anareo izay ka nilaza izany teny izany taminareo?
Mfumu inafunsa amithengawo kuti, “Kodi munthu amene anabwera kudzakumana nanuyo ndi kukuwuzani zimenezi amaoneka bwanji?”
8 Ary ireo namaly azy hoe: Lehilahy mitafy volom-biby izy, sady nisy fehin-kibo hoditra tamin’ ny valahany. Dia hoy izy: Elia Tisbita izay.
Iwo anayankha kuti, “Munthuyo anavala zovala zaubweya ndi lamba wachikopa mʼchiwuno mwake.” Mfumu inati, “Munthu ameneyo ndi Eliya wa ku Tisibe.”
9 Ary ny mpanjaka naniraka mpifehy dimam-polo anankiray mbamin’ ny dimam-polo fehiny hankany aminy. Dia niakatra tany aminy izy; ka indro izy nipetraka teo an-tampon’ ny tendrombohitra; ary niteny taminy ralehilahy hoe: Ry lehilahin’ Andriamanitra ô, midìna ianao, antsoin’ ny mpanjaka.
Pamenepo mfumu inatuma mtsogoleri wa ankhondo ndi anthu ake makumi asanu kwa Eliya. Mtsogoleriyo anapita kwa Eliya, amene anali atakhala pamwamba pa phiri, ndipo anati, “Munthu wa Mulungu, mfumu ikuti, ‘Tsikani!’”
10 Fa Elia namaly ka nanao tamin’ ny mpifehy dimam-polo hoe: Raha lehilahin’ Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona anao sy ny dimam-polo fehinao. Ary dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona azy mbamin’ ny dimam-polo fehiny.
Eliya anayankha mtsogoleriyo kuti, “Ngati ndine munthu wa Mulungu, moto utsike kuchokera kumwamba, ukupsereze iwe pamodzi ndi anthu makumi asanu akowo!” Pomwepo moto unatsikadi kuchokera kumwamba ndipo unapsereza mtsogoleriyo pamodzi ndi anthu akewo.
11 Dia naniraka mpifehy dimam-polo anankiray mbamin’ ny dimam-polo fehiny hankany aminy koa ny mpanjaka. Dia niteny izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahin’ Andriamanitra ô, midìna faingana ianao, antsoin’ ny mpanjaka.
Zitachitika izi, mfumu inatumanso mtsogoleri wina pamodzi ndi asilikali ake makumi asanu. Mtsogoleriyo anati kwa Eliya, “Munthu wa Mulungu, zimene mfumu ikunena ndi izi, ‘Tsikani msangamsanga!’”
12 Fa namaly Elia ka nanao taminy hoe: Raha lehilahin’ Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo milatsaka avy any an-danitra ka handevona anao mbamin’ ny dimam-polo fehinao. Ary dia nisy afon’ Andriamanitra nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona azy mbamin’ ny dimam-polo fehiny.
Eliya anayankha kuti, “Ngati ndine munthu wa Mulungu, moto utsike kuchokera kumwamba, ukupsereze iwe pamodzi ndi anthu ako makumi asanuwo!” Pomwepo moto unatsikadi kuchokera kumwamba ndipo unapsereza mtsogoleriyo pamodzi ndi anthu akewo.
13 Ary dia naniraka mpifehy dimam-polo anankiray koa indray mbamin’ ny dimam-polo fehiny izy. Dia niakatra ilay mpifehy dimam-polo ka tonga, ary nandohalika teo anatrehan’ i Elia ka nifona taminy nanao hoe: Masìna ianao, ry lehilahin’ Andriamanitra ô, aoka ho zava-tsoa eo imasonao ny aiko sy ny ain’ ireto mpanomponao dimam-polo ireto.
Ndipo mfumu inatumanso mtsogoleri wachitatu pamodzi ndi asilikali ake makumi asanu. Mtsogoleri wachitatuyu anakwera pa phiripo ndi kugwada pamaso pa Eliya. Iye anayankhula mopemba kuti, “Munthu wa Mulungu, chonde musandiwononge ineyo pamodzi ndi atumiki makumi asanu anuwa!
14 Indro, efa nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona ireo roa lahy mpifehy dimam-polo ireo mbamin’ ny dimam-polo fehiny avy; fa aoka kosa ho zava-tsoa eo imasonao ny aiko ankehitriny.
Taonani, moto unatsika kuchokera kumwamba ndi kupsereza atsogoleri awiri pamodzi ndi anthu awo onse. Koma tsopano musawononge moyo wanga!”
15 Ary hoy Ilay Anjelin’ i Jehovah tamin’ i Elia: Midìna ihany hiaraka aminy ianao; fa aza matahotra azy. Ary dia niainga izy ka nidina niaraka taminy ho any amin’ ny mpanjaka.
Mngelo wa Yehova anati kwa Eliya, “Pita naye, usamuope.” Choncho Eliya ananyamuka natsika naye limodzi kupita kwa mfumu.
16 Ary hoy izy tamin’ ny mpanjaka: Izao no lazain’ i Jehovah: Satria naniraka olona hanontany amin’ i Bala-zeboba, andriamanitr’ i Ekrona, ianao, hoatra ny tsy misy Andriamanitra eo amin’ ny Isiraely, dia tsy hidina hiala amin’ ny farafara izay niakaranao ianao fa ho faty tokoa.
Eliya anawuza mfumu kuti, “Yehova akuti, ‘Chifukwa chiyani munatumiza amithenga kwa Baala-zebubu, mulungu wa ku Ekroni, kukafunsa ngati muti muchire? Kodi mu Israeli mulibe Mulungu woti nʼkukuyankhani funso lanu? Choncho, popeza mwachita izi, simudzadzuka pamene mwagonapo; mudzafa ndithu.’”
17 Ka dia maty izy araka ny tenin’ i Jehovah izay nolazain’ i Elia. Ary satria tsy nanan-janaka izy, dia Jorama no nanjaka nandimby azy tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Jehorama, zanak’ i Josafata, mpanjakan’ ny Joda.
Motero Ahaziya anafadi, monga mwa mawu a Yehova amene Eliya anayankhula. Tsono popeza Ahaziya analibe mwana, Yoramu analowa ufumu mʼmalo mwake mʼchaka chachiwiri cha Yehoramu mwana wa Yehosafati mfumu ya ku Yuda.
18 Ary ny asan’ i Ahazia sisa izay nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
Ntchito zina zonse zimene Ahaziya anachita, kodi sizinalembedwe mʼbuku la mbiri ya mafumu a ku Israeli?

< 2 Mpanjaka 1 >