< 2 Jaona 1 >

1 Izaho loholona mamangy an’ itompokovavy voafidy sy ny zanany, izay tiako amin’ ny fahamarinana (ary tsy izaho ihany, fa izay rehetra mahalala ny marina koa)
من که پیرم، به خاتون برگزیده و فرزندانش که ایشان را درراستی محبت می‌نمایم و نه من فقط بلکه همه کسانی که راستی را می‌دانند،۱
2 noho ny fahamarinana izay mitoetra ato anatintsika sady ho ato amintsika mandrakizay: (aiōn g165)
بخاطر آن راستی که در ما ساکن است و با ما تا به ابد خواهدبود. (aiōn g165)۲
3 ho amintsika ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy, Zanaky ny Ray, amin’ ny fahamarinana sy ny fitiavana.
فیض و رحمت و سلامتی از جانب خدای پدر و عیسی مسیح خداوند و پسر پدر در راستی و محبت با ما خواهد بود.۳
4 Faly indrindra aho, satria misy hitako ny zanakao sasany mandeha amin’ ny fahamarinana araka ny nandraisantsika didy tamin’ ny Ray.
بسیار مسرور شدم چونکه بعضی از فرزندان تو را یافتم که در راستی رفتار می‌کنند، چنانکه ازپدر حکم یافتیم.۴
5 Ary mangataka aminao aho ankehitriny, tompokovavy, tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao, fa ilay nananantsika hatramin’ ny voalohany ihany, dia aoka hifankatia isika.
و الان‌ای خاتون از تو التماس دارم نه آنکه حکمی تازه به تو بنویسم، بلکه همان را که از ابتداء داشتیم که یکدیگر را محبت بنماییم.۵
6 Ary izao no fitiavana, dia ny handehanantsika araka ny didiny. Izany no didy, tahaka ny efa renareo hatramin’ ny taloha ihany, dia ny handehananareo aminy.
و این است محبت که موافق احکام اوسلوک بنماییم و حکم همان است که از اول شنیدید تا در آن سلوک نماییم.۶
7 Fa maro ny mpamitaka efa lasa any amin’ izao tontolo izao, dia ireny tsy manaiky fa efa tonga tamin’ ny nofo Jesosy Kristy. Izy no mpamitaka sy antikristy.
زیرا گمراه کنندگان بسیار به‌دنیا بیرون شدندکه عیسی مسیح ظاهر شده در جسم را اقرارنمی کنند. آن است گمراه‌کننده و دجال.۷
8 Mitandrema ianareo, fandrao mahavery izay namonoanay tena, fa mba handraisanareo valim-pitia tanteraka.
خود رانگاه بدارید مبادا آنچه را که عمل کردیم برباددهید بلکه تا اجرت کامل بیابید.۸
9 Izay rehetra mitarika nefa tsy mitoetra ao amin’ ny fampianaran’ i Kristy, dia tsy manana an Andriamanitra. Izay mitoetra ao amin’ ny fampianarana, dia izy no manana ny Ray sy ny Zanaka.
هرکه پیشوایی می‌کند و در تعلیم مسیح ثابت نیست، خدا رانیافته است. اما آنکه در تعلیم مسیح ثابت ماند، اوهم پدر و پسر را دارد.۹
10 Raha misy olona mankeo aminareo ka tsy mitondra izao fampianarana izao, aza mampiantrano azy na miarahaba azy akory;
اگر کسی به نزد شما آیدو این تعلیم را نیاورد، او را به خانه خود مپذیرید واو را تحیت مگویید.۱۰
11 fa izay miarahaba azy dia miombona amin’ ny ratsy ataony.
زیرا هرکه او را تحیت گوید، در کارهای قبیحش شریک گردد.۱۱
12 Manana zavatra maro hosoratana aminareo aho, nefa tsy tiako hatao amin’ ny taratasy sy ny ranomainty izany; fa manantena ho tonga atỳ aminareo aho ka hiteny mifanatrika, mba ho tanteraka ny fifalianareo.
چیزهای بسیار دارم که به شما بنویسم، لکن نخواستم که به کاغذ و مرکب بنویسم، بلکه امیدوارم که به نزد شما بیایم و زبانی گفتگو نمایم تا خوشی ما کامل شود.۱۲
13 Ny zanaky ny rahavavinao voafidy manao veloma anao.
فرزندان خواهر برگزیده تو، به تو سلام می‌رسانند. آمین.۱۳

< 2 Jaona 1 >