< 2 Korintiana 8 >

1 Ary ampahafantarinay anareo, ry rahalahy, ny fahasoavan’ Andriamanitra izay nomena tao amin’ ny fiangonana any Makedonia;
γνωριζω δε υμιν αδελφοι την χαριν του θεου την δεδομενην εν ταις εκκλησιαις της μακεδονιας
2 fa tamin’ ny fahoriana be nizahan-toetra azy no nitomboan’ ny hafaliany, ary ny hamafin’ ny fahantrany no nampitombo ny hitsim-pony.
οτι εν πολλη δοκιμη θλιψεως η περισσεια της χαρας αυτων και η κατα βαθους πτωχεια αυτων επερισσευσεν εις τον πλουτον της απλοτητος αυτων
3 Koa vavolombelona aho fa araka ny zakany, eny, mihoatra noho ny zakany aza, sady araka ny sitrapony ihany, no nanomezany,
οτι κατα δυναμιν μαρτυρω και υπερ δυναμιν αυθαιρετοι
4 sady nangataka mafy taminay koa izy mba havelanay hikambana amin’ izany fanompoana ho an’ ny olona masìna izany;
μετα πολλης παρακλησεως δεομενοι ημων την χαριν και την κοινωνιαν της διακονιας της εις τους αγιους
5 ary tsy araka ny nantenainay, fa ny tenany no natolony ho an’ ny Tompo aloha, dia ho anay koa noho ny sitrapon’ Andriamanitra;
και ου καθως ηλπισαμεν αλλ εαυτους εδωκαν πρωτον τω κυριω και ημιν δια θεληματος θεου
6 ka dia nangataka an’ i Titosy izahay mba hahatanteraka izany fahasoavana izany eo aminareo koa, araka ny efa nanombohany azy teo aloha.
εις το παρακαλεσαι ημας τιτον ινα καθως προενηρξατο ουτως και επιτελεση εις υμας και την χαριν ταυτην
7 Fa araka ny itomboanareo amin’ ny zavatra rehetra, na amin’ ny finoana, na amin’ ny teny, na amin’ ny fahalalana, na amin’ ny fahazotoana rehetra, na amin’ ny fitiavanareo anay, dia aoka ho araka izany koa no hitomboanareo amin’ izao fahasoavana izao.
αλλ ωσπερ εν παντι περισσευετε πιστει και λογω και γνωσει και παση σπουδη και τη εξ υμων εν ημιν αγαπη ινα και εν ταυτη τη χαριτι περισσευητε
8 Tsy milaza izany ho didy aho, fa noho ny zotom-pon’ ny sasany, mba hizaha toetra ny hamarinan’ ny fitiavanareo koa.
ου κατ επιταγην λεγω αλλα δια της ετερων σπουδης και το της υμετερας αγαπης γνησιον δοκιμαζων
9 Fa fantatrareo ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanan-karena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo ny alahelony.
γινωσκετε γαρ την χαριν του κυριου ημων ιησου χριστου οτι δι υμας επτωχευσεν πλουσιος ων ινα υμεις τη εκεινου πτωχεια πλουτησητε
10 Ary dia ambarako izay hevitro ny amin’ izany, fa mahatsara anareo izany, satria tsy ny fanaovana ihany, fa ny fikasana koa aza dia efa natombokareo teo alohan’ ny sasany hatry ny taon-itsy.
και γνωμην εν τουτω διδωμι τουτο γαρ υμιν συμφερει οιτινες ου μονον το ποιησαι αλλα και το θελειν προενηρξασθε απο περυσι
11 Ataovy tanteraka ary izany, ka tahaka ny nahazotoanareo fony nikasa, dia aoka ho tahaka izany koa ny hahatanterahanareo azy araka izay ananareo.
νυνι δε και το ποιησαι επιτελεσατε οπως καθαπερ η προθυμια του θελειν ουτως και το επιτελεσαι εκ του εχειν
12 Fa raha misy ny fahazotoana, dia araka izay ananany no ankasitrahana, fa tsy araka izay tsy ananany.
ει γαρ η προθυμια προκειται καθο εαν εχη τις ευπροσδεκτος ου καθο ουκ εχει
13 Kanefa tsy ny hahatonga fitsaharana amin’ ny sasany ary fahoriana aminareo no anaovako izany,
ου γαρ ινα αλλοις ανεσις υμιν δε θλιψις αλλ εξ ισοτητος εν τω νυν καιρω το υμων περισσευμα εις το εκεινων υστερημα
14 fa ny mba hisy fitoviana, ka amin’ izao ankehitriny izao ny haben’ ny harenareo no hahafaka ny alahelon’ ireo, ary ny haben’ ny haren’ ireo kosa no hahafaka ny alahelonareo, mba hisy fitoviana,
ινα και το εκεινων περισσευμα γενηται εις το υμων υστερημα οπως γενηται ισοτης
15 araka ny voasoratra hoe: Ny nanangona be tsy nanana amby, ary ny nanangona kely tsy nanana ny tsy ampy.
καθως γεγραπται ο το πολυ ουκ επλεονασεν και ο το ολιγον ουκ ηλαττονησεν
16 Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome fahazotoana ho ao am-pon’ i Titosy ho anareo mitovy amin’ ny ahy.
χαρις δε τω θεω τω διδοντι την αυτην σπουδην υπερ υμων εν τη καρδια τιτου
17 Fa nanaiky ny fangatahanay ihany izy, nefa nazoto rahateo, ka sitrapony ihany no nandehanany nankany aminareo.
οτι την μεν παρακλησιν εδεξατο σπουδαιοτερος δε υπαρχων αυθαιρετος εξηλθεν προς υμας
18 Ary ilay rahalahy izay nalaza amin’ ny filazantsara any amin’ ny fiangonana rehetra no nirahinay hiaraka aminy;
συνεπεμψαμεν δε μετ αυτου τον αδελφον ου ο επαινος εν τω ευαγγελιω δια πασων των εκκλησιων
19 ary tsy izany ihany, fa efa notendren’ ny fiangonana koa izy ho namanay hiara-mandeha aminay hitondra izao fahasoavana izao, izay angoninay ho voninahitry ny Tompo sy ho vavolombelon’ ny fahazotoanay.
ου μονον δε αλλα και χειροτονηθεις υπο των εκκλησιων συνεκδημος ημων συν τη χαριτι ταυτη τη διακονουμενη υφ ημων προς την αυτου του κυριου δοξαν και προθυμιαν ημων
20 Ary mitandrina izahay mba tsy hisy hanome tsiny anay amin’ izao harena be angoninay izao;
στελλομενοι τουτο μη τις ημας μωμησηται εν τη αδροτητι ταυτη τη διακονουμενη υφ ημων
21 fa miomana hanao izay mahamendrika izahay, tsy eo imason’ ny Tompo ihany, fa eny imason’ ny olona koa.
προνοουμενοι καλα ου μονον ενωπιον κυριου αλλα και ενωπιον ανθρωπων
22 Ary nirahinay niaraka tamin’ ireo ilay rahalahinay izay efa hitanay mazoto matetika amin’ ny zavatra maro; fa ankehitriny mazoto kokoa izy noho ny haben’ ny fahatokiany anareo.
συνεπεμψαμεν δε αυτοις τον αδελφον ημων ον εδοκιμασαμεν εν πολλοις πολλακις σπουδαιον οντα νυνι δε πολυ σπουδαιοτερον πεποιθησει πολλη τη εις υμας
23 Raha ny amin’ i Titosy, dia namako izy sady mpiara-miasa amiko ho anareo; ary ireo rahalahinay, dia iraky ny fiangonana izy sady voninahitr’ i Kristy.
ειτε υπερ τιτου κοινωνος εμος και εις υμας συνεργος ειτε αδελφοι ημων αποστολοι εκκλησιων δοξα χριστου
24 Koa amin’ izany asehoy aminy eo imason’ ny fiangonana ny famantarana mahamarina ny fitiavanareo sy ny reharehanay ny aminareo.
την ουν ενδειξιν της αγαπης υμων και ημων καυχησεως υπερ υμων εις αυτους ενδειξασθε εις προσωπον των εκκλησιων

< 2 Korintiana 8 >