< 2 Korintiana 5 >
1 Fa fantatsika fa raha ravana ny trano-laintsika etỳ an-tany, dia manana izay voarafitr’ Andriamanitra isika, dia trano tsy nataon-tanana izay maharitra mandrakizay any an-danitra. (aiōnios )
2 Ary misento ao anatin’ ity isika ka maniry indrindra hitafy ny tranontsika izay avy any an-danitra koa;
3 fa ho hita mitafy isika, fa tsy mba mitanjaka.
4 Fa isika izao amin’ izao lay izao dia misento noho ny mavesatra antsika, satria tsy tiantsika ny hendahana, fa ny mba hotafiana koa, mba hatelin’ ny fiainana ny mety maty.
5 Ary Izay efa namboatra antsika ho amin’ izany indrindra dia Andriamanitra, Izay efa nanome antsika ny santatry ny Fanahy.
6 Koa matoky mandrakariva isika, ka fantatsika fa raha mitoetra eo amin’ ny tena, dia tsy mitoetra any amin’ ny Tompo
7 (fa finoana no andehanantsika, fa tsy fahitana);
8 eny, matoky isika, ka aleontsika ny tsy hitoetra ao amin’ ny tena, fa ny hitoetra any amin’ ny Tompo.
9 Koa dia ataontsika ho voninahitsika ny mba hankasitrahany antsika, na mitoetra, na tsy mitoetra.
10 Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy ho hita toetra miharihary eo amin’ ny fitsaran’ i Kristy, mba handraisan’ ny olona rehetra izay zavatra nataon’ ny tenany, dia araka izay nataony, na tsara na ratsy.
11 Koa amin’ izany, satria fantatsika ny fahatahorana ny Tompo, dia ny olona no ampanekenay, fa amin’ Andriamanitra, kosa dia efa voaseho rahateo izahay, ary manantena aho fa voaseho ao amin’ ny fieritreretanareo koa.
12 Tsy midera tena indray aminareo izahay, fa manome anareo izay ho reharehanareo ny aminay, mba hisy havalinareo izay mirehareha ny amin’ ny miseho ihany, fa tsy amin’ ny fo.
13 Fa raha very saina izahay, dia ho an’ Andriamanitra; fa raha tsy very saina izahay, dia ho anareo.
14 Fa ny fitiavan’ i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: maty ny Anankiray hamonjy ny olona rehetra, ka dia maty koa izy rehetra;
15 ary maty hamonjy ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an’ ny tenany intsony izay velona, fa ho an’ izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy.
16 Koa dia tsy mahalala olona intsony araka ny nofo isika; eny, na dia nahafantatra an’ i Kristy araka ny nofo aza isika, ankehitriny dia tsy fantatsika araka izany intsony Izy.
17 Koa raha misy olona ao amin’ i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo.
18 Fa izany rehetra izany dia avy amin’ Andriamanitra, Izay nampihavana antsika taminy amin’ ny alalan’ i Kristy sady nanome anay ny fanompoana fampihavanana,
19 dia izao: Andriamanitra ao amin’ i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany; ary efa napetrany aminay ny teny fampihavanana.
20 Koa dia iraka solon’ i Kristy izahay, toa an’ Andriamanitra mampangataka anay aminareo, solon’ i Kristy izahay ka mangataka indrindra aminareo hoe: mihavàna amin’ Andriamanitra anie ianareo.
21 Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan’ Andriamanitra ao aminy kosa isika.