< 2 Korintiana 3 >
1 Moa midera tena indray va izahay, sa toy ny sasany ka mila epistily filazan-tsoa anay ho aminareo, na avy aminareo?
Muna fara sake yabon kanmu ne? Ba mu bukatar wasikun shaida daga gare ku ko zuwa gare ku, kamar wadansu mutane, ko ba haka ba?
2 Hianareo no epistilinay voasoratra ato am-ponay sady fantatry sy vakin’ ny olona rehetra;
Ku da kanku kune wasikar shaidarmu, wadda aka rubuta a zukatanmu, wadda Kuma dukan mutane suka sani suke kuma karantawa.
3 eny, aseho ho epistilin’ i Kristy izay entinay ianareo, tsy nosoratana tamin’ ny ranomainty anefa, fa tamin’ ny Fanahin’ Andriamanitra velona, tsy teo amin’ izay tena vato fisaka, fa teo amin’ izay vato fisaka nofo, dia ny fo.
Kuma kun nuna ku wasika ne daga Almasihu, wadda muka isar. Ba da tawada aka rubuta ta ba amma da Ruhun Allah mai rai. Ba bisa allunan duwatsu aka rubuta ta ba, amma bisa allunan zukatan mutane.
4 Ary manana izany fahatokiana izany ny amin’ Andriamanitra izahay amin’ ny alalan’ i Kristy.
Gama wannan ne gabagadin da muke da shi cikin Allah ta wurin Almasihu.
5 Kanefa tsy mihambo hanana fahaleovana avy aminay hihevitra na amin’ inona na amin’ inona izahay; fa ny fahaleovanay dia avy amin’ Andriamanitra,
Ba mu da wata gwanintar kanmu da za mu yi takamar wani abu ya zo daga gare mu. Maimakon haka, gwanintar mu daga Allah take.
6 Izay efa nampahaleo anay koa ho mpanompo amin’ izay fanekena vaovao, nefa tsy amin’ ny soratra, fa amin’ ny Fanahy; fa ny soratra mahafaty, fa ny Fanahy no mahavelona.
Allah ne ya maishe mu kwararrun bayi na sabon alkawari. Wannan alkawari ne ba na rubutu ba amma na Ruhu. Gama rubutu kisa yake yi, amma Ruhu rai yake bayarwa.
7 Fa raha ny fanompoana nitondra fahafatesana aza, izay voasoratra teo amin’ ny vato, no nisy voninahitra, ka ny Zanak’ Isiraely tsy nahabanjina ny tavan’ i Mosesy noho ny voninahitry ny tavany izay nihalevona,
To hidimar da ta haifar da mutuwa- wadda aka rubuta bisa duwatsu- ta zo cikin irin wannan daukaka da har Israila ba su iya kallon fuskar Musa kai tsaye ba. Wannan kuwa saboda daukakar da ke fuskarsa ne, daukaka mai shudewa.
8 tsy mainka hisy voninahitra ny fanompoana omban’ ny Fanahy?
Ina misalin girman daukakar hidimar da Ruhu ke yi?
9 Fa raha nisy voninahitra ny fanompoana nitondra ny fanamelohana, mainka hanan-tombom-boninahitra ny fanompoana mitondra ny fahamarinana.
Gama idan hidimar kayarwa tana da daukaka, ina misalin yalwatar daukaka da hidimar adalchi za ta yi!
10 Ary izay nisy voninahitra aza dia tsy manana voninahitra kosa amin’ izao noho ny voninahitra izay manan-tombo.
Babu shakka, abin da aka maishe shi mai daukaka a da, ba ya da sauran daukaka a wannan fanni, saboda irin daukakar da ta zarce shi.
11 Fa raha ny nilevona aza nisy voninahitra, mainka fa ny mitoetra no misy voninahitra.
To idan har mai shudewar nan ya na da daukaka, ina misalin daukakar da abu na dindindin zai samu!
12 Koa amin’ izany, satria manana izany fanantenana izany izahay, dia sahy tokoa,
Dashike muna da wannan tabbaci, muna da gabagadi sosai.
13 ary tsy tahaka an’ i Mosesy, izay nanarona ny tavany tamin’ ny fisalobonana, mba tsy hibanjinan’ ny Zanak’ Isiraely ny faran’ izay nihalevona;
Ba kamar Musa muke ba wanda ya sa mayafi ya rufe fuskarsa, ta yadda mutanen Isra'ila basu iya kallon karshen daukaka mai shudewa ba kai tsaye.
14 fa efa donto ny sainy; fa ambaraka androany dia mbola tsy nesorina ihany izany fisalobonana izany, raha vakina ny tenin’ ny fanekena taloha, satria ao amin’ i Kristy ihany no anesorana izany.
Amma tunaninsu ya zama a rufe. Har yau kuwa mayafin na nan sa'adda ake karanta tsohon alkawari. Ba a bude shi ba, saboda a cikin Almasihu ne kadai ake kawar da shi.
15 Fa misy fisalobonana manarona ny fony ambaraka androany, raha vakina ny tenin’ i Mosesy.
Amma har yau, duk lokacin da ake karanta littafin Musa, akwai mayafi shimfide a zukatansu.
16 Kanefa raha miverina amin’ ny Tompo izy, dia hesorina ihany ny fisalobonana.
Amma sa'adda mutum ya juyo wurin Ubangiji, an kawar da mayafin.
17 Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran’ ny Fanahin’ ny Tompo no itoeran’ ny fahafahana.
To Ubangiji shine Ruhun. Inda Ruhun Ubangiji yake, akwai 'yanci.
18 Fa isika rehetra kosa amin’ ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin’ ny voninahitra ka ho amin’ ny voninahitra, toy ny avy amin’ ny Tompo, dia ny Fanahy.
Dukan mu yanzu, da fuskoki marasa mayafi, muna ganin daukakar Ubangiji. Muna samun sakewa zuwa cikin irin wannan daukaka, daga wannan mataki na daukaka zuwa wani matakin, kamar dai daga wurin Ubangiji, wanda shine Ruhun.