< 2 Korintiana 2 >
1 Fa ninia toy izao tato am-poko aho, dia ny tsy hankatỳ aminareo indray amin’ alahelo.
But I determined this with myself, that my next visit to you should not be in sorrow.
2 Fa raha mampalahelo anareo aho, iza moa no mampifaly ahy, afa-tsy ilay nampalaheloviko ihany?
For if I make you sorrowful, who is there to make me glad but he that is made sorrowful by me?
3 Ary nanoratra izany indrindra aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hahazo alahelo amin’ izay tokony hifaliako, satria matoky anareo rehetra aho, fa ny fifaliako dia anareo rehetra koa.
And I wrote about this very matter, that I might not on my coming have sorrow from those who ought to gladden me, having confidence in all of you, that my joy is the joy of you all.
4 Fa tamin’ ny haben’ ny fahoriana sy ny alahelon’ ny foko no nanoratako taminareo tamin’ ny ranomaso be, tsy ny hampalahelovana anareo, fa ny mba hahafantaranareo ny fitiavana izay itiavako anareo indrindra.
For out of much distress and anguish of heart I wrote to you with many tears, not that ye should be made sorrowful, but that ye might know the exceeding love which I have for you.
5 Fa raha nisy efa nampalahelo, dia tsy nampalahelo ahy ihany izy (nefa tsy ta-hanao teny mafy loatra aho), fa mba nampalahelo anareo rehetra koa.
But if any one hath caused grief, he hath caused it not to me alone, but in a measure, not to be too severe on him, to all of you.
6 Ampy ho amin’ izany olona izany ny fampijaliana nataon’ ny maro,
Sufficient for such a one is this punishment, which was inflicted by the many;
7 ka dia aleo mamela heloka sy mampifaly azy kosa ianareo, fandrao dia resin’ ny fitomboan’ alahelo izany olona izany.
so that on the contrary ye ought rather to forgive, and console him, lest perhaps such a one should be swallowed up with overmuch sorrow.
8 Koa mananatra anareo aho mba hekenareo horaisina tsara amin’ ny fitiavana izy.
Wherefore I beseech you to confirm your love toward him.
9 Fa izany koa no nanoratako, mba ho fantatro izay toetrareo, na manaiky amin’ ny zavatra rehetra ianareo, na tsia.
For to this end also I wrote, that I might know by putting it to the proof, whether ye are obedient in all things.
10 Fa izay avelanareo heloka dia mba avelako heloka koa; ary izaho anefa, raha nisy heloka navelako, dia noho ny aminareo no namelako azy teo imason’ i Kristy,
But to whom ye forgive anything, I forgive also; for what I have forgiven, if I have forgiven anything, for your sakes I forgave it in the person of Christ,
11 fandrao ho resin’ ny fitak’ i Satana isika, fa fantatsika ny hafetseny.
that Satan might not gain an advantage over us; for we are not ignorant of his devices.
12 Ary rehefa tonga tany Troasy hitory ny filazantsaran’ i Kristy aho, ka novohana varavarana ao amin’ ny Tompo,
Now when I came to Troas to preach the gospel of Christ, and a door had been opened to me by the Lord,
13 dia tsy tafandry ny fanahiko, satria tsy nahita an’ i Titosy rahalahiko aho; fa nanao veloma ny olona aho, dia niala teo nankany Makedonia.
I had no rest in my spirit, because I found not Titus my brother; but taking my leave of them, I went forth into Macedonia.
14 Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay mitondra anay mandrakariva ao amin’ i Kristy toy ny fanaon’ izay avy nandresy, ka dia ampisehoany ny hanitry ny fahalalana Azy eny tontolo eny izahay.
But thanks be to God, who always exhibiteth us in triumph in Christ, and manifesteth through us the odor of the knowledge of him in every place.
15 Fa hanitr’ i Kristy ho an’ Andriamanitra izahay amin’ izay hovonjena sy izay ho very:
For we are to God a sweet odor of Christ among those who are being saved, and those who are perishing;
16 amin’ ny sasany dia hanitra avy amin’ ny fahafatesana ho amin’ ny fahafatesana; fa amin’ ny sasany kosa dia hanitra avy amin’ ny fiainana ho amin’ ny fiainana. Koa iza moa no antonona ho amin’ izany zavatra izany?
to the latter we are the odor of death, producing death; and to the former the odor of life, producing life. And who is sufficient for these things?
17 Fa tsy mba toy ny maro izay manatsatso ny tenin’ Andriamanitra hahazoam-bola izahay; fa toy ny amin’ ny fahadiovam-po kosa, dia avy amin’ Andriamanitra sady eo anatrehan’ Andriamanitra no itenenanay ao amin’ i Kristy.
For we are not as the many, who adulterate the word of God; but as from sincerity, but as from God, in the sight of God we speak in Christ.