< 2 Korintiana 11 >
1 Enga anie ka mba handefitra amiko amin’ ny hadalana kely ianareo, kanefa mandefitra amiko ihany ianareo.
utinam sustineretis modicum quid insipientiae meae sed et subportate me
2 Fa fahasaro-piaro araka an’ Andriamanitra no mahasaro-piaro ahy aminareo; fa nataoko fofombadin’ ny lehilahy iray ianareo, mba hatolotra tahaka ny virijina madio ho an’ i Kristy.
aemulor enim vos Dei aemulatione despondi enim vos uni viro virginem castam exhibere Christo
3 Fa matahotra aho, fandrao ny sainareo ho simba hiala amin’ ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin’ i Kristy, tahaka ny namitahan’ ny menarana an’ i Eva tamin’ ny fihendreny.
timeo autem ne sicut serpens Evam seduxit astutia sua ita corrumpantur sensus vestri et excidant a simplicitate quae est in Christo
4 Fa raha misy tonga ka mitory Jesosy hafa izay tsy notorinay, na ianareo mandray fanahy hafa izay tsy noraisinareo, hay! tsara ny andeferanareo amin’ izany!
nam si is qui venit alium Christum praedicat quem non praedicavimus aut alium spiritum accipitis quem non accepistis aut aliud evangelium quod non recepistis recte pateremini
5 Fa ataoko fa tsy misy mahalatsaka ahy noho ireo Apostoly ambony indrindra ireo.
existimo enim nihil me minus fecisse magnis apostolis
6 Fa na dia olona tsy nampianarina laha-teny aza aho, dia tsy mba tahaka izany amin’ ny fahalalana; fa tamin’ ny zavatra rehetra dia efa nasehonay marimarina tamin’ ny olona rehetra izany hahasoa anareo.
et si inperitus sermone sed non scientia in omnibus autem manifestatus sum vobis
7 Diso va aho, raha nanetry tena mba hisandratanareo ka nitory maimaimpoana ny filazantsaran’ Andriamanitra taminareo?
aut numquid peccatum feci me ipsum humilians ut vos exaltemini quoniam gratis evangelium Dei evangelizavi vobis
8 Namabo ny fiangonana sasany aho ka nandray karama hanompoako anareo.
alias ecclesias expoliavi accipiens stipendium ad ministerium vestrum
9 Fa raha nitoetra teo aminareo aho ka tsy nanana, dia tsy mba nahavaky tratra olona aho; fa raha vao tonga avy tany Makedonia ny rahalahy, dia nomeny ahy izay nilaiko; ary tamin’ ny zavatra rehetra dia nitandrina tsara izay tsy hahavaky tratra anareo aho sady mbola hitandrina izany ihany.
et cum essem apud vos et egerem nulli onerosus fui nam quod mihi deerat suppleverunt fratres qui venerunt a Macedonia et in omnibus sine onere me vobis servavi et servabo
10 Raha ato anatiko koa ny fahamarinan’ i Kristy, dia tsy hisy hahafoana izany reharehako izany any amin’ ny tany Akaia.
est veritas Christi in me quoniam haec gloria non infringetur in me in regionibus Achaiae
11 Nahoana? Satria tsy tiako va ianareo? Andriamanitra no mahalala.
quare quia non diligo vos Deus scit
12 Fa izay ataoko no mbola hataoko ihany, mba hampitsaharako ny famelezan’ izay mitady hamely, mba ho hita fa tahaka anay ihany izay amin’ ny izay ireharehany.
quod autem facio et faciam ut amputem occasionem eorum qui volunt occasionem ut in quo gloriantur inveniantur sicut et nos
13 Fa Apostoly sandoka izy ireny, mpiasa mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin’ i Kristy.
nam eiusmodi pseudoapostoli operarii subdoli transfigurantes se in apostolos Christi
14 Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ ny mazava.
et non mirum ipse enim Satanas transfigurat se in angelum lucis
15 Koa tsy zavatra lehibe tsy akory, raha ny mpanompony koa no mba mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon’ ny fahamarinana; nefa ny farany ho araka ny asany ihany.
non est ergo magnum si ministri eius transfigurentur velut ministri iustitiae quorum finis erit secundum opera ipsorum
16 Hoy izaho indray: Aza misy manao ahy ho adala; nefa, na dia misy manao izany aza, raiso toy ny adala aho mba hireharehako kelikely koa.
iterum dico ne quis me putet insipientem alioquin velut insipientem accipite me ut et ego modicum quid glorier
17 Izao lazaiko izao dia tsy lazaiko araka ny Tompo, fa toa amin’ ny fahadalana amin’ izao rehareha matoky izao ihany.
quod loquor non loquor secundum Dominum sed quasi in insipientia in hac substantia gloriae
18 Satria maro no mirehareha araka ny nofo, dia mba hirehareha koa aho.
quoniam multi gloriantur secundum carnem et ego gloriabor
19 Fa sitrakareo ny handefitra amin’ ny adala, satria hendry angaha ianareo.
libenter enim suffertis insipientes cum sitis ipsi sapientes
20 Fa hay! mandefitra ihany ianareo, raha misy manandevo anareo, raha misy mandany anareo, raha misy misambotra anareo, raha misy mirehareha aminareo, raha misy mamely ny tavanareo.
sustinetis enim si quis vos in servitutem redigit si quis devorat si quis accipit si quis extollitur si quis in faciem vos caedit
21 Manala-barà-tena aho ka toa manaiky fa nalemy izahay! Fa amin’ izay mahasahy ny olona (miteny toy ny adala aho), dia mba sahy koa aho.
secundum ignobilitatem dico quasi nos infirmi fuerimus in quo quis audet in insipientia dico audeo et ego
22 Hebreo va izy? Izaho koa. Isiraelita va izy? Izaho koa. Taranak’ i Abrahama va izy? Izaho koa.
Hebraei sunt et ego Israhelitae sunt et ego semen Abrahae sunt et ego
23 Mpanompon’ i Kristy va izy? (miteny toy ny olona very saina aho) mihoatra noho izy aho: amin’ ny fisasarana manan-tombo, amin’ ny tranomaizina matetika kokoa, amin’ ny kapoka be efa izay tsy izy, amin’ ny fahafatesana matetika.
ministri Christi sunt minus sapiens dico plus ego in laboribus plurimis in carceribus abundantius in plagis supra modum in mortibus frequenter
24 Indimy aho no nokapohin’ ny Jiosy inefa-polo latsaka iray avy.
a Iudaeis quinquies quadragenas una minus accepi
25 Intelo nokapohina tamin’ ny hazo aho, indray maka notoraham-bato, intelo no vaky sambo, indray andro sy indray alina no nitoetra teo amin’ ny lalina,
ter virgis caesus sum semel lapidatus sum ter naufragium feci nocte et die in profundo maris fui
26 nandeha matetika aho, saiky nahita loza tamin’ ny ony, saiky nahita loza tamin’ ny jiolahy, saiky nahita loza tamin’ ny tompon-tany namako, saiky nahita loza tamin’ ny jentilisa, saiky nahita loza tao amin’ ny tanàna aho, saiky nahita loza tany an-efitra aho, saiky nahita loza tany amin’ ny ranomasina aho, saiky nahita loza tamin’ ny rahalahy sandoka aho,
in itineribus saepe periculis fluminum periculis latronum periculis ex genere periculis ex gentibus periculis in civitate periculis in solitudine periculis in mari periculis in falsis fratribus
27 tamin’ ny fisasarana sy ny fikelezan’ aina, tamin’ ny tsi-fahitan-tory matetika, tamin’ ny hanoanana sy ny hetaheta, tamin’ ny fifadian-kanina matetika, tamin’ ny hatsiaka sy ny fitanjahana.
in labore et aerumna in vigiliis multis in fame et siti in ieiuniis multis in frigore et nuditate
28 Afa-tsy ireo zavatra ivelany dia mbola misy koa izay mahazo ahy isan’ andro, dia ny fiahiana ny fiangonana rehetra.
praeter illa quae extrinsecus sunt instantia mea cotidiana sollicitudo omnium ecclesiarum
29 Iza no malemy, ka tsy malemy aho? Iza no tafintohina, ka tsy mirehitra aho?
quis infirmatur et non infirmor quis scandalizatur et ego non uror
30 Raha tsy maintsy mirehareha aho, dia izay momba ny fahalemeko no hataoko rehareha.
si gloriari oportet quae infirmitatis meae sunt gloriabor
31 Andriamanitra, Rain’ i Jesosy Tompo, Izay isaorana mandrakizay, mahalala fa tsy mandainga aho. (aiōn )
Deus et Pater Domini Iesu scit qui est benedictus in saecula quod non mentior (aiōn )
32 Tany Damaskosy ny governora notendren’ i Areta mpanjaka dia nampiambina ny tanàna Damaskosy mba hisambotra ahy;
Damasci praepositus gentis Aretae regis custodiebat civitatem Damascenorum ut me conprehenderet
33 fa avy teo amin’ ny varavarankely eo amin’ ny mànda no nampidinana ahy tamin’ ny sobiky, ka dia afa-nandositra ny tànany aho.
et per fenestram in sporta dimissus sum per murum et effugi manus eius