< 2 Korintiana 10 >

1 Ary ny tenako, izaho Paoly, dia mananatra anareo amin’ ny hamoram-panahy sy ny fandeferan’ i Kristy, dia izaho, izay manetry tena, hono, raha eo anatrehanareo, fa sahy aminareo kosa, raha tsy eo.
Ipse autem ego Paulus obsecro vos per mansuetudinem et modestiam Christi, qui in facie quidem humilis sum inter vos, absens autem confido in vos.
2 Dia mangataka aho mba tsy ho sahy, rehefa tonga, amin’ ny fahatokiana izay kasaiko hahasahiana amin’ ny sasany, izay manao anay ho mandeha araka ny nofo.
Rogo autem vos ne præsens audeam per eam confidentiam, qua existimor audere in quosdam, qui arbitrantur nos tamquam secundum carnem ambulemus.
3 Fa na dia velona amin’ ny nofo aza izahay, dia tsy mba miady araka ny nofo
In carne enim ambulantes, non secundum carnem militamus.
4 (fa tsy avy amin’ ny nofo ny fiadian’ ny tafikay, fa mahery amin’ Andriamanitra handrava fiarovana mafy);
Nam arma militiæ nostræ non carnalia sunt, sed potentia Deo ad destructionem munitionum, consilia destruentes,
5 fa mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an’ Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an’ i Kristy,
et omnem altitudinem extollentem se adversus scientiam Dei, et in captivitatem redigentes omnem intellectum in obsequium Christi,
6 ary vonona hamaly ny tsi-fanarahana rehetra izahay, rehefa tanteraka ny fanarahanareo.
et in promptu habentes ulcisci omnem inobedientiam, cum impleta fuerit vestra obedientia.
7 Mijery zavatra araka ny fisehony ihany va ianareo? Raha misy olona matoky ny tenany fa an’ i Kristy, aoka izay hisaintsaina izao indray, fa tahaka ny mah’ an’ i Kristy azy no mah’ an’ i Kristy anay koa.
Quæ secundum faciem sunt, videte. Si quis confidit sibi Christi se esse, hoc cogitet iterum apud se: quia sicut ipse Christi est, ita et nos.
8 Fa na dia bebe ihany aza ny fireharehako ny amin’ ny fahefanay izay nomen’ i Kristy anay hananganana, fa tsy handravana anareo, dia tsy hahazo henatra aho,
Nam etsi amplius aliquid gloriatus fuero de potestate nostra, quam dedit nobis Dominus in ædificationem, et non in destructionem vestram, non erubescam.
9 mba tsy hisehoako toy ny ta-hampitahotra anareo amin’ ny epistily.
Ut autem non existimer tamquam terrere vos per epistolas:
10 Fa ny epistiliny, hoy izy, dia mavesatra sy mahery; fa malemy kosa ny fanatrehan’ ny tenany, ary tsinontsinona ny teniny.
quoniam quidem epistolæ, inquiunt, graves sunt et fortes: præsentia autem corporis infirma, et sermo contemptibilis:
11 Aoka izany olona izany hihevitra izao, fa tahaka ny fiteninay amin’ ny epistily, raha tsy eo izahay, dia ho tahaka izany koa ny asanay rehefa tonga izahay.
hoc cogitet qui ejusmodi est, quia quales sumus verbo per epistolas absentes, tales et præsentes in facto.
12 Fa izahay tsy sahy hanao ny tenanay ho isan’ ny sasany izay midera tena, na hampitaha ny tenanay aminy; fa tsy hendry ireny, satria manohatra ny tenanay amin’ ny tenany sy mampitaha ny tenany amin’ ny tenanay.
Non enim audemus inserere, aut comparare nos quibusdam, qui seipsos commendant: sed ipsi in nobis nosmetipsos metientes, et comparantes nosmetipsos nobis.
13 Fa izahay tsy mba hirehareha tsy amin’ ohatra, fa araka ny ohatry ny voafaritr’ Andriamanitra ho anjaranay, dia ohatra mihatra aminareo.
Nos autem non in immensum gloriabimur, sed secundum mensuram regulæ, qua mensus est nobis Deus, mensuram pertingendi usque ad vos.
14 Fa tsy toy izay tsy mihatra aminareo izahay ka mihoatra ny faritry ny anjaranay; fa tonga hatrany aminareo aza izahay amin’ ny filazantsaran’ i Kristy;
Non enim quasi non pertingentes ad vos, superextendimus nos: usque ad vos enim pervenimus in Evangelio Christi.
15 tsy mirehareha tsy amin’ ohatra amin’ izay nisasaran’ ny sasany izahay, fa manana fanantenana izahay fa rehefa mitombo ny finoanareo, dia hohalehibiazina ao aminareo izahay araka ny voafaritra ho anjarany, sady mbola handroso ihany
Non in immensum gloriantes in alienis laboribus: spem autem habentes crescentis fidei vestræ, in vobis magnificari secundum regulam nostram in abundantiam,
16 ka hitory ny filazantsara amin’ ny tany any ankoatranareo, ary tsy hirehareha amin’ izay efa vonona rahateo ao anatin’ ny voafaritra ho an’ ny sasany.
etiam in illa, quæ ultra vos sunt, evangelizare, non in aliena regula in iis quæ præparata sunt gloriari.
17 Fa izay mirehareha, dia aoka Jehovah no ho reharehany
Qui autem gloriatur, in Domino glorietur.
18 Fa tsy izay midera tena no ankasitrahana, fa izay derain’ ny Tompo.
Non enim qui seipsum commendat, ille probatus est: sed quem Deus commendat.

< 2 Korintiana 10 >