< 2 Tantara 9 >
1 Ary ny mpanjakavavin’ i Sheba, rehefa ny nahare ny lazan’ i Solomona, dia tonga tany Jerosalema hizaha toetra azy tamin’ ny fanontaniana sarotra, ary maro be ny mpanaraka azy, sady be koa ny rameva izay nitondra zava-manitra sy volamena sesehena ary vato soa; ary rehefa tonga tao amin’ i Solomona izy, dia niresaka taminy ny amin’ izay rehetra tao am-pony.
Malkia wa Sheba aliposikia habari za umaarufu wa Solomoni, huyo malkia akaja Yerusalemu kumjaribu kwa maswali magumu. Alifika akiwa na msafara mkubwa sana, pamoja na ngamia waliobeba vikolezi, kiasi kikubwa cha dhahabu na vito vya thamani, alikuja kwa Solomoni na kuzungumza naye kuhusu yote ambayo alikuwa nayo moyoni mwake.
2 Ary voavalin’ i Solomona izy tamin’ izay rehetra nanontaniany azy; tsy nisy zavatra niafina tamin’ i Solomona, fa nambarany azy avokoa.
Solomoni akamjibu maswali yake yote, wala hakukuwa na jambo lolote lililokuwa gumu kwake asiweze kumwelezea.
3 Ary rehefa hitan’ ilay mpanjakavavin’ i Sheba ny fahendren’ i Solomona sy ny trano izay nataony
Malkia wa Sheba alipoona hekima yote ya Solomoni na jumba la kifalme alilokuwa amejenga,
4 sy ny hanim-pihinany teo amin’ ny latabany, sy ny fipetrahan’ ny tandapany sy ny fitoeran’ ny mpanompony mbamin’ ny fitafian’ ireo sy ny mpitondra kapoakany sy ny fitafian’ ireo, ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao an-tranon’ i Jehovah, dia talanjona terỳ izy.
chakula kilichokuwa mezani pake, jinsi maafisa wake walivyokaa, wahudumu katika majoho yao, wanyweshaji wake na sadaka za kuteketezwa alizotoa katika Hekalu la Bwana alipatwa na mshangao.
5 Dia hoy izy tamin’ ny mpanjaka: Marina ny teny efa reko tany amin’ ny taniko ny amin’ ny teninao sy ny fahendrenao.
Akamwambia mfalme, “Taarifa niliyosikia kwenye nchi yangu mwenyewe kuhusu mafanikio na hekima yako ni kweli.
6 Kanefa tsy nino ny filazana aho, raha tsy tonga atỳ, ka ny masoko no mahita; kanjo hay! na dia ny antsasaky ny fahendrenao aza tsy voalaza tamiko akory; fa, indro, mihoatra noho ny laza efa reko ianao.
Lakini sikuamini yaliyosemwa hadi nilipokuja na kuona kwa macho yangu mwenyewe. Naam, sikuambiwa hata nusu yake; katika hekima na mali umezidi sana kuliko ile taarifa niliyoisikia.
7 Sambatra lahy ny olonao, ary sambatra ireto tandapanao ireto, izay mijanona eto anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao!
Heri watu wako! Heri hawa maafisa wako wasimamao mbele yako daima na kusikia hekima yako!
8 Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao Izay tia anao ka nametraka anao amin’ ny seza fiandrianany ho mpanjaka ho an’ i Jehovah Andriamanitrao; fa noho ny fitiavan’ Andriamanitrao ny Isiraely hampitoetra azy mandrakizay no nanaovany anao ho mpanjakany mba hanao fitsarana sy fahamarinana.
Ahimidiwe Bwana Mungu wako, ambaye amependezwa sana nawe, na akakuweka juu ya kiti chake cha ufalme utawale kwa niaba ya Bwana Mungu wako. Kwa sababu ya upendo wa Mungu wako kwa Israeli na shauku yake ya kuwadhibitisha milele, amekufanya wewe mfalme juu yao, ili kudumisha haki na uadilifu.”
9 Ary izy nanome talenta volamena roa-polo amby zato sy zava-manitra sesehena ary vato soa ho an’ ny mpanjaka; tsy nisy intsony zava-manitra tahaka ilay nomen’ ny mpanjakavavin’ i Sheba an’ i Solomona mpanjaka.
Naye akampa mfalme talanta 120 za dhahabu, kiasi kikubwa cha vikolezi na vito vya thamani. Haikuwahi kamwe kuletwa vikolezi vizuri kama vile Malkia wa Sheba alivyompa Mfalme Solomoni.
10 Ary ny mpanompon’ i Hirama koa sy ny mpanompon’ i Solomona, izay naka volamena avy tany Ofira, dia nitondra hazo almoga sy vato soa.
(Watumishi wa Hiramu na wa Solomoni wakaleta dhahabu kutoka Ofiri, tena wakaleta shehena kubwa ya miti ya msandali na vito vya thamani.
11 Ary ny hazo almoga dia nataon’ ny mpanjaka ambaratonga mankamin’ ny tranon’ i Jehovah sy ny lapan’ andriana ary nataony lokanga sy valiha ho an’ ny mpihira koa; ary tsy mbola nisy hita toy izany teo aloha tamin’ ny tanin’ ny Joda.
Mfalme akatumia hiyo miti ya msandali kuwa ngazi kwa ajili ya Hekalu la Bwana na kwa jumba la kifalme, pia kwa kutengeneza vinubi na zeze kwa ajili ya waimbaji. Kiasi hicho kingi cha msandali hakijawahi kuingizwa Yuda tangu siku ile.)
12 Ary Solomona mpanjaka dia nanome ny mpanjakavavin’ i Sheba kosa izay rehetra niriny, na inona na inona nangatahiny, afa-tsy izay valin’ ny nentiny ho an’ ny mpanjaka; ka dia niverina izy, ary lasa nody tany amin’ ny taniny izy mbamin’ ny mpanompony.
Mfalme Solomoni akampa Malkia wa Sheba kila kitu alichotamani na kukiomba, zaidi ya vile alivyokuwa amemletea mfalme. Kisha malkia akaondoka na kurudi katika nchi yake, yeye na watumishi wake.
13 Ary ny lanjan’ ny volamena izay tonga tao amin’ i Solomona isan-taona dia talenta volamena enina amby enim-polo amby enin-jato,
Uzito wa dhahabu ambayo Solomoni alipokea kwa mwaka ulikuwa talanta 666,
14 afa-tsy izay nentin’ ny mpivarotra sy ny mpandranto. Ary ny mpanjakan’ i Arabia rehetra sy ny mpanapaka ny tany dia samy nitondra volamena sy volafotsy ho an’ i Solomona.
mbali na mapato yaliyoletwa na wafanyabiashara na wachuuzi. Wafalme wote wa Arabuni na watawala wa nchi wakamletea Solomoni dhahabu na fedha.
15 Ary Solomona mpanjaka nanao ampinga volamena lehibe roan-jato tamin’ ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena sekely enin-jato no napetaka tamin’ ny ampinga lehibe iray.
Mfalme Solomoni akatengeneza ngao kubwa 200 kwa dhahabu iliyofuliwa. Kila ngao ilikuwa na dhahabu yenye uzito wa shekeli 600
16 Ary nanao ampinga volamena telonjato koa izy tamin’ ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena sekely telon-jato no napetaka tamin’ ny ampinga iray. Dia napetraky ny mpanjaka tao amin’ ny trano Alan’ i Libanona lreo.
Akatengeneza pia ngao ndogo 300 za dhahabu iliyofuliwa, kila ngao ikiwa na uzito wa mane tatu za dhahabu. Mfalme akaziweka katika Jumba la Kifalme la Msitu wa Lebanoni.
17 Ary ny mpanjaka nanao seza fiandrianana ivory lehibe, ka nopetahany takela-bolamena tsara.
Kisha mfalme akatengeneza kiti kikubwa cha kifalme kwa kutumia pembe za ndovu na kukifunika kwa dhahabu safi.
18 Nisy ambaratonga enina amin’ ny seza fiandrianana sy fitoeran-tongotra volamena, izay naraikitra tamin’ ny seza fiandrianana, ary nisy fitehenana teo an-daniny roa tamin’ ny fipetrahana ary nisy sarin-diona roa teo an-danin’ ny fitehenan-tanana;
Kiti hicho kilikuwa na ngazi sita na mahali pa kuwekea miguu vyote vya dhahabu. Pande zote za kiti kulikuwa na mahali pa kuegemeza mikono, na simba wawili wakisimama kando ya hiyo mikono.
19 ary nisy sarin-diona roa ambin’ ny folo teo an-daniny roa teo amin’ ny ambaratonga enina. Tsy nisy natao tahaka izany tany amin’ ny fanjakana rehetra.
Simba kumi na wawili walisimama kwenye ngazi sita, mmoja katika kila upande wa kila ngazi. Hakuna kitu kama hicho kilichokuwa kimefanyika kwenye ufalme mwingine wowote.
20 Ary ny fisotroan’ i Solomona mpanjaka dia volamena avokoa, ary ny fanaka rehetra tao amin’ ny trano Alan’ i Libanona koa dia volamena tsara avokoa; tsy nisy volafotsy ireo, fa natao toy ny tsinontsinona izany tamin’ ny andron’ i Solomona.
Vikombe vyote vya Mfalme Solomoni vya kunywea vilikuwa vya dhahabu na vyombo vyote vya nyumbani katika Jumba la Kifalme la Msitu wa Lebanoni vilikuwa vya dhahabu safi. Hakukuwa na kitu kilichotengenezwa kwa fedha, kwa sababu fedha ilionekana ya thamani ndogo wakati wa Solomoni.
21 Fa ny mpanjaka nanana sambo mpankany Tarsisy niaraka tamin’ ny mpanompon’ i Hirama; ary indray mandeha isan-telo taona no nihavian’ ny sambon’ i Tarsisy nitondra volamena sy volafotsy sy ivory sy rajako ary vorombola.
Mfalme alikuwa na meli nyingi za biashara baharini zilizoendeshwa na watu wa Hiramu. Kwa mara moja kila miaka mitatu zilirudi, zikiwa zimebeba dhahabu, fedha, pembe za ndovu na nyani wakubwa na wadogo.
22 Ary Solomona mpanjaka dia nanan-karena sady hendry indrindra noho ny mpanjaka rehetra ambonin’ ny tany.
Mfalme Solomoni alikuwa mkuu zaidi kwa utajiri na hekima kuliko wafalme wote wa dunia.
23 Ary ny mpanjaka rehetra ambonin’ ny tany nitady hahita ny tavan’ i Solomona mba hihaino ny fahendrena, izay nataon’ Andriamanitra tao am-pony.
Wafalme wote wa dunia wakatafuta kukutana na Solomoni ili kusikia hekima ambayo Mungu alikuwa ameiweka katika moyo wake.
24 Ary izy rehetra dia samy nahatonga ny anjarany avy isan-taona, dia fanaka volafotsy sy fanaka volamena sy fitafiana sy fiadiana sy zava-manitra sy soavaly ary ampondra.
Mwaka baada ya mwaka, kila mmoja ambaye alikuja, alileta zawadi, vyombo vya fedha na dhahabu, majoho, silaha na vikolezi, farasi na nyumbu.
25 Ary Solomona nanana efi-trano efatra arivo fitoeran’ ny soavaly mpitarika kalesy ary soavaly fitaingina roa arivo sy iray alina, izay nataony tao amin’ ireo tanàna fitoeran-kalesy sy tao amin’ ny mpanjaka tany Jerosalema.
Solomoni alikuwa na mabanda 4,000 kwa ajili ya farasi na magari ya vita, farasi 12,000 ambao aliwaweka katika miji ya magari ya vita na katika Yerusalemu pamoja naye.
26 Ary nanjaka tamin’ ny mpanjaka rehetra hatramin’ ny Ony ka hatramin’ ny tanin’ ny Filistina ary hatramin’ ny sisin’ i Egypta izy.
Solomoni akatawala juu ya wafalme wote kuanzia Mto Frati mpaka kwenye nchi ya Wafilisti na kuendelea hadi mpaka wa Misri.
27 Ary nataon’ ny mpanjaka tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka.
Mfalme akafanya fedha kuwa kitu cha kawaida kama mawe huko Yerusalemu, mierezi akaifanya kuwa mingi kama mikuyu vilimani.
28 Ary nangalana soavaly avy tany Egypta sy tany amin’ ny tany rehetra koa Solomona.
Farasi wa Solomoni waliletwa kutoka Misri na kutoka nchi nyingine zote.
29 Ary ny tantaran’ i Solomona sisa, na ny voalohany na ny farany, tsy efa voasoratra va izany ao amin’ ny bokin’ i Natana mpaminany sy amin’ ny faminanian’ i Ahia Silonita sy amin’ ny fahitan’ Ido mpahita ny amin’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata?
Kwa habari za matukio mengine ya utawala wa Solomoni, kuanzia mwanzo hadi mwisho, je, hayakuandikwa katika kumbukumbu za nabii Nathani, katika unabii wa Ahiya Mshiloni na katika maono ya Ido mwonaji kuhusu Yeroboamu mwana wa Nebati?
30 Ary Solomona nanjaka efa-polo taona tamin’ ny Isiraely rehetra tany Jerosalema.
Solomoni alitawala Israeli yote miaka arobaini, akiwa Yerusalemu.
31 Ary Solomona lasa nodimandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan’ i Davida rainy izy; ary Rehoboama zanany no nanjaka nandimby azy.
Kisha Solomoni akalala pamoja na baba zake, naye akazikwa katika mji wa Daudi baba yake. Naye Rehoboamu mwanawe akawa mfalme baada yake.