< 2 Tantara 5 >
1 Toy izany no nahavitana ny asa rehetra nataon’ i Solomona ho amin’ ny tranon’ i Jehovah; ary nampidirin’ i Solomona ny zavatra rehetra izay efa nohamasinin’ i Davida rainy dia ny volafotsy sy ny volamena; ary ny fanaka rehetra dia nataony tao amin’ ny rakitry ny tranon’ Andriamanitra.
Hivyo Solomoni alipomaliza kazi ya Hekalu la Bwana, akaviingiza ndani vile vitu ambavyo Daudi baba yake alikuwa ameviweka wakfu: yaani, fedha, dhahabu na samani; kisha akaviweka katika hazina za Hekalu la Mungu.
2 Ary tamin’ izany dia novorin’ i Solomona ny loholon’ ny Isiraely sy ny lehiben’ ny firenena rehetra, dia ny lohan’ ny fianakavian’ ny Zanak’ isiraely ho any Jerosalema hampakatra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah avy any Ziona, Tanànan’ i Davida.
Kisha Solomoni akawaita huko Yerusalemu wazee wa Israeli, viongozi wote wa makabila na wakuu wa jamaa za Waisraeli, ili walilete Sanduku la Agano la Bwana kutoka Sayuni, Mji wa Daudi.
3 Dia nivory ho any amin’ ny mpanjaka ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely tamin’ ny andro firavoravoana tamin’ ny volana fahafito.
Nao wanaume wote wa Israeli wakakusanyika kwa mfalme wakati wa sikukuu mwezi wa saba.
4 Ary tonga koa ny loholon’ ny Isiraely rehetra, ka ny Levita no nitondra ny fiara,
Wazee wote wa Israeli walipofika, Walawi wakajitwika Sanduku la Agano,
5 dia nampakariny ny fiara sy ny trano-lay fihaonana ary ny fanaka masìna rehetra izay tao amin’ ny lay. Nampakarin’ ny Levita mpisorona ireo zavatra ireo.
nao wakalipandisha Sanduku na Hema la Kukutania pamoja na vyombo vyote vitakatifu vilivyokuwa ndani yake. Makuhani, waliokuwa Walawi, walivibeba vitu hivyo,
6 Ary Solomona mpanjaka sy ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, izay nivory teo aminy teo anoloan’ ny fiara, dia samy namono zavatra hatao fanatitra, dia ondry aman’ osy sy omby izay tsy tambo isaina sady tsy hita isa noho ny hamaroany.
naye Mfalme Solomoni na kusanyiko lote la Israeli waliokusanyika kumzunguka walikuwa mbele ya hilo Sanduku, nao wakatoa dhabihu nyingi za kondoo na ngʼombe ambao idadi yao haikuwezekana kuandikwa au kuhesabiwa.
7 Ary ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah dia nampidirin’ ny mpisorona ho ao amin’ ny fitoerany tao anatin’ ny efi-trano anatiny, dia ny fitoerana masìna indrindra, teo ambanin’ ny elatry ny kerobima;
Makuhani wakalileta Sanduku la Agano la Bwana hadi mahali pake ndani ya sehemu takatifu ndani ya Hekalu, yaani Patakatifu pa Patakatifu, na kuliweka chini ya mabawa ya makerubi.
8 fa nivelatra tambonin’ ny fitoeran’ ny fiara ny elatry ny kerobima ka nanaloka ny fiara sy ny baony.
Makerubi yalitandaza mabawa yao juu ya mahali pa Sanduku la Agano na kufunika Sanduku na mipiko yake ya kubebea.
9 Ary lava ny bao, ka hita ny lohany, raha eo amin’ ny fiara eo anoloan’ ny efitra matiny nefa tsy hita eny ivelany, ary mbola ao mandraka androany izy.
Mipiko hiyo ilikuwa mirefu sana kiasi kwamba ncha zake zilizojitokeza kutoka kwenye Sanduku, nazo zilionekana ukiwa mbele ya Patakatifu pa Patakatifu, lakini sio nje ya Mahali Patakatifu. Hiyo mipiko ipo hata leo.
10 Ary tsy nisy na inona na inona tao anatin’ ny fiara afa-tsy ny vato fisaka roa ihany izay nataon’ i Mosesy tao anatiny fony tany Horeba, tamin’ i Jehovah nanao fanekena tamin’ ny Zanak’ isiraely, tamin’ ny nivoahany avy tany Egypta.
Ndani ya Sanduku hapakuwepo kitu kingine chochote isipokuwa zile mbao mbili ambazo Mose alikuwa ameziweka ndani yake huko Horebu, mahali ambapo Bwana alifanya Agano na Waisraeli baada ya kutoka Misri.
11 Ary nony nivoaka avy tao amin’ ny fitoerana masìna ny mpisorona (fa ny mpisorona rehetra izay teo dia samy efa nanamasina ny tenany, fa tsy mba nifandimby isan-toko taminy izay),
Basi makuhani wakaondoka hapo Mahali Patakatifu. Makuhani wote waliokuwa huko walikuwa wamejiweka wakfu, bila kujali migawanyo yao.
12 ary ny Levita mpihira rehetra, dia Asafa sy Hemana sy Jedotona mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, izay nitafy rongony fotsy madinita sady nitondra kipantsona sy valiha ary lokanga, dia nitsangana teo atsinanan’ ny alitara, ary teo aminy koa nisy pisorona roa-polo amby zato nitsoka trompetra;
Walawi wote waliokuwa waimbaji, yaani, Asafu, Hemani, Yeduthuni, wana wa ndugu zao, walisimama upande wa mashariki wa madhabahu, wakiwa wamevaa kitani safi huku wakipiga matoazi, vinubi na zeze. Walikuwa pamoja na makuhani 120 wakipiga tarumbeta.
13 ary efa toy ny feo iray no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, raha nidera sy nisaotra an’ i Jehovah izy; ka nony nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona sy ny zava-maneno isan-karazany ka nidera an’ i Jehovah fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony, dia feno rahona ny tranon’ i Jehovah;
Wapiga tarumbeta na waimbaji wakaungana katika sauti linganifu, ikawa kama vile ni sauti moja, wakimsifu na kumshukuru Bwana, nao alipoinua sauti zao pamoja na tarumbeta na matoazi na vyombo vingine vya uimbaji, wakamsifu Bwana wakisema: “Yeye ni mwema; upendo wake unadumu milele.” Ndipo Hekalu la Bwana likajazwa na wingu,
14 ka dia tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona; fa feno ny voninahitr’ i Jehovah ny tranon’ Andriamanitra.
nao makuhani hawakuweza kufanya huduma yao kwa sababu ya lile wingu, kwa kuwa utukufu wa Bwana ulijaza Hekalu la Mungu.