< 2 Tantara 5 >

1 Toy izany no nahavitana ny asa rehetra nataon’ i Solomona ho amin’ ny tranon’ i Jehovah; ary nampidirin’ i Solomona ny zavatra rehetra izay efa nohamasinin’ i Davida rainy dia ny volafotsy sy ny volamena; ary ny fanaka rehetra dia nataony tao amin’ ny rakitry ny tranon’ Andriamanitra.
I tako se svrši sav posao što uradi Solomun za dom Gospodnji; i unese Solomun što bješe posvetio David otac njegov, i srebro i zlato i sudove, i ostavi u riznicu doma Božijega.
2 Ary tamin’ izany dia novorin’ i Solomona ny loholon’ ny Isiraely sy ny lehiben’ ny firenena rehetra, dia ny lohan’ ny fianakavian’ ny Zanak’ isiraely ho any Jerosalema hampakatra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah avy any Ziona, Tanànan’ i Davida.
Tada sabra Solomun starješine Izrailjeve i sve glavare plemenske, knezove domova otaèkih sinova Izrailjevijeh u Jerusalim da prenesu kovèeg zavjeta Gospodnjega iz grada Davidova, koje je Sion.
3 Dia nivory ho any amin’ ny mpanjaka ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely tamin’ ny andro firavoravoana tamin’ ny volana fahafito.
I skupiše se k caru svi ljudi Izrailjevi na praznik koji biva sedmoga mjeseca.
4 Ary tonga koa ny loholon’ ny Isiraely rehetra, ka ny Levita no nitondra ny fiara,
I kad doðoše sve starješine Izrailjeve, uzeše Leviti kovèeg.
5 dia nampakariny ny fiara sy ny trano-lay fihaonana ary ny fanaka masìna rehetra izay tao amin’ ny lay. Nampakarin’ ny Levita mpisorona ireo zavatra ireo.
I prenesoše kovèeg i šator od sastanka i sve sudove svete što bjehu u šatoru, prenesoše sveštenici i Leviti.
6 Ary Solomona mpanjaka sy ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, izay nivory teo aminy teo anoloan’ ny fiara, dia samy namono zavatra hatao fanatitra, dia ondry aman’ osy sy omby izay tsy tambo isaina sady tsy hita isa noho ny hamaroany.
A car Solomun i sav zbor Izrailjski koji se sabra k njemu prinesoše pred kovèegom na žrtvu ovaca i goveda toliko da se ne mogaše od mnoštva ni izbrojiti ni proraèunati.
7 Ary ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah dia nampidirin’ ny mpisorona ho ao amin’ ny fitoerany tao anatin’ ny efi-trano anatiny, dia ny fitoerana masìna indrindra, teo ambanin’ ny elatry ny kerobima;
I unesoše sveštenici kovèeg zavjeta Gospodnjega na mjesto njegovo, u unutrašnji dom, u svetinju nad svetinjama, pod krila heruvimima.
8 fa nivelatra tambonin’ ny fitoeran’ ny fiara ny elatry ny kerobima ka nanaloka ny fiara sy ny baony.
Jer heruvimima bijahu raširena krila nad mjestom gdje æe stajati kovèeg i zaklanjahu heruvimi kovèeg i poluge njegove ozgo.
9 Ary lava ny bao, ka hita ny lohany, raha eo amin’ ny fiara eo anoloan’ ny efitra matiny nefa tsy hita eny ivelany, ary mbola ao mandraka androany izy.
I povukoše mu poluge tako da im se krajevi viðahu od kovèega na prednjoj strani svetinje nad svetinjama, ali se napolje ne viðahu, i ostaše ondje do danas.
10 Ary tsy nisy na inona na inona tao anatin’ ny fiara afa-tsy ny vato fisaka roa ihany izay nataon’ i Mosesy tao anatiny fony tany Horeba, tamin’ i Jehovah nanao fanekena tamin’ ny Zanak’ isiraely, tamin’ ny nivoahany avy tany Egypta.
U kovèegu ne bješe ništa osim dvije ploèe koje metnu Mojsije na Horivu kad Gospod uèini zavjet sa sinovima Izrailjevijem pošto izidoše iz Misira.
11 Ary nony nivoaka avy tao amin’ ny fitoerana masìna ny mpisorona (fa ny mpisorona rehetra izay teo dia samy efa nanamasina ny tenany, fa tsy mba nifandimby isan-toko taminy izay),
A kad sveštenici izidoše iz svetinje, jer sveštenici koji se naðoše osveštaše se ne pazeæi na red,
12 ary ny Levita mpihira rehetra, dia Asafa sy Hemana sy Jedotona mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, izay nitafy rongony fotsy madinita sady nitondra kipantsona sy valiha ary lokanga, dia nitsangana teo atsinanan’ ny alitara, ary teo aminy koa nisy pisorona roa-polo amby zato nitsoka trompetra;
I Leviti pjevaèi svi, koji bijahu uz Asafa i Emana i Jedutuna, i sinovi njihovi i braæa njihova, obuèeni u tanko platno, stajahu s kimvalima i psaltirima i s guslama s istoène strane oltaru, i s njima sto i dvadeset sveštenika, koji trubljahu u trube,
13 ary efa toy ny feo iray no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, raha nidera sy nisaotra an’ i Jehovah izy; ka nony nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona sy ny zava-maneno isan-karazany ka nidera an’ i Jehovah fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony, dia feno rahona ny tranon’ i Jehovah;
I kad oni koji trubljahu u trube i koji pjevahu, složno jednijem glasom hvaljahu i slavljahu Gospoda, i kad podizahu glas uz trube i kimvale i gusle, hvaleæi Gospoda da je dobar, da je dovijeka milost njegova, tada se napuni oblaka dom Gospodnji,
14 ka dia tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona; fa feno ny voninahitr’ i Jehovah ny tranon’ Andriamanitra.
Te ne mogahu sveštenici stajati da služe od oblaka, jer se slave Gospodnje napuni dom Božji.

< 2 Tantara 5 >