< 2 Tantara 4 >
1 Ary nanao alitara varahina izy: roa-polo hakiho ny lavany, roa-polo hakiho koa ny sakany, ary folo hakiho ny hahavony.
Mfalme Solomoni akatengeneza madhabahu ya shaba yenye urefu wa dhiraa ishirini, upana wa dhiraa ishirini na kimo chake dhiraa kumi.
2 Ary nanao ny tavin-drano an-idina boribory lehibe izy: folo hakiho no halehiben’ ny vavany, dimy hakiho ny hahavony, ary telo-polo hakiho ny manodidina azy.
Akatengeneza Bahari ya kusubu, yenye umbo la mviringo, ya dhiraa kumi kutoka ukingo hadi ukingo na kimo cha dhiraa tano. Kamba ya urefu wa dhiraa thelathini ingeweza kuizunguka.
3 Ary teo ambanin’ ny tavin-drano lehibe nisy sarin’ omby manodidina azy, dia folo amin’ ny iray hakiho manodidina. Roa an-dalana ny sarin’ omby sady niara-natao an-idina tamin’ ny tavin-drano.
Chini ya huo ukingo, kulikuwa na mafahali kuizunguka, yaani mafahali kumi katika kila dhiraa moja. Hayo mafahali waliyasubu katika safu mbili yakiwa ya kitu kimoja na hiyo Bahari.
4 Ary ny tavin-drano dia nipetraka tambonin’ ny sarin’ omby roa ambin’ ny folo: ny telo nanatrika ny avaratra ny telo nanatrika ny andrefana, ny telo nanatrika ny atsimo, ary ny telo nanatrika ny atsinanana; ny tavin-drano lehibe dia teo amboniny, ary niady vody izy rehetra.
Bahari hiyo ilikaa juu ya mafahali kumi na wawili, mafahali watatu walielekeza nyuso zao kaskazini, watatu magharibi, watatu kusini na watatu mashariki. Bahari hiyo ilikaa juu ya hao mafahali, nazo sehemu zao za nyuma zilielekeana.
5 Ary ny hateviny dia vodivoam-pelatanana, ary ny molony nataony tahaka ny molotry ny kapoaka, dia tahaka ny vonin’ ny lilia; ary mahalany telo arivo bata izy.
Unene wake ulikuwa nyanda nne, na ukingo wake ulifanana na ukingo wa kikombe, kama ua la yungiyungi iliyochanua. Iliweza kuchukua bathi 3,000.
6 Ary nanao tavin-drano folo koa izy hanasana, ny dimy nataony tamin’ ny ankavanana, ary ny dimy tamin’ ny ankavia; ary ny zavatra hatao fanatitra dorana dia nakobaka teo; fa ny tavin-drano lehibe kosa dia fisasan’ ny mpisorona.
Kisha akatengeneza masinia kumi kwa ajili ya kuoshea vifaa, naye akayaweka matano upande wa kusini na matano upande wa kaskazini. Ndani yake ndimo walioshea vifaa vya kutumika katika sadaka za kuteketezwa, lakini ile Bahari ilikuwa ni kwa ajili ya makuhani kunawia.
7 Ary nanao ny fanaovan-jiro volamena folo araka ny marika izy, dia napetrany tao amin’ ny tempoly, dimy teo amin’ ny ankavanana, ary dimy teo amin’ ny ankavia.
Akatengeneza vinara vya taa kumi vya dhahabu kama ilivyoainishwa kwao na kuviweka hekaluni, vinara vitano upande wa kusini na vitano upande wa kaskazini.
8 Ary nanao latabatra folo koa izy, dia napetrany tao amin’ ny tempoly, dimy teo amin’ ny ankavanana, ary dimy teo amin’ ny ankavia. Ary nanao lovia volamena zato famafazana izy.
Akatengeneza meza kumi na kuziweka hekaluni, tano upande wa kusini na tano upande wa kaskazini. Pia akatengeneza mabakuli 100 ya dhahabu ya kunyunyizia.
9 Ary nanao ny kianjan’ ny mpisorona sy ny kianja lehibe sy ny lela-vavahadin’ ny kianja izy, ary nopotehany takela-barahina ny lela-vavahady.
Akatengeneza ukumbi wa makuhani na ukumbi mwingine mkubwa na milango yake, naye akaifunika hiyo milango kwa shaba.
10 Ary ny tavin-drano lehibe nataony tamin’ ny ankavanana, dia teo amin’ ny atsimo-atsinana.
Akaweka ile Bahari upande wa kusini, kwenye pembe ya kusini mashariki ya nyumba.
11 Ary Hirama nanao ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron’ afo ary ny lovia famafazana. Dia vitan’ i Hirama ny asa izay nataony ho an’ i Solomona mpanjaka ho amin’ ny tranon’ Andriamanitra:
Pia akatengeneza masufuria, masepetu na mabakuli ya kunyunyizia. Kwa hiyo Huramu akakamilisha kazi katika Hekalu la Mungu kama vile Mfalme Solomoni alikuwa amemwagiza, yaani:
12 dia ny andry roa sy ny boriboriny sy ny kapitaliny izay teny an-tampon’ ny andry roa sy ny harato roa hafono ny boriboriny roa momba ny kapitaly izay teo an-tampon’ ny andry avy,
zile nguzo mbili; yale mataji mawili yaliyokuwa juu ya hizo nguzo, zile nyavu mbili za kupamba hayo mataji mawili yenye umbo la bakuli yaliyowekwa juu ya zile nguzo;
13 ary ny sarin’ ampongabendanitra efa-jato ho amin’ ny harato roa, sarin’ ampongabendanitra roa an-dalana ho amin’ ny harato iray hafono ny boribory roa momba ny kapitaly izay teo an-tampon’ ny andry avy;
yale makomamanga 400 kwa ajili ya hizo nyavu mbili (safu mbili za makomamanga kwa kila wavu yakipamba hayo mataji mawili yenye umbo la bakuli juu ya hizo nguzo);
14 ary nanao ireo fitoeran-tavin-drano izy, ary ny tavin-drano nataony teo amin’ ny fitoerany;
vishikio pamoja na masinia yake;
15 ary ny tavin-drano lehibe iray sy ny sarin’ omby roa ambin’ ny folo; ambaniny.
hiyo Bahari na hao mafahali kumi na wawili chini yake;
16 Ary ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron’ afo sy ny fitrebika ary ny fanaka rehetra momba azy dia nataon’ i Hiram-aby ho an’ i Solomona mpanjaka ho amin’ ny tranon’ i Jehovah tamin’ ny varahina manganohano.
pia hayo masufuria, masepetu, uma za nyama na vyombo vingine vyote vilivyohusiana. Vitu vyote ambavyo Huramu-Abi alimtengenezea Mfalme Solomoni kwa ajili ya Hekalu la Bwana vilikuwa vya shaba iliyosuguliwa.
17 Teo amin’ ny tany amoron’ i Jordana no nanaovan’ ny mpanjaka an-idina azy tamin’ ny tanimanga teo anelanelan’ i Sokota sy Zaretana.
Mfalme aliagiza wavisubu vitu hivi kwenye kalibu za udongo wa mfinyanzi katika uwanda wa Yordani kati ya Sukothi na Sereda.
18 Toy izany no nanaovan’ i Solomona ireo fanaka rehetra rehetra ireo; fa tsy nozahana Izay lanjan’ ny varahina.
Vitu hivi vyote Mfalme Solomoni alivyotengeneza vilikuwa vingi sana hivi kwamba uzito wa shaba haungekadirika.
19 Ary Solomona nanao ny fanaka rehetra izay tao amin’ ny tranon’ Andriamanitra: ny alitara volamena sy ny latabatra fitoeran’ ny mofo aseho,
Solomoni pia akatengeneza samani zote zilizokuwa ndani ya Hekalu la Mungu: madhabahu ya dhahabu; meza za kuweka mikate ya Wonyesho;
20 ary ny fanaovan-jiro sy ny lela fanaovan-jirony mba hampirehetina eo noloan’ ny efitra anatiny araka ny fanao dia samy volamena tsara;
vinara vya taa vya dhahabu safi pamoja na taa zake ili ziwake mbele ya sehemu takatifu ya ndani kama ilivyoelekezwa;
21 ny voniny sy ny lela fanaovan-jiro ary ny hetin-jiro dia samy volamena tsara indrindra avokoa;
maua ya dhahabu yaliyofanyizwa, taa na makoleo (vilikuwa vya dhahabu bora kabisa);
22 ary ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely sy ny fitoeran-davenon-jiro dia samy volamena tsara; ary ny lela-varavarana teo anatin’ ny trano, dia ny mankao amin’ ny fitoerana masìna indrindra, sy ny lela-varavarana ho amin’ ny ati-trano lehibe dia samy volamena avokoa.
mikasi ya dhahabu safi, mabakuli ya kunyunyizia, masinia na vyetezo; milango ya dhahabu ya Hekalu: yaani milango ya ndani ya Patakatifu pa Patakatifu, na milango ya ukumbi mkuu.