< 2 Tantara 35 >

1 Ary Josia nitandrina ny Paska tany Jerosalema ho an’ i Jehovah; dia namono ny Paska ny olona tamin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo tamin’ ny volana voalohany.
Yosiya ya yi Bikin Ƙetarewa ga Ubangiji a Urushalima, aka kuma yanka ɗan ragon Bikin Ƙetarewa a ranar goma sha huɗu ga wata na farko.
2 Ary Josia nanendry ny mpisorona ho amin’ ny anjara-raharahany avy ka namporisika azy hanao ny fanompoana ao an-tranon’ i Jehovah.
Ya zaɓi firistoci su yi aikinsu, sai ya ƙarfafa su su yi aikin da kyau a hidimar haikalin Ubangiji.
3 Ary hoy izy tamin’ ny Levita izay mpampianatra ny Isiraely rehetra sady efa masìna ho an’ i Jehovah: Apetraho ao an-trano nataon’ i Solomona, zanak’ i Davida, mpanjakan’ ny Isiraely, ny fiara masìna; fa izao dia efa tsy milanja azy intsony ianareo; koa manompoa an’ i Jehovah Andriamanitrareo sy ny Isiraely olony;
Ya ce wa Lawiyawa waɗanda suke koyar da dukan Isra’ila da kuma waɗanda aka tsarkake wa Ubangiji. “Ku sa akwatin alkawari mai tsarki a cikin haikalin da Solomon ɗan Dawuda sarkin Isra’ila ya gina. Ba za a riƙa ɗaukansa a kafaɗa ba. Yanzu ku bauta wa Ubangiji Allahnku da kuma mutanensa Isra’ila.
4 ary samia miomana araka ny fianakavianareo avy ianareo, dia araka ny antokonareo, araka ny voasoratr’ i Davida, mpanjakan’ ny Isiraely, sy araka ny voasoratr’ i Solomona zanany koa.
Ku shirya kanku iyali-iyali a sassanku, bisa ga umarnan da Dawuda sarkin Isra’ila da kuma ɗansa Solomon suka rubuta.
5 Ary mitsangàna eo amin’ ny fitoerana masìna araka ny fizaran’ ny fianakavian’ ny rahalahinareo amin’ ny vahoaka sy araka ny fizaran’ ny fianakavian’ ny Levita.
“Ku tsaya a tsattsarkan wuri, bisa ga ƙungiyoyin gidajen kakannin’yan’uwanku, waɗanda su ba firistoci ba ne. Kowanne ya sami kashi daga cikin gidan Lawiyawa.
6 Dia vonoy ny Paska, sady hamasino ny tenanareo, ka manamboara ho an’ ny rahalahinareo, hanaovana araka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Mosesy.
Ku yanka ragunan Bikin Ƙetarewa, ku tsarkake kanku, ku kuma shirya raguna domin’yan’uwanku, kuna yin abin da Ubangiji ya umarta ta wurin Musa.”
7 Ary ny vahoaka izay vory teo dia nomen’ i losia zanak’ ondry sy zanak’ osy, telo alina no isany hatao Paska avokoa ireo sy omby telo arivo; avy tamin’ ny fananan’ ny mpanjaka ireo.
Yosiya ya tanada wa dukan mutanen da ba firistoci ba ne waɗanda suke a wurin, tumaki da awaki dubu talatin don a yanka saboda hadayun Bikin Ƙetarewa, ya kuma ba su shanu dubu uku. Dukan dabbobin kuwa daga garken sarki ne.
8 Ary ny mpanapaka nanome an-tsitrapo ho an’ ny olona sy ho an’ ny mpisorona sy ny Levita. Ary Hilkia sy Zakaria sy Jehiela, mpanapaka ny tranon’ Andriamanitra, nanome ondry aman’ osy enin-jato amby roa arivo ho an’ ny mpisorona hatao Paska ary omby telon-jato.
Fadawansa su ma suka ba da taimako da yardar rai ga mutane da kuma firistoci da Lawiyawa. Hilkiya, Zakariya da Yehiyel masu aiki a haikalin Allah, suka ba firistoci hadayun Bikin Ƙetarewa dubu biyu da ɗari shida da kuma shanu ɗari uku.
9 Ary Konania sy Semaia sy Netanela rahalahiny ary Hasabia sy Jeiela sy Jozabada, lehiben’ ny Levita, nanome ondry aman’ osy dimy arivo ho an’ ny Levita hatao Paska ary omby dimam-jato.
Haka kuma Konaniya tare da Shemahiya da Netanel, ɗan’uwansa, da Hashabiya, Yehiyel da Yozabad, shugabannin Lawiyawa, suka tanadar da hadayun Bikin Ƙetarewa dubu biyar da kuma bijimai ɗari biyar domin Lawiyawa.
10 Koa dia vonona ny zavatra; ary ny mpisorona nitsangana teo amin’ ny fitoerany avy, ary ny Levita araka ny antokony avy, araka ny didin’ ny mpanjaka.
Sa’ad da aka shirya kome don Bikin Ƙetarewar, sai Firistoci tare da Lawiyawa suka tsaya wurin tsayawarsu bisa ga umarnin sarki.
11 Dia novonoin’ ny olona ny Paska, ary natopin’ ny mpisorona ny rà teny an-tànany, dia vao nohodiran’ ny Levita kosa.
Aka yanka ragunan Bikin Ƙetarewa, firistoci kuma suka yayyafa jinin da aka ba su, yayinda Lawiyawa suna fiɗan dabbobi.
12 Dia natokany ny fanatitra dorana homen’ ny olona araka ny fizaran’ ny fianakaviany, mba hateriny ho an’ i Jehovah araka izay voasoratra ao amin’ ny bokin’ i Mosesy. Ary toy izany koa tamin’ ny omby.
Suka keɓe hadayun ƙonawa don su ba da su ga ƙungiyoyin iyalan mutane don su miƙa ga Ubangiji, yadda yake a rubuce a Littafin Musa. Suka yi haka da shanun.
13 Ary ny Paska natsatsika tamin’ ny afo araka ny fanao; fa ny zava-masìna kosa nandrahoiny tao anaty vilany sy vilanibe ary kasiteronina, dia nozarainy faingana tamin’ ny olona rehetra izany.
Suka gasa dabbobin Bikin Ƙetarewa a bisa wuta yadda aka tsara, suka dafa hadayu masu tsarki a tukwane, da manyan tukwane, da kuma kwanoni, suka raba su nan da nan ga dukan mutane.
14 Ary rehefa afaka izany, dia nanamboatra io an’ ny tenany sy ny mpisorona izy; fa ny mpisorona, taranak’ i Arona, nanatitra ny fanatitra dorana sy ny saborany mandra-pahalin’ ny andro; fa ny Levita kosa nanamboatra ny Paska ho an’ ny tenany sy ny mpisorona, taranak’ i Arona.
Bayan wannan, suka shirya wa kansu da kuma wa firistoci, saboda firistoci, zuriyar Haruna, suna miƙa hadayun ƙonawa da sashen kitse daga safe har dare. Saboda haka Lawiyawa suka shirya wa kansu da kuma wa firistocin daga zuriyar Haruna.
15 Ary ny mpihira, taranak’ i Asafa, nitoetra teo amin’ ny fitoerany, araka ny didin’ i Davida sy Asafa sy Hemana ary Jedotona, mpahitan’ ny mpanjaka, ary ny mpiandry varavarana dia teo amin’ ny isam-bavahady; fa tsy afaka niala tamin’ ny fanompoany ireo, ka ny Levita rahalahiny no nanamboatra ho azy.
Mawaƙa zuriyar Asaf, suna a wuraren da Dawuda, Asaf, Heman da Yedutun mai duba na sarki suka tsara. Bai zama lalle matsaran ƙofofi a kowace ƙofa su bar wuraren aikinsu ba, domin’yan’uwansu Lawiyawa sun yi shiri dominsu.
16 Ary dia vonona androtrizay avokoa ny hatao fanompoana an’ i Jehovah amin’ ny hitandremana ny Paska sy ny hanaterana ny fanatitra dorana eo ambonin’ ny alitaran’ i Jehovah araka ny tenin’ i Josia mpanjaka.
Ta haka fa aka yi dukan hidimar Ubangiji a wannan rana, domin su kiyaye Bikin Ƙetarewa, domin kuma su miƙa hadayu na ƙonawa a bisa bagaden Ubangiji, yadda sarki Yosiya ya umarta.
17 Ary ny Zanak’ isiraely izay vory teo dia nitandrina ny paska fahizay sy ny andro firavoravoana hafitoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira.
Isra’ilawan da suka kasance a can suka yi Bikin Ƙetarewa a wannan rana, suka kuma kiyaye Bikin Burodi Marar Yisti kwana bakwai.
18 Fa tsy nisy Paska notandremana toy izany teo amin’ ny Isiraely na dia hatramin’ ny andron’ i Samoela mpaminany aza; ary ny mpanjakan’ ny Isiraely rehetra tsy nisy nitandrina ny Paska tahaka izay nataon’ i Josia sy ny mpisorona sy ny Levita ary ny Joda rehetra sy ny Isiraely izay vory teo ary ny mponina tany Jerosalema.
Ba a taɓa yin Bikin Ƙetarewa haka ba tun zamanin annabi Sama’ila; kuma babu sarkin Isra’ilan da ya taɓa yin irin Bikin Ƙetarewa kamar yadda Yosiya ya yi, tare da firistoci, Lawiyawa da kuma dukan Yahuda da Isra’ila, waɗanda suke can tare da mutanen Urushalima.
19 Tamin’ ny taona fahavalo ambin’ ny folo nanjakan’ i Josia no nitandremana izany Paska izany.
An yi wannan Bikin Ƙetarewa a shekara ta goma sha takwas ta mulkin Yosiya.
20 Ary rehefa afaka izany rehetra izany, nony efa namboarin’ i Josia ny tempoly, dia niakatra Neko, mpanjakan’ i Egypta, hiady tany Karkemisy eo amoron’ i Eofrata; ary Josia nivoaka hiady aminy.
Bayan wannan duka, sa’ad da Yosiya ya shirya haikali, Neko sarkin Masar ya haura don yă yi yaƙi a Karkemish a Yuferites, sai Yosiya ya fita don yă fafata da shi a yaƙi.
21 Fa Neko naniraka olona ho any aminy hanao hoe: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, ry mpanjakan’ ny Joda? Tsy ady aminao izao anio izao, fa amin’ ny fahavaloko, sady nasain’ Andriamanitra handeha faingana aho; koa aza manohitra an’ Andriamanitra Izay momba ahy, fandrao matiny ianao.
Amma Neko ya aiki’yan saƙo ga Yosiya, yana cewa, “Me ya gama ni da kai, ya Sarkin Yahuda? Ban zo in yi yaƙi da kai ba. Na zo ne in yi yaƙi da gidan da yake gāba da ni! Ka ƙyale ni! Allah ne ya riga ya faɗa mini in hanzarta. Kada ka yi gāba da Allah, wanda yake tare da ni, don kada yă hallaka ka.”
22 Fa Josia tsy nety nihodina niala taminy, fa nody olon-kafa mba hiady taminy ka tsy nety nihaino ny tenin’ i Neko, izay nampilazain’ Andriamanitra azy, fa nandeha hiady taminy ihany teo amin’ ny lohasahan’ i Megido.
Yosiya fa, bai juya daga gare shi ba, amma ya ɓad da kama don yă yi yaƙin. Bai saurari abin da Neko ya faɗa bisa ga umarnin Allah ba, amma ya tafi ya yaƙe shi a filin Megiddo.
23 Ary ny mpandefa tsipìka nahavoa an’ i Josia mpanjaka; dia hoy ny mpanjaka tamin’ ny mpanompony: Ento miala eto aho; fa voa mafy aho.
Maharba suka harbi Yosiya, sai ya ce wa hafsoshinsa, “Ku ɗauke ni ku fita da ni daga nan; gama an yi mini mummunan rauni.”
24 Dia nesorin’ ny mpanompony tamin’ izany kalesy izany izy, ka napetrany teo amin’ ny kalesiny faharoa ary nentiny ho any Jerosalema; dia maty izy ka nalevina tao am-pasan-drazany. Ary ny Joda sy Jerosalema rehetra dia nisaona an’ i Josia.
Saboda haka suka ɗauke shi a keken yaƙin, suka fitar da shi, suka sa shi a wata keken yaƙin da yake da shi, suka kawo shi Urushalima, inda ya mutu. Aka binne shi a makabartar kakanninsa, sai dukan Yahuda da Urushalima suka yi makoki dominsa.
25 Ary Jeremia dia nanao hira fisaonana an’ i Josia, ary ny mpihiralahy sy ny mpihiravavy rehetra dia mahatsiahy an’ i Josia mandraka androany, raha manao hira fisaonana, ka nataony fanao teo amin’ ny Isiraely izany; ary, indro, efa voasoratra ao amin’ ny fihirana fisaonana izany.
Annabin Irmiya ya tsara waƙoƙin makoki domin Yosiya, wanda har wa yau mawaƙa maza da mata suke rera game da Yosiya. Suka sa waɗannan su zama al’ada a Isra’ila, suna kuma a rubuce cikin Littafin Makoki.
26 Ary ny tantaran’ i Josia sisa mbamin’ ny soa nataony, araka izay efa voasoratra ao amin’ ny lalàn’ i Jehovah,
Sauran ayyukan mulkin Yosiya da kuma kyawawan abubuwan da ya yi, bisa ga abin da aka rubuta a Dokar Ubangiji,
27 dia ny asany voalohany sy farany, indro, efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely sy ny Joda izany.
dukan ayyukan, daga farko har zuwa ƙarshe, suna a rubuce cikin littafin sarakunan Isra’ila da na Yahuda.

< 2 Tantara 35 >