< 2 Tantara 35 >

1 Ary Josia nitandrina ny Paska tany Jerosalema ho an’ i Jehovah; dia namono ny Paska ny olona tamin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo tamin’ ny volana voalohany.
При това, Иосия направи пасха Господу в Ерусалим; и на четиринадесетия ден от първия месец заклаха пасхалните агнета.
2 Ary Josia nanendry ny mpisorona ho amin’ ny anjara-raharahany avy ka namporisika azy hanao ny fanompoana ao an-tranon’ i Jehovah.
И той постави свещениците в длъжностите им, и ги насърчи да служат на Господния дом.
3 Ary hoy izy tamin’ ny Levita izay mpampianatra ny Isiraely rehetra sady efa masìna ho an’ i Jehovah: Apetraho ao an-trano nataon’ i Solomona, zanak’ i Davida, mpanjakan’ ny Isiraely, ny fiara masìna; fa izao dia efa tsy milanja azy intsony ianareo; koa manompoa an’ i Jehovah Andriamanitrareo sy ny Isiraely olony;
И рече на осветените Господу левити, които поучаваха целия Израил: Положете светия ковчег в дома, който построи Израилевият цар Соломон, Давидовият син; няма да го носите вече на рамена; сега слугувайте на Господа вашия Бог и на людете Му Израил.
4 ary samia miomana araka ny fianakavianareo avy ianareo, dia araka ny antokonareo, araka ny voasoratr’ i Davida, mpanjakan’ ny Isiraely, sy araka ny voasoratr’ i Solomona zanany koa.
Пригответе се според бещините си домове, по отредите си, според предписанието на Израилевия цар Давида, и според предписанието на сина му Соломона;
5 Ary mitsangàna eo amin’ ny fitoerana masìna araka ny fizaran’ ny fianakavian’ ny rahalahinareo amin’ ny vahoaka sy araka ny fizaran’ ny fianakavian’ ny Levita.
и стойте в светилището, според отделенията на бащините домове на братята си миряните, и за всяко нека има по един отдел от левитските бащини домове.
6 Dia vonoy ny Paska, sady hamasino ny tenanareo, ka manamboara ho an’ ny rahalahinareo, hanaovana araka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Mosesy.
И като заколите пасхалните агнета, осветете се, и пригответе за братята си, за да направят и те според Господното слово дадено чрез Моисея.
7 Ary ny vahoaka izay vory teo dia nomen’ i losia zanak’ ondry sy zanak’ osy, telo alina no isany hatao Paska avokoa ireo sy omby telo arivo; avy tamin’ ny fananan’ ny mpanjaka ireo.
И Иосия подари на людете за жертви овце, агнета и ярета, на брой тридесет хиляди, всичките за пасхалните жертви, за всички, които се намериха там, и три хиляди говеда; тия бяха от царския имот.
8 Ary ny mpanapaka nanome an-tsitrapo ho an’ ny olona sy ho an’ ny mpisorona sy ny Levita. Ary Hilkia sy Zakaria sy Jehiela, mpanapaka ny tranon’ Andriamanitra, nanome ondry aman’ osy enin-jato amby roa arivo ho an’ ny mpisorona hatao Paska ary omby telon-jato.
И първенците му подариха на драго сърце на людете, на свещениците и на левитите. А управителите на Божия дом, Хелкия, Захария и Ехиил, подариха на свещениците за пасхалните жертви две хиляди и шестстотин агнета и ярета и триста говеда.
9 Ary Konania sy Semaia sy Netanela rahalahiny ary Hasabia sy Jeiela sy Jozabada, lehiben’ ny Levita, nanome ondry aman’ osy dimy arivo ho an’ ny Levita hatao Paska ary omby dimam-jato.
Също и Хонения и братята му Семаия, и Натанаил, и началниците на левитите, Асавия, Еиил и Иозавад, подариха на левитите за пасхалните жертви пет хиляди агнета и ярета и петстотин говеда.
10 Koa dia vonona ny zavatra; ary ny mpisorona nitsangana teo amin’ ny fitoerany avy, ary ny Levita araka ny antokony avy, araka ny didin’ ny mpanjaka.
Така се приготви службата. Тогава свещениците застанаха на мястото си, и левитите по отредите си, според царската заповед.
11 Dia novonoin’ ny olona ny Paska, ary natopin’ ny mpisorona ny rà teny an-tànany, dia vao nohodiran’ ny Levita kosa.
И заклаха пасхалните агнета, и свещениците поръсиха кръвта, която вземаха от ръката на левитите, които и одраха жертвите.
12 Dia natokany ny fanatitra dorana homen’ ny olona araka ny fizaran’ ny fianakaviany, mba hateriny ho an’ i Jehovah araka izay voasoratra ao amin’ ny bokin’ i Mosesy. Ary toy izany koa tamin’ ny omby.
И отделиха частите за всеизгарянето, за да ги дадат според отделенията на бащините домове на людете, за да принесат Господу според предписанията в Моисеевата книга; така сториха и с говедата.
13 Ary ny Paska natsatsika tamin’ ny afo araka ny fanao; fa ny zava-masìna kosa nandrahoiny tao anaty vilany sy vilanibe ary kasiteronina, dia nozarainy faingana tamin’ ny olona rehetra izany.
И опекоха пасхалните агнета с огън според наредбата; а светите жертви свариха в котли, в гърнета и в тави, и ги разделиха веднага помежду всичките люде.
14 Ary rehefa afaka izany, dia nanamboatra io an’ ny tenany sy ny mpisorona izy; fa ny mpisorona, taranak’ i Arona, nanatitra ny fanatitra dorana sy ny saborany mandra-pahalin’ ny andro; fa ny Levita kosa nanamboatra ny Paska ho an’ ny tenany sy ny mpisorona, taranak’ i Arona.
После приготвиха за себе си и за свещениците; защото свещениците, Аароновите потомци, се занимаваха с принасяне всеизгарянията и тлъстините до нощта; затова левитите приготвиха за себе си и за свещениците, Аароновите потомци.
15 Ary ny mpihira, taranak’ i Asafa, nitoetra teo amin’ ny fitoerany, araka ny didin’ i Davida sy Asafa sy Hemana ary Jedotona, mpahitan’ ny mpanjaka, ary ny mpiandry varavarana dia teo amin’ ny isam-bavahady; fa tsy afaka niala tamin’ ny fanompoany ireo, ka ny Levita rahalahiny no nanamboatra ho azy.
И певците, Асафовите потомци, бяха на мястото си, според заповедта на Давида, на Асафа, на Емана и на царския гледач Едутун; и вратарите пазеха на всяка порта; нямаше нужда да оставят работата си, защото братята им, левитите, приготвиха за тях.
16 Ary dia vonona androtrizay avokoa ny hatao fanompoana an’ i Jehovah amin’ ny hitandremana ny Paska sy ny hanaterana ny fanatitra dorana eo ambonin’ ny alitaran’ i Jehovah araka ny tenin’ i Josia mpanjaka.
И тъй, цялата Господна служба биде приготвена в същия ден, за да направят пасхата и да принесат всеизгарянията на Господния олтар, според заповедта на цар Иосия.
17 Ary ny Zanak’ isiraely izay vory teo dia nitandrina ny paska fahizay sy ny andro firavoravoana hafitoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira.
И израилтяните, които се намериха там, правиха в онова време пасхата и празника на безквасните хлябове седем дни.
18 Fa tsy nisy Paska notandremana toy izany teo amin’ ny Isiraely na dia hatramin’ ny andron’ i Samoela mpaminany aza; ary ny mpanjakan’ ny Isiraely rehetra tsy nisy nitandrina ny Paska tahaka izay nataon’ i Josia sy ny mpisorona sy ny Levita ary ny Joda rehetra sy ny Isiraely izay vory teo ary ny mponina tany Jerosalema.
Такава пасха не беше ставала в Израил от дните на пророк Самуила; нито един от всичките Израилеви царе не беше направил такава пасха, каквато направиха Иосия, и свещениците, и левитите, и целият Юда и Израил, които се намериха там, и ерусалимските жители.
19 Tamin’ ny taona fahavalo ambin’ ny folo nanjakan’ i Josia no nitandremana izany Paska izany.
Тая пасха стана в осемнадесетата година на Иосиевото царуване.
20 Ary rehefa afaka izany rehetra izany, nony efa namboarin’ i Josia ny tempoly, dia niakatra Neko, mpanjakan’ i Egypta, hiady tany Karkemisy eo amoron’ i Eofrata; ary Josia nivoaka hiady aminy.
А след всичко това, когато Иосия беше наредил Божия дом, египетския цар Нехао възлезе за да воюва против Кархамис при реката Евфрат; и Иосия излезе против него.
21 Fa Neko naniraka olona ho any aminy hanao hoe: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, ry mpanjakan’ ny Joda? Tsy ady aminao izao anio izao, fa amin’ ny fahavaloko, sady nasain’ Andriamanitra handeha faingana aho; koa aza manohitra an’ Andriamanitra Izay momba ahy, fandrao matiny ianao.
А той прати посланици до него да кажат: Какво има между мене и тебе, царю Юдов? Не ида днес против тебе, но против дома, с който имам война, и Бог ми е заповядал да побързам; остави се от Бога, който е с мене, да не би да те изтреби.
22 Fa Josia tsy nety nihodina niala taminy, fa nody olon-kafa mba hiady taminy ka tsy nety nihaino ny tenin’ i Neko, izay nampilazain’ Andriamanitra azy, fa nandeha hiady taminy ihany teo amin’ ny lohasahan’ i Megido.
Обаче Иосия не отвърна лицето си от него, но преличи се да воюва против него, и не послуша думите на Нехао, които бяха из Божиите уста, и дойде да се бие в долината Магедон.
23 Ary ny mpandefa tsipìka nahavoa an’ i Josia mpanjaka; dia hoy ny mpanjaka tamin’ ny mpanompony: Ento miala eto aho; fa voa mafy aho.
И стрелците устрелиха цар Иосия; и царят рече на слугите си: Изведете ме от тук, защото съм тежко ранен.
24 Dia nesorin’ ny mpanompony tamin’ izany kalesy izany izy, ka napetrany teo amin’ ny kalesiny faharoa ary nentiny ho any Jerosalema; dia maty izy ka nalevina tao am-pasan-drazany. Ary ny Joda sy Jerosalema rehetra dia nisaona an’ i Josia.
И тъй, слугите му го изведоха из колесницата, та го качиха на втората му колесница, и докараха го в Ерусалим; и умря, и биде погребан в гробищата на бащите си. И целият Юда и Ерусалим жалееха за Иосия.
25 Ary Jeremia dia nanao hira fisaonana an’ i Josia, ary ny mpihiralahy sy ny mpihiravavy rehetra dia mahatsiahy an’ i Josia mandraka androany, raha manao hira fisaonana, ka nataony fanao teo amin’ ny Isiraely izany; ary, indro, efa voasoratra ao amin’ ny fihirana fisaonana izany.
Също и Еремия плака за Иосия; и всичките певци и певици до днес напомнюват Иосия в плачовете си, които и направиха това обичай в Израиля; и ето, те са написани в Плача.
26 Ary ny tantaran’ i Josia sisa mbamin’ ny soa nataony, araka izay efa voasoratra ao amin’ ny lalàn’ i Jehovah,
А останалите дела на Иосия, и добродетелите му сторени според предписаното в Господния закон,
27 dia ny asany voalohany sy farany, indro, efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely sy ny Joda izany.
и делата му, първите и последните, ето, писани са в Книгата на Израилевите и Юдовите царе.

< 2 Tantara 35 >