< 2 Tantara 32 >
1 Ary rehefa afaka izany raharaha marina izany, dia avy Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria, niditra tany Joda ary nanao fahirano ny tanàna mimanda ka nikasa hanafaka azy.
Now after these things and this true-hearted work, Sennacherib, king of Assyria, came into Judah, and put his army in position before the walled towns of Judah, designing to make his way into them by force.
2 Ary nony hitan’ i Hezekia fa tonga Sankeriba ka nikasa hamely an’ i Jerosalema,
And when Hezekiah saw that Sennacherib had come for the purpose of fighting against Jerusalem,
3 dia niara-nihevitra tamin’ ny mpanapaka sy ny lehilahy mahery izy mba hanampina ny rano tamin’ ny loharano eny ivelan’ ny tanàna; ary nanampy azy ireo.
He took up with his rulers and men of war the question of stopping up the water-springs outside the town; and they gave him their support.
4 Dia nivory ny olona maro ka nanampina ny loharano rehetra sy ilay renirano mamaky eo afovoan’ ny tany, fa hoy izy: Nahoana no avela hahita rano be ny mpanjakan’ i Asyria, raha avy?
So they got together a great number of people, and had all the water-springs and the stream flowing through the land stopped up, saying, Why let the kings of Assyria come and have much water?
5 Dia nohereziny namboariny avokoa izay rava tamin’ ny manda sady nasiany tilikambo teny amboniny sy manda hafa koa teo ivelany, dia namboatra an’ i Milo tao an-tanànan’ i Davida sady nanao lefona aman’ ampinga betsaka izy.
Then he took heart, building up the wall where it was broken down, and making its towers higher, and building another wall outside; and he made strong the Millo in the town of David, and got together a great store of all sorts of instruments of war.
6 Ary nanendry mpifehy miaramila hifehy ny olona izy ka nampiangona azy hankeo aminy teo an-kalalahana akaikin’ ny vavahadin’ ny tanàna, dia nanao teny famporisihana taminy hoe:
And he put war chiefs over the people, and sent for them all to come together to him in the wide place at the doorway into the town, and to give them heart he said to them,
7 Mahereza ka matanjaha; aza matahotra na mivadi-po noho ny mpanjakan’ i Asyria sy ny hamaroan’ ny olona rehetra izay entiny; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.
Be strong and take heart; have no fear, and do not be troubled on account of the king of Assyria and all the great army with him: for there is a greater with us.
8 Sandry nofo no momba azy, fa Jehovah Andriamanitsika kosa no momba antsika hamonjy antsika ka hiady ny adintsika. Ary dia niankina tamin’ ny tenin’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, ny olona.
With him is an arm of flesh; but we have the Lord our God, helping us and fighting for us. And the people put their faith in what Hezekiah, king of Judah, said.
9 Rehefa afaka izany, dia nirahin’ i Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria, ny mpanompony hankany Jerosalema (fa izy sy ny miaramilany rehetra kosa nanao fahirano an’ i Lakisy tamin’ izay) ho any amin’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, sy ho any amin’ ny Joda rehetra izay tany Jerosalema ka nanao hoe:
After this, Sennacherib, king of Assyria, sent his servants to Jerusalem (at that time he was stationed with all his army in front of Lachish), to say to Hezekiah and all the men of Judah in Jerusalem,
10 Izao nolazain’ i Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria: Inona izato itokianareo, no dia miaritra fahoriana ato Jerosalema ianareo?
Sennacherib, king of Assyria, says, In what are you placing your hope, waiting here in the walled town of Jerusalem?
11 Tsy Hezekia ihany va no manambosy anareo hanole-tena ho faty mosary sy hetaheta ka anao hoe: Jehovah Andriamanitsika hamonjy antsika amin’ ny tanan’ ny mpanjakan’ i Syria?
Is it not Hezekiah who has got you to do it, causing your death from need of food and water, by saying, The Lord our God will give us salvation out of the hands of the king of Assyria?
12 Tsy io Hezekia io ihany koa va no nandrava ny fitoerana avony sy ny alitarany ary nandidy ny Joda sy Jerosalema ka nanao hoe: Eo anoloan’ ny alitara iray no iankohofanareo sy handoroanareo ditin-kazo manitra?
Has not this same Hezekiah taken away his high places and his altars, saying to Judah and Jerusalem, Give worship before one altar only, burning offerings on it?
13 Tsy fantatrareo va izay nataoko, dia izaho sy ny razako, tamin’ ny firenena rehetra tany amin’ ny tany hafa? Moa ireny andriamanitry ny firenena tany amin’ ny tany hafa ireny va nisy nahavonjy ny taniny akory tamin’ iny tanako?
Have you no knowledge of what I and my fathers have done to all the peoples of every land? were the gods of the nations of those lands able to keep their land from falling into my hands?
14 Iza amin’ ny andriamanitr’ ireo firenena efa naringan’ ny razako ireo no nahavonjy ny olony tamin’ ny tanako, ka dia hahavonjy anareo amin’ ny tanako va ny Andriamanitrareo?
Who was there among all the gods of those nations, which my fathers put to destruction, who was able to keep his people safe from my hands? and is it possible that your God will keep you safe from my hands?
15 Koa ankehitriny, aza avela hamitaka anareo Hezekia, na hitaona anareo tahaka izao; aza mino azy ianareo; fa tsy nisy andriamanitra tany amin’ ny firenena sy ny fanjakana rehetra izay nahavonjy ny olony tamin’ ny tanako sy ny tanan’ ny razako; koa aiza ny Andriamanitrareo no hahavonjy anareo amin’ ny tanako?
So do not be tricked by Hezekiah or let him get you to do this, and do not put any faith in what he says: for no god of any nation or kingdom has been able to keep his people safe from my hands, or the hands of my fathers: how much less will your God keep you safe from my hands!
16 Ary ny mpanompon’ i Sankeriba mbola niteny ratsy an’ i Jehovah Andriamanitra sy Hezekia mpanompony,
And his servants said even more against the Lord God and against his servant Hezekiah.
17 sady nanoratra taratasy hihaika an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy hiteny ratsy Azy ka nanao hoe: Tahaka ny tsy nahavonien’ ireny andriamanitry ny firenena tany amin’ ny tany hafa ny olony tamin’ ny tanako no tsy hahavonjen’ ny Andriamanitr’ i Hezekia ny olony koa amin’ ny tanako.
And he sent letters, in addition, to put shame on the Lord, the God of Israel, and to say evil against him, saying, As the gods of the nations of other lands have not been able to keep their people safe from my hands, no more will the God of Hezekiah keep his people safe from my hands.
18 Dia niantso tamin’ ny feo mahery izy ka nanao teny Jiosy teo anatrehan’ ny mponina tany Jerosalema izay teny ambonin’ ny manda hampitahorany sy hampangorohoroany azy mba hahafahany ny tanàna.
These things they said, crying out with a loud voice in the Jews' language, to the people of Jerusalem who were on the wall, with the purpose of troubling them and putting fear into them, so that they might take the town;
19 Ary Andriamanitr’ i Jerosalema koa dia mba nolazainy toy ny filazàny ireny andriamanitry ny firenena tany amin’ ny tany hafa ireny, izay asan’ tànan’ olona ihany.
Talking of the God of Jerusalem as if he was like the gods of the peoples of the earth, the work of men's hands.
20 Ary noho izany dia nivavaka Hezekia mpanjaka sy Isaia mpaminany, zanak’ i Amoza, ka nitaraina tamin’ ny lanitra.
And Hezekiah the king, and Isaiah the prophet, the son of Amoz, made prayer because of this, crying out to heaven.
21 Ary Jehovah naniraka anjely izay nandringana ny lehilahy mahery rehetra sy ny mpanapaka ary ny komandy teo an-tobin’ ny mpanjakan’ i Asyria, ka dia lasa nody amin-kenatra Sankeriba. Ary nony niditra tao an-tranon’ ny andriamaniny izy, dia namono azy tao tamin’ ny sabatra ny zanany naterany.
And the Lord sent an angel who put to death all the men of war and the chiefs and the captains in the army of the king of Assyria. So he went back to his country in shame. And when he came into the house of his god, his sons, the offspring of his body, put him to death there with the sword.
22 Toy izany no namonjen’ i Jehovah an’ i Hezekia sy ny mponina tany Jerosalema tamin’ ny tànan’ i Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria, sy tamin’ ny tanan’ ny fahavalony rehetra; eny, niaro azy tamin’ ny manodidina rehetra Izy.
So the Lord gave Hezekiah and the people of Jerusalem salvation from the power of Sennacherib, the king of Assyria, and from all others, giving them rest on every side.
23 Ary ny maro nitondra fanatitra ho an’ i Jehovah tany Jerosalema sy zava-tsoa ho an’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda; dia nalaza teo imason’ ny firenena rehetra izy hatramin’ izany.
And great numbers came to Jerusalem with offerings for the Lord, and things of great price for Hezekiah, king of Judah: so that he was honoured among all nations from that time.
24 Tamin’ izany andro izany dia narary efa saiky maty Hezekia, koa dia nivavaka tamin’ i Jehovah izy, ary Jehovah niteny taminy ka nanome azy famantarana.
In those days Hezekiah was ill and near death; and he made prayer to the Lord, and the Lord in answer gave him a sign.
25 Fa Hezekia tsy mba namaly araka izay soa efa natao taminy; fa niavonavona ny fony, dia niharan’ ny fahatezerana izy mbamin’ ny Joda sy Jerosalema.
But Hezekiah did not do as had been done to him; for his heart was lifted up in pride; and so wrath came on him and on Judah and Jerusalem.
26 Kanefa Hezekia nanetry tena noho ilay efa niavonavonan’ ny fony, dia izy sy ny mponina tany Jerosalema, ka dia tsy niharan’ ny fahatezeran’ i Jehovah ireo fahavelon’ i Hezekia.
But then, Hezekiah, in sorrow for what he had done, put away his pride; and he and all Jerusalem made themselves low, so that the wrath of the Lord did not come on them in Hezekiah's life-time.
27 Ary Hezekia nanana harena sy voninahitra be indrindra; dia nanao trano firaketana izy hitehirizany ny volafotsy sy ny volamena sy ny vato soa sy ny zava-manitra sy ny ampinga mbamin’ izay fanaka tsara rehetra,
And Hezekiah had very great wealth and honour; and he made himself store-houses for his gold and silver and jewels and spices, and for body-covers and all sorts of beautiful vessels.
28 ary tanàna fitehirizana ny vokatra koa, dia ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo, sy trano miefitrefitra hitoeran’ ny biby fiompy samy hafa karazana ary vala hitoeran’ ny ondry aman’ osy.
And store-houses for the produce of grain and wine and oil; and buildings for all sorts of beasts and flocks.
29 Ary nanao tanàna maro ho azy koa izy sady nanana ondry aman’ osy ary omby betsaka, fa nomen’ Andriamanitra fananana be indrindra izy.
And he made towns for himself, and got together much property in flocks and herds: for God had given him great wealth.
30 Ary notampenan’ io Hezekia io ny fivoahan’ ny rano ambony any Gihona ka nampandehaniny tany ambanin’ ny tany hidina mahitsy ho any andrefan’ ny Tanànan’ i Davida izany. Ary nambinina tamin’ ny asany rehetra Hezekia.
It was Hezekiah who had the higher spring of the water of Gihon stopped, and the water taken down on the west side of the town of David. In everything he undertook, Hezekiah did well.
31 Nefa noho ny amin’ ny irak’ ireo mpanapaka tany Babylona, izay naniraka tany aminy mba hanontany ny amin’ ny zava-mahagaga natao teo amin’ ny tany, dia nilaozan’ Andriamanitra izy, mba hizahany toetra azy hahalalany izay rehetra ao am-pony.
However, in the business of the representatives sent by the rulers of Babylon to get news of the wonder which had taken place in the land, God gave up guiding him, testing him to see what was in his heart.
32 Ary ny tantaran’ i Hezekia sisa mbamin’ ny soa nataony, indro, efa voasoratra ao amin’ ny fahitan’ Isaia mpaminany, zanak’ i Amoza, sy ao amin’ ny bokin’ ny mpanjakan’ ny Joda sy ny Isiraely izany.
Now the rest of the acts of Hezekiah, and the good he did, are recorded in the vision of Isaiah the prophet, the son of Amoz, and in the book of the kings of Judah and Israel.
33 Ary Hezekia lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny fiakarana ho any amin’ ny fasan’ ny zanak’ i Davida izy; ary ny Joda rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema nanome voninahitra azy tamin’ ny nahafatesany. Ary Manase zanany no nanjaka nandimby azy.
So Hezekiah went to rest with his fathers, and they put his body into the higher part of the resting-places of the sons of David: and all Judah and the people of Jerusalem gave him honour at his death. And Manasseh his son became king in his place.