< 2 Tantara 31 >

1 Ary nony vita izany rehetra izany, dia niainga nankany an-tanànan’ ny Joda ny Isiraely rehetra izay tao ka nanorotoro ny tsangam-baton-tsampy sy nikapa ny Aseraha ary nandrava ny fitoerana avo sy ny alitara eran’ i Joda sy Benjamina rehetra ary tany Efraima sy Manase koa ambara-paharavany azy rehetra. Dia samy nody ho any amin’ ny taniny sy ny tanànany avy ny Zanak’ isiraely rehetra.
Sasa wakati haya yote yalipokwisha, watu wote wa Israeli waliokuwepo pale wakaenda huko kwenye mji wa Yuda na wakazivunja vipande vipande nguzo za mawe na wakazikata nchi za maashera, na wakazibomoa sehemu za juu na madhabahu katika Yuda yote na Benyamini, na katika Efraimu na Manase, hadi walipoziharibu zote. Kisha watu wote wa Israeli wakarudi, kila mtu kwenye mali zake na kwenye mji wake.
2 Ary Hezekia nanendry ny antokon’ ny mpisorona sy ny Levita araka ny antokony avy, samy araka ny fanompoany avy, dia ny mpisorona sy ny Levita ho amin’ ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavavana sy hanao fanompoam-pivavahana sy hisaotra ary hidera eny amin’ ny vavahadin’ ny tobin’ i Jehovah.
Hezekia akayapanga makundi ya makuhani na Walawi wakajipanaga kwa makundi yao, kila mtu akapangwa katika kazi yake, wote makuhani na Walawi. Aliwapanga wafanye sadaka za kuteketezwa na sadaka za amani, kuhudumu, kutoa shukrani, na kusifu katika malango ya hekalu la Yahwe.
3 Ary ny hatao fanatitra dorana rehetra dia nomen’ ny mpanjaka avy tamin’ ny fananany, dia ny fanatitra dorana maraina sy hariva sy ny fanatitra dorana atao amin’ ny Sabata sy amin’ ny voaloham-bolana sy amin’ ny fotoam-pivavahana, araka ny voasoratra ao amin’ ny lalan’ i Jehovah.
Pia akawapanga katika sehemu ya mfalme kwa ajili ya sadaka za kuteketezwa kutoka katika mali zake, hiyo ni kwa ajili ya, sadaka za kuteketezwa za asubuhi na jioni, na sadaka za kuteketezwa kwa ajili ya siku za Sabato, mwezi mpya, na sikukuu zisizobadilika, kama ilivyokuwa imeandikwa katika sheria ya Yahwe.
4 Ary ny olona izay nonina tany Jerosalema nasainy nandoa ny anjaran’ ny mpisorona sy ny Levita hipetrahany tsara amin’ ny lalàn’ i Jehovah.
Vilevile, akawaamuru watu walioishi Yerusalemu kutoa fungu kwa ajili ya makuhani na Walawi, ili kwamba wawe makini katika kuitii sheria ya Yahwe.
5 Ary nony niely izany teny izany, dia nitondra voaloham-bokatra betsaka ny Zanak’ isiraely, dia vary sy ranom-boaloboka sy diloilo sy tantely ary vokatry ny tany isan-karazany; ary ny fahafolon-karena tamin’ ny zavatra rehetra, dia betsaka koa no nentiny.
Mapema mara baada ya amri kutolewa, watu wa Israeli kwa ukarimu wakatoa malimbuko ya nafaka, divai mpya, mafuta. asali, na kila kitu kutoka kwenye mavuno ya shamba. Wakaleta ndani fungu la kumi la kila kitu; ambavyo vilikuwa kiasi kikubwa sana.
6 Ary ny Isiraely sy ny Joda, izay nonina tany an-tanànan’ ny Joda, nitondra ny fahafolon-karena koa, dia omby sy ondry aman’ osy, ary ny fahafolon’ ny zavatra masìna izay nohamasinina ho an’ i Jehovah Andriamaniny, ary navosainy nitokotoko maro ireny.
Watu wa Israeli na Yuda ambao waliishi katika mji wa Yuda pia wakaleta zaka za ng'ombe na kondoo, na zaka za vitu vitakatifu amabavyo vilikuwa vimewekwa wakfu kwa Yahwe Mungu wao, na wakavifunga katika marundo.
7 Tamin’ ny volana fahatelo no vao nanomboka nanokotoko azy izy, ary tamin’ ny volana fahafito no nahavitany azy.
Ilikuwa mwezi wa tatu wakati walipoanza kufunga michango yao katika marundo, na wakamaliza mwezi wa saba.
8 Ary nony avy Hezekia sy ny mpanapaka ka nahita ireo niavosa ireo, dia nisaotra an’ i Jehovah sy ny Isiraely olony izy.
Hezekia na viongozi walipokuja na kuyaona marundo, wakambariki Yahwe na watu wake Israeli.
9 Ary Hezekia nanontany ny mpisorona sy ny Levita ny amin’ ireo niavosa ireo.
Kisha Hezekia akawauliza makuhani na Walawi kuhusu marundo.
10 Ary Azaria mpisoronabe, taranak’ i Zadoka, namaly azy hoe: Hatramin’ ny niandohan’ ny nitondran’ ny olona ny fanatitra ho ao an-tranon’ i Jehovah dia nihinana izahay ka voky, sady be koa ny sisa; fa Jehovah nitahy ny olony, ary ny sisa dia ireo betsaka ireo.
Azaria, kuhani mkuu, wa nyumba ya Zadoki, akamjibu na akasema, “Tangu watu walipoanza kuleta matoleo katika nyumba ya Yahwe, tumekula na tulikuwa navyo vya kutosha, tulibakiza vingi, kwa maana Yahwe amewabariki watu wake. kilichokuwa kimebaki ni kiasi kikubwa hiki hapa.”
11 Ary nasain’ i Hezekia namboatra efi-trano fitehirizana tao amin’ ny tranon’ i Jehovah izy; dia namboariny izany.
Kisha Hezekia akaagiza vyumba vya kuhifadhia viandaliwe katika nyumba ya Yahwe, na wakaviandaa.
12 Ary tamin’ ny fahamarinany no nampidirany ny fanatitra sy ny fahafolon-karena sy ny zavatra nohamasininy; ary Konania Levita no mpitahiry ireny, ary simey rahalahiny no manarakaraka.
Kisha kwa uaminifu wakayaleta ndani matoleo, zaka, na vitu ambavyo ni vya Yahwe. Konania, Mlawi, alikuwa meneja mkuu wa hivyo vitu, na Shimei, ndu yake, alikuwa wa pili kwake.
13 Ary Jehiela sy Azazia sy Nahata sy Asahela sy Jerimota sy Jozabada sy Eliala sy Jismakia sy Mahata ary Benaia, fehin’ i Konania sy Simey rahalahiny, no tonian’ ireny, araka ny didin’ i Hezekia mpanjaka sy Azaria, mpanapaka ny tranon’ Andriamanitra.
Yehieli, Azaria, Nahathi, Asaheli, na Yerimothi, Yazabadi, Elieli, Ismakia, Mahathi, na Benania walikuwa wasimamizi chini ya mkono wa Konania na Shimei ndu yake, kwa uteuzi wa Hezekia, mfalme, na Azaria mwanagalizi mkuu wa nyumba ya Mungu.
14 Ary Kore Levita, zanak’ i Jimna, mpiandry varavarana tao atsinanana, no tonian’ ny fanati-tsitrapo ho an’ Andriamanitra, hizara ny fanatitra asandratra ho an’ i Jehovah sy ny zava-masìna indrindra.
Kore mwana wa Imna Mlawi, bawabu katika mlango wa mashariki, alikuwa juu ya sadaka za hiari za Mungu, msimamizi wa kugawa sadaka kwa Yahwe na sadaka takatifu kuliko zote.
15 Ary ny fehin’ i Kore dia Edena sy Miniamina sy Jesoa sy Semaia sy Amaria ary Sekania tao amin’ ny tanànan’ ny mpisorona; ary adidin’ ireo ny hizara ho an’ ny rahalahiny araka ny antokony avy, na ny lehibe na ny kely,
Chini yake walikuwepo Edeni, Miniamini, Yoshua, Shemai, Amaaria, na Shekania, katika miji ya makuhani. Wakazijaza ofisi za uaminifu, ili kutoa sadaka hizi kwa ndugu zao fungu kwa fungu, kwa wote walio muhimu na wasiomuhimu.
16 afa-tsy ny lehilahy voasoratra hatramin’ ny telo taona no ho miakatra, dia izay miditra ao an-tranon’ i Jehovah handray ny anjarany isanandro noho ny fanompoany amin’ ny anjara-raharahany araka ny antokony avy.
Pia wakatoa kwa wale wanaume wenye umri wa miaka mitatu na kuendelea, amabao walikuwa wameandikwa kataika kaitatu cha babu zao walioiingia nyumba ya Yahwe, kwa mujibu wa ratiba ya kila siku, kuifanya kazi katika ofisi zao na zamu zao. (Mandishi ya kale yanasema hivi: “badala ya wanaume wa umri wa miaka mitatu na kuendelea”, wanaume wa mika thelathini na kuendelea.”).
17 Ary ny amin’ ny fanoratana ny mpisorona koa, dia nosoratana araka ny fianakaviany avy, ary ny Levita koa hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, araka ny anjara-raharahany sy ny antokony avy.
Waliwaganya makuhani kwa mujibu wa kumbu kumbu za babu zao, na hivyo hivyo kwa Walawi wenye umri wa miaka ishirini na zaidi, kwa mujibu wa ofisi zao na zamu zao.
18 Ary nomena koa ny ankohonany rehetra izay voasoratra, dia ny vadiny mbamin’ ny zananilahy sy ny zananivavy rehetra; fa tamin’ ny fahamarinany no nanamasinany ny tenany ny amin’ ny zavatra masìna.
Waliwajumuisha watoto wao wadogo wote, wake zao, wana wao, na binti zao, katika jamii yote, kwa maana walikuwa waaminifu katika kujitunza wenye watakatifu.
19 Ary ho an’ ny mpisorona, taranak’ i Arona, koa, izay tany amin’ ny tany manodidina ny tanànany, dia nisy olona voatonona anarana tamin’ ny isan-tanàna hanome anjara ny lehilahy rehetra amin’ ny mpisorona sy ny Levita rehetra voasoratra.
Kwa maana makuhani, uzao wa Haruni, amabao walikuwa katika mashamba ya vijiji wakimilikiwa na miji yao, au katika kila mji, palikuwa na watu walioteuliwa kwa majina kutoa mafungu kwa ajili ya wanaume miongoni mwa makuhani, na kwa wote waliokuwa wameorodheshwa katika kumbukumbu za babu zao kuwa miongoni mwa Walawi.
20 Ary toy izany no nataon’ i Hezekia eran’ i Joda rehetra; fa nanao izay tsara sy mety ary marina eo anatrehan’ i Jehovah Andriamaniny izy.
Hezekia alifanya haya katika Yuda yote. Akakamilisha kilichokuwa chema, haki, na uaminifu mbele za Yahwe Mungu wake.
21 Ary ny raharaha rehetra izay natombony ny amin’ ny fanompoana ao an-tranon’ Andriamanitra sy ny lalàna ary ny didy hitadiavana an’ Andriamaniny dia nataony tamin’ ny fony rehetra, fa nambinina izy
Katika kila jambo ambalo alianzisha katika ibada ya nyumba ya Mungu, sheria, na zile amri, kumtafuta Mungu, alikifanya kwa moyo wake wote, na alifanikiwa.

< 2 Tantara 31 >