< 2 Tantara 30 >

1 Ary Hezekia naniraka tany amin’ ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nanoratra taratasy ho amin’ ny Efraima sy ny Manase koa mba hankanesany any an-tranon’ i Jehovah any Jerosalema hitandrina ny Paska ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
Hezekia nĩatũmire ndũmĩrĩri Isiraeli guothe na Juda, o na akĩandĩkĩra Efiraimu na Manase marũa ma kũmeeta moke hekarũ-inĩ ya Jehova kũu Jerusalemu, makũngũĩre Bathaka ya Jehova Ngai wa Isiraeli.
2 Fa ny mpanjaka sy ny mpanapaka mbamin’ ny fiangonana rehetra tany Jerosalema dia niara-nihevitra ny amin’ ny hitandremana ny Paska amin’ ny volana faharoa.
Mũthamaki na anene ake na kĩũngano kĩu gĩothe kũu Jerusalemu magĩtua atĩ megũkũngũĩra Bathaka mweri wa keerĩ.
3 Nefa tsy nahatandrina azy tamin’ izany andro izany izy, satria ny mpisorona tsy mbola nanamasina ny tenany loatra, ary ny olona koa tsy mbola vory tany Jerosalema.
Matiahotete kũmĩkũngũĩra ihinda-inĩ rĩayo tondũ gũtiarĩ na athĩnjĩri-Ngai a kũigana arĩa meetheretie, na andũ mationganĩte Jerusalemu.
4 Ary sitraky ny mpanjaka sy ny fiangonana rehetra izany.
Mũbango ũcio nĩwonekire wagĩrĩire harĩ mũthamaki o na harĩ kĩũngano gĩothe.
5 Dia nandidy handefa teny eran’ ny Isiraely rehetra hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana izy mba hankanesan’ ny olona hitandrina ny Paska ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, any Jerosalema; fa ny be sy ny maro tsy mba nitandrina azy araka ny voasoratra.
Nao magĩtua atĩ gũthiĩ kwanĩrĩrwo Isiraeli guothe, kuuma Birishiba nginya Dani, andũ meetwo moke Jerusalemu makũngũĩre Bathaka ya Jehova Ngai wa Isiraeli kuo. Ndĩakoretwo ĩgĩkũngũĩrwo nĩ andũ aingĩ kũringana na ũrĩa kwandĩkĩtwo.
6 Dia lasa ny tsimandoa nitondra ny taratasy avy tamin’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka hitety ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nilaza araka ny didin’ ny mpanjaka hoe: Ry zanak’ isiraely ô, miverena amin’ i Jehovah, Andriamanitr’ i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba hiverenany ho amin’ izay sisa aminareo izay tsy azon’ ny tànan’ ireo mpanjakan’ i Asyria.
Kũrũmanĩrĩra na watho wa mũthamaki, atwari a marũa magĩthiĩ Isiraeli na Juda guothe marĩ na marũa kuuma kũrĩ mũthamaki na kuuma kũrĩ anene ake, marĩa maandĩkĩtwo atĩrĩ: “Andũ a Isiraeli, cookererai Jehova Ngai wa Iburahĩmu, na Isaaka, na Isiraeli, nĩguo nake amũcookerere inyuĩ arĩa mũtigaire, inyuĩ mũhonokete kuuma guoko-inĩ kwa athamaki a Ashuri.
7 Aza manahaka ny rainareo sy ny rahalahinareo izay nivadika tamin’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ka dia natolony ho figagana araka izao hitanareo izao izy.
Mũtigatuĩke ta maithe manyu kana ariũ a maithe manyu, arĩa maagire kwĩhokeka harĩ Jehova Ngai wa maithe mao, nake akĩmatua kĩndũ kĩa magigi ta ũrĩa mũreyonera.
8 Koa aza manamafy ny hatokareo toy ny nataon’ ny razanareo, fa atolory an’ i Jehovah ny tananareo, ka midìra ao amin’ ny fitoerany masìna, izay nohamasininy ho mandrakizay; ary manompoa an’ i Jehovah Andriamanitrareo, mba hiala aminareo ny fahatezerany mirehitra.
Mũtikoomie ciongo cianyu ta ũrĩa maithe manyu meekire; mwĩheanei harĩ Jehova. Ũkai handũ-harĩa-haamũre, harĩa we aamũrĩte nginya tene. Tungatĩrai Jehova Ngai wanyu, nĩgeetha marakara make mahiũ mamweherere.
9 Fa raha miverina amin’ i Jehovah ianareo, dia hahazo famindram-po eo anatrehan’ izay nitondra azy ho babo ny rahalahinareo sy ny zanakareo, ka dia ho tafaverina amin’ ity tany ity izy; fa miantra sy mamindra fo Jehovah Andriamanitrareo, ary tsy mba hiamboho anareo Izy, raha miverina aminy ianareo.
Mũngĩcookerera Jehova-rĩ, hĩndĩ ĩyo ariũ a maithe manyu na ciana cianyu no maiguĩrwo tha nĩ arĩa maamatahire, na nĩmagacooka bũrũri ũyũ, nĩgũkorwo Jehova Ngai wanyu nĩ mũtugi na nĩ mũigua tha. Mũngĩmũcookerera ndakamũhutatĩria ũthiũ.”
10 Ary ny tsimandoa nitety ny tanàna hatrany amin’ ny tanin’ ny Efraima sy ny Manase ka hatrany amin’ ny Zebolona; fa nihomehezan’ ny olona sy novazivaziny foana izy.
Atwari a marũa magĩthiĩ itũũra o itũũra kũu Efiraimu na Manase, o nginya Zebuluni, no rĩrĩ, andũ makĩmanyũrũria, na makĩmathekerera.
11 Kanefa kosa ny tamin’ ny Asera sy ny Manase ary ny Zebolona dia nisy ihany nanetry tena ka tonga tany Jerosalema.
O na gũkĩrĩ ũguo-rĩ, andũ amwe a Asheri, na Manase, na Zebuluni makĩĩnyiihia na magĩthiĩ Jerusalemu.
12 Ary ny tànan’ Andriamanitra dia napetrany tamin’ ny Joda koa mba hanome azy fo iray hankatò ny didin’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka noho ny tenin’ i Jehovah.
Ningĩ o na kũu Juda guoko kwa Ngai kwarĩ igũrũ rĩa andũ, nake akĩmahe ũrũmwe wa meciiria ma gwathĩkĩra ũrĩa mũthamaki na ndungata ciake maathanĩte, marũmĩrĩire kiugo kĩa Jehova.
13 Ary tamin’ ny volana faharoa dia nisy olona maro nivory tany Jerosalema hitandrina ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia fivoriana lehibe tokoa.
Kĩrĩndĩ kĩingĩ mũno gĩkĩũngana kũu Jerusalemu nĩguo gĩkũngũĩre Gĩathĩ kĩa Mĩgate ĩtarĩ Mĩĩkĩre Ndawa ya Kũimbia mweri wa keerĩ.
14 Ary nitsangana izy, dia nandrava ireo alitara tany Jerosalema; ary ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra rehetra dia noravany koa ka nariany tany amin’ ny lohasahan-driaka Kidrona.
Makĩeheria igongona iria ciarĩ kũu Jerusalemu o na makĩeheria igongona cia gũcinĩra ũbumba, magĩthiĩ magĩciikia Gĩtuamba gĩa Kidironi.
15 Dia namono ny Paska izy tamin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo tamin’ ny volana faharoa; ary menatra, ny mpisorona sy ny Levita, dia nanamasina ny tenany ka nampiditra ny fanatitra dorana ho ao an-tranon’ i Jehovah.
Nĩmathĩnjire gatũrũme ka Bathaka mũthenya wa ikũmi na ĩna wa mweri wa keerĩ. Nao athĩnjĩri-Ngai na Alawii magĩconoka na magĩĩtheria, na makĩrehe maruta ma njino hekarũ-inĩ ya Jehova.
16 Ary nitsangana teo amin’ ny fitoerany tahaka ny fanao izy, araka ny lalàn’ i Mosesy, lehilahin’ Andriamanitra; ary ny mpisorona nanopy ny rà izay teny an-tànan’ ny Levita.
Ningĩ makĩambĩrĩria ũtungata wao wa o mũthenya o ta ũrĩa kwandĩkĩtwo Watho-inĩ wa Musa mũndũ wa Ngai. Athĩnjĩri-Ngai makĩminjaminja thakame ĩrĩa maanengereirio nĩ Alawii.
17 Fa nisy maro tao amin’ ny fiangonana izay tsy mba nanamasina ny tenany, ka dia ny Levita no nampamonoina ny Paska hisolo izay rehetra tsy madio mba hanamasina azy ho an’ i Jehovah.
Na tondũ nĩ kwarĩ na andũ aingĩ kĩrĩndĩ-inĩ kĩu mateetheretie-rĩ, Alawii nĩo maaheirwo wĩra wa gũthĩnja nginya tũtũrũme twa Bathaka twa andũ acio othe maarĩ na thaahu, tondũ matingĩamũrĩire Jehova tũtũrũme twao.
18 Fa nisy olona betsaka, dia maro avy tamin’ ny Efraima sy ny Manase sy ny Isakara ary ny Zebolona, no tsy mba nanadio ny tenany, kanefa nihinana ny Paska ihany izy, fa tsy araka izay voasoratra. Ary Hezekia nivavaka ho an’ ireny ka nanao hoe: Jehovah tsara ô, mamelà
O na akorwo andũ aingĩ arĩa mookĩte kuuma Efiraimu, na Manase, na Isakaru, na Zebuluni matietheretie-rĩ, nĩmarĩire Bathaka matekũrũmĩrĩra ũrĩa maandĩko moigĩte. No Hezekia akĩmahoera, akiuga atĩrĩ, “Jehova, o we ũrĩa mwega, arorekera mũndũ o wothe
19 izay rehetra efa nampiomana ny fony hitady an’ Andriamanitra, dia Jehovah, Andriamanitry ny razany, na dia tsy madio araka ny fahadiovan’ ny fitoerana masìna aza izy.
ũrĩa ũtuĩte na ngoro yake kũrongooria Ngai, o we Jehova, Ngai wa maithe make, o na angĩkorwo ndetheretie kũringana na ũrĩa mawatho ma handũ-harĩa-haamũre matariĩ.”
20 Ary Jehovah nihaino an’ i Hezekia ka nahasitrana ny olona.
Nake Jehova akĩigua ihooya rĩa Hezekia, akĩhonia andũ acio.
21 Ary ny Zanak’ isiraely izay tany Jerosalema dia nitandrina hafitoana ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin’ ny fifaliana lehibe; ary ny Levita sy ny mpisorona nidera an’ i Jehovah isan’ andro sady nampaneno zavatra mafy faneno ho an’ i Jehovah.
Nao andũ a Isiraeli arĩa maarĩ kũu Jerusalemu magĩkũngũĩra Gĩathĩ kĩa Mĩgate ĩtarĩ Mĩĩkĩre Ndawa ya Kũimbia marĩ na gĩkeno kĩnene mĩthenya mũgwanja, nao Alawii na athĩnjĩri-Ngai makainagĩra Jehova o mũthenya marĩ na inanda cia kũgooca Jehova.
22 Ary Hezekia dia nankasitraka ny Levita rehetra, izay nanana fahaizana ho an’ i Jehovah; ary nihinana ny Paska hafitoana izy sady nanatitra fanati-pihavanana koa sy nisaotra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany.
Nake Hezekia akĩaria ciugo cia kũũmĩrĩria Alawii othe arĩa moonanirie ũmenyo mwega wa gũtungatĩra Jehova. Handũ ha mĩthenya ĩyo mũgwanja nĩmarĩire kĩrĩa maagaĩirwo, na makĩruta maruta ma ũiguano, na makĩgooca Jehova Ngai wa maithe mao.
23 Ary ny fiangonana rehetra niara-nihevitra ny amin’ ny hitandremana hafitoana indray; ka dia mbola nitandrina hafitoana koa tamin’ ny hafaliana izy.
Kĩũngano kĩu gĩothe gĩgĩcooka gĩkĩiguanĩra gĩkũngũĩre gĩathĩ kĩu mĩthenya ĩngĩ mũgwanja; nĩ ũndũ ũcio magĩkũngũĩra mĩthenya ĩngĩ mũgwanja makenete mũno.
24 Fa Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, nanome vantotr’ ombilahy arivo sy ondry aman’ osy fito arivo ho an’ ny fiangonana; ary ny mpanapaka koa nanome vantotr’ ombilahy arivo sy ondry aman’ osy iray alina ho an’ ny fiangonana; ary maro ny mpisorona no nanamasina ny tenany.
Hezekia mũthamaki wa Juda akĩruta ndegwa 1,000 na ngʼondu na mbũri 7,000 nĩ ũndũ wa kĩũngano kĩu, nao anene makĩmahe ndegwa 1,000 na ngʼondu na mbũri 10,000. Athĩnjĩri-Ngai aingĩ mũno magĩĩtheria.
25 Ary faly ny fiangonana, dia ny Joda rehetra sy ny mpisorona sy ny Levita sy izay rehetra tafangona avy tamin’ ny Isiraely mbamin’ ny vahiny izay avy tany amin’ ny tany Isiraely ary izay nonina tany Joda.
Kĩũngano gĩothe kĩa Juda gĩgĩkena hamwe na athĩnjĩri-Ngai na Alawii na andũ arĩa othe monganĩte moimĩte Isiraeli, hamwe na andũ a kũngĩ arĩa mookĩte kuuma Isiraeli o na arĩa maatũũraga Juda.
26 Koa nisy fifaliana be tany Jerosalema; fa hatramin’ ny andron’ i Solomona, zanak’ i Davida, mpanjakan’ ny Isiraely, dia tsy mbola nisy tahaka izany tany Jerosalema.
Nĩ kwarĩ na gĩkeno kĩnene kũu Jerusalemu, nĩgũkorwo kuuma hĩndĩ ya Solomoni mũrũ wa Daudi mũthamaki wa Isiraeli gũtionekete ũndũ ta ũcio kũu Jerusalemu.
27 Dia nitsangana ny Levita sy ny mpisorona ka nitso-drano ny olona; ary nohenoin’ Andriamanitra ny feony, ka niakatra ho any an-danitra, fonenany masìna, ny fivavany.
Athĩnjĩri-Ngai na Alawii makĩrũgama, makĩrathima andũ, nake Ngai akĩmaigua, nĩgũkorwo ihooya rĩao nĩrĩakinyire o igũrũ, gĩikaro gĩake gĩtheru.

< 2 Tantara 30 >