< 2 Tantara 29 >

1 Dimy amby roa-polo taona Hezekia, fony izy vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Abia, zanakavavin’ i Zakaria.
Hezekia aarĩ wa mĩaka mĩrongo ĩĩrĩ na ĩtano rĩrĩa aatuĩkire mũthamaki, nake agĩthamaka arĩ Jerusalemu mĩaka mĩrongo ĩĩrĩ na kenda. Nyina eetagwo Abija mwarĩ wa Zekaria.
2 Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon’ i Davida rainy.
Nake agĩĩka maũndũ marĩa maagĩrĩire maitho-inĩ ma Jehova, o ta ũrĩa ithe Daudi eekĩte.
3 Tamin’ ny volana voalohany tamin’ ny taona voalohany nanjakany dia namoha ny varavaran’ ny tranon’ i Jehovah izy ka namboatra azy.
Mweri wa mbere wa mwaka wa mbere wa wathani wake-rĩ, nĩahingũrire mĩrango ya hekarũ ya Jehova na akĩmĩthondeka kũrĩa yathũkĩtio.
4 Ary dia nampidiriny tao ny mpisorona sy ny Levita ka nangoniny teo an-kalalahana atsinanana.
Nake akĩrehe athĩnjĩri-Ngai na Alawii, akĩmacookanĩrĩria hamwe nja ya mwena wa irathĩro,
5 Ary hoy izy taminy: Mihainoa ahy, ianareo Levita, ka hamasino ny tenanareo izao, ary hamasino koa ny tranon’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, ary esory amin’ ny fitoerana masìna ny loto.
akiuga atĩrĩ: “Ta thikĩrĩriai inyuĩ Alawii! Mwĩtheriei rĩu, na mũtherie hekarũ ya Jehova Ngai wa maithe manyu. Eheriai kĩndũ gĩothe kĩrĩ thaahu kuuma handũ-harĩa-haamũre.
6 Fa ny razantsika nandiso sy nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah Andriamanitsika ary nahafoy Azy sy nihodina ka niamboho ny fonenan’ i Jehovah.
Maithe maitũ matiarĩ ehokeku; nĩmekire ũũru maitho-inĩ ma Jehova Ngai witũ na makĩmũtirika. Nĩmahũgũrire mothiũ mao makĩaga kũrora gĩikaro kĩa Jehova, makĩmũhutatĩra.
7 Ary narindriny ny varavarana amin’ ny lavarangana fidirana, dia novonoiny ny jiro, sady tsy nodorany ny ditin-kazo manitra, ary ny fanatitra dorana tsy nateriny tao amin’ ny fitoerana masìna ho an’ Andriamanitry ny Isiraely.
O na ningĩ nĩmahingire mĩrango ya gĩthaku na makĩhoria matawa. Matiacinire ũbumba kana makĩrutĩra Ngai wa Isiraeli maruta o na marĩkũ ma njino handũ-inĩ harĩa haamũre.
8 Ka dia nihatra tamin’ ny Joda sy Jerosalema ny fahatezeran’ i Jehovah, ka nanolotra azy ho mpanjenjena izy sy ho figagana ary ho zavatra mampisitrisitra toy izao hitan’ ny masonareo izao.
Nĩ ũndũ ũcio-rĩ, marakara ma Jehova magĩkora Juda na Jerusalemu; nake agĩtũma matuĩke ta kĩndũ gĩa kũmakania na kĩa magigi, na gĩa kũnyũrũrio, o ta ũrĩa mũreyonera na maitho manyu.
9 Fa he! lavon’ ny sabatra ny razantsika, ary ny zanakalahintsika sy ny zanakavavintsika sy ny vadintsika dia efa babo noho izany.
Kĩu nĩkĩo gĩatũmire maithe maitũ mooragwo na rũhiũ rwa njora, na nokĩo gĩtũmĩte ariũ aitũ, na airĩtu aitũ, na atumia aitũ matahwo.
10 Ka dia efa mby ato am-poko ny hanao fanekena amin’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, mba hiala amintsika ny fahatezerany mirehitra.
Na rĩrĩ, ndĩciirĩtie na ngoro yakwa kũrĩkanĩra kĩrĩkanĩro na Jehova, Ngai wa Isiraeli, nĩgeetha marakara make mahiũ matweherere.
11 Ry zanako, aza malaina ianareo; fa ianareo no nofidin’ i Jehovah hijanona eo anatrehany hanompo Azy ka ho tonga mpanao fanompoam-pivavahana sy mpandoro ditin-kazo manitra ho Azy.
Atĩrĩrĩ, ariũ akwa, mũtigatuĩke andũ matarũmbũyagia ũndũ, nĩgũkorwo Jehova nĩamũthuurĩte mũrũgamage mbere yake mũmũtungatagĩre, mũtuĩke a gũtungata mũrĩ mbere yake na mũcinage ũbumba.”
12 Dia nitsangana ny Levita, dia Mahata, zanak’ i Amasay, sy Joela, zanak’ i Azaria, tamin’ ny taranaky ny Kehatita; ary tamin’ ny taranak’ i Merary dia Kisy, zanak’ i Abdia, sy Azaria, zanak’ i Jehalalila; ary tamin’ ny Gersonita dia Joa, zanak’ i Zima, sy Edena, zanak’ i Joa;
Hĩndĩ ĩyo Alawii aya makĩambĩrĩria kũruta wĩra: kuuma kũrĩ Akohathu, maarĩ Mahathu mũrũ wa Amasai, na Joeli mũrũ wa Azaria; kuuma kũrĩ Amerari, maarĩ Kishu mũrũ wa Abudi, na Azaria mũrũ wa Jehaleleli; kuuma kũrĩ Agerishoni, maarĩ Joa mũrũ wa Zima, na Edeni mũrũ wa Joa;
13 ary tamin’ ny taranak’ i Elizafana dia Simry sy Jeiela; ary tamin’ ny taranak’ i Asafa dia Zakaria sy Matania;
kuuma kũrĩ njiaro cia Elizafani, maarĩ Shimuri na Jeieli; kuuma kũrĩ njiaro cia Asafu, maarĩ Zekaria na Matania;
14 ary tamin’ ny taranak’ i Hemana dia Jehiela sy Simey; ary tamin’ ny taranak’ i Jedotona dia Semaia sy Oziela.
Kuuma kũrĩ njiaro cia Hemani, maarĩ Jehueli na Shimei; kuuma kũrĩ njiaro cia Jeduthuni, maarĩ Shemaia na Uzieli.
15 Ary namory ny rahalahiny izy, ka dia samy nanamasina ny tenany avy, dia tonga araka ny didin’ ny mpanjaka noho ny tenin’ i Jehovah mba hanadio ny tranon’ i Jehovah.
Maarĩkia gũcookanĩrĩria ariũ a ithe wao hamwe na meetheria-rĩ, magĩtoonya hekarũ ya Jehova, makĩmĩtheria, o ta ũrĩa mũthamaki aathanĩte arũmĩrĩire kiugo kĩa Jehova.
16 Ary ny mpisorona niditra tao amin’ ny efitra anatiny amin’ ny tranon’ i Jehovah mba hanadio azy, ka navoakany ny loto rehetra izay hitany tao an-tempolin’ i Jehovah ho eo an-kianjan’ ny tranon’ i Jehovah. Ary ny Levita kosa nandray ireny havoakany ho any amin’ ny lohasahan-driaka Kidrona.
Nao athĩnjĩri-Ngai magĩtoonya handũ-harĩa-haamũre ha Jehova nĩguo mahatherie. Na indo ciothe iria itaarĩ theru iria maakorire kũu hekarũ-inĩ ya Jehova magĩciruta magĩciiga nja ya hekarũ ya Jehova. Nao Alawii magĩcioya magĩcitwara Gĩtuamba-inĩ gĩa Kidironi.
17 Ary tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana voalohany no nanomboka ny fanamasinana izy, ary tamin’ ny andro fahavalo tamin’ io volana io dia niditra teo amin’ ny lavarangana fidirana an’ i Jehovah izy; ka dia nanamasina ny tranon’ i Jehovah tamin’ ny havaloana izy; ary tamin’ ny andro fahenina ambin’ ny folo tamin’ ny volana voalohany no nahavitany azy.
Maambĩrĩirie wĩra wa gũtheria hekarũ mũthenya wa mbere wa mweri wa mbere, na mũthenya wa ĩnana wa mweri ũcio magĩkinya gĩthaku-inĩ kĩa Jehova. Na handũ ha matukũ mangĩ manana-rĩ, magĩtheria hekarũ ya Jehova yo nyene, na makĩrĩkia wĩra ũcio mũthenya wa ikũmi na ĩtandatũ wa mweri ũcio wa mbere.
18 Dia niditra tao amin’ i Hezekia mpanjaka izy ka nanao hoe: Efa voadionay avokoa ny tranon’ i Jehovah sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy ary ny latabatry ny mofo aseho mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy koa.
Magĩcooka magĩthiĩ kũrĩ Mũthamaki Hezekia, makĩmwĩra atĩrĩ: “Nĩtũtheretie hekarũ ya Jehova yothe, kĩgongona kĩa maruta ma njino, na indo ciakĩo ciothe, na metha ĩrĩa ĩigagĩrĩrwo mĩgate ĩrĩa mĩamũre, na indo ciayo ciothe.
19 Ary ny fanaka rehetra izay novetavetain’ i Ahaza mpanjaka tamin’ ny nanotany, fony izy mbola nanjaka, dia efa namboarinay sy nohamasininay, koa indreo izy eo anoloan’ ny alitaran’ i Jehovah.
Nĩtũhaarĩirie na tũkaamũra indo iria ciothe Mũthamaki Ahazu ehereetie Hekarũ-inĩ rĩrĩa aarĩ mũthamaki nĩ ũndũ wa kwaga wĩhokeku. Na rĩrĩ, rĩu irĩ mbere ya kĩgongona kĩa Jehova.”
20 Dia nifoha maraina koa Hezekia mpanjaka ka namory ny mpanapaka ny tanàna, dia niakatra ho ao an-tranon’ i Jehovah.
Na rĩrĩ, rũciinĩ tene, Mũthamaki Hezekia agĩcookanĩrĩria anene a itũũra rĩu inene na magĩthiĩ hekarũ-inĩ ya Jehova.
21 Ary nitondra vantotr’ ombilahy fito sy ondrilahy fito sy zanak’ ondry fito izy ary osilahy fito ho fanatitra noho ny ota ho an’ ny fanjakana sy ho an’ ny fitoerana masìna ary ho an’ ny Joda. Ary ny mpisorona, taranak’ i Arona, dia nasainy nanatitra ireo teo ambonin’ ny alitaran’ i Jehovah.
Nao makĩrehe ndegwa mũgwanja, na ndũrũme mũgwanja, na tũtũrũme mũgwanja, o na thenge mũgwanja cia igongona rĩa kũhoroherio mehia makoniĩ ũthamaki ũcio, na ma handũ-harĩa-haamũre o na ma Juda. Nake mũthamaki agĩatha athĩnjĩri-Ngai, o acio a njiaro cia Harũni, macithĩnjĩre hau kĩgongona-inĩ kĩa Jehova.
22 Dia novonoiny ny vantotr’ ombilahy, ary noraisin’ ny mpisorona ny rà ka natopiny tamin’ ny alitara; ary novonoiny koa ny ondrilahy, dia natopiny tamin’ ny alitara ny ràny; ary novonoiny koa ny zanak’ ondry, dia natopiny tamin’ ny alitara ny ràny.
Nĩ ũndũ ũcio magĩthĩnja ndegwa icio, nao athĩnjĩri-Ngai makĩoya thakame yacio makĩmĩminjaminjĩria kĩgongona; magĩcooka magĩthĩnja ndũrũme icio na makĩminjaminjĩria kĩgongona thakame yacio; magĩcooka magĩthĩnja tũtũrũme tũu na makĩminjaminjĩria kĩgongona thakame yatuo.
23 Ary ny osilahy ho fanatitra noho ny ota dia nentiny teo anatrehan’ ny mpanjaka sy ny fiangonana ka nametrahany tanana;
Nacio thenge cia igongona rĩa kũhoroherio mehia ikĩrehwo mbere ya mũthamaki na kĩũngano kĩu, nao magĩciigĩrĩra moko.
24 dia novonoin’ ny mpisorona ireo, ka ny ràny nataony teo amin’ ny alitara araka ny fanao ho fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana ho an’ ny Isiraely; fa ho an’ ny Isiraely rehetra no nasain’ ny mpanjaka nanaovana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota.
Nao athĩnjĩri-Ngai magĩcooka magĩthĩnja thenge icio hamwe na thakame yacio, magĩcirutĩra hau kĩgongona-inĩ irĩ maruta ma kũhoroheria mehia nĩguo ihoroherie andũ a Isiraeli othe, nĩ tondũ mũthamaki nĩathanĩte kũrutwo iruta rĩa njino na iruta rĩa kũhoroheria mehia rĩrĩ rĩa andũ othe a Isiraeli.
25 Ary ny mpanjaka nametraka ny Levita tao an-tranon’ i Jehovah hitondra kipantsona sy valiha ary lokanga, araka ny didin’ i Davida mpanjaka sy Gada, mpahitan’ ny mpanjaka, sy Natana mpaminany; fa izany no didin’ i Jehovah nampitondrainy ny mpaminaniny.
Mũthamaki akĩiga Alawii hekarũ-inĩ ya Jehova marĩ na thaani iria ihũũrithanagio ikagamba, na inanda cia mũgeeto na cia kĩnũbi ta ũrĩa gwaathanĩtwo nĩ Daudi na Gadi mũndũ ũrĩa wonagĩra mũthamaki maũndũ, na Nathani ũrĩa mũnabii; ũndũ ũyũ waathanĩtwo nĩ Jehova na tũnua twa anabii ake.
26 Ary ny Levita nitsangana teo nitondra ny zava-manenon’ i Davida, ary ny mpisorona koa nitondra ny trompetra.
Nĩ ũndũ ũcio Alawii makĩrũgama mehaarĩirie na inanda cia Daudi cia kũina, na athĩnjĩri-Ngai marĩ na tũrumbeta twao.
27 Ary nasain’ i Hezekia naterina teo ambonin’ ny alitara ny fanatitra dorana; ary raha vao natomboka ny nanaterana ny fanatitra dorana, dia natomboka koa ny fihirana ho an’ i Jehovah sy ny fitsofana ny trompetra ka notarihin’ ny zava-manenon’ i Davida, mpanjakan’ ny Isiraely.
Hezekia agĩathana atĩ kũrutwo iruta rĩa njino kĩgongona-inĩ. Narĩo igongona rĩambĩrĩria kũrutwo-rĩ, andũ makĩambĩrĩria kũinĩra Jehova marĩ na tũrumbeta na inanda cia kũina cia Daudi mũthamaki wa Isiraeli.
28 Ary ny fiangonana rehetra niankohoka, ary ny mpihira nihira, ary ny mpitsoka trompetra nitsoka mandra-pahavitan’ ny fanatitra dorana.
Kĩũngano kĩu gĩothe gĩkĩinamĩrĩra, gĩkĩhooya, nao aini makĩinaga na tũrumbeta tũkĩhuhagwo. Maũndũ macio mothe magĩthiĩ na mbere nginya igongona rĩu rĩa njino rĩkĩrĩka kũrutwo.
29 Ary nony efa nitsahatra ny nanaterana izany, dia nandohalika sy niankohoka ny mpanjaka mbamin’ izay rehetra teo aminy.
Na rĩrĩa maruta maarĩkirie kũrutwo-rĩ, mũthamaki na andũ othe arĩa maarĩ nake hau magĩturia maru makĩhooya.
30 Ary Hezekia mpanjaka sy ny mpanapaka nampihira ny Levita hidera an’ i Jehovah tamin’ ny teny namboarin’ i Davida sy Asafa mpahita. Ary nihira fiderana tamin’ ny hafaliana izy, dia niondrika sy niankohoka.
Nake Mũthamaki Hezekia na anene ake magĩatha Alawii magooce Jehova na ciugo cia Daudi na cia Asafu mũndũ ũrĩa muoni-maũndũ. Nĩ ũndũ ũcio makĩina nyĩmbo cia kũgooca Jehova marĩ na gĩkeno na makĩinamia mĩtwe yao makĩmũhooya.
31 Ary Hezekia niteny hoe: Efa nanokana ny tenanareo ho an’ i Jehovah ianareo izao, ka dia manatòna, ary mitondrà fanati-pisaorana sy fanatitra hafa koa ho ao an-tranon’ i Jehovah. Dia nitondra fanati-pisaorana sy fanatitra hafa ny fiangonana, ary izay rehetra nazoto dia nitondra fanatitra dorana.
Ningĩ Hezekia akiuga atĩrĩ, “Rĩu nĩmweyamũrĩra Jehova. Rehei magongona na maruta ma gũcookia ngaatho hekarũ-inĩ ya Jehova.” Nĩ ũndũ ũcio kĩũngano kĩu gĩkĩrehe magongona na maruta ma gũcookia ngaatho, na andũ othe arĩa ngoro ciao cieyendeire makĩrehe maruta ma njino.
32 Ary ny isan’ ny fanatitra dorana izay nentin’ ny fiangonana dia omby fito-polo sy ondrilahy zato ary zanak’ ondry roan-jato; natao fanatitra dorana ho an’ i Jehovah ireo rehetra ireo.
Naguo mũigana wa maruta ma njino marĩa maarehirwo nĩ kĩũngano kĩu warĩ ndegwa mĩrongo mũgwanja, na ndũrũme 100 na tũtũrũme 200, ciothe ciarĩ cia maruta ma njino ma kũrutĩrwo Jehova.
33 Ary ny zavatra nohamasinina dia omby enin-jato sy ondry aman’ osy telo arivo.
Nyamũ ciothe iria ciaamũrĩtwo cia magongona ciarĩ ndegwa 600 na ngʼondu hamwe na mbũri 3,000.
34 Fa vitsy loatra ny mpisorona ka tsy nahendaka ny fanatitra dorana rehetra, ka dia nanampy azy ny Levita rahalahiny mandra-pahavitan’ ny raharaha sy ny nanamasinan’ ny mpisorona sasany ny tenany koa; fa ny Levita nahitsy fo kokoa hanamasina ny tenany noho ny mpisorona.
Na rĩrĩ, athĩnjĩri-Ngai maarĩ anini mũno matingĩahotire gũthĩnja nyamũ ciothe cia maruta ma njino; nĩ ũndũ ũcio andũ a nyũmba ciao, nĩo Alawii, makĩmateithĩrĩria nginya wĩra ũcio ũkĩrĩka nginya rĩrĩa athĩnjĩri-Ngai angĩ maamũrirwo, nĩgũkorwo Alawii maarĩ na kĩyo gĩa kwĩyamũra gũkĩra athĩnjĩri-Ngai.
35 Ary be koa ny fanatitra dorana sy ny saboran’ ny fanati-pihavanana sy ny fanatitra aidina momba ny fanatitra dorana. Izany no nanavaozany ny fanompoana tao an-tranon’ i Jehovah.
Na rĩrĩ, nĩ kwarĩ na maruta ma njino maingĩ mũno, hamwe na maguta ma maruta ma ũiguano, o na maruta ma indo cia kũnyuuo marĩa maarutanagĩrio na maruta ma njino. Nĩ ũndũ ũcio wĩra wa ũtungata wa hekarũ ya Jehova ũgĩcookio rĩngĩ.
36 Ary faly Hezekia sy ny vahoaka rehetra noho izay namboarin’ Andriamanitra ho an’ ny olona, satria tampoka izany raharaha izany.
Nake Hezekia na andũ othe magĩkena nĩ ũndũ wa ũrĩa Ngai eekĩire andũ ake, tondũ ũndũ ũcio wekirwo narua mũno.

< 2 Tantara 29 >