< 2 Tantara 28 >

1 Roa-polo taona Ahaza, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema; ary tsy mba nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah tahaka an’ i Davida rainy izy,
아하스가 위에 나아갈 때에 나이 이십 세라 예루살렘에서 십육 년을 치리하였으나 그 조상 다윗과 같지 아니하여 여호와 보시기에 정직히 행치 아니하고
2 fa nandeha tamin’ ny lalan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy sady nanao sarin-javatra an-idina ho an’ ireo Bala koa.
이스라엘 열왕의 길로 행하여 바알들의 우상을 부어 만들고
3 Ary nandoro ditin-kazo manitra tao amin’ ny lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma koa izy, ary ny zanany dia nodorany tamin’ ny afo, araka ny fahavetavetan’ ny jentilisa izay noroahin’ i Jehovah tsy ho eo anoloan’ ny Zanak’ isiraely.
또 힌놈의 아들 골짜기에서 분향하고 여호와께서 이스라엘 자손 앞에서 쫓아내신 이방 사람의 가증한 일을 본받아 그 자녀를 불사르고
4 Ary namono zavatra hatao fanatitra izy sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ ny fitoerana avo koa sy teny an-tampon’ ny havoana ary teny ambanin’ ny hazo maitso rehetra.
또 산당과 작은 산 위와 모든 푸른 나무 아래에서 제사를 드리며 분향한지라
5 Koa dia natolotr’ i Jehovah Andriamaniny ho eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Syria izy; dia namely azy ireo, ka betsaka no lasany ho babo ka nentiny tany Damaskosy. Ary natolony ho eo an-tànan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely koa izy, dia namely mafy ka naharesy azy koa ireo.
그러므로 그 하나님 여호와께서 아람 왕의 손에 붙이시매 저희가 쳐서 심히 많은 무리를 사로잡아 가지고 다메섹으로 갔으며 또 이스라엘 왕의 손에 붙이시매 저가 쳐서 크게 살륙하였으니
6 Fa Peka, zanak’ i Remalia, nahafaty olona roa alina sy iray hetsy indray andro tamin’ ny Joda, dia lehilahy mahery avokoa, noho ny nahafoizan’ ireny an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany.
이는 그 열조의 하나님 여호와를 버렸음이라 르말랴의 아들 베가가 유다에서 하루 동안에 용사 십이만 명을 죽였으며
7 Ary Zikry, lehilahy mahery tamin’ ny Efraima, namono an’ i Mahaseia, zanaky ny mpanjaka, sy Azrikama, mpanapaka ny trano, ary Elkana, izay nanarakaraka ny mpanjaka.
에브라임의 용사 시그리는 왕의 아들 마아세야와 궁내대신 아스리감과 총리대신 엘가나를 죽였더라
8 Ary ny Zanak’ isiraely nahazo sambo-belona roa hetsy tamin’ ireo havany, dia vehivavy sy zazalahy sy zazavavy, ary nahazo babo betsaka taminy koa izy, dia nentiny tany Samaria ireny.
이스라엘 자손이 그 형제 중에서 그 아내와 자녀 합하여 이십만 명을 사로잡고 그 재물을 많이 노략하여 사마리아로 가져가니
9 Ary nisy mpaminanin’ i Jehovah tao, Odeda no anarany, izay nivoaka hitsena ny miaramila, raha nankany Samaria, izy ka nanao taminy hoe: He! ny nahatezeran’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, tamin’ ny Joda no nanolorany azy ho eo an-tananareo, dia novonoinareo ireny tamin’ ny fahatezerana manakatra ny lanitra.
그곳에 여호와의 선지자가 있는데 이름은 오뎃이라 저가 사마리아로 돌아오는 군대를 영접하고 저희에게 이르되 너희 열조의 하나님 여호와께서 유다를 진노하신고로 너희 손에 붙이셨거늘 너희 노기가 충천하여 살륙하고
10 Ary ankehitriny ny taranak’ i Joda sy Jerosalema dia kasainareo handevozina ho andevolahinareo sy ho andevovanivareo; ka moa ianareo ireo va tsy mba manan-keloka amin’ i Jehovah Andriamanitrareo koa?
이제 너희가 또 유다와 예루살렘 백성들을 압제하여 노예를 삼고자 생각하는도다 너희는 너희 하나님 여호와께 범죄함이 없느냐
11 Ary ankehitriny mihainoa ahy, koa alefaso ny babo izay efa nentinareo avy tamin’ ny rahalahinareo; fa mirehitra aminareo ny fahatezeran’ i Jehovah.
그런즉 너희는 내 말을 듣고 너희가 형제 중에서 사로잡아 온 포로를 놓아 돌아가게 하라 여호와의 진노가 너희에게 임박하였느니라 한지라
12 Dia nitsangana ny loholona sasany avy amin’ ny taranak’ i Efraima, dia Azaria, zanak’ i Johanana, sy Berekia, zanak’ i Mesilemota, sy Jehizkia, zanak’ i Saloma, ary Amasa, zanak’ i Hadlay, ka nanohitra izay vao avy tany an-tafika
에브라임 자손의 두목 몇 사람 요하난의 아들 아사랴와 무실레못의 아들 베레갸와 살룸의 아들 여히스기야와 하들래의 아들 아마사가 일어나서 전장에서 돌아오는 자를 막으며
13 nanao taminy hoe: Tsy mahazo mampiditra ny babo eto ianareo; fa mikasa hanampy ny fahotantsika sy ny fahadisoantsika ianareo mba hahameloka antsika amin’ i Jehovah; fa efa be ny fahadisoantsika, ka iharan’ ny fahatezerana mirehitra ny Isiraely.
저희에게 이르되 너희는 이 포로를 이리로 끌어들이지 못하리라 너희의 경영하는 일이 우리로 여호와께 허물이 있게 함이니 우리의 죄와 허물을 더하게 함이로다 우리의 허물이 이미 커서 진노하심이 이스라엘에게 임박하였느니라 하매
14 Dia nalefan’ ny miaramila teo anatrehan’ ny mpanapaka sy ny fiangonana rehetra izay sambo-belona sy babo azony,
이에 병기를 가진 사람이 포로와 노략한 물건을 방백들과 온 회중 앞에 둔지라
15 ka ireo olona voalaza anarana ireo dia nitsangana ka naka ny sambo-belona, ary izay rehetra tsy nitafy no nampiakanjoiny tamin’ ny zavatra nentiny; eny, nampiakanjoiny sy nokiraroiny izy ary nampihinaniny sy nampisotroiny ary nohosorany, sady nampitaingeniny boriky izay rehetra osaosa, ka nentiny tany Jeriko, tanàna be rofia, ho any amin’ ny rahalahiny; dia niverina tany Samaria izy.
이 위에 이름이 기록된 자들이 일어나서 포로를 맞고 노략하여 온 중에서 옷을 취하여 벗은 자에게 입히며 신을 신기며 먹이고 마시우며 기름을 바르고 그 약한 자는 나귀에 태워 데리고 종려나무 성 여리고에 이르러 그 형제에게 돌린 후에 사마리아로 돌아갔더라
16 famin’ izany andro izany Ahaza mpanjaka naniraka tany amin’ ny mpanjakan’ i Asyria nangataka ny any hanampy azy.
그 때에 아하스 왕이 앗수르 왕에게 보내어 도와주기를 구하였으니
17 Fa ny Edomita dia tonga indray ka namely ny Joda ary namabo azy.
이는 에돔 사람이 다시 와서 유다를 치고 그 백성을 사로잡았음이며
18 Ary ny Filistina koa nanafika ny tanàna eny amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka sy eny amin’ ny tany atsimo momba an’ i Joda, dia nahafaka an’ i Beti-semesy sy Aialona sy Gederota sy Soko mbamin’ ny zana-bohiny ary Timna sy ny zana-bohiny ary Gimzo koa sy ny zana-bohiny; ary nonina tao izy.
블레셋 사람도 유다의 평지와 남방 성읍들을 침노하여 벧세메스와 아얄론과 그데롯과 소고와 그 동네와 딤나와 그 동네와 김소와 그 동네를 취하고 거기 거하였으니
19 Fa Jehovah nampietry ny Joda noho Ahaza, mpanjakan’ ny Isiraely, satria Ahaza efa nanaram-po nanao ratsy teo amin’ ny Joda ka nivadika tamin’ i Jehovah.
이는 이스라엘 왕 아하스가 유다에서 망령되이 행하여 여호와께 크게 범죄하였으므로 여호와께서 유다를 낮추심이라
20 Ary Tiglato-pilesera, mpanjakan’ i Asyria, tonga tao aminy, nefa nampahory azy fa tsy nampahery azy.
앗수르 왕 디글랏빌레셀이 이르렀으나 돕지 아니하고 도리어 군박하였더라
21 Fa efa nalain’ i Ahaza ny zavatra tao an-tranon’ i Jehovah sy tao an-tranon’ ny mpanjaka sy ny an’ ny mpanapaka, ary efa nomeny ny mpanjakan’ i Asyria, nefa tsy nahasoa azy akory izany.
아하스가 여호와의 전과 왕궁과 방백들의 집에서 재물을 취하여 앗수르 왕에게 주었으나 유익이 없었더라
22 Ary tamin’ ny andro nampahoriana azy dia mbola nanao izay nahadiso amin’ i Jehovah ihany io Ahaza mpanjaka io.
이 아하스 왕이 곤고할 때에 더욱 여호와께 범죄하여
23 Ary namono zavatra hatao fanatitra ho an’ ireo andriamanitr’ i Damaskosy, izay namely azy, izy ka nanao hoe: Ireo andriamanitry ny mpanjakan’ i Asyria, izay nanampy azy, no hamonoako zavatra hatao fanatitra mba hanampiany ahy. Kanjo tonga fandravana azy sy ny Isiraely rehetra ireo.
자기를 친 다메섹 신들에게 제사하여 가로되 아람 열왕의 신들이 저희를 도왔으니 나도 그 신에게 제사하여 나를 돕게 하리라 하였으나 그 신이 아하스와 온 이스라엘을 망케 하였더라
24 Ary Ahaza nanangona ny fanaky ny tranon’ Andriamanitra ka namakivaky azy ary nandrindrina ny varavaran’ ny tranon’ i Jehovah sady nanao alitara teny amin’ ny zoron-dalana rehetra tany Jerosalema.
아하스가 하나님의 전의 기구들을 모아 훼파하고 또 여호와의 전 문들을 닫고 예루살렘 구석마다 단을 쌓고
25 Ary teny amin’ ny tanànan’ ny Joda rehetra dia nanaovany fitoerana avo handoroana ditin-kazo manitra ho an’ ny andriamani-kafa, ka dia nahatezitra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy.
유다 각 성읍에 산당을 세워 다른 신에게 분향하여 그 열조의 하나님 여호와의 노를 격발케 하였더라
26 Ary ny tantarany sisa sy ny fanaony rehetra, na ny voalohany na ny farany, indreo, efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny mpanjakan’ ny Joda sy ny Isiraely izany.
아하스의 이 외의 시종 사적과 모든 행위는 유다와 이스라엘 열왕기에 기록되니라
27 Ary Ahaza lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao an-tanàna Jerosalema izy, fa tsy mba natao tao amin’ ny fasan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely. Ary Hezekia zanany no nanjaka nandimby azy.
아하스가 그 열조와 함께 자매 이스라엘 열왕의 묘실에 들이지 아니하고 예루살렘 성에 장사하였더라 그 아들 히스기야가 대신하여 왕이 되니라

< 2 Tantara 28 >