< 2 Tantara 27 >
1 Dimy amby roa-polo taona Jotama, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jerosa, zanakavavin’ i Zadoka.
Jotham était âgé de vingt-cinq ans à son avènement et il régna seize ans à Jérusalem. Le nom de sa mère était Yeroucha, fille de Çadok.
2 Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy, tahaka izay nataon’ i Ozia rainy; nefa kosa tsy mba niditra tao amin’ ny tempolin’ i Jehovah izy. Ary ny vahoaka rehetra mbola nanao ratsy ihany.
Il fit ce qui est droit aux yeux du Seigneur, agissant en tout comme avait agi Ouzzia, son père. Toutefois, il ne fréquenta pas les sanctuaires de l’Eternel, et le peuple persévéra dans ses crimes.
3 Izy no nanamboatra ny vavahady ambony amin’ ny tranon’ i Jehovah sady nandrafitra be tamin’ ny mandan’ i Ofela koa.
Ce fut lui qui bâtit la porte supérieure de la maison de l’Eternel, et il travailla beaucoup à l’édification du mur de l’Ophel.
4 Ary nanao tanàna teny amin’ ny tany havoan’ i Joda sy trano fiarovana ary tilikambo tany an’ ala koa izy.
Il bâtit aussi des villes sur les montagnes de Juda, et sur les collines boisées il bâtit des forteresses et des tours.
5 Ary niady tamin’ ny mpanjakan’ ny taranak’ i Amona koa izy ka naharesy azy. Ary tamin’ izany taona izany ny taranak’ i Amona nanome azy talenta volafotsy zato ary vary tritika sy vary hordea iray alina kora avy; izany no naloan’ ny taranak’ i Amona ho azy tamin’ ny-taona faharoa sy fahatelo koa.
Il fit aussi la guerre au roi des Ammonites et triompha d’eux; les Ammonites lui remirent cette année-là cent kikkar d’argent, dix mille kôr de froment et dix mille kôr d’orge, et ils lui en remirent autant la deuxième et la troisième année.
6 Ary dia nitombo hery Jotama, satria nizotra tsara teo anatrehan’ i Jehovah Andriamaniny izy.
Jotham devint puissant, car il se conduisait bien devant l’Eternel, son Dieu.
7 Ary ny tantaran’ i Jotama sisa mbamin’ ny adiny rehetra sy ny fanaony, indro, efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely sy ny Joda izany.
Pour le surplus de l’histoire de Jotham, toutes ses guerres et ses actions, tout est consigné dans le livre des Rois d’Israël et de Juda.
8 Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary enina ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema.
Il avait vingt-cinq ans à son avènement et il régna seize ans à Jérusalem.
9 Ary Jotama lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tany an-Tanànan’ i Davida izy; ary Ahaza zanany no nanjaka nandimby azy.
Jotham s’endormit avec ses aïeux et on l’ensevelit dans la Cité de David. Achaz, son fils, lui succéda sur le trône.