< 2 Tantara 27 >

1 Dimy amby roa-polo taona Jotama, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jerosa, zanakavavin’ i Zadoka.
Yotamu anakhala mfumu ali ndi zaka 25 ndipo analamulira mu Yerusalemu kwa zaka 16. Dzina la amayi ake linali Yerusa mwana wa Zadoki.
2 Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy, tahaka izay nataon’ i Ozia rainy; nefa kosa tsy mba niditra tao amin’ ny tempolin’ i Jehovah izy. Ary ny vahoaka rehetra mbola nanao ratsy ihany.
Iye anachita zolungama pamaso pa Yehova, monga anachitira Uziya abambo ake, kupatula kuti iyeyo sanalowe mʼNyumba ya Yehova. Komabe anthu anapitirira kuchita zoyipa.
3 Izy no nanamboatra ny vavahady ambony amin’ ny tranon’ i Jehovah sady nandrafitra be tamin’ ny mandan’ i Ofela koa.
Yotamu anamanganso chipata chakumtunda cha Nyumba ya Yehova ndipo anagwira ntchito yayikulu yomanga khoma la ku phiri la Ofeli.
4 Ary nanao tanàna teny amin’ ny tany havoan’ i Joda sy trano fiarovana ary tilikambo tany an’ ala koa izy.
Iye anamanga mizinda mʼmapiri a ku Yuda ndipo anamanganso malinga ndi nsanja mʼmadera a ku nkhalango.
5 Ary niady tamin’ ny mpanjakan’ ny taranak’ i Amona koa izy ka naharesy azy. Ary tamin’ izany taona izany ny taranak’ i Amona nanome azy talenta volafotsy zato ary vary tritika sy vary hordea iray alina kora avy; izany no naloan’ ny taranak’ i Amona ho azy tamin’ ny-taona faharoa sy fahatelo koa.
Yotamu anachita nkhondo ndi mfumu ya Aamoni ndipo anawagonjetsa. Chaka chimenecho Aamoni anapereka makilogalamu 3,400, matani 1,000 a tirigu ndiponso matani 1,000 a barele. Aamoni anabweretsa zinthu zomwezi chaka chachiwiri ndi chachitatu.
6 Ary dia nitombo hery Jotama, satria nizotra tsara teo anatrehan’ i Jehovah Andriamaniny izy.
Yotamu anakula mphamvu chifukwa anayenda molungama pamaso pa Yehova Mulungu wake.
7 Ary ny tantaran’ i Jotama sisa mbamin’ ny adiny rehetra sy ny fanaony, indro, efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely sy ny Joda izany.
Zina ndi zina zokhudza ulamuliro wa Yotamu, kuphatikizapo nkhondo zake zonse ndi zinthu zina zimene anachita, zinalembedwa mʼbuku la mafumu a Israeli ndi Yuda.
8 Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary enina ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema.
Iye anakhala mfumu ali ndi zaka 25 ndipo analamulira mu Yerusalemu kwa zaka 16.
9 Ary Jotama lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tany an-Tanànan’ i Davida izy; ary Ahaza zanany no nanjaka nandimby azy.
Yotamu anamwalira ndipo anayikidwa mʼmanda mu Mzinda wa Davide. Ndipo Ahazi mwana wake analowa ufumu mʼmalo mwake.

< 2 Tantara 27 >