< 2 Tantara 25 >
1 Dimy amby roa-polo taona Amazia, fony izy vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Joadana, avy any Jerosalema.
Amaziya anali wa zaka 25 pamene anakhala mfumu, ndipo analamulira mu Yerusalemu kwa zaka 29. Dzina la amayi ake linali Yehoyadini wa ku Yerusalemu.
2 Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy, nefa tsy dia tamin’ ny fony rehetra.
Iye anachita zolungama pamaso pa Yehova, koma osati ndi mtima wonse.
3 Ary nony tafapetraka tsara tamin’ ny fanjakany izy, dia novonoiny ireo mpanompony izay namono ny mpanjaka rainy.
Pamene mphamvu zonse zaufumu zinali mʼmanja mwake, iye anapha akuluakulu amene anapha abambo ake, mfumu ija.
4 Nefa ny zanak’ ireo namono dia tsy mba novonoiny, fa nataony araka izay voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny lalàna, dia ao amin’ ny bokin’ i Mosesy, izay nandidian’ i Jehovah hoe: Ny ray tsy hatao maty amin’ ny ataon’ ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin’ ny ataon’ ny rainy, fa samy ho faty amin’ ny fahotany avy ny olona.
Komabe iye sanaphe ana awo koma anatsatira zolembedwa mʼbuku la Mose, mʼmene Yehova analamula kuti, “Makolo sadzaphedwa chifukwa cha ana awo kapena ana kuphedwa chifukwa cha makolo awo. Aliyense adzafera machimo ake.”
5 Ary novorin’ i Amazia ny Joda, ka nalahany araka ny fianakaviany avy, dia araka ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato avy amin’ ny Joda sy ny Benjamina rehetra: dia nisainy ny hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, ka olona telo hetsy voafantina no hitany, izay azo nalefa hanafika sady nahatan-defona sy ampinga lehibe.
Amaziya anasonkhanitsa anthu a ku Yuda ndipo anawapatsa zochita molingana ndi mabanja awo kukhala anthu olamulira 1,000, ndi olamulira 100 pa Ayuda onse ndi Benjamini. Ndipo iye anawerenga amene anali ndi zaka makumi awiri kapena kupitirirapo napeza kuti analipo amuna 300,000 okonzeka kugwira ntchito ya usilikali, okhoza kugwiritsa ntchito mkondo ndi chishango.
6 Ary nisy lehilahy mahery iray hetsy tamin’ ny Isiraely nokaramainy talenta volafotsy zato.
Iye analembanso ntchito anthu odziwa nkhondo 100,000 ochokera ku Israeli pa mtengo wa makilogalamu 3,400 a siliva.
7 Nefa nisy lehilahin’ Andriamanitra tonga tao aminy ka nanao hoe: Ry mpanjaka, aza avela hanaraka anao ny miaramilan’ ny Isiraely; fa tsy omban’ i Jehovah ny Isiraely, dia ny taranak’ i Efraima rehetra.
Koma munthu wa Mulungu anabwera kwa iye ndipo anati, “Inu mfumu, asilikali awa ochokera ku Israeli asapite ndi inu, pakuti Yehova sali ndi Israeli kapena ndi aliyense wa anthu a Efereimu.
8 Fa mandehana ihany ianao, ka manaova, ary mahereza amin’ ny ady; fa hataon’ Andriamanitra lavo eo anoloan’ ny fahavalo ianao; fa Andriamanitra no mahay mamonjy sy mampahalavo.
Ngakhale mupite ndi kuchita nkhondo molimba mtima, Mulungu adzakugonjetsani pamaso pa adani anu, pakuti Mulungu ali ndi mphamvu yothandiza kapena kugonjetsa.”
9 Fa hoy Amazia tamin’ ilay lehilahin’ Andriamanitra: Ka hataontsika ahoana ny amin’ ny talenta zato nomeko ny miaramilan’ ny Isiraely? Asy hoy ilay lehilahin’ Andriamanitra taminy: Jehovah mahay manome anao mihoatra lavitra noho izany.
Amaziya anafunsa munthu wa Mulungu kuti, “Koma nanga za makilogalamu aja a siliva amene ndapereka kwa asilikali a Israeli?” Munthu wa Mulungu anayankha kuti, “Yehova atha kukupatsani zambiri kuposa zimenezo.”
10 Dia navahan’ i Amazia ireo miaramila tonga tao aminy avy tamin’ ny Efraima ireo mba hody indray; ary nirehitra mafy ny fahatezeran’ ireo tamin’ ny Joda, dia lasa nody izy sady tezitra indrindra.
Choncho Amaziya anachotsa asilikali amene anabwera kwa iye kuchokera ku Efereimu ndipo anawatumiza kwawo. Iwo anakwiyira anthu a ku Yuda ndipo anapita kwawo atapsa mtima kwambiri.
11 Ary Amazia nitombo hery, dia nitarika ny vahoakany ka nankany amin’ ny Lohasahan-tsira, ary nahafaty iray alina tamin’ ny taranak’ i Seïra izy.
Ndipo Amaziya analimba mtima ndipo anatsogolera gulu lake lankhondo ku Chigwa cha Mchere, kumene anapha anthu 10,000 a ku Seiri.
12 Ary ny iray alina sisa nataon’ ny taranak’ i Joda sambo-belona, dia nentiny teo an-tampon’ ny hantsam-bato ary navariny teo, ka montsamontsana izy rehetra.
Gulu la ankhondo la Yuda linagwiranso anthu amoyo 10,000, napita nawo pamwamba pa thanthwe ndipo anawaponya pansi kotero kuti onse ananyenyeka.
13 Fa ireo miaramila izay nampodin’ i Amazia tsy hiara-manafika aminy dia nihahakahaka teny an-tanànan’ ny Joda hatrany Samaria ka hatrany Beti-horona ka nahafaty olona telo arivo tany sady nahazo babo betsaka.
Pa nthawi imeneyi asilikali amene Amaziya anawabweza ndipo sanawalole kuti achite nawo nkhondo, anakathira nkhondo mizinda ya Yuda kuyambira ku Samariya mpaka ku Beti-Horoni. Iwo anapha anthu 3,000 ndipo anafunkha katundu wambiri.
14 Ary Amazia, nony niverina avy nanafika ny Edomita, dia nitondra ny andriamanitry ny taranak’ i Seïra ka nanangana azy ho andriamaniny; ary niankohoka teo anatrehany izy sady nandoro ditin-kazo manitra ho azy.
Amaziya atabwerera kuja anakapha Aedomu, anabweretsa milungu ya anthu a ku Seiri. Ndipo anayika kuti ikhale milungu yake, ankayipembedza ndi kupereka nsembe zopsereza.
15 Dia nirehitra tamin’ Amazia ny fahatezeran’ i Jehovah, ka naniraka mpaminany anankiray ho any aminy Izy hanontany azy, hoe: Nahoana ianao no mitady ny andriamanitry ny firenena, izay tsy naharo ny olony tamin’ ny tananao aza?
Yehova anakwiyira Amaziya, ndipo anamutumizira mneneri amene anati, “Nʼchifukwa chiyani mukupembedza milungu ya anthu awa, imene sinathe kupulumutsa anthu ake mʼdzanja lanu?”
16 Ary raha niteny taminy izy, dia novaliany hoe: Moa voatendrinay ho mpanolo-tsaina ny mpanjaka va Hianao? Aoka itsy ange, fandrao asian’ ny olona ianao. Dia nitsahatra ilay mpaminany ka nanao hoe: Fantatro fa Andriamanitra mikasa hahafaty anao satria nanao izany ianao ka tsy nihaino ny anatro.
Iye ali kuyankhula, mfumu inati, “Kodi ife takusankha iwe kuti ukhale mlangizi wa mfumu? Khala chete! Ufuna kuphedweranji?” Choncho mneneriyo analeka koma anati, “Ine ndikudziwa kuti Mulungu watsimikiza kukuwonongani chifukwa mwachita izi ndipo simunamvere uphungu wanga.”
17 Ary Amazia, mpanjakan’ ny Joda, naka hevitra, dia naniraka tany amin’ i Joasy, zanak’ i Joahaza, zanak’ i Jeho, mpanjakan’ ny Isiraely, izy hanao hoe: Avia, aoka isika hihaona.
Amaziya mfumu ya ku Yuda, atafunsa alangizi ake, anatumiza mawu awa kwa Yowasi mwana wa Yehowahazi mwana wa Yehu, mfumu ya Israeli: “Bwera udzakumane nane maso ndi maso.”
18 Fa Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely, naniraka tany amin’ i Amazia, mpanjakan’ ny Joda, nanao hoe: Ny tsilo izay tany Libanona naniraka tamin’ ny hazo sedera izay tany Libanona nanao hoe: Omeo ny zanakolahy ny zanakaovavy ho vadiny; dia namaky teo ny bibi-dia tany Libanona ka nanosihosy ny tsilo.
Koma Yowasi mfumu ya Israeli inayankha Amaziya mfumu ya Yuda kuti, “Nthawi ina kamtengo kaminga ka ku Lebanoni kanatumiza mawu kwa mkungudza wa ku Lebanoni kuti, ‘Pereka mwana wako wamkazi kwa mwana wanga kuti amukwatire!’ Koma chirombo cha ku Lebanoni chinabwera ndi kupondaponda mtengo wa minga uja.
19 Lazainao fa namely an’ i Edoma ianao, ka dia nanesika anao hirehareha ny fonao; mitoera ihany ange ao an-tranonao, fa nahoana no hihaika ny loza hahalavo ny tenanao mbamin’ ny Joda koa ianao?
Iwe ukuti wagonjetsa Edomu, ndipo tsopano ukudzikuza ndi kudzitamandira, koma khala kwanu komweko! Nʼchifukwa chiyani ukufuna mavuto ndi kudzichititsa kuti ugwe pamodzinso ndi Yuda?”
20 Fa tsy nanaiky Amazia, satria avy tamin’ Andriamanitra izany, mba hanolorany azy ho eo an-tànan’ ny fahavalony noho ny nitadiavany ny andriamanitry ny Edomita.
Komabe Amaziya sanamvere pakuti ndi Mulungu amene anakonzeratu kuti awapereke kwa Yehowasi, chifukwa iwo amapembedza milungu ya ku Edomu.
21 Ka dia niakatra Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely; ary izy sy Amazia, mpanjakan’ ny Joda, nihaona tany Beti-semesy izay an’ i Joda.
Kotero Yowasi mfumu ya Israeli inakamuthira nkhondo. Iye ndi Amaziya anayangʼanana maso ndi maso ku Beti-Semesi ku Yuda.
22 Dia resy teo anoloan’ ny Isiraely ny Joda, ka samy nandositra ho any amin’ ny lainy avy izy.
Yuda anagonjetsedwa ndi Israeli ndipo munthu aliyense anathawira kwawo.
23 Ary Amazia, mpanjakan’ ny Joda, zanak’ Joasy, zanak’ i Joahaza, dia nosamborin’ i Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely, tany Beti-semesy ka nentiny nankany Jerosalema; ary nandravan’ i Joasy efa-jato hakiho ny mandan’ i Jerosalema hatramin’ ny vavahadin’ i Efraima ka hatramin’ ny vavahady an-jorony.
Yehowahazi mfumu ya Israeli inagwira Amaziya mfumu ya Yuda, mwana wa Yowasi, mwana wa Ahaziya ku Beti-Semesi. Yehowasi anabwera naye ku Yerusalemu ndipo anagwetsa khoma la Yerusalemu kuyambira pa Chipata cha Efereimu mpaka ku Chipata Chapangodya, khoma lotalika mamita 180.
24 Ary nalainy avokoa ny volamena sy ny volafotsy rehetra ary ny fanaka rehetra izay hita tao an-tranon’ Andriamanitra tao amin’ i Obed-edoma sy tamin’ ny rakitry ny tranon’ ny mpanjaka mbamin’ ny olona natao antoka koa, ka dia niverina ho any Samaria izy.
Iye anatenga golide ndi siliva yense ndi zida zonse zimene zimapezeka mʼNyumba ya Mulungu zimene ankazisamalira Obedi-Edomu, pamodzinso ndi chuma cha mʼnyumba yaufumu ndipo anatenga anthu ngati chikole.
25 Ary ny andro niainan’ i Amazia zanak’ i Joasy, mpanjakan’ ny Joda, taorian’ ny nahafatesan’ i Joasy, zanak’ i Joahaza, mpanjakan’ ny Isiraely, dia dimy ambin’ ny folo taona.
Amaziya mwana wa Yowasi mfumu ya Yuda anakhala ndi moyo kwa zaka khumi ndi zisanu atamwalira Yehowasi mwana wa Yehowahazi mfumu ya Israeli.
26 Ary ny tantaran’ i Amazia sisa, na ny voalohany na ny farany, indro, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny mpanjakan’ ny Joda sy ny Isiraely va izany?
Ntchito zina za mfumu Amaziya, kuyambira pachiyambi mpaka pa mapeto, kodi sizinalembedwe mʼbuku la mafumu a Yuda ndi Israeli?
27 Ary hatramin’ ny andro nihemoran’ i Amazia tsy nanaraka an’ i Jehovah dia niodina taminy tany Jerosalema ny olona, ka dia nandositra nankany Lakisy izy; fa naniraka nanaraka azy tany ny olona ka namono azy tany.
Kuyambira nthawi imene Amaziya analeka kutsatira Yehova anthu anamukonzera chiwembu mu Yerusalemu ndipo anathawira ku Lakisi, koma adaniwo anatumiza anthu ku Lakisiko ndipo anamupha komweko.
28 Ary nasampiny tamin’ ny soavaly ny fatiny, dia naleviny tao amin’ ny razany tao an-tanànan’ ny Joda.
Iwo anabwera naye ali pa kavalo ndipo anayikidwa mʼmanda ndi makolo ake mu mzinda wa Yuda.