< 2 Tantara 24 >

1 Fito taona no niainan’ i Joasy, fony izy vao nanjaka, efa efa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Zibia, avy any Beri-sheba.
Семи лет был Иоас, когда воцарился, и сорок лет царствовал в Иерусалиме; имя матери его Цивья из Вирсавии.
2 Ary Joasy nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah tamin’ ny andro rehetra niainan’ i Joiada mpisorona.
И делал Иоас угодное в очах Господних во все дни Иодая священника.
3 Ary nangalan’ i Joiada vady roa Joasy, dia niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
И взял ему Иодай двух жен, и он имел от них сыновей и дочерей.
4 Ary nony afaka izany, dia mby ao am-pon i Joasy ny hanamboatra ny tranon’ i Jehovah.
И после сего пришло на сердце Иоасу обновить дом Господень,
5 Dia namory ny mpisorona sy ny Levita izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ho any amin’ ny tanànan’ ny Joda, ka mamoria vola isan-taona amin’ ny Isiraely rehetra hanamboarana ny tranon’ Andriamanitrareo; ary hafainganonareo ny raharaha. Nefa ny Levita tsy nanafaingana izany.
и собрал он священников и левитов и сказал им: пойдите по городам Иудеи и собирайте со всех Израильтян серебро для поддержания дома Бога вашего из года в год, и поспешите в этом деле. Но не поспешили левиты.
6 Ary ny mpanjaka dia nampaka an’ i Joiada, lohany tamin’ ireo, ka nanao taminy hoe: Nahoana no tsy nasainao nitondra ny hetra avy tany Joda sy Jerosalema ny Levita, araka ny didin’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah sy ny fiangonan’ ny Isiraely ho ao amin’ ny tabernakelin’ ny vavolombelona?
И призвал царь Иодая, главу их, и сказал ему: почему ты не требуешь от левитов, чтобы они доставляли с Иудеи и Иерусалима дань, установленную Моисеем, рабом Господним, и собранием Израильтян для скинии собрания?
7 Fa ny zanak’ i Atalia, ilay vehivavy ratsy fanahy, efa nandrava ny tranon’ Andriamanitra; ary ny zavatra masìna rehetra tao an-tranon’ i Jehovah koa dia efa nateriny ho an’ ireo Bala.
Ибо нечестивая Гофолия и сыновья ее разорили дом Божий и все посвященное для дома Господня употребили для Ваалов.
8 Ary nasain’ ny mpanjaka nanao vata anankiray izy, dia napetrany teo ivelan’ ny vavahadin’ ny tranon’ i Jehovah izany.
И приказал царь, и сделали один ящик, и поставили его у входа в дом Господень извне.
9 Ary nandefa teny eran’ i Joda sy Jerosalema izy mba haterina ho an’ i Jehovah ny hetra izay nasain’ i Mosesy, mpanompon’ Andriamanitra, haloan’ ny Isiraely, fony izy tany an-efitra.
И провозгласили по Иудее и Иерусалиму, чтобы приносили Господу дань, наложенную Моисеем, рабом Божиим, на Израильтян в пустыне.
10 Dia faly ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra, ka dia nitondra izany ary nandatsaka azy tao amin’ ny vata ambara-pahatapiny.
И обрадовались все начальствующие и весь народ, и приносили и клали в ящик дотоле, доколе он не наполнился.
11 Ary tamin’ izay andro nitondran’ ny Levita ny vata ho any amin’ ny toniany voatendrin’ ny mpanjaka, raha hitany fa be ny vola, dia avy ny mpanoratry ny mpanjaka sy ny toniany voatendrin’ ny mpisoronabe ka nanaisotra izay rehetra tao amin’ ny vata, dia nitondra ny vata niverina ho eo amin’ ny fitoerany indray. Toy izany no nataony mandrakariva, ka nahavory vola betsaka izy.
В то время, когда приносили ящик к царским чиновникам чрез левитов, и когда они видели, что серебра много, приходил писец царя и поверенный первосвященника, и высыпали из ящика, и относили его и ставили его на свое место. Так делали они изо дня в день, и собрали множество серебра.
12 Ary nomen’ ny mpanjaka sy Joiada ho an’ izay nanao ny raharahan’ ny tranon’ i Jehovah ny vola, ka nanakaraman’ ireo mpipai-bato sy mpandrafitra ary mpanefy vy sy varahina mba hanamboatra ny tranon’ i Jehovah.
И отдавали его царь и Иодай производителям работ по дому Господню, и они нанимали каменотесов и плотников для подновления дома Господня, также кузнецов и медников для укрепления дома Господня.
13 Dia nanao ny mpiasa, ka vita tsara ny asa; ary namboariny ho toy ny teo aloha ny tranon’ Andriamanitra ka nataony mafy.
И работали производители работ, и совершилось исправление руками их, и привели дом Божий в надлежащее состояние его, и укрепили его.
14 Ary nony vitany izany, dia nentiny teo anatrehan’ ny mpanjaka sy Joiada ny vola sisa ka nanaovany fanaka ho an’ ny tranon’ i Jehovah, dia fanaka ho enti-manao fanompoam-pivavahana sy manatitra fanatitra ary lovia kely sy fanaka volamena sy volafotsy. Ary nanatitra fanatitra dorana tao an-tranon’ i Jehovah mandrakariva izy tamin’ ny andron’ i Joiada rehetra.
И кончив все, они представили царю и Иодаю остаток серебра. И сделали из него сосуды для дома Господня, сосуды служебные и для всесожжений, чаши и другие сосуды золотые и серебряные. И приносили всесожжения в доме Господнем постоянно во все дни Иодая.
15 Fa tratrantitra sy ela niainana Joiada vao maty: telo-polo amby zato taona izy vao maty.
И состарился Иодай и, насытившись днями жизни, умер: сто тридцать лет было ему, когда он умер.
16 Ary nalevina tao an-Tanànan’ i Davida tao amin’ ny mpanjaka izy, satria nanao soa teo amin’ ny Isiraely ary tamin’ Andriamanitra sy ny tranony koa.
И похоронили его в городе Давидовом с царями, потому что он делал доброе в Израиле и для Бога, и для дома Его.
17 Ary rehefa maty Joiada, dia avy Ireo mpanapaka ny Joda ka niankohoka teo anatrehan’ ny mpanjaka. Dia nihaino azy ny mpanjaka.
Но по смерти Иодая пришли князья Иудейские и поклонились царю; тогда царь стал слушаться их.
18 Ary nandao ny tranon’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ireo ka nanompo ny Aseraha sy ny sampy dia nisy fahatezerana nihatra tamin’ ny Joda sy Jerosalema noho ny fahadisoany.
И оставили дом Господа Бога отцов своих и стали служить деревам посвященным и идолам, - и был гнев Господень на Иуду и Иерусалим за сию вину их.
19 Ary naniraka mpaminany tany aminy Izy hampiverina azy amin’ i Jehovah; dia nananatra azy mafy ireo, nefa tsy nety nihaino izy.
И он посылал к ним пророков для обращения их к Господу, и они увещевали их, но те не слушали.
20 Ary Zakaria, zanak’ i Joiada mpisorona, notsindrian’ ny Fanahin’ Andriamanitra, dia nitsangana teo amin’ ny avoavo teo anatrehan’ ny vahoaka izy ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ Andriamanitra: Nahoana ianareo no mandika ny didin’ i Jehovah ka tsy mahita fanambinana? Satria efa nahafoy an’ i Jehovah ianareo, dia nahafoy anareo kosa Izy.
И Дух Божий облек Захарию, сына Иодая священника, и он стал на возвышении пред народом и сказал им: так говорит Господь: для чего вы преступаете повеления Господни? не будет успеха вам; и как вы оставили Господа, то и Он оставит вас.
21 Dia nanao teti-dratsy ireo ka nitora-bato azy teo amin’ ny kianjan’ ny tranon’ i Jehovah araka ny tenin’ ny mpanjaka.
И сговорились против него, и побили его камнями, по приказанию царя Иоаса, на дворе дома Господня.
22 Toy izany no tsy nahatsiarovan’ i Joasy mpanjaka ny soa nataon’ i Joiada rainy taminy, fa namono ny zanany izy. Ary nony efa ho faty Zakaria, dia niteny hoe: Jehovah anie hijery sy hamaly izao.
И не вспомнил царь Иоас благодеяния, какое сделал ему Иодай, отец его, и убил сына его. И он умирая говорил: да видит Господь и да взыщет!
23 Ary nony efa niherina ny taona, dia avy ny miaramilan’ i Syria hiady taminy; ary tonga tany Joda sy Jerosalema izy, ka matiny avokoa ny mpanapaka rehetra tao amin’ ny olona, ary nampitondrainy ho any amin’ ny mpanjakan’ i Damaskosy ny babo rehetra.
И по истечении года выступило против него войско Сирийское, и вошли в Иудею и в Иерусалим, и истребили из народа всех князей народа, и всю добычу, взятую у них, отослали к царю в Дамаск.
24 Fa vitsy ny miaramilan’ ny Syriana izay tonga teo, nefa Jehovah nanolotra miaramila maro ho eo an-tànany noho ny nahafoizany an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany. Toy izany no nahatanterahan’ ireo ny famaliana an’ i Joasy.
Хотя в небольшом числе людей приходило войско Сирийское, но Господь предал в руку их весьма многочисленную силу за то, что оставили Господа Бога отцов своих. И над Иоасом совершили они суд,
25 Ary nony nilaozany tamin’ ny faharariany mafy izy, ny mpanompony dia niodina taminy noho ny ran’ ny zanak’ i Joiada mpisorona, ka namono azy teo am-pandriany, dia maty izy; ary naleviny tany an-Tanànan’ i Davida ihany izy, nefa tsy tao amin’ ny fasan’ ny mpanjaka.
и когда они ушли от него, оставив его в тяжкой болезни, то составили против него заговор рабы его, за кровь сына Иодая священника, и убили его на постели его, и он умер. И похоронили его в городе Давидовом, но не похоронили его в царских гробницах.
26 Ary izao no niodina taminy: Zabada, zanak’ i Simata Amonita, sy Jozabada, zanak’ i Simrita Moabita.
Заговорщиками же против него были: Завад, сын Шимеафы Аммонитянки, и Иегозавад, сын Шимрифы Моавитянки.
27 Ary ny amin’ ny zanany sy ny hamafin’ ny faminaniana nilaza ny loza hanjo azy ary ny nanamboarany ny tranon’ Andriamanitra, indro, efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjaka izany. Ary Amazia zanany no nanjaka nandimby azy.
О сыновьях его и о множестве пророчеств против него и об устроении дома Божия написано в книге царей. И воцарился Амасия, сын его, вместо него.

< 2 Tantara 24 >