< 2 Tantara 24 >

1 Fito taona no niainan’ i Joasy, fony izy vao nanjaka, efa efa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Zibia, avy any Beri-sheba.
Yowasi anali wa zaka zisanu ndi ziwiri pamene anakhala mfumu, ndipo analamulira mu Yerusalemu kwa zaka makumi anayi. Dzina la amayi ake linali Zibiya wa ku Beeriseba.
2 Ary Joasy nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah tamin’ ny andro rehetra niainan’ i Joiada mpisorona.
Yowasi anachita zolungama pamaso pa Yehova nthawi yonse ya moyo wa wansembe Yehoyada.
3 Ary nangalan’ i Joiada vady roa Joasy, dia niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
Yehoyada anamupezera iye akazi awiri, ndipo anabereka ana aamuna ndi aakazi.
4 Ary nony afaka izany, dia mby ao am-pon i Joasy ny hanamboatra ny tranon’ i Jehovah.
Patapita nthawi Yowasi anatsimikiza zokonzanso Nyumba ya Yehova.
5 Dia namory ny mpisorona sy ny Levita izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ho any amin’ ny tanànan’ ny Joda, ka mamoria vola isan-taona amin’ ny Isiraely rehetra hanamboarana ny tranon’ Andriamanitrareo; ary hafainganonareo ny raharaha. Nefa ny Levita tsy nanafaingana izany.
Iye anayitanitsa pamodzi ansembe ndi Alevi ndipo anawawuza kuti, “Pitani ku mizinda ya Yuda ndi kukasonkhetsa ndalama za pa chaka kwa Aisraeli onse zokonzera Nyumba ya Mulungu wanu. Chitani zimenezi tsopano.” Koma Alevi sanachite zimenezi mwachangu.
6 Ary ny mpanjaka dia nampaka an’ i Joiada, lohany tamin’ ireo, ka nanao taminy hoe: Nahoana no tsy nasainao nitondra ny hetra avy tany Joda sy Jerosalema ny Levita, araka ny didin’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah sy ny fiangonan’ ny Isiraely ho ao amin’ ny tabernakelin’ ny vavolombelona?
Choncho mfumu inayitanitsa Yehoyada, mkulu wa ansembe ndipo inati kwa iye, “Kodi nʼchifukwa chiyani simunawuze Alevi kuti asonkhetse ndalama ku Yuda ndi Yerusalemu, msonkho umene anakhazikitsa Mose mtumiki wa Yehova ndiponso gulu lonse la Aisraeli mu tenti yaumboni?”
7 Fa ny zanak’ i Atalia, ilay vehivavy ratsy fanahy, efa nandrava ny tranon’ Andriamanitra; ary ny zavatra masìna rehetra tao an-tranon’ i Jehovah koa dia efa nateriny ho an’ ireo Bala.
Ana a mkazi woyipa, Ataliya, anathyola chitseko cha Nyumba ya Mulungu ndipo anagwiritsa ntchito zinthu zopatulika popembedza Baala.
8 Ary nasain’ ny mpanjaka nanao vata anankiray izy, dia napetrany teo ivelan’ ny vavahadin’ ny tranon’ i Jehovah izany.
Mfumu italamulira, bokosi linapangidwa ndipo linayikidwa panja pa chipata cha Nyumba ya Yehova.
9 Ary nandefa teny eran’ i Joda sy Jerosalema izy mba haterina ho an’ i Jehovah ny hetra izay nasain’ i Mosesy, mpanompon’ Andriamanitra, haloan’ ny Isiraely, fony izy tany an-efitra.
Ndipo analengeza kwa anthu a mu Yuda ndi mu Yerusalemu kuti abweretse kwa Yehova msonkho umene Mose mtumiki wa Mulungu analamulira Aisraeli mʼchipululu.
10 Dia faly ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra, ka dia nitondra izany ary nandatsaka azy tao amin’ ny vata ambara-pahatapiny.
Akuluakulu onse ndi anthu onse anabweretsa zopereka zawo mokondwera ndipo anaziponya mʼbokosi mpaka linadzaza.
11 Ary tamin’ izay andro nitondran’ ny Levita ny vata ho any amin’ ny toniany voatendrin’ ny mpanjaka, raha hitany fa be ny vola, dia avy ny mpanoratry ny mpanjaka sy ny toniany voatendrin’ ny mpisoronabe ka nanaisotra izay rehetra tao amin’ ny vata, dia nitondra ny vata niverina ho eo amin’ ny fitoerany indray. Toy izany no nataony mandrakariva, ka nahavory vola betsaka izy.
Nthawi ina iliyonse imene Alevi abweretsa bokosilo kwa akuluakulu a mfumu ndipo akaona kuti muli ndalama zambiri, mlembi waufumu ndi nduna yayikulu ya mkulu wa ansembe amabwera ndi kuchotsa ndalama mʼbokosi muja ndipo amalitenga kukaliyika pamalo pake. Iwo amachita izi nthawi ndi nthawi ndipo anapeza ndalama zambiri.
12 Ary nomen’ ny mpanjaka sy Joiada ho an’ izay nanao ny raharahan’ ny tranon’ i Jehovah ny vola, ka nanakaraman’ ireo mpipai-bato sy mpandrafitra ary mpanefy vy sy varahina mba hanamboatra ny tranon’ i Jehovah.
Mfumu pamodzi ndi Yehoyada anapereka ndalamazo kwa anthu oyangʼanira ntchito ku Nyumba ya Yehova. Analemba ntchito amisiri a miyala ndi a matabwa kuti akonzenso Nyumba ya Yehova. Analembanso ntchito amisiri a zitsulo ndi mkuwa kuti akonze Nyumba ya Mulungu.
13 Dia nanao ny mpiasa, ka vita tsara ny asa; ary namboariny ho toy ny teo aloha ny tranon’ Andriamanitra ka nataony mafy.
Anthu amene ankagwira ntchito anali odziwa bwino, ndipo ntchitoyo inagwiridwa bwino ndi manja awo. Iwo anamanganso Nyumba ya Mulungu motsatira mapangidwe ake oyamba ndipo anayilimbitsa.
14 Ary nony vitany izany, dia nentiny teo anatrehan’ ny mpanjaka sy Joiada ny vola sisa ka nanaovany fanaka ho an’ ny tranon’ i Jehovah, dia fanaka ho enti-manao fanompoam-pivavahana sy manatitra fanatitra ary lovia kely sy fanaka volamena sy volafotsy. Ary nanatitra fanatitra dorana tao an-tranon’ i Jehovah mandrakariva izy tamin’ ny andron’ i Joiada rehetra.
Atamaliza, iwo anabweretsa ndalama zotsala kwa mfumu ndi Yehoyada, ndipo anazigwiritsira ntchito popangira zida za mʼNyumba ya Yehova: ziwiya zogwiritsa ntchito potumikira ndi popereka nsembe zopsereza, komanso mbale ndi ziwiya zagolide ndi siliva. Nthawi yonse ya moyo wa Yehoyada, nsembe zopsereza zinkaperekedwa mosalekeza mʼNyumba ya Yehova.
15 Fa tratrantitra sy ela niainana Joiada vao maty: telo-polo amby zato taona izy vao maty.
Tsono Yehoyada anakalamba ndipo anali ndi zaka zambiri. Pambuyo pake iye anamwalira ali ndi zaka 130.
16 Ary nalevina tao an-Tanànan’ i Davida tao amin’ ny mpanjaka izy, satria nanao soa teo amin’ ny Isiraely ary tamin’ Andriamanitra sy ny tranony koa.
Iyeyo anayikidwa mʼmanda pamodzi ndi mafumu mu mzinda wa Davide chifukwa cha zabwino zimene anachita mu Israeli, kuchitira Mulungu ndi Nyumba yake.
17 Ary rehefa maty Joiada, dia avy Ireo mpanapaka ny Joda ka niankohoka teo anatrehan’ ny mpanjaka. Dia nihaino azy ny mpanjaka.
Atamwalira Yehoyada, akuluakulu a Yuda anabwera kudzapereka ulemu kwa mfumu, ndipo mfumu inawamvera.
18 Ary nandao ny tranon’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ireo ka nanompo ny Aseraha sy ny sampy dia nisy fahatezerana nihatra tamin’ ny Joda sy Jerosalema noho ny fahadisoany.
Iwo anasiya Nyumba ya Yehova, Mulungu wa makolo awo ndipo anapembedza Asera ndi mafano. Chifukwa cha kulakwa kwawo, mkwiyo wa Yehova unabwera pa Yuda ndi Yerusalemu.
19 Ary naniraka mpaminany tany aminy Izy hampiverina azy amin’ i Jehovah; dia nananatra azy mafy ireo, nefa tsy nety nihaino izy.
Ngakhale Yehova anatumiza aneneri kwa anthuwo kuti awabweze kwa Iye, ngakhale aneneri ananenera mowatsutsa, anthuwo sanamvere.
20 Ary Zakaria, zanak’ i Joiada mpisorona, notsindrian’ ny Fanahin’ Andriamanitra, dia nitsangana teo amin’ ny avoavo teo anatrehan’ ny vahoaka izy ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ Andriamanitra: Nahoana ianareo no mandika ny didin’ i Jehovah ka tsy mahita fanambinana? Satria efa nahafoy an’ i Jehovah ianareo, dia nahafoy anareo kosa Izy.
Kenaka Mzimu wa Mulungu unabwera pa Zekariya mwana wa wansembe Yehoyada. Iye anayimirira pamaso pa anthu ndipo anati, “Zimene Mulungu akunena ndi Izi: ‘Chifukwa chiyani simukumvera Malamulo a Yehova? Simudzapindula. Chifukwa mwasiya Yehova, Iyenso wakusiyani.’”
21 Dia nanao teti-dratsy ireo ka nitora-bato azy teo amin’ ny kianjan’ ny tranon’ i Jehovah araka ny tenin’ ny mpanjaka.
Koma anthuwo anamuchitira chiwembu molamulidwa ndi mfumu ndipo anamugenda miyala ndi kumupha mʼbwalo la Nyumba ya Mulungu.
22 Toy izany no tsy nahatsiarovan’ i Joasy mpanjaka ny soa nataon’ i Joiada rainy taminy, fa namono ny zanany izy. Ary nony efa ho faty Zakaria, dia niteny hoe: Jehovah anie hijery sy hamaly izao.
Mfumu Yowasi sinakumbukire zabwino zimene Yehoyada abambo ake a Zekariya anamuchitira, koma anapha mwana wake. Pamene amafa, iye ananena kuti, “Yehova aone zimenezi ndipo abwezere chilango.”
23 Ary nony efa niherina ny taona, dia avy ny miaramilan’ i Syria hiady taminy; ary tonga tany Joda sy Jerosalema izy, ka matiny avokoa ny mpanapaka rehetra tao amin’ ny olona, ary nampitondrainy ho any amin’ ny mpanjakan’ i Damaskosy ny babo rehetra.
Pakutha kwa chaka, gulu lankhondo la Aramu linadzamenyana ndi Yowasi. Linalowa mu Yuda ndi mu Yerusalemu ndi kupha atsogoleri onse a anthu. Zonse zimene analanda anazitumiza kwa mfumu ya ku Damasiko.
24 Fa vitsy ny miaramilan’ ny Syriana izay tonga teo, nefa Jehovah nanolotra miaramila maro ho eo an-tànany noho ny nahafoizany an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany. Toy izany no nahatanterahan’ ireo ny famaliana an’ i Joasy.
Ngakhale kuti gulu lankhondo la Aramu linabwera ndi anthu ochepa okha, Yehova anapereka mʼmanja mwawo gulu lalikulu lankhondo. Chifukwa Yuda anasiya Yehova Mulungu wa makolo awo, chiweruzo chinachitika pa Yowasi.
25 Ary nony nilaozany tamin’ ny faharariany mafy izy, ny mpanompony dia niodina taminy noho ny ran’ ny zanak’ i Joiada mpisorona, ka namono azy teo am-pandriany, dia maty izy; ary naleviny tany an-Tanànan’ i Davida ihany izy, nefa tsy tao amin’ ny fasan’ ny mpanjaka.
Pamene Aaramu amachoka, anasiya Yowasi atavulazidwa kwambiri. Akuluakulu ake anamuchitira chiwembu chifukwa anapha mwana wa wansembe Yehoyada, ndipo anamupha ali pa bedi pake. Choncho anafa ndipo anayikidwa mʼmanda mu mzinda wa Davide, koma osati manda a mafumu.
26 Ary izao no niodina taminy: Zabada, zanak’ i Simata Amonita, sy Jozabada, zanak’ i Simrita Moabita.
Iwo amene anamuchitira chiwembu anali Zabadi mwana wa Simeati, mkazi wa ku Amoni, ndi Yehozabadi mwana wa Simiriti, mkazi wa ku Mowabu.
27 Ary ny amin’ ny zanany sy ny hamafin’ ny faminaniana nilaza ny loza hanjo azy ary ny nanamboarany ny tranon’ Andriamanitra, indro, efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjaka izany. Ary Amazia zanany no nanjaka nandimby azy.
Za ana ake aamuna, uneneri wonena za iye, mbiri ya kumanganso Nyumba ya Mulungu, zalembedwa mʼbuku lofotokoza za mafumu. Ndipo Amaziya mwana wake analowa ufumu mʼmalo mwake.

< 2 Tantara 24 >