< 2 Tantara 23 >
1 Ary tamin’ ny taona fahafito Joiada nitombo hery ka nanao fanekena tamin’ ny mpifehy zato, dia Azaria, zanak’ i Jerohama, sy Isimaela, zanak’ i Johanana, sy Azaria, zanak’ i Obeda, sy Mahaseia, zanak’ i Adaia, ary Elisafata, zanak’ i Zikry.
Na rĩrĩ, mwaka wa mũgwanja Jehoiada nĩonanirie hinya wake. Nĩathondekire kĩrĩkanĩro na anene a ita a thigari 100 nao maarĩ: Azaria mũrũ wa Jerohamu, na Ishumaeli mũrũ wa Jehohanani, na Azaria mũrũ wa Obedi, na Maaseia mũrũ wa Adaia, na Elishafatu mũrũ wa Zikiri.
2 Ary nitety an’ i Joda Ireo ka namory ny Levita avy tany amin’ ny tanànan’ ny Joda rehetra sy ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny Isiraely, dia tonga tany Jerosalema ireo.
Nao magĩthiĩ bũrũri wa Juda wothe makĩũnganagia Alawii na atongoria a nyũmba cia andũ a Isiraeli kuuma matũũra-inĩ mothe. Rĩrĩa mookire Jerusalemu-rĩ,
3 Ary ny olona rehetra vory tao dia nanao fanekena tamin’ ny mpanjaka tao an-tranon’ Andriamanitra. Ary hoy Joiada taminy: Indro, ny zanaky ny mpanjaka no hanjaka araka ny efa nolazain’ i Jehovah ny amin’ ny taranak’ i Davida.
kĩũngano gĩothe nĩkĩagĩire kĩrĩkanĩro na mũthamaki kũu hekarũ-inĩ ya Ngai. Jehoiada akĩmeera atĩrĩ, “Mũriũ wa mũthamaki no nginya athamake, o ta ũrĩa Jehova eeranĩire ũhoro-inĩ ũkoniĩ njiaro cia Daudi.
4 Izao no hataonareo: ny ampahatelonareo izay milatsaka amin’ ny Sabata, dia ny mpisorona sy ny Levita, ho mpiandry varavarana;
Na rĩrĩ, ũũ nĩguo mũgwĩka: Gĩcunjĩ gĩa gatatũ kĩa inyuĩ athĩnjĩri-Ngai na Alawii arĩa megũthiĩ wĩra mũthenya wa Thabatũ mũrangĩre mĩrango,
5 ary ny ampahatelonareo ho ao an-tranon’ ny mpanjaka; ary ny ampahatelonareo ho eo amin’ ny vavahadin’ ny fanorenana; ary ny vahoaka rehetra kosa dia ho eo amin’ ny kianjan’ ny tranon’ i Jehovah.
gĩcunjĩ gĩa gatatũ kĩanyu mũrangĩre nyũmba ya ũthamaki, na gĩcunjĩ gĩa gatatũ mũrangĩre kĩhingo kĩa mũthingi, nao andũ acio angĩ othe maikare nja cia hekarũ ya Jehova.
6 Fa aza avela hisy hiditra ao an-tranon’ i Jehovah afa-tsy ny mpisorona sy ny Levita izay manao fanompoam-pivavahana ihany; ireo ihany no hiditra, satria masìna ireo; fa ny vahoaka rehetra kosa dia hitandrina izay nasain’ i Jehovah hotandremana.
Mũtikanareke mũndũ o na ũmwe atoonye hekarũ ya Jehova tiga o athĩnjĩri-Ngai na Alawii arĩa marĩ wĩra-inĩ; acio no matoonye tondũ nĩ aamũre, no andũ acio angĩ othe marangĩre kĩrĩa Jehova oigĩte marangĩre.
7 Ary ny Levita hanemitra manodidina ny mpanjaka, samy mitana ny fiadiany avy; ka na iza na iza miditra ao an-trano dia Vonoy, ary arahonareo ny mpanjaka, na miditra na mivoaka izy.
Alawii makeiga mathiũrũrũkĩirie mũthamaki, o mũndũ arĩ na indo ciake cia mbaara guoko-inĩ. Mũndũ o wothe ũngĩtoonya hekarũ no nginya oragwo. Ikaragai hakuhĩ na mũthamaki kũrĩa guothe angĩthiĩ.”
8 Ary ny Levita sy ny Joda rehetra dia nanao araka izay rehetra nandidian’ i Joiada mpisorona azy, ka samy nitondra ny olom-peheziny izay nilatsaka tamin’ ny Sabata sy izay niala tamin’ ny Sabata izy; fa Joiada mpisorona tsy nandrava ny antokony.
Nao Alawii na andũ othe a Juda magĩĩka o ũrĩa Jehoiada ũrĩa mũthĩnjĩri-Ngai aathanire. O mũndũ akĩoya andũ ake arĩa maathiiaga wĩra mũthenya wa Thabatũ na arĩa moimagĩra wĩra, nĩgũkorwo Jehoiada ũrĩa mũthĩnjĩri-Ngai ndarĩ gĩkundi o na kĩmwe aarekereirie.
9 Ary nomen’ i Joiada mpisorona ho an’ ny mpifehy zato ny lefona sy ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe, izay an’ i Davida mpanjaka ka tao an-tranon’ Andriamanitra.
Ningĩ akĩhe anene a ita a thigari 100 matimũ na ngo iria nene na nini iria ciarĩ cia Mũthamaki Daudi iria ciarĩ thĩinĩ wa hekarũ ya Ngai.
10 Ary ny vahoaka rehetra dia nalahany, samy nitana ny fiadiany avy hanodidina ny mpanjaka hatramin’ ny lafiny ankavavan’ ny trano ka hatramin’ ny lafiny ankavia, hatramin’ ny alitara ka hatramin’ ny trano.
Akĩrũgamia andũ othe, o mũndũ na indo ciake cia mbaara, magĩthiũrũrũkĩria mũthamaki, hau hakuhĩ na kĩgongona, na hakuhĩ na hekarũ, kuuma mwena wa gũthini nginya mwene wa gathigathini wayo.
11 Dia nentiny nivoaka ny zanakalahin’ ny mpanjaka ka nampisatrohiny ny satro-boninahitra, sady notolorany ny teni-vavolombelona, ka dia nampanjakainy. Ary Joiada sy ny zanany nanosotra azy ka niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka!
Jehoiada na ariũ ake makĩruta mũriũ wa mũthamaki na makĩmwĩkĩra thũmbĩ ya ũthamaki; makĩmũnengera ibuku rĩa kĩrĩkanĩro na makĩanĩrĩra atĩ nĩwe mũthamaki. Makĩmũitĩrĩria maguta na makĩanĩrĩra, makiuga atĩrĩ, “Mũthamaki arotũũra nginya tene!”
12 Ary nony ren’ i Atalia ny tabataban’ ny vahoaka nifamoivoy sy niarahaba ny mpanjaka, dia mba nankao amin’ ny vahoaka tao an-tranon’ i Jehovah koa izy.
Rĩrĩa Athalia aaiguire inegene rĩa andũ makĩhanyũka magĩkũngũyagĩra mũthamaki, agĩthiĩ kũrĩ o kũu hekarũ-inĩ ya Jehova.
13 Ary hitany fa, indro, ny mpanjaka nitsangana teo amin’ ny fitoeran’ andriana teo amin’ ny fidirana, ary ny mpanapaka sy ny mpitsoka ny trompetra dia teo anilan’ ny mpanjaka; ary ny vahoaka rehetra dia nifaly sady nitsoka ny trompetra ary ny mpihira amin’ ny zava-maneno isan-karazany no nitarika ny hira fiderana. Dia nandriatra ny fitafiany Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! fikomiana!
Agĩcũthĩrĩria, na akĩona mũthamaki arũgamĩte gĩtugĩ-inĩ gĩake itoonyero-inĩ. Nao anene na ahuhi tũrumbeta marũgamĩte hakuhĩ na mũthamaki, na andũ othe a bũrũri magagĩkena makĩhuhaga tũrumbeta, nao aini marĩ na indo cia kũina magatongoria andũ arĩa angĩ na nyĩmbo cia kũgooca. Nake Athalia agĩtembũranga nguo ciake cia igũrũ, akĩanĩrĩra, akiuga atĩrĩ, “Ungumania! Ungumania!”
14 Fa nasain’ i Joiada navoaky ny kapiteny! mpifehy ny miaramila, izy, ka hoy izy tamin’ ireo: Avoahy eny ivelan’ ny filaharana izy, ary izay manaraka azy dia vonoy amin’ ny sabatra. Fa ny mpisorona efa nandrara hoe: Aza vonoina eto an-tranon’ i Jehovah izy.
Nake Jehoiada ũrĩa mũthĩnjĩri-Ngai agĩtũma anene a ita a thigari igana igana, arĩa maarĩ arũgamĩrĩri a mbũtũ cia ita, akĩmeera atĩrĩ, “Mũrutũrũrei, mũmũrehe arĩ gatagatĩ ga thigari, na mũndũ o wothe ũngĩmuuma thuutha, oragwo.” Nĩgũkorwo mũthĩnjĩri-Ngai nĩoigĩte atĩrĩ, “Mũtikamũũragĩre hekarũ-inĩ ya Jehova.”
15 Ary ny olona nisava teo an-daniny roa, dia nankamin’ ny fidirana amin’ ny vavahadin-tsoavaly ravehivavy ka niditra tao an-tranon’ ny mpanjaka; dia novonoiny teo izy.
Nĩ ũndũ ũcio makĩmũnyiita, agĩkinya itoonyero-inĩ rĩa Kĩhingo kĩa Mbarathi, o kũu nja-inĩ cia nyũmba ya ũthamaki, makĩmũũragĩra hau.
16 Ary Joiada nampanao fanekena ny vahoaka rehetra sy ny mpanjaka mbamin’ ny tenany mba ho olon’ i Jehovah.
Nake Jehoiada akĩgĩa na kĩrĩkanĩro atĩ we, na andũ, na mũthamaki megũtuĩka andũ a Jehova.
17 Ary ny vahoaka vehetra niditra tao an-tranon’ i Bala ka nandrava azy; ny alitara sy ny endri-javatra dia notorotoroiny avokoa, ary Matana, mpisoron’ i Bala, novonoiny teo anoloan’ ny alitara.
Nao andũ othe magĩthiĩ hekarũ-inĩ ya Baali na makĩmĩtharia. Makiunanga igongona na mĩhianano na makĩũragĩra Matani ũrĩa warĩ mũthĩnjĩri-ngai wa Baali hau mbere ya igongona icio.
18 Ary Joiada nanendry olona hitandrina ny tranon’ i Jehovah hofehezin’ ny Levita mpisorona izay nozarazarain’ i Davida ho ao an-tranon’ i Jehovah, hanatitra ny fanatitra dorana ho an’ i Jehovah, araka ny voasoratra ao amin’ ny lalàn’ i Mosesy, amin’ ny fifaliana sy ny fihirana, dia araka ny nasain’ i Davida natao.
Ningĩ Jehoiada akĩneana ũrũgamĩrĩri wa hekarũ ya Jehova moko-inĩ ma athĩnjĩri-Ngai, arĩa maarĩ Alawii, arĩa maaheetwo wĩra hekarũ-inĩ nĩ Daudi, marutagĩre Jehova magongona ma njino o ta ũrĩa kwandĩkĩtwo watho-inĩ wa Musa, o makĩinaga na magakena o ta ũrĩa Daudi aathanĩte.
19 Ary nalatsany teo am-bavahadin’ ny tranon’ i Jehovah ny mpiandry varavarana mba tsy hisy zavatra maloto na inona na inona ho tafiditra ao.
O na ningĩ nĩaigire aikaria a mĩrango ihingo-inĩ cia hekarũ ya Jehova nĩgeetha gũtikagĩe mũndũ o na ũmwe ũtetheretie ũngĩtoonya.
20 Dia nalainy ny mpifehy zato sy ny olona manan-kaja sy ny mpanapaka ny olona ary ny vahoaka rehetra; ary dia nentiny nidina avy tao an-tranon’ i Jehovah ny mpanjaka, ka ny vavahady ambony no nalehany hankao an-tranon’ ny mpanjaka; ary nametraka ny mpanjaka teo amin’ ny seza fiandrianan’ ny fanjakana izy.
Akĩoya anene a ita thigari igana, na anene arĩa angĩ, na aathani a andũ, na andũ othe a bũrũri, magĩikũrũkia mũthamaki kuuma hekarũ-inĩ ya Jehova. Magĩtoonya nyũmba ya ũthamaki magereire Kĩhingo kĩa Rũgongo na magĩikarĩria mũthamaki gĩtĩ-inĩ kĩa ũnene,
21 Dia nifaly ny vahoaka rehetra; ary nandry fahizay ny tanana, fa Atalia efa novonoiny tamin’ ny sabatra.
nao andũ othe a bũrũri magĩkena. Narĩo itũũra inene rĩkĩhoorera, tondũ Athalia nĩarĩkĩtie kũũragwo na rũhiũ rwa njora.