< 2 Tantara 23 >
1 Ary tamin’ ny taona fahafito Joiada nitombo hery ka nanao fanekena tamin’ ny mpifehy zato, dia Azaria, zanak’ i Jerohama, sy Isimaela, zanak’ i Johanana, sy Azaria, zanak’ i Obeda, sy Mahaseia, zanak’ i Adaia, ary Elisafata, zanak’ i Zikry.
第七年,耶何耶大奮勇自強,將百夫長耶羅罕的兒子亞撒利雅,約哈難的兒子以實瑪利,俄備得的兒子亞撒利雅,亞大雅的兒子瑪西雅,細基利的兒子以利沙法召來,與他們立約。
2 Ary nitety an’ i Joda Ireo ka namory ny Levita avy tany amin’ ny tanànan’ ny Joda rehetra sy ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny Isiraely, dia tonga tany Jerosalema ireo.
他們走遍猶大,從猶大各城裏招聚利未人和以色列的眾族長到耶路撒冷來。
3 Ary ny olona rehetra vory tao dia nanao fanekena tamin’ ny mpanjaka tao an-tranon’ Andriamanitra. Ary hoy Joiada taminy: Indro, ny zanaky ny mpanjaka no hanjaka araka ny efa nolazain’ i Jehovah ny amin’ ny taranak’ i Davida.
會眾在上帝殿裏與王立約。耶何耶大對他們說:「看哪,王的兒子必當作王,正如耶和華指着大衛子孫所應許的話」;
4 Izao no hataonareo: ny ampahatelonareo izay milatsaka amin’ ny Sabata, dia ny mpisorona sy ny Levita, ho mpiandry varavarana;
又說:「你們當這樣行:祭司和利未人凡安息日進班的,三分之一要把守各門,
5 ary ny ampahatelonareo ho ao an-tranon’ ny mpanjaka; ary ny ampahatelonareo ho eo amin’ ny vavahadin’ ny fanorenana; ary ny vahoaka rehetra kosa dia ho eo amin’ ny kianjan’ ny tranon’ i Jehovah.
三分之一要在王宮,三分之一要在基址門;眾百姓要在耶和華殿的院內。
6 Fa aza avela hisy hiditra ao an-tranon’ i Jehovah afa-tsy ny mpisorona sy ny Levita izay manao fanompoam-pivavahana ihany; ireo ihany no hiditra, satria masìna ireo; fa ny vahoaka rehetra kosa dia hitandrina izay nasain’ i Jehovah hotandremana.
除了祭司和供職的利未人之外,不准別人進耶和華的殿;惟獨他們可以進去,因為他們聖潔。眾百姓要遵守耶和華所吩咐的。
7 Ary ny Levita hanemitra manodidina ny mpanjaka, samy mitana ny fiadiany avy; ka na iza na iza miditra ao an-trano dia Vonoy, ary arahonareo ny mpanjaka, na miditra na mivoaka izy.
利未人要手中各拿兵器,四圍護衛王;凡擅入殿宇的,必當治死。王出入的時候,你們當跟隨他。」
8 Ary ny Levita sy ny Joda rehetra dia nanao araka izay rehetra nandidian’ i Joiada mpisorona azy, ka samy nitondra ny olom-peheziny izay nilatsaka tamin’ ny Sabata sy izay niala tamin’ ny Sabata izy; fa Joiada mpisorona tsy nandrava ny antokony.
利未人和猶大眾人都照着祭司耶何耶大一切所吩咐的去行,各帶所管安息日進班出班的人來,因為祭司耶何耶大不許他們下班。
9 Ary nomen’ i Joiada mpisorona ho an’ ny mpifehy zato ny lefona sy ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe, izay an’ i Davida mpanjaka ka tao an-tranon’ Andriamanitra.
祭司耶何耶大便將上帝殿裏所藏大衛王的槍、盾牌、擋牌交給百夫長,
10 Ary ny vahoaka rehetra dia nalahany, samy nitana ny fiadiany avy hanodidina ny mpanjaka hatramin’ ny lafiny ankavavan’ ny trano ka hatramin’ ny lafiny ankavia, hatramin’ ny alitara ka hatramin’ ny trano.
又分派眾民手中各拿兵器,在壇和殿那裏,從殿右直到殿左,站在王子的四圍;
11 Dia nentiny nivoaka ny zanakalahin’ ny mpanjaka ka nampisatrohiny ny satro-boninahitra, sady notolorany ny teni-vavolombelona, ka dia nampanjakainy. Ary Joiada sy ny zanany nanosotra azy ka niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka!
於是領王子出來,給他戴上冠冕,將律法書交給他,立他作王。耶何耶大和眾子膏他,眾人說:「願王萬歲!」
12 Ary nony ren’ i Atalia ny tabataban’ ny vahoaka nifamoivoy sy niarahaba ny mpanjaka, dia mba nankao amin’ ny vahoaka tao an-tranon’ i Jehovah koa izy.
亞她利雅聽見民奔走讚美王的聲音,就到民那裏,進耶和華的殿,
13 Ary hitany fa, indro, ny mpanjaka nitsangana teo amin’ ny fitoeran’ andriana teo amin’ ny fidirana, ary ny mpanapaka sy ny mpitsoka ny trompetra dia teo anilan’ ny mpanjaka; ary ny vahoaka rehetra dia nifaly sady nitsoka ny trompetra ary ny mpihira amin’ ny zava-maneno isan-karazany no nitarika ny hira fiderana. Dia nandriatra ny fitafiany Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! fikomiana!
看見王站在殿門的柱旁,百夫長和吹號的人侍立在王左右,國民都歡樂吹號,又有歌唱的,用各樣的樂器領人歌唱讚美;亞她利雅就撕裂衣服,喊叫說:「反了!反了!」
14 Fa nasain’ i Joiada navoaky ny kapiteny! mpifehy ny miaramila, izy, ka hoy izy tamin’ ireo: Avoahy eny ivelan’ ny filaharana izy, ary izay manaraka azy dia vonoy amin’ ny sabatra. Fa ny mpisorona efa nandrara hoe: Aza vonoina eto an-tranon’ i Jehovah izy.
祭司耶何耶大帶管轄軍兵的百夫長出來,吩咐他們說:「將她趕到班外,凡跟隨她的必用刀殺死!」因為祭司說:「不可在耶和華殿裏殺她。」
15 Ary ny olona nisava teo an-daniny roa, dia nankamin’ ny fidirana amin’ ny vavahadin-tsoavaly ravehivavy ka niditra tao an-tranon’ ny mpanjaka; dia novonoiny teo izy.
眾兵就閃開,讓她去;她走到王宮的馬門,便在那裏把她殺了。
16 Ary Joiada nampanao fanekena ny vahoaka rehetra sy ny mpanjaka mbamin’ ny tenany mba ho olon’ i Jehovah.
耶何耶大與眾民和王立約,都要作耶和華的民。
17 Ary ny vahoaka vehetra niditra tao an-tranon’ i Bala ka nandrava azy; ny alitara sy ny endri-javatra dia notorotoroiny avokoa, ary Matana, mpisoron’ i Bala, novonoiny teo anoloan’ ny alitara.
於是眾民都到巴力廟,拆毀了廟,打碎壇和像,又在壇前將巴力的祭司瑪坦殺了。
18 Ary Joiada nanendry olona hitandrina ny tranon’ i Jehovah hofehezin’ ny Levita mpisorona izay nozarazarain’ i Davida ho ao an-tranon’ i Jehovah, hanatitra ny fanatitra dorana ho an’ i Jehovah, araka ny voasoratra ao amin’ ny lalàn’ i Mosesy, amin’ ny fifaliana sy ny fihirana, dia araka ny nasain’ i Davida natao.
耶何耶大派官看守耶和華的殿,是在祭司利未人手下。這祭司利未人是大衛分派在耶和華殿中、照摩西律法上所寫的,給耶和華獻燔祭,又按大衛所定的例,歡樂歌唱;
19 Ary nalatsany teo am-bavahadin’ ny tranon’ i Jehovah ny mpiandry varavarana mba tsy hisy zavatra maloto na inona na inona ho tafiditra ao.
且設立守門的把守耶和華殿的各門,無論為何事,不潔淨的人都不准進去。
20 Dia nalainy ny mpifehy zato sy ny olona manan-kaja sy ny mpanapaka ny olona ary ny vahoaka rehetra; ary dia nentiny nidina avy tao an-tranon’ i Jehovah ny mpanjaka, ka ny vavahady ambony no nalehany hankao an-tranon’ ny mpanjaka; ary nametraka ny mpanjaka teo amin’ ny seza fiandrianan’ ny fanjakana izy.
又率領百夫長和貴冑,與民間的官長,並國中的眾民,請王從耶和華殿下來,由上門進入王宮,立王坐在國位上。
21 Dia nifaly ny vahoaka rehetra; ary nandry fahizay ny tanana, fa Atalia efa novonoiny tamin’ ny sabatra.
國民都歡樂,合城都安靜。眾人已將亞她利雅用刀殺了。