< 2 Tantara 22 >
1 Ary ny mponina tany Jerosalema nampanjaka an’ i Ahazia, faralahin’ i Jehorama, handimby azy; fa ny zokiny rehetra efa matin’ ny mpitoha ady izay nanaraka ny Arabo hatrany an-toby avokoa. Koa Ahazia, zanak’ i Jehorama, mpanjakan’ ny Joda, no nanjaka.
예루살렘 거민이 여호람의 말째 아들 아하시야로 위를 이어 왕을 삼았으니 이는 전에 아라비아 사람과 함께 와서 영을 치던 부대가 그의 모든 형을 죽였음이라 그러므로 유다 왕 여호람의 아들 아하시야가 왕이 되었더라
2 Roa amby efa-polo taona Ahazia, fony izy vao nanjaka, ary herintaona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Atalia, zanak’ i Omry.
아하시야가 왕이 될 때에 나이 사십 이세라 예루살렘에서 일년을 치리하니라 그 모친의 이름은 아달랴라 오므리의 손녀더라
3 Nandeha tamin’ ny lalan’ ny taranak’ i Ahaba koa izy; fa ny reniny no nanome saina azy hanao ratsy.
아하시야도 아합의 집 길로 행하였으니 이는 그 모친이 꾀어 악을 행하게 하였음이라
4 Ka dia nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah toy ny taranak’ i Ahaba izy; fa ireny no nanome saina azy taorian’ ny nahafatesan’ ny rainy ka nampidi-doza taminy.
그 부친이 죽은 후에 저가 패망케 하는 아합의 집 교도를 좇아 여호와 보시기에 아합의 집 같이 악을 행하였더라
5 Ary ny saina nomen’ ireo azy no narahiny, ka niara-nandeha tamin’ i Jorama, zanak’ i Ahaba, mpanjakan’ ny Isiraely, izy hiady tamin’ i Hazaela, mpanjakan’ i Syria, teo Ramota-gileada; ary ny Syriana nahavoa an’ i Jorama.
아하시야가 아합의 집 교도를 좇고 이스라엘 왕 아합의 아들 요람과 함께 길르앗 라못으로 가서 아람 왕 하사엘로 더불어 싸우더니 아람 사람들이 요람을 상하게 한지라
6 Dia niverina mba hotsaboina tao Jezirela izy amin’ ny feriny tamin’ ny nahavoazana azy tao Rama, fony izy niady tamin’ i Hazaela, mpanjakan’ i Syria. Ary Azaria, zanak’ i Jehorama, mpanjakan’ ny Joda, nidina mba hamangy an’ i Jorama, zanak’ i Ahaba, tao Jezirela, satria marary izy.
요람이 아람 왕 하사엘과 싸울 때에 라마에서 맞아 상한 것을 치료하려 하여 이스르엘로 돌아왔더라 아합의 아들 요람이 병이 있으므로 유다 왕 여호람의 아들 아사랴가 이스르엘에 내려가서 방문하였더라
7 Ary avy tamin’ Andriamanitra ny loza nanjo an’ i Ahazia tamin’ ny nankanesany tany amin’ i Jorama, fa nony tonga izy, dia niara-nivoaka tamin’ i Jorama mba hitsena an’ i Jeho, zanak’ i Nimsy, izay nohosoran’ i Jehovah handringana ny taranak’ i Ahaba.
아하시야가 요람에게 가므로 해를 받았으니 이는 하나님께로 말미암은 것이라 아하시야가 갔다가 요람과 함께 나가서 임시의 아들 예후를 맞았으니 그는 여호와께서 기름을 부으시고 아합의 집을 멸하게 하신 자더라
8 Ary tamin’ ny namalian’ i Jeho ny taranak’ i Ahaba dia hitany ireo mpanapaka ny Joda sy ny zana-drahalahin’ i Ahazia, izay nanompo an’ i Ahazia, ka novonoiny.
예후가 아합의 집을 징벌할 때에 유다 방백들과 아하시야의 형제의 아들들 곧 아하시야를 섬기는 자들을 만나서 죽였고
9 Ary nitady an’ i Ahazia koa izy; koa nisy nahita azy, raha mbola niery tany Samaria izy, dia nitondra azy ho any amin’ i Jeho, ary namono azy ny olona ka nandevina azy; fa hoy ireo: Zanak’ i Josafata, ilay nitady an’ i Jehovah tamin’ ny fony rehetra, ity. Ka dia tsy nahatana ny fanjakana ny terak’ i Ahazia.
아하시야는 사마리아에 숨었더니 예후가 찾으매 무리가 예후에게로 잡아다가 죽이고 이르기를 저는 전심으로 여호와를 구하던 여호사밧의 아들이라 하고 장사하였더라 이에 아하시야의 집이 약하여 왕위를 지키지 못하게 되니라
10 Ary nony hitan’ i Atalia, renin’ i Ahazia, fa maty ny zanany, dia nitsangana izy ka nandringana ny zanak’ andriana rehetra tamin’ ny taranak’ i Joda.
아하시야의 모친 아달랴가 그 아들의 죽은 것을 보고 일어나 유다 집의 왕의 씨를 진멸하였으나
11 Fa Joseba, zanakavavin’ ny mpanjaka, dia naka an’ i Joasy, zanak’ i Ahazia, ka namonjy azy avy teo amin’ ny zanaky ny mpanjaka izay novonoina, dia nampiditra azy sy ny mpitaiza azy ho ao an-trano fitehirizam-pandriana. Ary nafenin’ i Joseba, zanakavavin’ i Jehorama mpanjaka, vadin’ i Joiada mpisorona, izy (fa anabavin’ i Ahazia ravehivavy) mba tsy ho hitan’ i Atalia, ka dia tsy mba voavonony izy.
왕의 딸 여호사브앗이 아하시야의 아들 요아스를 왕자들의 죽임을 당하는 중에서 도적하여 내고 저와 그 유모를 침실에 숨겨 아달랴를 피하게 한고로 아달랴가 저를 죽이지 못하였더라 여호사브앗은 여호람왕의 딸이요 아하시야의 누이요 제사장 여호야다의 아내더라
12 Ary niery enin-taona tao aminy tao an-tranon’ Andriamanitra izy. Ary Atalia no nanjaka tamin’ ny tany
요아스가 저희와 함께 하나님의 전에 육년을 숨어 있는 동안에 아달랴가 나라를 다스렸더라