< 2 Tantara 21 >
1 Ary Josafata lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-Tanànan’ i Davida izy; ary Jehorama zanany no nanjaka nandimby azy.
And Jehoshaphat slept with his fathers, and was buried with his fathers in the city of David: and Jehoram his son reigned in his stead.
2 Ary nanan-drahalahy, zanak’ i Josafata, koa izy, dia Azaria sy Jehiela sy Zakaria sy Azaria sy Mikaela ary Sefatia; ireo rehetra ireo no zanak’ i Josafata, mpanjakan’ ny Isiraely.
And he had brethren, the sons of Jehoshaphat: Azariah, and Jehiel, and Zechariah, and Azariah, and Michael, and Shephatiah; all these were the sons of Jehoshaphat king of Israel.
3 Ary nomen-drainy harena betsaka ireo, dia volafotsy sy volamena ary zava-tsoa mbamin’ ny tanàna sasany mimanda tany Joda; fa ny fanjakana kosa dia nomeny an’ i Jehorama, satria izy no lahimatoa.
And their father gave them great gifts, of silver, and of gold, and of precious things, with fortified cities in Judah: but the kingdom gave he to Jehoram, because he was the first-born.
4 Ary raha vao nanjaka tamin’ ny fanjakan’ ny rainy Jehorama, dia nitombo hery izy ka namono ny rahalahiny rehetra mbamin’ ny mpanapaka sasany tamin’ ny Isiraely koa tamin’ ny sabatra.
Now when Jehoram was risen up over the kingdom of his father, and had strengthened himself, he slew all his brethren with the sword, and divers also of the princes of Israel.
5 Roa amby telo-polo taona Jehorama, fony izy vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema.
Jehoram was thirty and two years old when he began to reign; and he reigned eight years in Jerusalem.
6 Ary nandeha tamin’ ny lalan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy, dia tahaka ny nataon’ ny taranak’ i Ahaba fa zanakavavin’ i Ahaba no vadiny, eny, nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy.
And he walked in the way of the kings of Israel, as did the house of Ahab; for he had the daughter of Ahab to wife: and he did that which was evil in the sight of Jehovah.
7 Nefa Jehovah tsy nety nandringana ny taranak’ i Davida noho ny fanekena nataony tamin’ i Davida sy ny nilazany fa homeny jiro mandrakizay izy mbamin’ ny taranany.
Howbeit Jehovah would not destroy the house of David, because of the covenant that he had made with David, and as he promised to give a lamp to him and to his children alway.
8 Tamin’ ny andron’ i Jehorama no niodinan’ ny Edomita ka tsy nanoa ny Joda, fa nanangana mpanjaka ho azy izy.
In his days Edom revolted from under the hand of Judah, and made a king over themselves.
9 Ka dia nivoaka Jehorama sy ireo mpanjaka nitondra ny kalesiny rehetra; ary nanaovany latsak’ alina ny Edomita izay nanodidina azy sy ny komandin’ ny kalesy.
Then Jehoram passed over with his captains, and all his chariots with him: and he rose up by night, and smote the Edomites that compassed him about, and the captains of the chariots.
10 Nefa ny Edomita mbola niodina ka tsy nanoa ny Joda ihany ambaraka androany. Ary tamin’ izany andro izany Libna koa niodina tsy nety nanoa an’ i Jehorama, satria efa nahafoy an’ i Jehovah, Andriamanitra ny razany, izy.
So Edom revolted from under the hand of Judah unto this day: then did Libnah revolt at the same time from under his hand, because he had forsaken Jehovah, the God of his fathers.
11 Ary nanao fitoerana avo teny an-tendrombohitr’ i Joda koa izy sady nampijangajanga ny mponina tany Jerosalema ary nitaona ny Joda mangingina hanao izany.
Moreover he made high places in the mountains of Judah, and made the inhabitants of Jerusalem to play the harlot, and led Judah astray.
12 Ary nisy taratasy avy tamin’ i Elia mpaminany tonga tao aminy nanao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitr’ i Davida rainao: Noho ny tsy nandehananao tamin’ ny lalan’ i Josafata rainao, na ny lalan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda,
And there came a writing to him from Elijah the prophet, saying, Thus saith Jehovah, the God of David thy father, Because thou hast not walked in the ways of Jehoshaphat thy father, nor in the ways of Asa king of Judah,
13 fa nandeha tamin’ ny lalan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely kosa ianao ka nampijangajanga ny Joda sy ny mponina any Jerosalema toy ny fijangajangan’ ny taranak’ i Ahaba, sady novonoinao koa ny rahalahinao nateraky ny rainao, izay tsara noho ianao,
but hast walked in the way of the kings of Israel, and hast made Judah and the inhabitants of Jerusalem to play the harlot, like as the house of Ahab did, and also hast slain thy brethren of thy father’s house, who were better than thyself:
14 dia, indro, hasian’ i Jehovah areti-mandringana ny vahoakanao sy ny zanakao sy ireo vadinao mbamin’ ny biby fiompinao rehetra;
behold, Jehovah will smite with a great plague thy people, and thy children, and thy wives, and all thy substance;
15 ary ianao koa ho azon’ ny aretina mafy, dia aretina amin’ ny tsinainao, mandra-pialàlan’ ny tsinainao isan’ andro isan’ andro noho ny aretina.
and thou shalt have great sickness by disease of thy bowels, until thy bowels fall out by reason of the sickness, day by day.
16 Ary Jehovah namporisika ny Filistina sy ny Arabo izay ao akaikin’ ny Etiopiana hamely an’ i Jehorama;
And Jehovah stirred up against Jehoram the spirit of the Philistines, and of the Arabians that are beside the Ethiopians:
17 ary niakatra tany Joda ireo ka nisesika tao, dia nobaboiny ny fananana rehetra izay an’ ny ankohonan’ ny mpanjaka mbamin’ ny zanany sy ny vadiny koa, ka tsy nisy zanany intsony, afa-tsy Joahaza faralahiny ihany.
and they came up against Judah, and brake into it, and carried away all the substance that was found in the king’s house, and his sons also, and his wives; so that there was never a son left him, save Jehoahaz, the youngest of his sons.
18 Ary nony afaka izany rehetra izany, dia nasian’ i Jehovah aretina tsy azo sitranina tamin’ ny tsinainy izy.
And after all this Jehovah smote him in his bowels with an incurable disease.
19 Ary rehefa ela, nony afaka roa taona, dia nialàla ny tsinainy azon’ ny aretiny; ka dia maty tamin’ ny fangirifiriana mafy izy. Ary ny vahoakany tsy mba nandoro zavatra ho fisaonana azy toy ny nataony tamin’ ny razany.
And it came to pass, in process of time, at the end of two years, that his bowels fell out by reason of his sickness, and he died of sore diseases. And his people made no burning for him, like the burning of his fathers.
20 Roa amby telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema; koa lasa tsy nisy nalahelo azy izy. Ary nalevina tao an-Tanànan’ i Davida ihany izy, nefa tsy mba tao amin’ ny fasan’ ny mpanjaka.
Thirty and two years old was he when he began to reign, and he reigned in Jerusalem eight years: and he departed without being desired; and they buried him in the city of David, but not in the sepulchres of the kings.