< 2 Tantara 20 >

1 Ary nony afaka izany, dia avy hiady tamin’ i Josafata ny taranak’ i Moaba sy ny taranak’ i Amona mbamin’ ny any ankoatry ny Amonita.
Ikawa baada ya jambo hili, Wamoabu na Waamoni, pamoja na baadhi ya Wameuni wakaja ili wapigane vita na Yehoshafati.
2 Ary nisy tonga ka nanambara tamin’ i Josafata hoe: Indreo, misy olona betsaka avy any an-dafin’ ny ranomasina, dia avy any Syria, ho avy hiady aminao; ary indreo izy ao Hazezon-tamara (Enjedy izany).
Watu fulani wakaja wakamwambia Yehoshafati, “Jeshi kubwa linakuja dhidi yako kutoka Edomu tokea ngʼambo ile nyingine ya Bahari. Tayari liko Hasason-Tamari” (yaani En-Gedi).
3 Dia natahotra Josafata ka nanatrika tsara hitady an’ i Jehovah sady niantso andro fifadian-kanina ho an’ ny tanin’ ny Joda rehetra.
Yehoshafati akaogopa, akaazimu kumtafuta Bwana, na akatangaza kwa Yuda wote kufunga.
4 Dia niangona ny Joda hangataka famonjena amin’ i Jehovah; eny, avy tamin’ ny tanànan’ ny Joda rehetra hitady an’ i Jehovah izy.
Watu wa Yuda wakakusanyika pamoja ili kutafuta msaada kutoka kwa Bwana. Wakaja kutoka kila mji wa Yuda ili kumtafuta.
5 Ary Josafata nitsangana teo amin’ ny fiangonan’ ny Joda sy Jerosalema, Tao amin’ ny tranon’ i Jehovah, teo anoloan’ ny kianja vaovao,
Kisha Yehoshafati akasimama katika kusanyiko la Yuda na Yerusalemu katika Hekalu la Bwana, mbele ya ua mpya,
6 ka nanao hoe: Ry Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, tsy Hianao va no Andriamanitra any an-danitra? Eny, Hianao no manapaka amin’ ny fanjakan’ ny jentilisa rehetra, ary eo an-tananao ny hery sy ny fahefana, ka tsy misy mahasakana Anao.
akasema: “Ee Bwana, Mungu wa baba zetu, si wewe ndiwe uliye Mungu mbinguni? Si wewe ndiwe utawalaye juu ya falme zote za mataifa? Uweza na nguvu viko mkononi mwako, wala hakuna yeyote awezaye kushindana nawe.
7 Ry Andriamanitray ô, tsy Hianao va no nandroaka ny mponina tamin’ ity tany ity hiala teo anoloan’ ny Isiraely olonao ka nanome azy mandrakizay ho an’ ny taranak’ i Abrahama sakaizanao?
Je, si wewe, Ee Mungu wetu, uliyewafukuza wenyeji wa nchi hii mbele ya watu wako Israeli, ukawapa wazao wa Abrahamu, rafiki yako, hata milele?
8 Ary nonina tatỳ izy ka nanao fitoerana masìna teto ho an’ ny anaranao sady nanao hoe:
Wameishi ndani yake na humo wamekujengea mahali patakatifu kwa ajili ya Jina lako, wakisema:
9 Raha manjo anay ny loza, na sabatra, na famaliana, na areti-mandringana, na mosary, ary hitsangana manatrika ity trano ity sy eto anatrehanao izahay (fa ny anaranao no amin’ ity trano ity) ka hitaraina aminao amin’ ny fahorianay, dia hihaino Hianao ka hamonjy.
‘Kama maafa yakitujia, ikiwa ni upanga, hukumu, tauni, au njaa, tutasimama mbele zako, mbele ya Hekalu hili ambalo limeitwa kwa Jina lako na kukulilia katika shida yetu, nawe utatusikia na kutuokoa.’
10 Koa indreo ny taranak’ i Amona sy Moaba ary ny avy any an-tendrombohitra, Seïra, dia ilay tsy navelanao hotafihin’ ny Isiraely, fony izy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, ka nivily fa tsy nandringana azy;
“Lakini sasa hawa watu wa kutoka Amoni, Moabu na Mlima Seiri, ambao hukuwaruhusu Israeli wazivamie nchi zao wakati walitoka Misri, hivyo wakageukia mbali nao na hawakuwaangamiza,
11 nefa indreo izy mamaly ratsy anay ka avy handroaka anay amin’ ny lova nomenao anay.
tazama jinsi wanavyotulipa kwa kuja kututupa nje ya milki uliyotupa sisi kuwa urithi.
12 Ry Andriamanitray ô, tsy hitsara azy va Hianao? Fa izahay dia tsy manan-kery hanohitra ireo olona betsaka ireo, izay avy hamely anay, koa tsy hitanay izay hataonay; fa Hianao no andrandrain’ ny masonay.
Ee Mungu wetu, je, wewe hutawahukumu? Kwa kuwa sisi hatuna uwezo wa kukabiliana na jeshi hili kubwa linalokuja kutushambulia. Sisi hatujui la kufanya, bali macho yetu yanakutazama wewe.”
13 Ary ny Joda rehetra mbamin’ ny vadiny aman-janany koa dia samy nitsangana teo anatrehan’ i Jehovah.
Watu wote wa Yuda pamoja na wake zao, watoto wao na wadogo wao wakasimama pale mbele za Bwana.
14 Ary Jahaziela, zanak’ i Zakaria, zanak’ i Benaia, zanak’ i Jeiela, zanak’ i Matania, Levita amin’ ny taranak’ i Asafa, dia voatsindrin’ ny Fanahin’ i Jehovah teo amin’ ny fiangonana
Ndipo Roho wa Bwana akaja juu ya mtu mmoja jina lake Yahazieli mwana wa Zekaria, mwana wa Benaya, Mwana wa Yeieli, mwana wa Matania, Mlawi mzao wa Asafu alipokuwa amesimama katika kusanyiko.
15 ka nanao hoe: Mihainoa ianareo, ry Joda rehetra sy ry mponina any Jerosalema, ary ianao, ry Josafata mpanjaka: Izao no lazain’ i Jehovah aminareo: Aza matahotra na mivadi-po ny amin’ ireo olona betsaka ireo, fa tsy anareo ny ady, fa an’ Andriamanitra.
Akasema: “Sikilizeni, enyi Yuda wote nanyi nyote mkaao Yerusalemu, nawe Mfalme Yehoshafati! Hili ndilo Bwana asemalo kwenu, ‘Msiogope wala msifadhaike kwa sababu ya jeshi hili kubwa. Kwa maana vita hivi si vyenu, bali ni vya Mungu.
16 Rahampitso dia midìna hiady aminy ianareo; fa, indreo, hiakatra amin’ ny fiakarana Ziza izy; ary ianareo hahita azy eo amin’ ny faran’ ny lohasahan-driaka tandrifin’ ny efitr’ i Jeroela.
Kesho shukeni kukabiliana nao. Watakwea kwa kupandia Genge la Sisi, nanyi mtawakuta mwisho wa bonde, kabla ya Jangwa la Yerueli.
17 Tsy ianareo anefa no hiady amin’ ity; mijanòna tsara, fa ho hitanareo ny hamonjen’ i Jehovah anareo, ry Joda sy Jerosalema. Aza matahotra na mivadi-po, fa rahampitso dia mivoaha hiady aminy; fa Jehovah no momba anareo.
Hamtahitaji kupigana vita hivi. Kaeni kwenye nafasi zenu, simameni imara na mkaone wokovu Bwana atakaowapatia, enyi Yuda na Yerusalemu. Msiogope, wala msifadhaike. Kesho tokeni mwende mkawakabili, naye Bwana atakuwa pamoja nanyi.’”
18 Dia niankohoka tamin’ ny tany Josafata; ary ny Joda sy ny mponina rehetra tany Jerosalema niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah koa ka nivavaka.
Yehoshafati akainamisha uso wake chini, nao watu wote wa Yuda na Yerusalemu wakaanguka chini ili kuabudu mbele za Bwana.
19 Dia nitsangana ny Levita, taranaky ny Kehatita sy taranaky ny Koraïta, mba hidera an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamin’ ny feo mahery indrindra.
Ndipo baadhi ya Walawi kutoka kwa Wakohathi na kwa wana wa Kora wakasimama na kumsifu Bwana, Mungu wa Israeli, kwa sauti kuu sana.
20 Ary nifoha maraina koa izy, dia niainga nankany an-efitr’ i Tekoa; ary nony nivoaka izy, dia nitsangana teo Josafata ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Joda, sy ianareo, ry mponina eto Jerosalema: Minoa an’ i Jehovah Andriamanitrareo, dia ho tafatoetra ianareo; minoa ny mpaminaniny, dia hambinina ianareo.
Asubuhi na mapema wakaondoka kuelekea Jangwa la Tekoa. Walipoanza safari, Yehoshafati akasimama akasema, “Nisikilizeni, enyi Yuda, na watu wa Yerusalemu! Mwaminini Bwana Mungu wenu, hivyo mtathibitika, wasadikini manabii wake nanyi mtafanikiwa.
21 Ary rehefa niara-nihevitra tamin’ ny olona izy, dia nanendry mpihira ho an’ i Jehovah hidera amin’ ny fihaingoana masìna, raha mivoaka eo anoloan’ ny olona efa voaomana hiady, ka hanao hoe: Miderà an’ i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony.
Alipomaliza kushauriana na watu, Yehoshafati akawaweka watu wa kumwimbia Bwana na kumsifu katika utukufu wa utakatifu wake walipokuwa wametangulia mbele ya jeshi, wakisema: “Mshukuruni Bwana kwa kuwa upendo wake wadumu milele.”
22 Ary raha vao nanomboka nihoby sy nidera ireo, dia nasian’ i Jehovah otrika hamely ny taranak’ i Amona sy Moaba sy ny avy any an-tendrombohitra Seïra, izay avy hamely ny Joda, ka dia resy ireo.
Walipoanza kuimba na kusifu, Bwana akaweka waviziao dhidi ya watu wa Amoni, Moabu na wale wa Mlima Seiri waliokuwa wamekuja kuishambulia Yuda, nao wakashindwa.
23 Dia nitsangana ny taranak’ i Amona sy Moaba namely ny avy any an-tendrombohitra Seïra ka namono sy nandringana azy; ary nony voaringany ny mponina tany Seïra, dia nifandringana kosa izy samy izy ihany.
Watu wa Amoni na Moabu wakawainukia watu wa Mlima Seiri ili kuwaua na kuwaangamiza kabisa. Baada ya kumaliza kuwachinja watu wa Seiri, wakaangamizana wao kwa wao.
24 Ary nony tonga teo amin’ ilay fitazanana any an-efitra ny Joda, dia nijery ireo olona betsaka ireo izy, koa, indreo, nisy faty niampatrampatra tamin’ ny tany, fa tsy nisy afa-nandositra.
Yuda walipofika katika mnara wa ulinzi wa jangwani, wakaliangalia lile jeshi kubwa, wakaona ni maiti tupu zimetapakaa ardhini, wala hakuna yeyote aliyenusurika.
25 Ary avy hamabo azy Josafata sy ny vahoakany, dia nahita harena betsaka sy faty ary fanaka sarobidy teo izy, ka dia namabo mihoatra noho izay zakany ho entina; ary hateloana no nanangonany ny babo, fa be dia be ireny.
Hivyo Yehoshafati na watu wake wakaenda kujitwalia nyara kutoka kwao, nao wakakuta humo wingi wa mifugo, mali, nguo na vitu vya thamani, ambavyo vilikuwa vingi zaidi ya vile walivyoweza kuchukua. Wakakusanya nyara kwa siku tatu kwa sababu zilikuwa nyingi mno.
26 Ary tamin’ ny andro fahefatra dia nivory tao amin’ ny lohasaha Beraka izy, fa tany no nisaorany an’ i Jehovah; koa izany no nanaovany izany tany izany hoe Lohasaha Beraka mandraka androany.
Siku ya nne wakakusanyika katika Bonde la Beraka kwa maana huko ndiko walikomsifu Bwana. Ndiyo sababu linaitwa Bonde la Beraka mpaka leo.
27 Koa dia niverina ny lehilahy rehetra amin’ ny Joda sy Jerosalema, ary Josafata nitarika azy hankany Jerosalema indray tamin’ ny fifaliana, fa Jehovah nampifaly azy ny amin’ ny fahavalony.
Kisha watu wote wa Yuda na Yerusalemu, wakiongozwa na Yehoshafati, wakarudi Yerusalemu wakiwa na furaha kwa kuwa Bwana alikuwa amewasababisha wafurahi juu ya adui zao.
28 Ary tonga tany Jerosalema izy nitondra valiha sy lokanga ary trompetra ka nankao an-tranon’ i Jehovah.
Wakaingia Yerusalemu na kwenda hekaluni mwa Bwana wakiwa na vinubi, zeze na tarumbeta.
29 Ary ny fahatahorana an’ Andriamanitra nahazo ny fanjakana rehetra manodidina, nony efa reny fa Jehovah no niady tamin’ ny fahavalon’ ny Isiraely.
Hofu ya Mungu ikazipata falme zote za nchi waliposikia jinsi Bwana alivyokuwa amepigana dhidi ya adui za Israeli.
30 Ary nandry fahizay ny fanjakan’ i Josafata; fa nomen’ Andriamaniny fiadanana tamin’ ny manodidina izy.
Ufalme wa Yehoshafati ukawa na amani, kwa kuwa Mungu wake alikuwa amemstarehesha pande zote.
31 Ary Josafata nanjaka tamin’ ny Joda; dimy amby telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary dimy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema, Ary ny anaran-dreniny dia Azoba, zanakavavin’ i Sily.
Hivyo Yehoshafati akatawala Yuda. Alikuwa na umri wa miaka thelathini na mitano alipoanza kutawala, akatawala katika Yerusalemu kwa miaka ishirini na mitano. Mama yake aliitwa Azuba binti Shilhi.
32 Ary nandeha tamin’ ny lalana nalehan’ i Asa rainy izy ka tsy niala tamin’ izany, fa nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah.
Alienenda katika njia za Asa baba yake wala hakwenda kinyume chake. Alifanya yaliyo mema machoni pa Bwana.
33 Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa ny olona tsy mbola nampiomana ny fony hitady an’ Andriamanitry ny razany.
Hata hivyo mahali pa juu pa kuabudia hapakuondolewa, na watu wakawa bado hawajaelekeza mioyo yao kwa Mungu wa baba zao.
34 Ary ny tantaran’ i Josafata sisa, na ny voalohany na ny farany, indro, efa voasoratra ao amin’ ny tenin’ i Jeho, zanak’ i Hanany, izay nakambana ao amin’ ny bokin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely, izany.
Matukio mengine ya utawala wa Yehoshafati, kuanzia mwanzo hadi mwisho, yameandikwa katika kitabu cha kumbukumbu cha Yehu mwana wa Hanani, ambazo zimeandikwa katika kitabu cha wafalme wa Israeli.
35 Nefa nony afaka izany, Josafata, mpanjakan’ ny Joda, nikambana tamin’ i Ahazia, mpanjakan’ ny Isiraely, izay nanao ratsy;
Hatimaye Yehoshafati mfalme wa Yuda akafanya urafiki na Ahazia mfalme wa Israeli ambaye alifanya maovu sana.
36 ary nikambana taminy hanao sambo hankany Tarsisy izy, ka tao Ezion-gebera no nanaovany azy.
Akaungana naye kutengeneza meli nyingi za kwenda Tarshishi, nazo zilitengenezwa huko Esion-Geberi.
37 Ary Eliezera, zanak’ i Dodavaho, avy any Maresa, naminany ny amin’ i Josafata hoe: Noho ny nikambananao tamin’ i Ahazia dia horavan’ i Jehovah ny asanao. Ary nahavakiana ny sambo ka tsy nahazo nankany Tarsisy.
Ndipo Eliezeri mwana wa Dodavahu wa Maresha akatoa unabii dhidi ya Yehoshafati, akasema, “Kwa kuwa umeungana na Ahazia, Bwana ataangamiza vile mlivyotengeneza.” Zile meli zikavunjika na hazikuweza kungʼoa nanga ili kwenda Tarshishi.

< 2 Tantara 20 >