< 2 Tantara 2 >

1 Ary Solomona nilaza fa hanao trano ho an’ ny anaran’ i Jehovah sy lapa ho an’ ny tenany.
Solomon ya ba da umarni don a gina haikali domin sunan Ubangiji da kuma fada wa kansa.
2 Dia nanisa olona fito alina ho mpitondra entana Solomona ary valo alina ho mpikapa hazo eny an-tendrombohitra ary enin-jato amby telo arivo ho mpifehy azy.
Ya ɗebi mutane dubu saba’in su zama’yan ɗauko, mutane dubu tamanin su zama masu fasa dutse a tuddai, da kuma mutane dubu uku da ɗari shida su zama masu lura da su.
3 Ary Solomona naniraka hankany amin’ i Hirama, mpanjakan’ i Tyro, hanao hoe: Tahaka ny nataonao tamin’ i Davida raiko, raha nampanatitra hazo sedera ho azy hanaovany trano hitoerany ianao,
Solomon ya aika wannan saƙo ga Hiram sarkin Taya. “Ka aika mini gumaguman al’ul kamar yadda ka yi wa mahaifina Dawuda sa’ad da ka aika masa al’ul don yă gina fada yă zauna a ciki.
4 indro, izaho efa efa hanao trano ho an’ ny anaran’ i Jehovah Andriamanitro izay hohamasinina ho Azy ka handoroana ditin-kazo mani-pofona eo anatrehany sy hasiana ny mofo aseho mandrakariva ary handoroana ny fanatitra isa-maraina sy Isan-kariva ary amin’ ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary amin’ ny fotoam-pivavahina voatendrin’ i Jehovah Andriamanitray; ho adidin’ ny Isiraely mandrakizay izany.
Yanzu ina shirin ginin haikali domin Sunan Ubangiji Allahna, in kuma keɓe shi gare shi don ƙona turare mai ƙanshi a gabansa, don kuma ajiyar burodi mai tsarki kullum, da kuma don miƙa hadayun ƙonawa kowace safiya, kowace yamma, da a Asabbatai da Sababbin Wata, da kuma a ƙayyadaddun bukukkuwan Ubangiji Allahnmu. Wannan dawwammamiyar farilla ce don Isra’ila.
5 Ary ny trano efa hataoko dia lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ny Andriamanitray.
“Haikalin da zan gina zai zama mai girma, domin Allahnmu ya fi dukan sauran alloli girma.
6 Nefa iza no mahay manao trano ho Azy? Fa ny lanitra ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Azy. Ka iza moa aho, no hanao trano ho Azy, afa-tsy ny handoroana ditin-kazo manitra eo anatrehany ihany?
Amma wa zai iya gina haikali dominsa, shi wanda sammai, har ma da sama sammai, ba za su iya riƙe shi ba? To, wane ne ni da zan gina haikali dominsa, in ba dai wurin ƙona hadayu a gabansa ba?
7 Koa aniraho olon-kendry aho hiasa volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy volomparasy sy jaky ary manga, ary izay mahay misokitra manao sarin-javatra mba hiara-manao amin’ ny olo-mahay zavatra izay atỳ amiko atỳ Joda sy Jerosalema, izay efa nomanin’ i Davida raiko.
“Saboda haka sai ka aiko mini da mutum wanda ya gwanince a aiki da azurfa, tagulla, baƙin ƙarfe, da kuma shunayya, da garura, da shuɗɗan zare, da wanda kuma ya gwanince da aikin sassaƙa, domin yă yi aiki tare da gwanayen mutane da nake da su a Yahuda da Urushalima, waɗanda mahaifina Dawuda ya tanada.
8 Ary anatero hazo sedera sy kypreso ary almoga avy any Libanona koa aho; fa fantatro fa mahay mikapa hazo any Libanona ny vahoakanao; ary, indro, ny vahoakako hiaraka amin’ ny vahoakanao
“Ka kuma aika mini al’ul, fir da gumaguman algum daga Lebanon, gama na san cewa mutanenka sun gwanince a yakan katakai a can. Mutanena kuwa za su yi aiki tare da naka
9 mba hanamboatra hazo betsaka ho ahy; fa ny trano izay efa hataoko dia ho lehibe higagana.
don su tanada mini katakai da yawa, domin haikalin da zan gina dole yă zama mai girma da kuma ƙasaitacce.
10 Ary, indro, homeko vary tritika voafotsy sy vary hordea roa alina kora avy ary divay sy diloilo roa alina bata avy ny vahoakanao mpikapa hazo.
Zan ba wa bayinka masu yankan katakai waɗanda suka yanka katako, garwa niƙaƙƙen alkama dubu ashirin, garwan sha’ir dubu ashirin da randunan ruwan inabi dubu ashirin da kuma randunan man zaitun dubu ashirin.”
11 Ary hoy Hirama, mpanjakan’ i Tyro, tamin’ ny taratasy izay nampanateriny ho any amin’ i Solomona: Noho ny fitiavan’ i Jehovah ny olony no nanendreny anao ho mpanjakany.
Hiram sarkin Taya ya amsa ta wurin rubuta wasiƙa zuwa ga Solomon. “Domin Ubangiji yana ƙaunar mutanensa, ya naɗa ka sarkinsu.”
12 Ary hoy koa Hirama: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay nanao ny lanitra sy ny tany, noho ny nanomezany an’ i Davida zanaka hendry, izay manana fahendrena sy fahalalana, ka hanao trano ho an’ i Jehovah sy lapa ho an’ ny tenany izy.
Hiram ya ƙara da cewa, “Yabo ga Ubangiji, Allah na Isra’ila, wanda ya yi sama da ƙasa! Ya ba Sarki Dawuda ɗa mai hikima, cike da wayo da kuma sani, wanda zai gina haikali domin Ubangiji da kuma fada wa kansa.
13 Koa ankehitriny, indro, maniraka olona mahay zavatra sady manana fahalalana aho, dia Hiram-aby,
“Zan aika maka Huram-Abi, wani gwani wanda ya iya aiki, kuma mai hikima,
14 zanaky ny vehivavy Danita sy ny lehilahy Tyriana. Ary izy dia mahay miasa volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy vato sy hazo sy volomparasy sy manga sy rongony fotsy madinika ary jaky; ary mahay misokitra manao sarin-javatra samy hafa sy mahay manao marika amin’ izay asa rehetra asaina ataony, ka dia hiara-manao amin’ ny olon-kendrinao sy ny olon-kendrin’ itompokolahy Davida rainao Izy.
wanda mahaifiyarsa ta fito daga Dan, mahaifinsa kuma daga Taya. An horar da shi a aikin zinariya, azurfa, tagulla, baƙin ƙarfe, dutse, itace, da kuma shuɗi, shunayya, garura, da lilin mai kyau. Ya gogu a kowane irin zāne-zāne, zai kuma iya yin kowane zānen da aka ba shi. Zai yi aiki tare da masu sana’arka, da kuma tare da waɗanda ranka yă daɗe, Dawuda mahaifinka ya tanada.
15 Ary ny vary tritika sy ny vary hordea ary ny diloilo sy ny divay, izay nolazainao, tompokolahy dia aoka hampanaterina ho atỳ aminay mpanomponao;
“Yanzu fa, bari ranka yă daɗe, yă aiko wa bayinsa alkama da sha’ir da kuma man zaitun da ruwan inabin da ka alkawarta,
16 Ary izahay dia hikapa hazo any Libanona araka izay rehetra tadiavinao; ary hofehezinay ka hampandehaninay mitsinkafona amin’ ny ranomasina ho any Jopa; ary ianao kosa no hitondra azy miakatra hankany Jerosalema.
za mu kuwa yanka dukan gumagumai daga Lebanon da kake bukata za mu kuwa yi fitonsu ta teku, su gangara zuwa Yaffa. Za ka iya kwashe su daga can ka haura zuwa Urushalima.”
17 Ary Solomona nanisa ny lehilahy hafa firenena rehetra izay nonina tamin’ ny tanin’ ny Isiraely araka ny nanisan’ i Davida rainy Lzy, ary ny isany dia enin-jato amby telo arivo amby dimy alina sy iray hetsy.
Solomon ya ƙidaya dukan baƙin da suke cikin Isra’ila, bayan ƙidayan da mahaifinsa Dawuda ya yi; aka kuma tarar sun kai 153,600.
18 Ary ny fito alina tamin’ ireo dia nataony mpitondra entana, ary ny valo alina nataony mpikapa hazo eny an-tendrombohitra, ary ny enin-jato amby telo arivo nataony mpifehy hampiasa ny olona.
Ya sa 70,000 a cikinsu su zama’yan ɗauko, 80,000 kuma su zama masu fasan dutse a tuddai, sa’an nan 3,600 su zama shugabanni masu lura da aiki.

< 2 Tantara 2 >