< 2 Tantara 18 >
1 Ary Josafata nanana harena sy voninahitra be; ary ny zananilahy dia nampanambadiny ny zanakavavin’ i Ahaba.
2 Koa nony ela dia nidina nankany amin’ i Ahaba tany Samaria izy. Ary Ahaba namono ondry aman’ osy sy omby betsaka ho azy sy ho an’ ny olona nanaraka azy, dia nitaona azy hiakatra ho any Ramota-gileada.
3 Ary hoy Ahaba, mpanjakan’ ny Isiraely, tamin’ i Josafata, mpanjakan’ ny Joda: Mba hiaraka amiko ho any Ramota-gileada va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia olonao; koa hiaraka aminao ho any an-tafika izahay.
4 Ary hoy Josafata tamin’ ny mpanjakan’ ny Isirady; Masìna ianao, anontanio aloha ny tenin’ i Jehovah.
5 Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely dia nanangona ny mpaminany efajato lahy ka nanao taminy hoe: Handeha hanafika an’ i Ramota-gileada va isika, sa hijanona ihany aho? Dia hoy ireo: Mandehana, fa hatolotr’ Andriamanitra eo an-tananao izy, ry mpanjaka.
6 Ary hoy kosa Josafata: Moa tsy misy mpaminanin’ i Jehovah koa va eto mba hanontaniantsika?
7 Dia hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely tamin’ i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany ahazoantsika manontany amin’ i Jehovah, saingy halako izy, satria tsy mbola naminany soa ho ahy izy, fa loza ihany mandrakariva; Mitaia, zanak’ i Jimla, no anarany. Dia hoy Josafata: Aza dia manao izany, ry mpanjaka.
8 Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely niantso ny tandapa anankiray ka nanao taminy hoe: Alao faingana Mikaia, zanak’ i Jimla.
9 Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan’ ny Joda, samy nipetraka teo amin’ ny seza fiandrianany avy teo amin’ ny famoloana eo anoloan’ ny vavahadin’ i Samaria, sady samy efa niakanjo ny akanjony avy; ary ny mpaminany rehetra naminany teo anatrehany.
10 Ary Zedekia, zanak’ i Kenana, dia nanao tandroby ka nanao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Ireto no hanotoanao ny Syriana mandra-paharingany.
11 Ary ny mpaminany rehetra naminany toy izao koa hoe: Mandehana ho any Ramota-gileada, dia hambinina ianao; fa hotolotr’ i Jehovah eo an-tananao izy, ry mpanjaka.
12 Ary ilay iraka izay nandeha naka an’ i Mikaia niteny taminy hoe: Indro, fa efa iray teny avokoa izao ny mpaminany, ka samy milaza soa ho an’ ny mpanjaka: masìna ianao, aoka re ny teninao mba ho tahaka ny an’ ny anankiray amin’ ireo, ka mba mitenena soa koa.
13 Dia hoy Mikaia: Raha velona koa Jehovah, izay lazain’ Andriamanitro ihany no hambarako.
14 Dia nankany amin’ ny mpanjaka izy. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ry Mikaia, handeha hanafika an’ i Ramota-gileada va isika, sa hijanona ihany aho? Ary izy namaly azy hoe: Mandehana, dia hambinina ianareo, fa hatolotra eo an-tananareo izy.
15 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Impiry no hampianianako anao mba tsy hilaza na inona na inona amiko amin’ ny anaran’ i Jehovah afa-tsy izay marina ihany?
16 Dia hoy Mikaia: Hitako fa indreny ny Isiraely rehetra niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ary hoy Jehovah: Ireto efa tsy manan-tompo, ka aoka izy samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy.
17 Dia hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely tamin’ ny Josafata: Tsy efa voalazako taminao va fa tsy mba mety maminany soa ho ahy izy, fa loza ihany?
18 Ary hoy Mikaia: Henoy ary ny tenin’ i Jehovah: Nahita an’ i Jehovah nipetraka teo amin’ ny seza fiandrianany aho, ary ireo maro be rehetra any an-danitra nitsangana teo amin’ ny ankavanany sy teo amin’ ny ankaviany.
19 Ary hoy Jehovah: Iza no hitaona an’ i Ahaba, mpanjakan’ ny Isiraely, handeha ho any Ramota-gileada ka ho lavo any? Ary ny anankiray niteny toy izao, ary ny anankiray kosa niteny toy izao.
20 Dia nandroso ny fanahy ka nitsangana teo anatrehan’ i Jehovah ary nanao hoe: Izaho no hitaona azy. Ary hoy Jehovah taminy: Amin’ inona anefa?
21 Dia hoy izy: Hivoaka aho ka ho tonga fanahy mandainga ao am-bavan’ ny mpaminaniny rehetra. Dia hoy indray Jehovah: Ho voataonanao ihany izy, ka hahatanteraka ianao; mivoaka ary, ka ataovy izany.
22 Koa, indro, Jehovah efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan’ ireto mpaminaninao ireto, ary Izy koa efa nilaza ny loza hanjo anao.
23 Fa Zedekia, zanak’ i Kenana, nanatona, dia namely ny takolak’ i Mikaia sady nanao hoe: Taiza no lalana nialan’ ny Fanahin’ i Jehovah tamiko hiteny aminao?
24 Dia hoy Mitaia: Indro, ho hitanao izany amin’ ny andro hidiranao ao amin’ ny efi-trano anatiny hierenao.
25 Dia hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely: Raiso Mikaia, ka ento miverina izy ho any amin’ i Amona, komandin’ ny tanana, sy ho any amin’ i Joasy, zanaky ny mpanjaka,
26 ka lazao hoe: Izao no lazain’ ny mpanjaka: Ataovy ao an-trano-maizina ilehity, ka fahano mofom-pahoriana sy ranom-pahoriana izy mandra-pahatongako soa aman-tsara.
27 Fa hoy Mikaia: Raha tahìny ho tafaverina soa aman-tsara ianao, dia tsy nampitenenin’ i Jehovah aho tsy akory. Ary hoy koa izy: Samia mihaino izany, ry firenena rehetra.
28 Dia niatatra nankany Ramota-gileada ny mpanjakan’ ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan’ ny Joda.
29 Ary hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely tamin’ i Josafata: Hody olon-kafa aho ka hitsarapaka any anatin’ ny ady, fa ianao kosa dia miakanjoa ny akanjonao ihany. Dia nody olon-kafa ny mpanjakan’ ny Isiraely ka nitsarapata tany anatin’ ny ady.
30 Fa ny mpanjakan’ i Syria efa nandidy Ireo komandin’ ny kalesiny nanao hoe: Aza miady na amin’ ny kely na amin’ ny lehibe, afa-tsy amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely ihany.
31 Ary nony nahita an’ i Josafata ireo komandin’ ny kalesy, dia hoy izy: Iny mihitsy no mpanjakan’ ny Isiraely. Dia nohodidininy hasiany izy, ka dia niantsoantso Josafata, ary Jehovah namonjy azy; eny, Andriamanitra nampiala ireo teo aminy;
32 ary rehefa hitan’ ireo komandin’ ny kalesy fa tsy ny mpanjakan’ ny Isiraely izy, dia niverina niala taminy ireo.
33 Ary nisy lehilahy anankiray nandefa zana-tsipìka kitoatoa ka nahavoa ny mpanjakan’ ny Isiraely teo anelenalen’ ny fiarovan-tratrany sy ny eo ambaniny, ka dia hoy izy tamin’ ny mpampandeha ny kalesiny: Ahodino, ka ento miala eto amin’ ny mpiady aho, fa voa.
34 Ary nihamafy ny ady tamin’ izany andro izany; ary ny mpanjakan’ ny Isiraely nihafy nitsangana teo amin’ ny kalesiny tandrifin’ ny Syriana mandra-paharivan’ ny andro; fa nony efa hilentika ny masoandro, dia maty izy.