< 2 Tantara 17 >

1 Ary Josafata, zanak’ i Asa, no nanjaka nandimby azy, ary nitombo hery hiaro tena tamin’ ny Isiraely izy.
Asa capa Jehoshaphat ni a na pa yueng siangpahrang a tawk teh, Isarel tuk hanelah tha a sai sak.
2 Ary namponina miaramila tamin’ ny tanàna mimanda rehetra eran’ i Joda izy sady nametraka miaramila tany amin’ ny tany Joda sy tany amin’ izay tanànan’ ny Efraima efa azon’ i Asa rainy.
Judah ram dawk rapan ka tawn e kho pueng koe ransanaw a hruek. Judah ram hoi a na pa Asa ni a la e Ephraim ram dawk e khonaw dawk ramvengnaw a hruek.
3 Ary Jehovah nomba an’ i Josafata, satria nandeha tamin’ ny nalehan’ i Davida rainy izy, dia ilay tamin’ ny voalohany, fa tsy mba nitady ireo Bala;
Jehoshaphat koe BAWIPA ao, bangkongtetpawiteh, a na pa Devit ni a dawn e lamthung a dawn teh Baal cathut tawng hoeh.
4 fa Jehovah, Andriamanitry ny rainy, kosa no notadiaviny, ary araka ny didiny no nalehany, fa tsy mba araka ny fanaon’ ny Isiraely.
A na pa e Cathut dueng a tawng teh, Isarel lamthung a roun teh kâpoelawk a tarawi.
5 Koa dia nampitoerin’ i Jehovah teo an-tànany ny fanjakana; ary ny Joda rehetra nitondra fanomezana ho an’ i Josafata, ka dia nanana harena sy voninahitra be izy.
Hatdawkvah, BAWIPA ni ahnie kut dawk uknaeram a caksak teh, Judah ram e tami pueng ni, Jehoshaphat koe tamuk a poe, dawkvah, a tangreng teh a bawilen poung.
6 Ary ny fony nihanatoky tamin’ ny lalan’ i Jehovah, dia noravany tsy ho eo amin’ ny Joda ny fitoerana avo sy ny Aseraha.
BAWIPA e lamthung dawk a lunghawi teh, Judah ram dawk e karasang e hmuennaw hoi meikaphawk thingnaw pueng koung a raphoe.
7 Ary tamin’ ny taona fahatelo nanjakany dia naniraka ny mpanapaka izy, dia Benaila sy Obadia sy Zakaria sy Netanela ary Mikaia, hampianatra tany amin’ ny tanànan’ ny Joda,
A bawinae kum thum navah, kahrawikung Benhail, Obadiah, Zekhariah, Nethanel hoi Mikhaiah tinaw hah taminaw cangkhai hanelah Judah ram khopuinaw koe a patoun.
8 Ary nisy Levita koa niaraka tamin’ ireo, dia Semaia sy Netania sy Zebadia sy Asahela sy Semiramota sy Jonatana sy Adonia sy Tobia ary Tob-adonia, Levita, mbamin’ i Elisama sy Jorama, mpisorona.
Levih tami Shemaiah, Nethaniah, Zebadiah, Asahel, Shemiramoth, Adonijah, Tobiah hoi Tobadinijah taminaw hai a bawk van. Hahoi vaihma Elishama hoi Jehoram hai a bawk roi van.
9 Ary nampianatra tany Joda izy ireo, ka nentiny ny bokin’ ny lalàn’ i Jehovah, dia nitety ny tanànan’ ny Joda rehetra izy ka nampianatra teny amin’ ny olona.
BAWIPA e kâlawk cauk a sin awh teh, Judah ram dawk a cangkhai awh.
10 Ary ny tahotra an’ i Jehovah nahazo ny fanjakana rehetra tamin’ ny tany manodidina an’ i Joda, ka dia tsy nisy niady tamin’ i Josafata ireo.
Judah tengpam e uknaeram pueng ni hai BAWIPA a taki awh teh, apinihai Jehoshaphat tuk ngam hoeh.
11 Ary ny Filistina sasany nitondra fanomezana sy vola hetra ho an’ i Josafata; ary ny Arabo koa nitondra ondry aman’ osy, dia ondrilahy fiton-jato amby fito arivo sy osilahy fiton-jato amby fito arivo.
Filistin e tami tangawn ni hai Jehoshaphat poehno a poe awh. Tamuk hanelah ngun tangka a poe awh. Arabianaw ni hai tu 7700, hmae 7700 touh a poe awh.
12 Ary Josafata nihanahery indrindra ka nanao trano fiarovana sy tanàna fitehirizana tany Joda.
Jehoshaphat teh a tha hoehoe a sai teh Judah ram dawk ramveng im hoi hnopai hruek nahane a sak.
13 Ary nanana fananana betsaka tao amin’ ny tanànan’ ny Joda koa sy miaramila, lehilahy mahery, tany Jerosalema izy.
Judah khopuinaw dawk thaw moi a tawn teh, Jerusalem vah tarankahawi ni teh athakaawme taminaw moikapap a tawn.
14 Ary izao no nandaminana azy araka ny fianakaviany avy: Ny mpifehy arivo tamin’ ny Joda dia Adna komandy, ary ny fehiny dia lehilahy mahery telo hetsy;
Hetnaw teh a napanaw imthung lahoi touk e doeh. Judah thung hoi ransabawi 1,000 touh, Adnah hoi a kut rahim kaawm e tarankahawi ni teh athakaawme tami 300,000,
15 ary nanarakaraka azy dia Johanana komandy, ary ny fehiny dia valo alina amby roa hetsy;
Apâhni lah Jehoshaphat ni 280,000 a uk.
16 ary nanarakaraka azy indray dia Amasia, zanak’ i Zikry, ilay nanolotena ho an’ i Jehovah, ary ny fehiny dia lehilahy mahery roa hetsy.
A pâthum lah Zekhariah capa Amasiah teh a ma lungtho lahoi BAWIPA koe a kâpasoung teh, tarankahawi ni teh athakaawme 200,000 touh a uk.
17 Ary tamin’ ny Benjamina dia Eliada, lehilahy mahery, ary ny fehiny dia lehilahy roa hetsy mitondra tsipìka sy ampinga;
Benjamin imthung dawk e a thakasai, tarankahawi e, sene hoi bahling ka patuem e tami 200000 touh Eliada ni a uk.
18 ary nanarakaraka azy dia Jozabada, ary ny fehiny dia valo alina amby iray hetsy efa voaomana hiady.
A hnukkhu Jehozabad ni tarankahawi ni teh athakaawme 180000 touh a uk.
19 Ireo no mpitoetra tamin’ ny mpanjaka, afa-tsy izay nampitoerin’ ny mpanjaka tany amin’ ny tanàna mimanda eran’ i Joda rehetra.
Hetnaw pueng teh siangpahrang e thaw katawkkungnaw doeh. Hetnaw hloilah Judah ram rapan ka tawn e kho tangkuem koe siangpahrang ni a hruek e ao rah.

< 2 Tantara 17 >