< 2 Tantara 15 >
1 Ary ny Fanahin’ Andriamanitra tonga tamin’ i Azaria, zanak’ i Odeda;
Roho ya Mungu ikaja juu ya Azaria mwana wa Odedi.
2 ary dia nivoaka hitsena an’ i Asa izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ahy, ry Asa mbamin’ ny Joda sy ny Benjamina rehetra: Jehovah momba anareo, raha ianareo momba Azy; ary raha mitady Azy kosa ianareo, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy ianareo, dia hahafoy anareo Izy.
Akaenda nje kukutana na Asa na akamwambia, “Nisikilize, Asa, na Yuda wote na Benyamini: Yahwe yuko pamoja nanyi, pale mnapokuwa naye. Kama mtamtafuta, mtampata; lakini kama mtamsahau, atawasahau ninyi.
3 Ary efa ela ny Isiraely no tsy nanana an’ Andriamanitra marina, na mpisorona mampianatra, na lalàna.
Sasa kwa muda mrefu, Israeli hawakuwa na Mungu wa kweli, bila kuhani wa kufundisha, na bila sheria.
4 Fa raha niverina tamin’ Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izy nony azom-pahoriana, ka nitady Azy, dia nahita Azy.
Lakini katika dhiki yao wakamrudia Yahwe, Mungu wa Israeli, na wakamtafuta, wakamta.
5 Ary tamin’ izany dia tsy nisy fiadanana ho an’ izay nivoaka na izay niditra; fa horohoro be no nahazo ny mponina rehetra tamin’ ny tany.
Katika nyakati hizo hapakuwa na amani kwake aliyesafiri kwend mbali, wala kwake aliyesafiri kuja hapa; badala yake shsida kubwa zilikuwa juu ya wenyeji wote wa wanchi.
6 Ary nifandringana ny firenena sy ny tanàna, fa Andriamanitra nampangorohoro azy tamin’ ny fahoriana rehetra.
Waligawanyika vikundi vikundi, taifa dhidi ya taifa, na mji dhidi ya mji, kwa maana Mungu aliwapa shsida za kila aina ya kila mateso.
7 Koa mahereza ianareo, fa aza miraviravy tanana; fa hisy valim-pitia tokoa ny ataonareo.
Lakini muwe hodari, na msiuache mkono wenu kuwa dhaifu, kwa maana kazi yen itapewa thawabu.”
8 Ary raha ren’ i Asa izany teny izany sy ny faminanian’ i Odeda mpaminany, dia niezaka izy ka nanaisotra ny sampy fahavetavetana tamin’ ny tanin’ ny Joda sy ny Benjamina rehetra ary tamin’ ny tanàna izay azony tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima, sady nanavao ny alitaran’ i Jehovah izay teo anoloan’ ny lavarangana fidirana amin’ ny tranon’ i Jehovah.
Asa aliposikia maneno haya, unabii wa odedi nabii, akajipa ujasiri na kuviondosha mbali vitu vya kuchukiza kutoka nchi yote ya Yuda na Benyamini, na kutoka miji yote aliyokuwa ameiteka kuanzia kilima cha nchi ya Efraimu, na akaijenga tena madhabahu ya Yahwe, ambayo ilikuwa mbele ya ukumbi wa nyumba ya Yahwe.
9 Ary novoriny ny Joda sy ny Benjamina rehetra sy ny vahiny teo aminy izay avy tany amin’ ny Efraima sy ny Manase ary ny Simeona; fa betsaka no nanatona azy avy tamin’ ny Isiraely, raha hitany fa Jehovah Andriamaniny no teo aminy.
Akawakusanya Yuda wote na Benyamini, na wae waliokaa pamoja nao—watu wa kutoka Efraimu na Manase, na kutoka Simeoni. Kwa maana walikuja kwake katika hesabu kubwa kutoka Israeli, walipoona kwamba Yahwe Mungu wake alikuwa pamoja naye.
10 Ary nivory tany Jerosalema ireo tamin’ ny volana fahatelo tamin’ ny taona fahadimy ambin’ ny folo nanjakan’ i Asa.
Kwa hiyo wakakusanyika katika Yerusalemu katika mwezzi wa tatu, katika mwaka wa kumi na tano wa utawala wa Asa.
11 Ary androtrizay no nanaterany fanatitra ho an’ i Jehovah tamin’ ny babo izay nentiny, dia omby fitonjato sy ondry aman’ osy fito arivo.
Katika siku hiyo walimtolea Yahwe dhabihu baadhi ya nyara ambazo walikuwa wameleta; ng'mbe wa kulima mia saba na kondoo na mbuzi elfu saba.
12 Ary nanao fanekena hitady an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, tamin’ ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra izy,
Wakaingia kataika agano kwa ajili ya kumtafuta Yahwe, Mungu wa babau zao, kwa moyo wao wote na roho yao yote.
13 ka na iza na iza tsy mety mitady an’ i Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, dia hatao maty, na kely na lehibe, na lahy na vavy.
Wakakubaliana kwamba yeyote atakepuuzia kumtafuta Yahwe, Mungu wa Israeli, atapaswa kuuawa, iwe mdogo ama mkubwa, iwe mwanaume ama mwanamke.
14 Ary nianiana ho an’ i Jehovah tamin’ ny feo mahery sy ny fihobiana ary tamin’ ny trompetra sy ny anjomara izy.
Wakaapa kwa Yahwe kwa sauti kubwa, kwa kelele, na kwa sauti za tarumbeta na baragumu.
15 Ary ny Joda rehetra nifaly noho ny fianianana, fa efa nianiana tamin’ ny fony rehetra izy sady nazoto nitady an’ i Jehovah indrindra, ka dia nahita Azy; ary Jehovah dia nanome azy fiadanana tamin’ ny manodidina fahizay.
Yuda wote wakakifurahia kile kiaapo. kwa maana walikuwa wameapa kwa moyo wao wote, na walimtafuta Mungu kwa nia yao yote, na walimuona. Yahwe akawapa amani pande zote.
16 Ary na dia Imaka, renin’ i Asa mpanjaka, aza dia naetriny tsy ho andriambavy, satria efa nanao sampy ho an’ ny Aseraha izy; ary Asa nikapa ny sampiny, dia nanorotoro ka nandoro azy tao amin’ ny lohasahan-driaka Kidrona.
Pia akamwondoa Maaka, asiwe malikia, kwa sababu alikuwa amefanya sanamu ya kuchukiza ya Maashera. Asa akaivunja vunja sanamu ya kuchukiza, akaiweka kwenye mavumbi akaichoma moto huko kijitoni Kidroni.
17 Fa ny fitoerana avo tsy mba noravana tamin’ ny Isiraely; nefa nahitsy ny fon’ i Asa tamin’ ny androny rehetra.
Lakini sehemu za juu hazikuwa zimeondolewa nje ya Israeli. Vile vile, Moyo wa Asa ulijitoa kikamilifu siku zake zote.
18 Ary nampidiriny ho ao an-tranon’ i Jehovah ny zavatra izay nohamasinin-drainy mbamin’ izay nohamasinin’ ny tenany, dia volafotsy sy volamena ary fanaka.
Akaleta kwenye nyumba ya Mungu vitu vya baba yake na vitu vyake mwenyewe vilivyokuwa vya Yahwe: vitu vya fedha na dhahabu.
19 Ary tsy nisy ady intsony hatramin’ ny taona fahadimy amby telo-polo nanjakan’ i Asa.
Hapakuwa na vita zaidi hadi miaka thelathini na mitano ya utawala wa Asa.