< 2 Tantara 13 >

1 Ary tamin’ ny taona fahavalo ambin’ ny folo nanjakan’ i Jeroboama mpanjaka no vao nanjakan’ i Abia tamin’ ny Joda.
Ie amy taom-paha-folo-valo’ ambi’ Iarovamey le niorotse nifehe Iehodà t’i Abiià.
2 Telo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Mikaia, zanakavavin’ i Oriela, avy any Gibea. Ary niady Abia sy Jeroboama.
Telo taoñe ty nifehea’e e Ierosalaime ao; i Mikaià ana’ i Oriele nte-Gibà ty tahinan-drene’e. Nifañotakotake t’i Abiià naho Iarovame.
3 Ary Abia niantomboka niady ka nitondra miaramila mahery, dia lehilahy efatra hetsy voafantina; ary Jeroboama kosa nandahatra ny azy hiady aminy, dia lehilahy valo hetsy voafantina, samy mahery avokoa.
Nifanontoñe hialy t’i Abiià reketse mpirimbon-dahindefoñe mahimbañe, ondaty jinoboñe efats-etse; naho nilahatse hifañatreatre ama’e t’Iarovame rekets’ ondaty jinoboñe valo-hetse, ondaty maozatse nahasibeke.
4 Ary Abia nijoro teo an-tendrombohitra Zemaraima, izay any amin’ ny tany havoan’ i Efraima, ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Jeroboama sy ry Isiraely rehetra:
Nijohañe an-kaboa’ i Tsemaraime t’i Abiià am-bohibohi’ i Efraime eo, nanao ty hoe: Janjiño iraho ry Iarovame naho Israele iabio;
5 Moa tsy tokony ho fantatrareo va fa nomen’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ho an’ i Davida mandrakizay ny fanjakan’ ny Isiraely? dia ho azy sy ny taranany amin’ ny fanekena nasiantsira.
tsy ho napota’ areo hao te natolo’ Iehovà Andrianañahare’ Israele amy Davide ho nainai’e donia ty fifeheañe Israele, ama’e naho amo ana-dahi’eo am-pañinan-tsira?
6 Nefa kosa Jeroboama, zanak’ i Nebata, mpanompon’ i Solomona, zanak’ i Davida, nitsangana ka niodina tamin’ ny tompony.
Fe nitroatse t’Iarovame ana’ i Nebate, mpitoro’ i Selomò ana’ i Davide vaho niola amy Talè’ey.
7 Ary koa, nisy olom-poana, tena ratsy fanahy, niangona tao aminy ka nampahery ny tenany hanohitra an-dRehoboama, zanak’ Solomona, raha mbola zaza sy tanora fanahy izy ka tsy nahatohitra azy.
Niropak’ ama’e ondaty tsy manjofakeo, ana’ i Beliale, naozatse te amy Rekoboame ana’ i Selomò, ie mbe nitora’e naho tso-po t’i Rekoboame vaho tsy nahafiatreatre.
8 Ary ankehitriny ianareo mikasa hanohitra ny fanjakan’ i Jehovah, izay eo an-tànan’ ny taranak’ i Davida; ary ianareo dia maro be, sady misy ombilahy kely volamena ao aminareo, izay nataon’ i Jeroboama ho andriamanitrareo.
Aa he mitsakore ty hoe nahareo t’ie hahafitroatse amy fifehea’ Iehovà am-pità’ o ana’ i Davideoy; ie valobohòke vasiañeñe vaho ama’ areo o bania volamena niranjie’ Iarovame ho ‘ndrahare’ areoo.
9 Tsy efa noroahinareo va ny mpisoron’ i Jehovah, dia ny taranak’ i Arona, sy ny levita, ka nanendry mpisorona ho anareo tahaka ny fanaon’ ny firenena amin’ ny tany hafa ianareo? ka na zovy na zovy mitondra vantotr’ ombilahy sy ondrilahy fito hanokanana ny tenany, dia izy no tonga mpisorona amin’ ireo tsi-Andriamanitra.
Tsy fa rinoa’ areo hao o mpisoro’ Iehovào, o ana’ i Aharoneo, o nte-Levio vaho nañoriza’ areo mpisoroñe an-tsata’ ondaty an-tane ila’e añe? Aa ndra ia’ia miheo mb’eo hañori-vatañe reketse bania naho añondrilahy fito, le minjare mpisoron ‘drahare tsie.
10 Fa ny aminay kosa, dia Jehovah no Andriamanitray ka tsy mba nahafoy Azy izahay; ary ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ho an’ i Jehovah, dia ny taranak’ i Arona; ary ny Levita koa manao ny raharahany;
Fa naho zahay, Iehovà ro Andrianañahare’ay, le tsy naforintse’ay vaho amam-pisoroñe mitoroñe Iehovà, toe mitoloñ’ amo fitoloña’ iareoo o ana’ i Aharoneo naho o nte-Levio,
11 ary mandoro fanatitra dorana sy ditin-kazo manitra ho an’ i Jehovah isa-maraina sy isan-kariva izy, ary ny mofo aseho koa alahany eo amin’ ny latabatra tsara, ary ny jiro koa ampirehetiny Isan-kariva ao amin’ ny fanaovan-jiro volamena sy ny lela fanaovan-jirony; fa izahay mitandrina izay nasain’ i Jehovah Andriamanitray hotandremana; fa ianareo kosa nahafoy Azy.
ie misoroñe am’ Iehovà boa-maraindray naho hariva, soroñe naho emboke mañitse; naho mampidadañe i mofo miatrekey amy latabatse hiringiri’ey; naho mamelome o jiro am-pitàn-jiro volamenao boa-kariva, amy te tana’ay ty namantoha’ Iehovà Andria­nañahare’ay; fe nifarie’ areo.
12 Ary, indro, ato aminay Andriamanitra ho mpitarika anay, ary ny mpisorony sy ny trompetra avo faneno hotsofina mafy hamelezana anareo Ry Zanak’ isiraely ô, aza miady amin’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo; fa tsy hambinina ianareo.
Aa le oniño te mindre ama’ay ho mpiaolo anay t’i Andrianañahare naho mitan-trompetra fañatahatañe o mpisoro’eo, hivolan-kekoheko ama’ areo. O ry ana’ Israeleo, ko mialy am’ Iehovà Andrianañaharen-droae’ areo fa tsy hiraorao.
13 Fa nasain’ i Jeroboama nanompirana no fandehan’ ny otrika mba ho tonga ao aoriany, ka dia izy teo anoloan’ ny Joda, ary ny otrika teo ivohony.
Fe nampamandroñe’ Iarovame ty hiboak’ am-boho ao; aa le eo o aolo’ Iehodào vaho amboho ao o mpamandroñeo.
14 Ary nony nitodika ny Joda, ka, indreo, teo alohany sy teo aoriany ny fahavalo, dia nitaraina tamin’ i Jehovah izy, ary ny mpisorona nitsoka ny trompetra.
Aa ie nitolik-amboho t’Ie­hodà, hehe te aolo naho amboho i hotakotakey; aa le nitoreo am’ Iehovà iereo vaho nitiofe’ o mpisoroñeo o trompetrao.
15 Dia nihoby ny lehilahy amin’ ny Joda; ary raha nihoby izy, Andriamanitra dia namely an’ i Jeroboama sy ny Isiraely rehetra teo anoloan’ i Abia sy ny Joda.
Nampipoña-pazak’ amy zao o nte-Iehodao; aa ie nipazapazake o nte-Iehodao, le nifetsake te linihin’ Añahare t’Iarovame naho Israele iaby añatrefa’ i Abiià naho Iehoda eo,
16 Ary ny Zanak’ isiraely nandositra niala teo anoloan’ ny Joda; ary Andriamanitra nanolotra azy ho eo an-tànany,
naho nitriban-day añatrefa’ Iehodà eo o ana’ Israeleo vaho tinolon’ Añahare am-pità’ iareo.
17 ka nahafatesan’ i Abia sy ny vahoakany be dia be izy; ary niampatrampatra ny fatin’ ny Isiraely, dia lehilahy dimy hetsy voafantina.
Zinama’ i Abiià naho ondati’eo am-piza­manañe ra’elahy, kanao lime-hetse am’ondaty jinoboñeo ty nitsingoron-ko vetrake.
18 Toy izany no nampietrena ny Zanak’ isiraely fahizay; ary ny taranak’ i Joda no nahery, satria niankina tamin’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy.
Aa le nampiambanèñe o ana’ Israeleo henane zay vaho nandreketse o ana’ Iehodao ami’ty niatoa’ iareo am’ Iehovà, Andrianañaharen-droae’ iareo.
19 Ary Abia nanenjika an’ i Jeroboama ka nahazo ny tanànany, dia Betela mbamin’ ny zana-bohiny sy Jesana mbamin’ ny zana-bohiny ary Efrona mbamin’ ny zana-bohiny.
Nihoridañe’ i Abiià t’Iarovame, le nandrambesa’e rova: i Betele rekets’ o tanà’eo naho Iesanà rekets’ o tanà’eo vaho i Efrone rekets’ o tanà’eo.
20 Ary Jeroboama tsy naharina intsony tamin’ ny andron’ i Abia; ary Jehovah namely azy, ka dia maty izy.
Tsy nahafitroatse ka t’Iarovame tañ’ andro’ i Abiià; le zinevo’ Iehovà re vaho nihomake.
21 Ary Abia nitombo hery, ary nanam-bady efatra ambin’ ny folo izy ka niteraka lahy roa amby roa-polo sy vavy enina ambin’ ny folo.
Fe nihamaozatse t’i Abiià, le nañenga valy folo efats’ amby vaho nisamak’ ana-dahy roapolo-ro’ amby naho anak’ampela folo-eneñ’amby.
22 Ary ny tantaran’ i Abia sisa mbamin’ ny nataony sy ny teniny dia efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ Ido mpaminany.
Le o fitoloña’ i Abiìao naho o sata’eo naho o lañona’eo, tsy fa sinokitse amy fibejaña’ Idò mpitokiy hao?

< 2 Tantara 13 >