< 2 Tantara 12 >

1 Ary Rehoboama, rehefa nampandry ny ny fanjakany sady efa nahery, dia nahafoy ny lalan’ i Jehovah izy sy ny Isiraely rehetra.
Cumque roboratum fuisset regnum Roboam et confortatum, dereliquit legem Domini, et omnis Israël cum eo.
2 Ary tamin’ ny taona fahadimy nanjakan-dRehoboama mpanjaka dia niakatra Sisaka, mpanjakan’ i Egypta, hamely an’ i Jerosalema, fa nivadika tamin’ i Jehovah ny mponina tany,
Anno autem quinto regni Roboam, ascendit Sesac rex Ægypti in Jerusalem (quia peccaverant Domino)
3 ary nitondra kalesy roan-jato amby arivo sy mpitaingin-tsoavaly enina alina izy, ary tsy hita isa ny olona izay nanaraka azy avy tany Egypta, dia ny Lobita sy ny Sokita ary ny Etiopiana.
cum mille ducentis curribus, et sexaginta millibus equitum: nec erat numerus vulgi quod venerat cum eo ex Ægypto, Libyes scilicet, et Troglodytæ, et Æthiopes.
4 Dia nahafaka ny tanàna mimanda izay any Joda izy ka tonga tany Jerosalema.
Cepitque civitates munitissimas in Juda, et venit usque in Jerusalem.
5 Ary Semaia mpaminany tonga tao amin-dRehoboama sy ireo mpanapaka ny Joda, izay tafangona tany Jerosalema noho ny amin’ i Sisaka, ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Hianareo efa nahafoy Ahy, koa Izaho kosa dia mba nahafoy anareo ho eo an-tànan’ i Sisaka.
Semeias autem propheta ingressus est ad Roboam, et principes Juda qui congregati fuerant in Jerusalem, fugientes Sesac: dixitque ad eos: Hæc dicit Dominus: Vos reliquistis me, et ego reliqui vos in manu Sesac.
6 Dia niaiky ireo mpanapaka ny Isiraely sy ny mpanjaka ka nanao hoe: Marina Jehovah.
Consternatique principes Israël et rex, dixerunt: Justus est Dominus.
7 Ary nony hitan’ i Jehovah fa niaiky izy, dia tonga tao amin’ i Semaia indray ny tenin’ i Jehovah nanao hoe: Efa niaiky izy, ka dia tsy handringana azy Aho, fa tsy ho ela dia hamonjy azy; ary tsy haidiko amin’ i Jerosalema avy amin’ ny tànan’ i Sisaka ny fahatezerako.
Cumque vidisset Dominus quod humiliati essent, factus est sermo Domini ad Semeiam, dicens: Quia humiliati sunt, non disperdam eos, daboque eis pauxillum auxilii, et non stillabit furor meus super Jerusalem per manum Sesac.
8 Kanefa ho mpanompony ihany izy, mba hahafantarany ny fanompoana Ahy sy ny fanompoana any amin’ ny fanjakana hafa.
Verumtamen servient ei, ut sciant distantiam servitutis meæ, et servitutis regni terrarum.
9 Dia niakatra Sisaka, mpanjakan’ i Egypta, hamely an’ i Jerosalema ka namabo ny rakitry ny tranon’ i Jehovah sy ny rakitry ny tranon’ ny mpanjaka: samy nobaboiny avokoa izy rehetra; ary nobaboiny koa ny ampinga volamena izay nataon’ i Solomona.
Recessit itaque Sesac rex Ægypti ab Jerusalem, sublatis thesauris domus Domini et domus regis: omniaque secum tulit, et clypeos aureos quos fecerat Salomon:
10 Ary Rehoboama mpanjaka nanao ampinga varahina ho solon’ ireny ka nanolotra azy ho eo an-tànan’ ny lehiben’ ny mpiambina, izay niambina ny varavaran’ ny tranon’ ny mpanjaka.
pro quibus fecit rex æneos, et tradidit illos principibus scutariorum, qui custodiebant vestibulum palatii.
11 Ary na oviana na oviana no nidiran’ ny mpanjaka tao an-tranon’ i Jehovah, dia avy ny mpiambina naka ireo ka namerina azy ho ao an-tranon’ ny mpiambina indray.
Cumque introiret rex domum Domini, veniebant scutarii et tollebant eos, iterumque referebant eos ad armamentarium suum.
12 Ary raha nanetry tena izy, dia niala taminy ny fahatezeran’ i Jehovah ka tsy nahalany ringana azy; sady nisy fahatsaram-panahy koa tamin’ ny Joda.
Verumtamen quia humiliati sunt, aversa est ab eis ira Domini, nec deleti sunt penitus: siquidem et in Juda inventa sunt opera bona.
13 Ary Rehoboama mpanjaka dia nitombo hery tany Jerosalema, ka dia nanjaka; iraika amby efa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary fito ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema, ilay tanana nofidin’ i Jehovah tamin’ ny firenen’ Isiraely rehetra hampitoerany ny anarany. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita.
Confortatus est ergo rex Roboam in Jerusalem, atque regnavit: quadraginta autem et unius anni erat cum regnare cœpisset, et decem et septem annis regnavit in Jerusalem, urbe quam elegit Dominus ut confirmaret nomen suum ibi, de cunctis tribubus Israël: nomen autem matris ejus Naama Ammanitis.
14 Ary nanao ratsy izy, satria tsy nampiomana ny fony hitady an’ i Jehovah.
Fecit autem malum, et non præparavit cor suum ut quæreret Dominum.
15 Ary ny tantaran-dRehoboama, na ny voalohany na ny farany, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ i Semaia mpaminany sy Ido mpahita ny amin’ ny firazanana va izany? Ary niady mandrakariva Rehoboama sy Jeroboama.
Opera vero Roboam prima et novissima scripta sunt in libris Semeiæ prophetæ, et Addo videntis, et diligenter exposita: pugnaveruntque adversum se Roboam et Jeroboam cunctis diebus.
16 Ary Rehoboama lasa nodimandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan’ i Davida izy; ary Abia zanany no nanjaka nandimby azy.
Et dormivit Roboam cum patribus suis, sepultusque est in civitate David: et regnavit Abia filius ejus pro eo.

< 2 Tantara 12 >